Testamenta Taloha 2022
06–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3: “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”


“06–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3: -Ny foko ravoravo amin’i Jehovah-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“06–12 jona. Rota; 1 Samoela 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022

Sary
I Rota sy i Naomy

Whither Thou Goest (Izay alehanao), nataon’i Sandy Freckleton Gagon

06–12 jona

Rota; 1 Samoela 1–3

“Ny foko ravoravo amin’i Jehovah”

Rehefa mandalina ny fiainan’i Rota, i Naomy, sy i Hana ary ireo hafa ianao amin’ity herinandro ity, dia henoy tsara ny Fanahy ary soraty izay mety ho fahatsapana voarainao. Inona no tsapanao fa tokony hataonao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Indraindray isika dia mieritreritra fa tokony hanaraka lalana iray mazava tsara hatrany amin’ny voalohany ka hatrany amin’ny farany ny fiainantsika. Ny halavirana fohy indrindra manelanelana ny teboka roa rahateo dia tsipika iray mahitsy. Kanefa dia matetika ny fiainana no feno sakana sy fiolahana izay mitondra antsika mankany amin’ny lalana tsy ampoizina. Mety hahita isika fa hafa be amin’izay nandrandraintsika ny fiainantsika.

Azo antoka fa nahatakatra izany i Rota sy i Hana. Tsy Isiraelita i Rota, fa nanambady Isiraelita izy, ary rehefa maty ny vadiny dia tsy maintsy nanao safidy izy. Hiverina any amin’ny fianakaviany sy ilay fiainana nahazatra azy fahiny ve izy, sa hanaiky ny finoan’ny Isiraelita sy fonenana vaovao miaraka amin’ny rafozam-baviny? (Jereo ny Rota 1:4–18). Ny drafitr’i Hana teo amin’ny fiainany dia ny hanan-janaka, ary ny tsy fahafahany nanan-janaka dia nahatonga azy “nalahelo fanahy indrindra” (jereo ny 1 Samoela 1:1–10). Eo am-pamakianao momba an’i Rota sy i Hana dia eritrereto ny finoana tsy maintsy ho nananan’izy ireo mba hametrahany ny fiainany teo am-pelatanan’ny Tompo sy handehanany amin’ny lalana tsy nampoizina izay nodiavin’izy ireo. Dia afaka mieritreritra ny dianao manokana eo amin’ny fiainana ianao avy eo. Tsy hitovy amin’ny an’i Rota sy i Hana izany, ary tsy hitovy amin’ny an’ny hafa rehetra. Kanefa ao anatin’ireo fitsapana sy zavatra tsy nampoizina mitranga eo anelanelan’izao fiainana an-tany izao sy ny toerana hiafaranao mandrakizay, dia afaka mianatra miara-miteny amin’i Hana ianao hoe “Ny foko ravoravo amin’i Jehovah” (1 Samoela 2:1).

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Rota sy ny 1 Samoela, dia jereo ny “Rota” sy ny “Samoela, mpaminanin’ny Testamenta Taloha” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Rota

Afaka manova ny tranga mampalahelo ho fandresena i Kristy.

Rehefa maty ny vadin’i Rota dia nisy fiantraikany teo aminy ilay tranga nampalahelo, ary mafy lavitra izany ho azy raha ampitahaina amin’izay mety hiainan’ny olona mananotena iray amin’izao fotoana izao. Tamin’ny kolontsain’ny Isiraelita tamin’izany fotoana izany dia tsy nanana zo hanan-javatra ny vehivavy iray tsy manam-bady na tsy manana zanaka lahy ary efa saika ho tsy misy fomba ahafahana mivelona. Rehefa mamaky ny tantaran’i Rota ianao dia jereo ny fomba nanovan’ny Tompo ilay tranga nampalahelo ho fitahiana lehibe. Inona no tsikaritrao momba an’i Rota ka mety ho nanampy azy? Inona no anjara asan’i Boaza tamin’ny fanavotana an’i Rota tamin’ny toe-javatra nahakivy izay niainany? (Jereo ny Rota 4:4–7). Inona avy ireo toetoetra tahaka ny an’i Kristy hitanao ao amin’i Rota sy i Boaza?

Rota; 1 Samoela 1

Afaka matoky aho fa hitarika ahy Andriamanitra na toy ny ahoana na toy ny ahoana toe-javatra iainako.

Afaka mampifandray ny tenanao amin’ny tantaran’i Rota sy i Naomy ary i Hana ve ianao? Efa namoy zavatra lehibe angamba ianao, tahaka izay nahazo an’i Rota sy i Naomy (jereo ny Rota 1:1–5). Na angamba tahaka an’i Hana, maniry hahazo fitahiana tsy mbola azonao ianao (jereo ny 1 Samoela 1:1–10). Saintsaino ny hafatra azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo vehivavy mahatoky ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Rota sy i Hana finoana an’ Andriamanitra? Inona avy ireo fitahiana noraisin’izy ireo? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’izy ireo? Eritrereto ny fomba nankanesanao “hialoka” teo ambany elatry ny Tompo (Rota 2:12) eny na dia rehefa toa sarotra aza ny fiainana.

Jereo koa ny Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!Liahona, nôv. 2019, 57–60.

Sary
I Hana sy i Samoela

For This Child I Prayed (Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako), nataon’i Elspeth Young

1 Samoela 2:1–10

Afaka ny ho ravoravo ao amin’ny Tompo ny foko.

Rehafa avy nitondra an’i Samoela kely tany amin’ny tempoly i Hana dia nilaza teny fiderana kanto ho an’ny Tompo izy, izay voarakitra ao amin’ny 1 Samoela 2:1–10. Mbola mampihetsi-po kokoa aza ireo teny ireo rehefa eritreretina fa fotoana fohy talohan’izay dia “nalahelo fanahy indrindra [izy], … sady nitomany dia nitomany” (1 Samoela 1:10). Eo am-pandalinanao ireo andinin-tsoratra masina ireo dia inona no hafatra hitanao fa mampitombo ny fahatsapanao fiderana sy fankasitrahana ho an’ny Tompo? Hitondra aingam-panahy ho anao angamba ny hiran’i Hana mba hahita fomba vaovao hanehoana ny fankasitrahanao ny Tompo, hira iray, sary hoso-doko, asa fanompoana, na izay mety ho zavatra mampita ny zavatra tsapanao ho Azy.

Mazava ho azy fa tsy ny vavaka amin-kafanam-po rehetra akory no voavaly amin’ny fomba namaliana ny an’i Hana. Inona no hitanao ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy” ka afaka manampy anao rehefa tsy voavaly amin’ny fomba antenainao ireo vavakao? (Liahona, mey 2014, 70–77).

1 Samoela 3

Afaka mihaino sy mankatò ny feon’ny Tompo aho.

Tahaka antsika rehetra, i Samoela dia nianatra ny fomba hamantarana ny feon’ny Tompo. Rehefa mandalina ny 1 Samoela 3 ianao dia inona no ianaranao avy amin’io zazalahy kely io mikasika ny fihainoana sy fankatoavana ny feon’ny Tompo? Inona no traikefa nanananao mikasika ny fihainoana ny feony? Inona avy no fahafahana anananao, tahaka an’i Ely, mba hanampiana ny hafa hamantatra rehefa miresaka amin’izy ireo ny Tompo? (Jereo ny 1 Samoela 3:7).

Jereo koa ny Jaona 14:14–21; David P. Homer, “Nandre ny feony,” Liahona, mey 2019, 41–43.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rota 1:16–18; 2:5–8, 11–12.Afaka mitady ohatry ny hatsaram-panahy sy ny fahatokiana ny fianakavianao ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no hanehoantsika hatsaram-panahy amin’ny fianakaviantsika sy ny hafa ary fahatokiana amin’i Jesoa Kristy? Ilay fizarana hoe “I Rota sy i Naomy” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha) dia afaka manampy ny fianakavianao hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Rota.

1 Samoela 1:15.  ? Ahoana no ahafahantsika manatsara ny vavaka ataontsika manokana sy ataon’ny fianakaviantsika?

1 Samoela 2:1–10.Mety hitarika anareo hieritreritra ireo hira izay ampiasainareo hiderana ny Tompo ny tononkalo fiderana nataon’i Hana. Afaka miara-mihira ny vitsivitsy amin’izany ianareo. Afaka mieritreritra fomba hafa koa ny olona ao amin’ny fianakavianao mba hanehoany ny zavatra tsapany ho an’i Jesoa Kristy. Ohatra, afaka manao sary maneho ny antony hitiavany ny Mpamonjy izy ireo.

1 Samoela 3:1–11.Mety hahafinaritra ny milalao an-tsehatra ilay tantaran’ny Tompo miantso an’i Samoela. Afaka miresaka ireo fotoana nahatsapany ny Tompo niresaka taminy sy ny zavatra nataon’izy ireo hanatanterahana ny teniny ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ce jour, au coeur j’ai du soleil,” Cantiques, no. 144.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinanao. Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy Masina anao hahita ireo zavatra ilainao hianarana. Henoy tsara ny bitsiny, na dia mitarika anao hamaky momba ny lohahevitra iray tsy nampoizinao na tsy neritreretinao hohalalinina amin’ny fomba hafa aza.

Sary
I Samoela zazalahy ao anaty lay

Fanehoana an-tsary an’i Samoela mihaino ny Tompo, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy