“Zavatra tokony hotadidiana: Ny tabernakely sy ny sorona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“Zavatra tokony hotadidiana: Ny tabernakely sy ny sorona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
Zavatra tokony hotadidiana
Ny tabernakely sy ny sorona
Rehefa mamaky ny Testamenta Taloha isika dia indraindray mahita andalan-tsoratra masina lava mikasika ireo zavatra izay nanan-danja mazava tsara tamin’ny Tompo, saingy mety toa tsy manan-danja avy hatrany amintsika ankehitriny. Ohatra amin’izany ny Eksodosy 25–30; 35–40; Levitikosy 1–9; 16–17. Ireo toko ireo dia mamariparitra amin’ny antsipiriany ny tabernakelin’i Isiraely tany an-tany foana sy ireo fanaovana sorona biby notanterahina tao.1 Ilay tabernakely dia tempoly azo nentina nifindrafindra, izay toerana nitoeran’ny Tompo teo anivon’ny olony.
Ireo tempolintsika ankehitriny dia manana zavatra itoviana amin’ny tabernakelin’i Isiraely, saingy azo antoka fa tsy mifandray amin’ny famaritana izany ao amin’ny Eksodosy izy ireo. Ary tsy mamono biby ao amin’ny tempolintsika isika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no namarana ny fanaovana sorona biby 2000 taona mahery lasa izay. Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana ireo dia misy lanjany lehibe ankehitriny ny famakiana mikasika ireo fomba fitsaohana nataon’i Isiraely fahiny, indrindra fa raha raisintsika ho toy ny fomba nandraisan’ireo olon’ Andriamanitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna azy izany, toy ny fomba “hanamafy ny finoany an’i Kristy” (Almà 25:16; jereo koa ny Jakôba 4:5; Jarôma 1:11). Rehefa takatsika ny tandindona asehon’ny tabernakely sy ny fanaovana sorona biby, dia afaka mahazo fahalalana ara-panahy izay hanamafy ihany koa ny finoantsika an’i Kristy isika.
Manamafy ny finoana an’i Jesoa Kristy ny tabernakely
Rehefa nandidy an’i Mosesy Andriamanitra mba hanangana tabernakely tao amin’ny tobin’ny Isiraelita dia nolazainy ny tanjona hanaovana izany: “dia honina eo aminy Aho” (Eksodosy 25:8). Tao anatin’ilay tabernakely, ny fanatrehan’ Andriamanitra dia nasehon’ny fiara fanekena, vata hazo mifono volamena, ary tao anatin’izany ny firaketana an-tsoratra ny fanekempihavanan’ Andriamanitra tamin’ny olony (jereo ny Eksodosy 25:10–22). Napetraka tao amin’ny efitra masina indrindra sy anatiny indrindra ilay fiara, nosarahana tamin’ny ambiny sisa tamin’ny tabernakely tamin’ny alalan’ny efitra lamba. Ilay efitra lamba dia tandindona naneho ny fisarahantsika tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra noho ny Fahalavoana.
Ankoatra an’i Mosesy, dia olona iray ihany no fantatsika fa afaka niditra tao amin’izany “fitoerana masina indrindra” (Eksodosy 26:34) izany, dia ny mpisoronabe izany. Tahaka ireo mpisorona hafa, dia tsy maintsy nampandroina sy nosorana aloha izy (jereo ny Eksodosy 40:12–13) ary nampanaovina fitafiana masina izay tandindon’ny anjara fanompoany (jereo ny Eksodosy 28). Indray mandeha isan-taona, amin’ny andro iray antsoina hoe Andron’ny Fanavotana, dia manatitra sorona ho an’ny olona ilay mpisoronabe alohan’ny hidirany irery ao amin’ny tabernakely. Mandoro ditin-kazo manitra eo amin’ny efitra lamba izy (jereo ny Levitikosy 16:12). Ilay setroka mani-pofona miakatra any an-danitra dia maneho ireo vavaky ny olona miakatra any amin’ Andriamanitra (jereo ny Salamo 141:2). Avy eo ilay mpisoronabe izay mitondra ra avy amin’ny biby iray natao sorona dia miditra ao anatin’ilay efitra lamba ary manatona ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, izay asehon’ilay fiaran’ny fanekena (jereo ny Levitikosy 16:14–15).
Noho ny fahalalanao ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia moa ve takatrao ny fomba hampifantohan’ny tabernakely antsika amin’ny Mpamonjy? Tahaka ny nanehoan’ny tabernakely sy ilay fiara tao anatiny ny fanatrehan’ Andriamanitra teo anivon’ny olony mihitsy no nisoloan’i Jesoa Kristy tena ny fanatrehan’ Andriamanitra teo anivon’ny olony (jereo ny Jaona 1:14). Tahaka ilay mpisoronabe, i Jesoa Kristy no Mpanalalana antsika amin’ Andriamanitra Ray. Niditra ny voaly Izy mba hanao ny fanalalanana ho antsika tamin’ny alalan’ny ra avy amin’ny sorona izay nataony manokana (jereo ny Hebreo 8–10).
Mety ho toy ny efa tsy zoviana aminao ny lafin-javatra sasany mikasika ny tabernakelin’i Isiraely, indrindra fa raha efa tany amin’ny tempoly ianao nandray ny ôrdônansy ho anao manokana. Tahaka ilay fitoerana masina indrindra tao amin’ny tabernakely, ny efitra selestialin’ny tempoly dia maneho ny fanatrehan’ Andriamanitra. Mba hidirana ao dia tsy maintsy sasana sy hosorana aloha isika. Manao akanjo masina isika. Mivavaka eo amin’ny alitara iray isika, ary avy eo amin’izany no hiakaran’ireo vavaka mankany an-danitra. Ary amin’ny farany dia miditra eo amin’ny voaly iray mankeo anatrehan’ Andriamanitra isika.
Ny fitoviana manan-danja indrindra eo amin’ny tempoly maoderina sy ilay tabernakely fahiny angamba dia ny hoe samy manamafy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy izy ireo, raha takatra tsara araka ny tokony ho izy, ary mameno antsika fankasitrahana noho ny sorona fanavotana nataony. Tian’ Andriamanitra hiditra eo anatrehany ny zanany rehetra. “Fanjakam-pisorona” lahy sy vavy no tiany (Eksodosy 19:6) Saingy manakana antsika tsy hahazo izany fitahiana izany ny fahotantsika, satria “ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra” (1 Nefia 10:21). Noho izany Andriamanitra Ray dia nandefa an’i Jesoa Kristy, “Mpisoronabe [antsika] ny amin’ny zavatra tsara ho avy” (Hebreo 9:11). Manokatra ny voaly sy manome hery ny olon’ Andriamanitra rehetra Izy mba “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po” (Hebreo 4:16).
Ankehitriny ny tanjon’ireo tempoly dia mihoatra lavitra ny fahazoana fisandratana ho an’ny tenantsika. Rehefa avy mandray ny ôrdônansintsika manokana isika dia afaka misolo toerana ireo razambentsika, mandray ôrdônansy amin’ny alalan’ny fisoloan-tena ho azy ireo. Amin’ny lafiny iray dia afaka ny ho tonga tahatahaka ilay mpisoronabe fahiny isika, sy ilay Mpisoronabe Lehibe, izay manokatra ny lalana mankeo anatrehan’ Andriamanitra ho an’ny hafa.
Manamafy ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahafoizan-tena
Ny fitsipiky ny sorompanavotana sy ny fampihavanana dia ampianarina amin’ny fomba mahery vaika ao amin’ilay fomba fanao fahiny amin’ny fanaovana sorona biby, izay nisy efa hatry ny ela talohan’ny lalàn’i Mosesy. Noho ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia fantatsika fa nanolotra fanatitra i Adama sy i Eva, sy nahatakatra ny fanehoan’izany ara-tandindona ny sorona nataon’ny Mpamonjy, ary nampianatra izany an’ireo zanany (jereo ny Mosesy 5:4–12; jereo koa ny Genesisy 4:4).
Ny fampiasana ny fanaovana sorona biby ho tandindona dia mety ho niteraka alahelo fatratra tamin’ny Andron’ny Fanavotana an’i Isiraely fahiny (“Yom Kippur” amin’ny teny Hebreo). Voalaza ao amin’ny Levitikosy 16:30 ny filana ny fanaovana io fombafomba fanao isan-taona io: “Amin’izany andro izany no [hanaovan’ny mpisorona] fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’i Jehovah hianareo.” Araka izany dia afaka nitoetra teo anivon’ny olona ny fanatrehan’ Andriamanitra. Io fanavotana io dia notanterahina tamin’ny karazana fombafomba maro. Tamin’ny iray tamin’ireo dia nisy osilahy iray novonoina hatao fanatitra noho ny fahotan’ny olona, ary nentin’ilay mpisoronabe nankany amin’ny fitoerana masina indrindra ny ran’ilay osy. Aorian’izay ilay mpisoronabe dia mametraka ny tanany eo ambonin’ny osy velona iray ary mamboraka ny fahotan’ny zanak’i Isiraely, mamindra ara-tandindona ireo fahotana ireo ho amin’ilay osy. Terena hivoaka ny faritry ny tobin’i Isiraely ilay osy avy eo.
Amin’ity fombafomba ity dia tandindon’i Jesoa Kristy naka ny toeran’ireo olona mpanota ilay osilahy. Tsy azo avela mihitsy hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra ny fahotana. Kanefa raha tokony hoe horinganina na horoahina an-tery ny mpanota, dia nanolotra fomba hafa Andriamanitra: osilahy iray no hovonoina na hoterena hiala ny faritra ho solon’izany. “Ary ho entin’ny osilahy ho any an-efitra ny helok’izy rehetra” (Levitikosy 16:22).
Ny fampiasana ireo fombafomba ireo ho tandindona dia manoro ny lalana natolotr’ Andriamanitra mba hitondra antsika hiverina ho eo anatrehany, dia i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. “Nitondra ny aretintsika [ny Mpamonjy] sady nivesatra ny fahoriantsika,” eny fa hatramin’ny “helotsika rehetra” aza (Isaia 53:4, 6). Nijoro teo amin’ny toerantsika Izy, nanolotra ny ainy hanonitra ny famaizana noho ny fahotana, ary avy eo dia nandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Môzià 15:8–9). Ny sorona nataon’i Jesoa Kristy no ilay “sorona lehibe sady farany; eny, tsy fanaovana sorona olona, na biby” fa “sorona tsisy fetra sady mandrakizay” (Almà 34:10). Izy no fahatanterahan’ny zavatra rehetra izay nifantohan’ireo sorona fahiny.
Noho io antony io, rehefa vita ny sorona nataony, dia hoy Izy hoe: “Tsy hanatitra fandatsahan-dra ho Ahy intsony ianareo; … ary ny fanatitrareo odorana dia hitsahatra. … Ary haterinareo ho sorona ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.” (3 Nefia 9:19–20).
Noho izany rehefa mahita andalan-tsoratra masina ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny sorona sy ny tabernakely ianao (na ny tempoly aty aoriana), ary hahita be dia be amin’izany ianao, dia tadidio fa ny tanjon’izy rehetra ireny voalohany indrindra dia ny hanamafy ny finoanao ny Mesia, i Jesoa Kristy. Avelao ny fonao sy ny sainao hifantoka Aminy. Saintsaino ny zavatra nataony mba hitondrana anao miverina ho eo anatrehan’ Andriamanitra, sy ny zavatra hataonao mba hanarahana Azy.