Testamenta Taloha 2022
2–8 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19: “Hamasinina ho an’i Jehovah”


“2–8 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19: -Hamasinina ho an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“2–8 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Tempolin’i São Paulo Brazil

2–8 mey

Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19

“Fahamasinana ho an’ny Tompo”

Eo am-pandalinanao ombam-bavaka ny soratra masina amin’ity herinandro ity dia eritrereto ireo ankizy ampianarinao. Afaka manampy anao hahafantatra ireo fahamarinana ilain’izy ireo ny Fanahy Masina sy ny fomba hampianaranao azy ireo ireo fahamarinana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ataovy anaty fitoeran-javatra iray ny anaran’ny ankizy tsirairay. Mangataha ankizy iray haka anarana iray ary asao ilay ankizy voatsapaka anarana hizara zavatra vao nianarany vao tsy ela avy tao amin’ny Testamenta Taloha. Resaho amin’ireo ankizy hoe ny zavatra izay ianaran’izy ireo dia manampy azy ireo hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy. Tohizo izany mandrapahazoan’ny tsirairay fahafahana hizara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Eksodosy 36:1

Afaka manampy amin’ny asan’ny Tompo aho.

Ny ankizy kely dia manana fanomezampahasoavana izay azony ampiasaina ho fandraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo eto an-tany. Ahoana no hanampianao ireo ankizy hanana faniriana hizara ny zavatra nomen’ny Tompo azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Eksodosy 36:1 ary asaivo mihaino ny zavatra nomen’ny Tompo an’i Bezalila sy i Oholiaba izay nanampy azy ireo hanorina ny “fitoerana masina” (tabernakely) izy ireo. Lazao amin’ny ankizy tsirairay ny fanomezampahasoavana ananany (mety hanampy ny manontany ny ray aman-dreniny). Mijoroa ho vavolombelona fa “nomen’”Andriamanitra fanomezampahasoavana ny zanany tsirairay.

  • Lazao amin’ireo ankizy ny antony mahatonga anao maniry ny hanampy hanao ny asan’ny Tompo. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mandray anjara ihany koa (toy ny mamantatra razambe iray, na miresaka momba an’i Jesoa aman’olona, na manompo havana iray). Soraty eo amina tapa-taratasy ny hevitra avy amin’izy ireo, dia ataovy ao anaty fitoeran-javatra iray, ary asao ny ankizy tsirairay hisafidy iray ka hilalao an-tsehatra ny zavatra atao tao amin’ilay tapa-taratasy.

Eksodosy 40:17–34

Afaka mahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra aho ao anatin’ny toerana masina.

Nandidy ny zanak’ Isiraely ny Tompo hanamboatra tabernakely mba hahafahany “honina eo aminy” (Eksodosy 25:8). Afaka manampy ireo ankizy hahafantatra ireo toerana masina nomen’ Andriamanitra antsika amin’izao ianao mba hanampiana antsika hahatsapa ny fanatrehany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’ny tabernakely fahiny (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ireo ankizy hitady ampahany samy hafa amin’ilay tabernakely ao amin’ilay sary, toy ny fanaovan-jiro na alitara, dia hazavao fa ireo zavatra ireo dia natao mba hanampiana ireo Isiraelita hieritreritra ny Tompo (raha hitady fampahalalana misimisy kokoa momba ny tabernakely dia jereo ny Eksodosy 40:17–34). Inona avy ireo toerana masina ananantsika ankehitriny izay manampy antsika hieritreritra momba ny Tompo?

  • Mampisehoa sarina tempoly, dia vakio amin’ny ankizy ny Eksodosy 25:8 . Hazavao fa amin’izao androntsika izao Andriamanitra dia nanome antsika toerana masina izay ahafahantsika ho akaiky Azy bebe kokoa. Ampio ireo ankizy hitanisa ny sasany amin’ireo toerana ireo. Anontanio ireo ankizy ny fahatsapany rehefa mieritreritra ireo toerana masina ireo izy. Zarao amin’izy ireo fa afaka mahatsapa ho akaiky an’ Andriamanitra ihany koa isika rehefa mivavaka, na aiza na aiza misy antsika.

  • Tontosao miaraka amin’ny ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity. Eo ampanaovanao izany dia mihirà miaraka amin’izy ireo hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99).

    Sary
    Ny tempolin’i Rome Italie

    Tahaka ny tabernakely fahiny, ny tempoly dia mitarika antsika ho any amin’ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Eksodosy 35:20–29; 36:1

Nanome fanomezampahasoavana ahy Andriamanitra entina manampy amin’ny asany.

Manana anjara biriky amin’ny asany avokoa ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay. Mety ho mila ny fanampianao ireo ankizy ampianarinao mba hahafantatra ny fomba ahafahan’izy ireo mampiasa ny fanomezampahasoavana ananany hitondrana fanampiana amin’ny asan’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarina tabernakely (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Anontanio an’ireo ankizy ireo fitoavana mety ho nilaina mba hanorenana an’ilay tabernakely. Iaraho vakiana amin’ireo ankizy ny Eksodosy 35:20–29dia angataho izy ireo hitady ny fomba nanomezana ireo fitaovana nilaina. Mijoroa ho vavolombelona fa ny ankizy tsirairay dia manana anjara biriky hoentina amin’ny asan’ny Tompo.

  • Angataho ireo ankizy mba hamaky ny Eksodosy 36:1 hijerevana ny zavatra nomen’ny Tompo an’ireo izay voantso mba hanampy amin’ny fanorenana ny tabernakely. Asao ny ankizy mba hizara izay tsapany fa nomen’ny Tompo azy ireo entina hanampiana amin’ny fanorenana ny fanjakany (tolory hevitra izy ireo raha ilaina). Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo zavatra ireo hitahiana ny hafa?

Eksodosy 40:17–33

Afaka ny ho lasa hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra aho.

Tsy vitan’ny hoe namela ny zanak’ Isiraely ho teo anatrehan’ Andriamanitra ihany ny tabernakely fa nampianatra azy ireo ihany koa izany ny amin’ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho lasa hitovy kokoa aminn’ Andriamanitra .

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hampiasa ny Eksodosy 40:17–33 hamantarana ireo ampahan-javatra tamin’ilay tabernakely ary hitady ny sasany amin’izany ao anatina sarina tabernakely iray fahiny (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy–Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Asao ireo ankizy hanao sarin’ny tabernakely. Resaho ny fomba ampianaran’ny ampahan-javatra tsirairay amin’ny tabernakely momba ny Mpamonjy sy ny Ray any An-danitra. Ohatra, ny fiaran’ny Vavolombelona dia mety hampahatsiahy antsika ireo didin’ Andriamanitra, ny alitara dia mety hampahatsiahy antsika ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, ny fanaovan-jiro dia mety hampahatsiahy antsika fa ny Mpamonjy no Fahazavan’izao tontolo izao, sy ny sisa.

  • Angataho ireo ankizy hamaky ny Eksodosy 25:8 mba hahitana ny antony nahatonga ny Tompo naniry ny hanorenan’ireo zanak’ Isiraely “fitoerana masina” (na tabernakely). Ampio ireo ankizy hitanisa toerana sy toe-javatra izay ahafahantsika mahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo toerana ireo antsika ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy bebe kokoa.

Levitikosy 1:1–4

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela heloka aho.

Ny sorona biby notanterahina tao amin’ny Testamenta Taloha dia natao hampianatra ny zanak’ Isiraely momba ny famelan-keloka izay azo notanterahina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 5657). Hazavao fa ny Tompo dia nandidy ny zanak’ Isiraely hanao sorona mba hampianarana azy ireo fa afaka ny ho voavela heloka izy ireo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Levitikosy 1:1–4, dia asao izy ireo hitady teny na andian-teny izay mampahatsiahy azy ireo ny sorona nataon’i Jesoa Kristy.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy mitsidika ireo vahoaka tao Amerika (toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 82). Hazavao fa taorian’ny nanomboana an’i Jesoa Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty dia nampianatra ireo vahoaka tao Amerika Izy momba ny antony tsy ilan’izy ireo intsony manao sorona biby. Miaraha mamaky ny 3 Nefia 9:19–20dia anontanio ireo ankizy hoe inona no nasaina hataontsika soroana eo amin’ny toerany. Inona no dikan’izany hoe manatitra sorona fo torotoro sy fanahy manenina izany? Toroy hevitra izy ireo hikaroka ny “Fo torotoro” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io. Asao izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo manolotra fo torotoro sy fanahy manenina ho an’ny Tompo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mba hangataka amin’ny Ray any An-danitra amin’ity herinandro ity ny amin’ny fomba hitiavany azy ireo handray anjara amin’ny asany ao amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Atodiho any amin’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy ny ankizy. Ny tanjonao volohany dia tokony hanampy iro ankizy ampianarinao hanamafy orina ny finoany ny Ray any Andanitra sy Jesoa Kristy. Inona no azonao atao hanampiana azy ireo hahatakatra ny fomba hanampian’ny fiainana ireo fahamarinan’ny filazantsara azy ireo ho lasa hitovy kokoa amin’ny Ray sy ny Zanaka ?

Hamoaka printy