Testamenta Taloha 2022
25 aprily–1 mey. Eksodosy 24; 31–34: “Ny Tavako no handeha”


“25 aprily–1 mey. Eksodosy 24; 31–34: ‘Ny Tavako no handeha,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“25 aprily–1 mey. Eksodosy 24; 31–34,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Jehovah miseho amin’i Mosesy sy ireo loholon’ny Isiraely

Sarin’i Jehovah miseho amin’i Mosesy sy ireo loholon’ny Isiraely miisa 70, nataon’i Jerry Harston

25 aprily–1 mey

Eksodosy 24; 31–34

“Ny Tavako no handeha”

Raha niomana ny hitarika ny zanak’ Isiraely ho any amin’ny tany nampanantenaina i Mosesy dia hoy ny Tompo: “Ny Tavako no handeha” (Eksodosy 33:14). Rehefa miomana hampianatra ireo ankizy ao amin’ny kilasinao ianao dia diniho ny fomba ahafahanao manasa ny Tavan’ny Tompo “handeha” hiaraka aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy tsirairay hisafidy tapa-taratasy misy laharana izay voarainy. Ampiasao ireo laharana ireo hamaritana filaharana ahafahan’ilay ankizy mizara zavatra izay ianarany avy amin’ny soratra masina, na any an-trano na ao amin’ny Kilonga.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Eksodosy 31:13, 17

Ny fanajana ny Sabata dia famantarana ny fitiavako ny Tompo.

Nilaza tamin’i Mosesy ny Tompo fa rehefa nitandrina ny andro Sabata ho masina ny Isiraely dia naneho taminy izy ireo fa te ho vahoakany.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina fo eny amin’ny solaitrabe, dia anontanio ny ankizy hoe inona no mety ho dikan’io tandindona io. Ampio izy ireo hieritreritra zavatra hafa izay mety ho famantarana ny fitiavana, toy ny fifamihinana na ny fanaovana asa fanompoana. Vakio ny Eksodosy 31:13. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa mitandrina ny andro Sabata ho masina isika, dia famantarana maneho amin’ny Tompo izany fa tia Azy isika.

  • Lazao amin’ny ankizy ny amin’ny fomba sasany hiezahanao hanehoana ny fitiavanao ny Tompo amin’ny andro Sabata. Avelao izy ireo hizara ny fanaovan’izy ireo sy ny fianakaviany izany. Asao izy ireo hampiasa ny pejn’ny asa atao amin’ity herinandro ity hizarana hevitra misimisy kokoa.

    Sary
    ankizy sy ray aman-dreny ao an-trano

    Rehefa manaja ny andro Sabata isika dia maneho ny fitiavantsika ny Tompo.

Eksodosy 32:1–8, 19–24

Azoko atao lohalaharana eo amin’ny fiainako ny Tompo.

Nandritra ny fotoana niresahan’i Mosesy tamin’ny Tompo tao amin’ny Tendrombohitra Sinay dia nisafidy hiankohoka amina sampy volamena ny zanak’Isiraely fa tsy amin’ny Tompo. Afaka mampahatsiahy ireo ankizy ampianarinao io tantara io fa tsy tokony hisy zavatra hafa avelantsika ho lasa manan-danja kokoa amintsika mihoatra noho ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno jerena kely miaraka amin’ireo ankizy ireo Didy Folo, ary hamafiso ireo anankiroa voalohany (jereo ny Eksodosy 20:3–6). Ampiasao ny “Ireo Didy Folo” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha) hizarana amin’izy ireo ny tantara ao amin’ny Eksodosy 32:1–8, 19–24. Raha azo atao dia avelao ireo ankizy hanampy anao hitantara ilay tantara. Ampio ireo ankizy hahita ny zavatra tsy nety nataon’ireo Isiraelita tao amin’io tantara io (azonao atao ny mampahatsiahy ireo ankizy ny anankiroa voalohany amin’ny Didy Folo). Inona izany no tokony ho nataon’ireo isiraelita ?

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny sarin’ireo zavatra hafa izay mety handanian’ireo ankizy fotoana, toy ny kilalao sy ny sisa. Angataho ireo ankizy mba hitady ny sary izay maneho ny zavatra tokony ho manan-danja indrindra ho antsika. Zarao amin’ny ankizy ny fitahiana azonao noho ny fametrahana ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao, mihoatra noho ireo zavatra hafa izay tsara mihitsy aza.

Eksodosy 33:11

Niresaka tamin’i Mosesy nifanatrika taminy ny Tompo.

Rehefa avy namotika ilay omby volamena i Mosesy dia “niteny nifanatrika tamin’i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany” ny Tompo. Ny fahafantarana izany dia mety hanorina ny finoan’ireo ankizy fa ny Tompo dia olona tena misy izay tia azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy ny fahatsapanao rehefa miresaka amin’ny namana tsara iray ianao, ary anontanio azy ireo ny fahatsapany. Vakio amin’izy ireo ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny Eksodosy 33:11. Anontanio ny ankizy ny fieritreretany ny mety fahatsapana nananan’i Mosesy mpaminany. Lazao amin’ireo ankizy ireo fotoana izay nahatsapanao ho akaiky ny Tompo, na dia tsy hitanao maso aza Izy.

  • Mihirà fihirana iray izay milaza ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy momba antsika, toy ny “I Jesoa dia namantsika” (Bokin-kiran’ny Ankizy, 37). Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy maneho fitiavana ny hafa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 36, 41–43, 46–47). Amporisiho ireo ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Eksodosy 31:12–17

Ny fanajana ny Sabata dia famantarana ny fitiavako ny Tompo.

Mety ho mora kokoa, sy hahafinaritra kokoa, ho an’ny ankizy ny manaja ny andro Sabata ho masina rehefa tsapan’izy ireo fa famantarana ny fanoloran-tenan’izy ireo amin’ny Tompo izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ametraho fanontaniana vitsivitsy ireo ankizy mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe famantarana. Ohatra: “Inona avy ireo famantarana mampahafantatra anareo fa ho avy ny lohataona na ho voan’ny sery ianao?” Asao izy ireo hamaky ny Eksodosy 31:13, 16–17 ary hitady ny teny hoe “famantarana.” Inona no nolazain’ny Tompo fa famantarana ho amintsika sy ho Aminy? Nahoana no manan-danja aok’izany io famantarana io?

  • Asao ireo ankizy mba hifandimby hanazava ny antony hisafidianan’izy ireo hanaja ny andro Sabata. Afaka manampy ilay horonan-tsary “The Sabbath Is for You” or “Upon My Holy Day—Honoring the Sabbath” (ChurchofJesusChrist.org).

  • Asao ireo ankizy hanoratra izay zavatra rehetra eritreretiny fa azony atao amin’ny alahady mba hanehoana ny Tompo fa tia Azy izy ireo. Amporisiho izy ireo hizara zavatra vitsivitsy amin’ny lisitra nataony. Asa izy ireo hitondra ny lisitra nataon’izy ireo any an-trano, sy hizara izany amin’ny fianakaviany, ary hijery izany isaky ny mila hevitra izy ireo ny amin’ny zavatra hatao amin’ny andro Sabata.

Eksodosy 32:1–8, 19–24

Azoko atao lohalaharana eo amin’ny fiainako ny Tompo.

Hafatra iray azo avy amin’ny tantaran’ny Eksodosy 32 ny lanjan’ny fitandremana ireo didy roa voalohany amin’ny Didy Folo, hoe aza manompo olona na zavatra hafa ankoatra ny Tompo.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ireo ankizy hizara izay zavatra fantany momba ny tantaran’i Aharôna nanamboatra omby volamena ho an’ny Isiraelita mba hotompoina. Raha mila fanampiana izy ireo dia asaivo mijery ny Eksodosy 32:1–8, 19–24, na zarao amin’izy ireo ny “Ireo Didy Folo” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Nahoana no tsy nety ho an’ny Isiraelita ny nanompo sampy? (Azonao atao ny mampijery an’ireo ankizy ireo didy voalohany amin’ny Didy Folo ao amin’ny Eksodosy 20:3–6.)

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra ohatra ana zavatra izay mety hahavoan’ny fakam-panahy olona ny hanompo azy eo amin’ny toeran’ny Tompo, zavatra izay manala ny fifantohantsika tsy ho any Aminy. Avy eo dia asao izy ireo hizara ohatra ana zavatra izay manampy azy ireo hifantoka amin’ny Mpamonjy sy hanompo Azy.

Eksodosy 32:1–5, 21–24

Afaka mijoro amin’ny fahamarinana aho.

Rehefa nilaza tamin’i Aharôna ny Isiraelita mba hanamboatra sampy volamena dia nanaiky izy hanao izany, na dia tsy nety aza izany (jereo ny Deoteronomia 9:20). Diniho ny fomba hamporisihanao ireo ankizy mba hijoro amin’ny marina, na dia manery azy ireo tsy hanao izany aza ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky tsirairay na tsiroaroa ny Eksodosy 32:1–5, 21–24, ary hizara izay eritreretiny fa tokony ho nataon’i Aharôna rehefa nangataka azy hanamboatra omby volamena ny Isiraelita. Tamin’ny fomba ahoana no afaka nanampian’i Aharôna ireo vahoaka?

  • Ampio ireo ankizy hieritreritra toe-javatra mety hatrehan’izy ireo rehefa mangataka azy ireo hanao zavatra izay fantatr’izy ireo fa ratsy ny olona hafa. Angataho izy ireo hifampizara hevitra momba ny zavatra tokony hatao amin’ireo toe-javatra ireo.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany izay hevitra reny androany momba ny fomba hihazonana ny andro Sabata ho masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ireo ankizy hijoro ho vavolombelona. Mety hamporisika ireo ankizy hizara ny fahatsapany momba ny Mpamonjy sy ny fomba nitahian’ny fiainana ny filazantsara azy ireo ny fanontaniana apetrakao. Rehefa manao izany izy ireo dia mizara fijoroana ho vavolombelona. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 1132.)

Hamoaka printy