Testamenta Taloha 2022
30 mey–05 jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: “Jehovah nanangana mpamonjy”


“30 mey–05 jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16: -Jehovah nanangana mpamonjy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“30 mey–05 jona. Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Debora miaraka amin’ny tafika

Fanehoana an-tsary an’i Debora mitarika ny tafik’i Isiraely, © Lifeway Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

30 mey–05 jona

Mpitsara 2–4; 6–8; 13–16

“Jehovah nanangana mpamonjy”

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina. Saintsaino ny fomba nanampian’ireo tantara novakinao tao amin’ny Mpitsara anao hanatona Azy kokoa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Mahafantatra daholo isika hoe ahoana izany manao fahadisoana izany, dia malahelo noho ny amin’izany, ary avy eo dia mibebaka sy manapa-kevitra ny hanova ny fombantsika. Fa indraindray dia adinontsika ilay fanapahan-kevitra noraisintsika teo aloha, ka rehefa tojo fakam-panahy isika dia mety hamerina indray ilay fahadisoana. Io fandehan-javatra mampalahelo io dia efa mahazatra tamin’ny zavatra niainan’ny Isiraelita izay voalazalaza ao amin’ny bokin’ny Mpitsara. Ny Isiraelita, rehefa voataonan’ireo zavatra inoana sy fombafombam-pivavahan’ny Kananita, izay tokony ho noteren’izy ireo hivoaka ilay tany raha ny tokony ho izy, dia nandika ny fanekempihavanany tamin’ny Tompo ary tsy nitsaoka Azy intsony. Vokatr’izany dia tsy nahazo ny fiarovany intsony izy ireo ka dia lasa babo. Kanefa isak’izay nitranga izany, dia nomen’ny Tompo fahafahana hibebaka sy hanangana mpamonjy indray izy ireo, dia mpitarika miaramila nantsoina hoe “mpitsara.” Tsy olo-marina daholo akory ny mpitsara rehetra ao amin’ny bokin’ny Mpitsara, fa ny sasany tamin’izy ireo kosa dia nampihatra finoana lehibe tamin’ny fanafahana ny zanak’i Isiraely sy ny famerenana azy ireo tamin’ny fihavanany ara-panekempihavanana tamin’ny Tompo. Ireo tantara ireo dia mampahatsiahy antsika fa na inona na inona no nampivily lalana antsika hiala amin’i Kristy, dia Izy no Mpanavotra an’i Isiraely ary vonona hatrany ny hanafaka antsika sy handray antsika hiverina any Aminy.

Mba hanaovana topimaso ny bokin’ny Mpitsara dia jereo ny “Mpitsara, bokin’ny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Mpitsara 2:1–19; 4:1–16

Manolotra fanafahana ny Tompo rehefa mania aho.

Azo atao mpampitandrina ho antsika ny bokin’ny Mpitsara: na dia efa avy niaina ny fiasan’ny herin’ny Tompo teo amin’ny fiainantsika aza isika, dia mety mbola handà ny finoantsika. Afaka manome fankaherezana ho an’ireo izay mandà ny finoany koa ilay boky satria manolotra lalana hahafahana miverina ny Tompo. Ohatra hoe, eo am-pamakianao ny Mpitsara 2:1–19, dia tadiavo ireo zavatra natao izay nampiala ny Isiraelita tamin’ny Tompo sy ny fomba nanafahan’ny Tompo azy ireo. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba ny Tompo? Inona no azonao atao mba hijanonana ho mahatoky Aminy tsy tapaka kokoa?

Ho hitanao ao ny fiverimberenan’ny fikomiana, ny alahelo, ary ny fanafahana manerana ny bokin’ny Mpitsara (jereo indrindra indrindra ny toko 3, 4, 6, ary ny 13). Eo am-pamakianao ny bokin’ny Mpitsara dia saintsaino ny zavatra nataon’ireo mpitsara mba hanafahana an’i Isiraely sy ny fomba anampian’ny Mpamonjy anao rehefa mila fanafahana ianao.

Ohatra iray miavaka tamin’ny olona izay nanampy tamin’ny fanafahana an’i Isiraely i Debora. Vakio ny momba azy ao amin’ny Mpitsara 4:1–16, dia jereo ny fitaomana izay nananany teo amin’ny olona manodidina azy. Inona ny teny na asa nataon’i Debora izay maneho aminao fa nino ny Tompo izy? Inona no tsapanao fa tian’i Debora holazaina tamin’ny alalan’ilay fanontaniany ao amin’ny andininy 14 hoe: “Tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah?”

Jereo koa ny Almà 7:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:87–88.

Mpitsara 2:13

Fa iza i Bala sy i Astarta?

I Bala dia andriamanidahin’ny oram-baratra an’ny Kananita, ary i Astarta dia andriamanibavin’ny halonahana an’ny Kananita. Ny fitsaohana ireo andriamanitra roa ireo dia maneho ny halehiben’ny lanjan’ny fahalonahan’ilay tany sy ny olona ho an’ny Kananita. Ny fomba nitsaohan’ny olona an’ireo sy ireo andriamanitra sandoka hafa, tafiditra tao anatin’izany ny fahalotoam-pitondrantena tamin’ny fanaovana firaisana ara-nofo sy ny fanaovana sorona zaza indraindray, dia tena nanafintohina ny Tompo tokoa.

Mpitsara 6–8

Afaka manao fahagagana ny Tompo rehefa matoky ny fombany aho.

Mba hahazoana ny fahagagana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika, dia tsy maintsy matoky ny fombany isika, na dia toa tsy mahazatra aza ny fombany. Ilay tantaran’i Gideona, hita ao amin’ny Mpitsara 6–8, dia ohatra tsara amin’izany. Ahoana no nanaovan’ny Tompo fahagagana iray tsy azo noheverina rehefa nandresy ny Midiana ny miaramilan’i Gideona? Inona no tsapanao fa ezahin’ny Tompo ampianarina anao? Ahoana no nahitanao ny Tompo nanao ny asany tamin’ny fomba izay toa tsy azo noheverina?

Mpitsara 13–16

Tonga amin’ny alalan’ny fahatokiako amin’ny fanekempihavanako amin’ Andriamanitra ny tanjaka.

Very ny tanjak’i Samsona ara-batana sy ny tanjany ara-panahy satria nandika ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra izy, anisan’izany ireo fanekena nihatra manokana tamin’ny Nazirita (mba hahalalana momba ny Nazirita, dia jereo ny Nomery 6:1–6; Mpitsara 13:7). Rehefa mamaky ny tantaran’i Samsona ao amin’ny Mpitsara 13–16 ianao dia saintsaino ny fanekempihavanana tsirairay nataonao. Ahoana no nanomezana tanjaka anao noho ny fitandremanao ireo fanekempihavanana ireo? Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Samsona ka mitaona anao hijanona ho mahatoky amin’ireo fanekempihavananao tamin’ Andriamanitra?

Sary
I Samsona manosika ireo andry

Samson Puts Down the Pillars (I Samsona mandrodana ireo andry), nataon’i James Tissot sy olona hafa

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Mpitsara 2:10.Rehefa maty i Josoa dia “tsy nahalala an’i Jehovah” ilay taranaka manaraky ny Isiraelita. Resaho miaraka amin’ny fianakavianao hoe hatraiza ny fahalalan’izy ireo ny Tompo sy “ny asa efa nataony” ho azy ireo. Ahoana no hakanareo antoka fa ho voatazona ho an’ireo taranaka any aoriana io fahalalana io?

Mpitsara 3:7–10.Ireo andininy ireo dia mamintina lamina iray izay nitranga matetika manerana ny bokin’ny Mpitsara. Eo am-pamakian’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ireo andininy ireo dia azon’izy ireo atao ny mitady ny zavatra nataon’i Isiraely ka nampivily lalana azy ireo hiala tamin’ny Tompo, sy ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanafahana azy ireo. Inona no mety mitarika antsika hanadino ny Tompo? Ahoana no ahafahany manafaka antsika? Ahoana no ahafahantsika ho mahatoky Aminy tsy tapaka kokoa?

Mpitsara 6:13–16, 25–30.Naneho herim-po lehibe i Gideona tamin’ny fankatoavana ny Tompo, na dia tsy nalaza aza ny zavatra nataony. Inona no nasain’ny Tompo nataontsika kanefa mety tsy ankasitrahan’ny hafa? Ahoana no hitaoman’ilay tenin’ny Tompo tamin’i Gideona ao amin’ny andininy 13–16 antsika hanao ny tsara?

Mpitsara 7.Afaka mampiasa filalaovana an-tsehatra ve ianareo na fiaraha-mientana hafa noforonina mba hanampiana ny fianakavianao hianatra avy amin’ny zavatra niainan’ny tafik’i Gideona, izay tantaraina ao amin’io toko io? Ahoana no ahafahan’ny tenin’ny Tompo ao amin’io toko io (jereo ohatra ny andininy 2 sy 15) mihatra eo amin’ny fiainantsika?

Mpitsara 13:5.Nanome tanjaka an’i Samsona ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo, tahaka ny hanomezan’ny fanekempihavanantsika tanjaka antsika. Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ny hanao fampihetseham-batana kely sy hiresadresaka ny fomba ahafahan’ireo fampihetseham-batana ireo manampy antsika hatanjaka. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika ho lasa matanjaka ara-panahy? Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia afaka mamaky ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79 ny olona ao amin’ny fianakaviana. Ahoana no hahazoantsika tanjaka ara-panahy rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ry Mpanavotra,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 9.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Manaova zavatra araka ny zavatra nianaranao. Rehefa mandalina ianao dia manontania tena momba ny fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra ianaranao, ary avy eo dia manolora tena ny hanao izany. Avelao ny Fanahy hitarika anao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35.)

Sary
I Gideona miaraka amin’ny tafika

Gideon’s Army (Ny tafik’i Gideona), nataon’i Daniel A. Lewis

Hamoaka printy