Testamenta Taloha 2022
02–08 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19: “Hamasinina ho an’i Jehovah”


“02–08 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19: -Hamasinina ho an’i Jehovah-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“02–08 mey. Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Tempolin’i São Paulo Brésil

02–08 mey

Eksodosy 35–40; Levitikosy 1; 16; 19

“Hamasinina ho an’i Jehovah”

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia mifantoha amin’ireo fahatsapana ara-panahy voarainao mikasika ireo fomba ahafahanao hitovy kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fialana tany Egypta, na dia nanan-danja sy nahagaga tahaka ny inona aza, dia tsy nahatontosa tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ny zanak’i Isiraely. Tsy tanjon’ Andriamanitra faratampony ho azy ireo ihany koa na ny firoboroboana tany amin’ny tany nampanantenaina aza. Dingana nizotra nankany amin’izay tena tian’ Andriamanitra ho an’ny olony fotsiny izany: “Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho, Jehovah Andriamanitrareo” (Levitikosy 19:2). Ahoana no nikatsahan’ Andriamanitra hahatonga ny vahoakany ho masina kanefa tsy nahalala afa-tsy fahababoana nandritra ny fifandimbiasan-taranaka maro izy ireo? Nandidy azy ireo Izy mba hamorona toeran’ny fahamasinana ho an’ny Tompo, dia tabernakely tany an-tany foana. Nomeny fanekempihavanana sy lalàna izy ireo mba hitarika azy ireo amin’izay ataony sy hampiova fo azy ireo amin’ny farany. Ary rehefa tsy nahavita izay notakina taminy tamin’ny ezaka nataony hitandremana ireo lalàna ireo izy ireo dia nandidy azy ireo Izy mba hanao sorona biby ho tandindon’ny sorompanavotana noho ny fahotan’izy ireo. Izany rehetra izany dia natao mba hampifantohana ny sain’izy ireo sy ny fony ary ny fiainany tany amin’ny Mpamonjy sy ny fanavotana izay atolony. Izy no lalana marina mankany amin’ny fahamasinana, ho an’ny Isiraelita sy ho antsika. Samy efa tao anatin’ny fambaboan’ny fahotana avokoa isika, ary asaina daholo isika mba hibebaka, handao ny fahotana ary hanaraka an’i Jesoa Kristy, izay nampanantena hoe “haiko ny hahatonga anareo ho masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:7).

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Levitikosy, dia jereo ny “Levitikosy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
Learn More image
Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Eksodosy 35–40; Levitikosy 19

Tian’ny Tompo ho lasa masina tahaka Azy aho.

Ny Eksodosy 25–31 dia mirakitra ireo torolalan’ny Tompo ho an’ny Isiraelita mikasika ny fomba hananganana tabernakely, ka ny ôrdônansy atao ao dia hanampy azy ireo ho lasa vahoaka masina. Ny Eksodosy 35–40 dia mamariparitra ireo ezaka nataon’ny Isiraelita mba hankatoavana ireo torolalana ireo. Eo am-pamakianao ny toko 35–40, dia tadiavo ireo zavatra nasain’ny Tompo napetrak’ireo olony tao amin’ny tabernakely, dia saintsaino hoe maneho inona ireo zavatra ireo ary inona no hevitra arosony aminao mikasika ny fitomboana amin’ny fahamasinana. Diniho indrindra indrindra ny fomba hampifantohan’ireo zavatra ireo ny eritreritrao amin’ny Mpamonjy. Mety hanampy anao ny tabilao tahaka ity:

Inona no zavatra hitanao?

Mety maneho inona ilay izy?

Inona no zavatra hitanao?

Fiaran’ny fanekena (Eksodosy 37: 1–9; 40:20–21)

Mety maneho inona ilay izy?

Ny fanatrehan’ Andriamanitra, ny fanekempihavanany sy ny didiny

Inona no zavatra hitanao?

Alitara fandorana ditin-kazo manitra (Eksodosy 40: 26–27; jereo koa ny Eksodosy 30:1, 6–8)

Mety maneho inona ilay izy?

Vavaka misandratra mankany amin’ny Tompo

Inona no zavatra hitanao?

Fanaovan-jiro na fitoeran-jiro (Eksodosy 37:17–24)

Inona no zavatra hitanao?

Alitara fanaovana sorona (Eksodosy 38: 1–7; jereo koa ny Eksodosy 27:1; 29:10–14)

Inona no zavatra hitanao?

Tavy (koveta) fanasana (Eksodosy 30:17–21)

Raha efa nandray anjara tamina ôrdônansin’ny tempoly ianao dia inona no zavatra ianaranao momba ilay tabernakely ao amin’ny Eksodosy 35–40 ka mampahatsiahy anao ny zavatra niainanao tany? (Jereo koa ny “Zavatra tokony hotadidiana: Ny tabernakely sy ny sorona”). Saintsaino ny fomba hanampian’ireo fanekempihavanan’ny tempoly anao ho lasa masina kokoa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Mazava ho azy fa tsy mahatonga antsika ho masina ny fijanonana fotsiny ao amin’ny toerana masina. Ny Levitikosy 19 dia mamariparitra ireo lalàna sy didy nomen’ny Tompo mba hanampiana ireo Isiraelita hitombo fahamasinana. Inona no hitanao ao amin’ireo didy ireo ka afaka manampy anao ho lasa masina kokoa? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hiainanao feno kokoa ireo fitsipika ireo?

Jereo koa ny Carol F. McConkie, “Ny hatsaran’ny fahamasinana,” Liahona, mey 2017, 9–12; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahamasinana”; temples.ChurchofJesusChrist.org.

Eksodosy 35:436:7

Mangataka ahy ny Tompo hanao ny fanatitro amin’ny foko manontolo.

Tamin’ilay taona taorian’ny nandaozana an’i Egypta dia azo faritana hoe niovaova ny fifandraisan’ny zanak’i Isiraely tamin’i Jehovah. Kanefa rehefa mamaky ao amin’ny Eksodosy 35:436:7 ianao, dia jereo ny fihetsika nasetrin’ny Isiraelita an’ilay didy mba hanangana tabernakely. Inona no ianaranao avy amin’ny Isiraelita ka afaka manampy anao hanompo ny Tompo amin’ny fomba tsara kokoa?

Nampianatra ny Filoha Bonnie L. Oscarson hoe: “Tokony ho fantatry ny mpikambana tsirairay fa tena ilaina izy ireo. Ny olona tsirairay dia manana zavatra manan-danja azo atolotra ary manana talenta sy fahaiza-manao miavaka izay manampy amin’ny fampandrosoana ity asa manan-danja ity” (“Zatovovavy ao anatin’ilay asa,” Liahona, mey 2018, 37). Eo am-pamakianao ny Eksodosy 36:1–4, dia saintsaino ny zavatra napetraky ny Tompo ao anatinao. Hevero ny hanontany ny Ray any An-danitra izay zavatra nomeny anao mba hahafahanao mandray anjara amin’ny asany.

Sary
olona fahiny nitondra fanatitra hananganana ny tabernakely

Nanome fanatitra ho an’ny tabernakely avy amin’ny “[famporisihan’ny] fony” (Eksodosy 35:5) ny zanak’i Isiraely. Sary fanehoana nataon’i Corbert Gauthier, © Lifeway Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Levitikosy 1:1–9; 16

Afaka ny ho voavela heloka aho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Zavatra betsaka ao amin’ny bokin’i Levitikosy no mety ho toy ny hafahafa amintsika, sorona biby, fombafomba hampiasana ra sy rano, ary lalàna mifehy ireo antsipirian-javatra bitika eo amin’ny fiainana. Ireo fombafomba sy lalàna ireo anefa dia natao mba hampianarana fitsipika tsy zoviana: ny fibebahana, ny fahamasinana, ary ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Mba hahitana ireo fitsipika ireo eo am-pamakianao ny Levitikosy 1:1–9; 16, dia mieritrereta fanontaniana tahaka ireto: Inona no azoko ianarana avy amin’ireo sorona ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona manavotra nataony? Inona no mampitovy ahy amin’ireo olona nanao ireo sorona ireo? Azonao eritreretina ny mamerina mamaky ny “Zavatra tokony hotadidiana: Ny tabernakely sy ny sorona” ato amin’ity boky ity sy ny “Sorona”ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eksodosy 36:1–7.Ao amin’ny Eksodosy 36:1–7, inona no ianarantsika avy amin’ny fihetsika nasetrin’ny Isiraelita mba hananganana ilay tabernakely? Azon’ny fianakavianao atao ny miara-mieritreritra ireo fomba nanasan’ny Tompo antsika handray anjara amin’ny asany. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’ireo Isiraelita?

Eksodosy 40.Rehefa miara-mamaky ny Eksodosy 40 ianareo dia afaka manasa ny olona ao amin’ny fianakaviana ianao hanangan-tanana isak’izay ren’izy ireo ny andian-teny toy ny hoe: “araka izay nandidian’i Jehovah.” Inona no ianarantsika avy amin’io toko io mikasika ny fankatoavana ny Tompo?

Eksodosy 40:1–34.Rehefa mamaky momba ny fampijoroana ny tabernakely ao amin’ny Eksodosy 40 ianareo dia afaka miara-miasa mba hitady ireo singa isan-karazany mandrafitra ny tabernakely, amin’ny alalan’ny fampiasana ny sary nampiarahana amin’ity lesona ity. Mba hampifandraisana io fifanakalozan-kevitra io amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly amin’izao androntsika izao, dia afaka miara-mamaky ny “Pourquoi les saints des derniers jours construisent des temples” (

Levitikosy 19.Ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana dia afaka mitady andininy iray ato amin’ity toko ity izay tsapan’izy ireo fa hanampy azy “ho masina” (Levitikosy 19:2) ary hizara izany amin’ny fianakaviana.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ah! Donne-moi Père,” Cantiques, no. 70.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Ny soratra masina rehetra, na ny Testamenta Taloha aza, dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ianao dia eritrereto ny zavatra ampianarin’ireo tandindona, olona, ary trangan-javatra anao momba ny Mpamonjy.

Sary
tabernakely

The Ancient Tabernacle (Ilay Tabernakely fahiny), nataon’i Bradley Clark

Hamoaka printy