Testamenta Taloha 2022
16–22 mey. Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: “Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah”


“16–22 mey. Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34: -Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“16–22 mey. Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Mosesy mijoro eo amin’ny tendrombohitra

Sary maneho an’i Mosesy eo amin’ny tendrombohitra Nebo, © Providence Collection/licensed from goodsalt.com

16–22 mey

Deoteronomia 6–8; 15; 18; 29–30; 34

“Mitandrema fandrao hadinoinao Jehovah”

Saintsaino ny fomba azonao hanamboarana ireo asa atao ato amin’ity rindran-damina ity mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao. Ohatra, raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao dia azonao ampiana izy ireo hiomana amin’ny batisa amin’ny fanamboarana ireo asa atao eo ambanin’ny hoe “Mitondra fitahiana lehibe ny fitandremako ireo fanekempihavanana nataoko” ao amin’ny fizarana ho an’ny ankizy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hizara zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Mosesy tao amin’ny Kilonga na tany an-trano nandritra izay herinandro maro lasa izay. Raha ilaina dia mampisehoa sarin’ireo tranga avy tamin’ny fiainan’i Mosesy mba hanampiana azy ireo hahatadidy. Lazao azy ireo fa androany ianao dia hiresaka momba ireo zavatra nampianarin’i Mosesy nandritra ireo fotoana farany niainany teto an-tany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Deotoronomia 6:5

Afaka mitia ny Tompo amin’ny foko manontolo aho.

Nampianatra ny zanak’ Isiraely i Mosesy fa tokony ho tia ny Tompo amin’ny fony sy ny fanahiny ary ny heriny rehetra izy ireo. Mieritrereta fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hampitombo ny finoany ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina fo, sy endrika vatan’olona, ary tanana matanjaka eny amin’ny solaitrabe. Vakio ny Deoteronomia 6:5 ary tondroy ireo sary rehefa mamaky ny teny hoe “fo,” sy “fanahy,” ary “hery” ianao. Asao ireo ankizy mba hifandimby hanondro ireo sary rehefa mamerina ilay andinin-tsoratra masina miaraka aminao izy ireo.

  • Mihirà hira izay mampianatra momba ny fitiavan’ Andriamanitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16). Ampio ireo ankizy hitady teny ao amin’ilay hira izay maneho fa tia antsika ny Ray any An-danitra. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahantsika maneho Aminy fa tia Azy koa isika.

Deotoronomia 6:6–9

Ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra.

Ilay torohevitra ao amin’ny Deoteronomia 6:6–9 dia natao hanampiana ny isiraelita “[hitandrina] fandrao hadino[ny] Jehovah” sy ny teniny (andininy 12). Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanao ny soratra masina ho ampahany tsy afa-misaraka aminy eo amin’ny fiainany?

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà ankizy iray hanafina tahadikan’ny soratra masina iray ao amin’ny efitrano ary mandritra izany ny ankizy ambiny dia hanampina ny mason’izy ireo. Avy eo dia asao ireo ankizy hanokatra ny masony ary hiezaka hitady ilay soratra masina. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny Deoteronomia 6:6–9, dia zarao amin’ireo ankizy fa nilaza tamin’ireo isiraelita i Mosesy mba hametraka ireo andinin-tsoratra masina amin’ny toerana izay ahafahan’izy ireo mahita izany sy mianatra avy amin’izany isan’andro. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo toerana ao an-tranony izay azony ametrahana soratra masina mba ahafahany mahita izany isan’ andro.

  • Mihirà hira iray mikasika ny soratra masina toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66). Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny soratra masina dia tenin’ Andriamanitra, ary lazao amin’ny ankizy ny fomba nitahian’izany ny fiainanao.

Sary
i Jesoa mandohalika mihazona lehilahy

Jesoa Kristy no ilay mpaminany tahaka an’i Mosesy

Deoteronomia 18:15–18

Mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy ny mpaminany.

Naminany i Mosesy fa ho avy Jesoa Kristy ary tokony hihaino ireo teny hoampianarin’i Jesoa isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny iray amin’ireo ankizy hamaky ny Deoteronomia 18:18, dia lazao ireo ankizy fa i Jesoa ilay Mpaminany tahaka an’i Mosesy izay hatsangana. Mba hanampiana ireo ankizy hahita ireo fomba izay mampitovy an’i Mosesy sy i Jesoa dia mitondrà sarin’ireo zavatra izay nataon’i Mosesy sy ireo zavatra nataon’i Jesoa Kristy, dia avelao ireo ankizy hampitovy izany. Ohatra, azonao atao ny mitondra sarin’i Mosesy sy i Jesoa manokana olon-kafa sy mampianatra (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 15, 16, 3839).

  • Ampisehoy ny ankizy ny sarin’ny mpaminany ankehitriny, dia mizarà zavatra izay nampianariny momba ny Mpamonjy. Asao ireo ankizy hanao sarin’ny mpaminany mba hozarainy amin’ny fianakaviany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Deotoronomia 6:6–9

Afaka mitahiry ny tenin’ Andriamanitra ato am-poko aho.

Nampianatra i Mosesy fa tokony hitahiry ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika isika, ary nanome torohevitra ny Isiraelita izy mba hihazona tsy tapaka ny tenin’ Andriamanitra eo aminy. Ahoana no hitaomanao ny fanahin’ireo ankizy hianatra avy amin’ny tenin’ Andriamanitra isan’andro?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny sy andian-teny avy ao amin’ny Deoteronomia 6:6–9 izay manambara ny fotoana sy ny fomba hitadidian’ny isiraelita ny tenin’ Andriamanitra (toy ny mipetraka, mandeha, mandry, tànana, ary trano). Asao ny ankizy hitady ireo teny ireo ao amin’ireo andininy ireo. Inona no ampianarin’ireo teny ireo momba ny fomba hanaovana ny soratra masina ho eo amin’ny fiainantsika andavanandro? Anontanio ny ankizy ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatsiarovana ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro.

  • Omeo tapa-taratasy ny ankizy tsirairay ary asao izy ireo hanoratra andian-teny avy ao amin’ny Deoteronomia 6 izay manan-danja amin’izy ireo. Angataho izy ireo hizara ny antony nisafidianany io fehezanteniny io. Toroy hevitra izy ireo hanaingo ny taratasiny ary hampiseho izany ao an-tranony mba hahatsiarovana izany. Amporisiho ny ankizy hanoratra sy hampiseho andian-teny hafa hitany ao amin’ny soratra masina.

Deoteronomia 15:7–11

Afaka manompo am-pifaliana ireo izay sahirana aho.

Ny fampianarana ao amin’ny Deoteronomia 15:7–11 dia afaka manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa mihoatra noho ny manao zavatra fotsiny ny fanampiana ny hafa. Tokony hatao amin’ny zotom-po izany.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe iza, nahoana, ary manao ahoana. Asao ireo ankizy hamaky ny Deoteronomia 15:7–11 mba hijerena hoe iza no tokony hampiantsika, sy nahoana isika no tokony hanampy azy, ary manao ahoana no tokony ho fahatsapana ao am-pontsika momba ny fanampiana olona. Avelao izy ireo hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitany. Mihirà hira iray izay manamafy ny hafatra ao amin’ireo andininy ireo.

  • Angataho ireo ankizy hieritreritra olona azon’izy ireo ampiana, olona ao amin’ny fianakaviany indrindra indrindra. Omeo fotoana izy ireo hanoratana ny zavatra hataony amin’ity herinandro ity hanampiana izany olona izany. Raha azo atao dia manaova drafitra hiarahan’ny kilasy manampy olona iray sahirana.

Deotoronomia 30:8–10

Mitondra fitahiana lehibe ny fitandremako ireo fanekempihavanako.

Tahaka ireo zanak’Isiraely dia mila mahatsiaro tsy tapaka ny hiaina ireo fanekempihavanana nataontsika isika. Ny famakiana ny Deoteronomia 30:8–10 dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra tsara kokoa ny dikan’ny fanekempihavanana ary hitaona azy ireo hitandrina ny fanekempihavanana nataony.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny dikan’ny hoe fanekempihavanana (raha mila fanampiana izy ireo dia lazao fa mahita famaritana izany izy ireo ao amin’ny hoe “Fanekempihavanana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org]). Manaova tabilao ahitana tsanganana roa misy ireto lohateny ireto: Fampanantenan’ny Isiraelita sy Fampanantenan’ Andriamanitra. Asao ireo ankizy hikaroka ao amin’ny Deoteronomia 30:8–10 ary hameno ilay tabilao. (Raha ilaina dia ampio ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ireo andian-teny ao amin’ny andininy 9.) Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay tonga taminao noho ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao.

  • Asao ireo ankizy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa sy ireo fampanantenana omen’ny Ray any An-danitra antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 77). Inona no azontsika atao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy mandrakariva sy mba hitandremana ny fanekempihavanana nataontsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy mody hieritreritra hoe fianakavian’izy ireo ianao, dia asao izy ireo hilaza aminao zavatra iray izay nianarany tato an-dakilasy androany. Amporisiho izy ireo hizara ny zavatra izay nolazainy teo amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany rehefa tonga any an-trano.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana nentanim-panahy. Mametraha fanontaniana izay manasa ny ankizy tsy hitatitra zavatra fotsiny fa hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny fahamarinan’ny filazantsara. Ohatra, raha miresaka momba ny didy ianao, dia afaka mangataka ny ankizy mba hizara ny fitahiana azon’izy ireo tamin’ny fitandremana ny didy.

Hamoaka printy