Testamenta Taloha 2022
13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18: “An’i Jehovah ny ady”


“13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18: -An’i Jehovah ny ady-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Davida zatovo mihazona antsamotady

David and Goliath (I Davida sy i Goliata), nataon’i Steve Nethercott

13–19 jona

1 Samoela 8–10; 13; 15–18

“An’i Jehovah ny ady”

Ny soso-kevitra haroso ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahita ny sasany amin’ireo fitsipika manan-danja ao amin’ireo toko ireo. Mety hahita fitsipika hafa ianao eo am-pandalinanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Hatramin’ny nipetrahan’ireo fokon’i Isiraely tao amin’ny tany nampanantenaina dia efa loza nananontanona azy ireo tsy tapaka ny Filistina. Imbetsaka tany aloha tany no efa nanafahan’ny Tompo ny Isiraelita tamin’ireo fahavalony. Fa tamin’io fotoana io ny loholon’ny Isiraely dia nangataka hoe: “Aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay … hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay” (1 Samoela 8:19–20). Nanaiky ny Tompo, dia nosorana ho mpanjaka i Saoly. Kanefa rehefa niantso ny miaramilan’i Isiraely hanao fanamby taminy i Goliata izay goavana sy nampatahotra, dia “raiki-tahotra loatra” (1 Samoela 17:11), tahaka ny sisa rehetra tamin’ireo miaramilany i Saoly. Tamin’io andro io, dia tsy i Saoly Mpanjaka no nanavotra an’i Isiraely, fa zazalahy mpiandry ondry nanetry tena iray nantsoina hoe Davida, izay tsy nanao akanjo fiarovana fa nitafy kosa ny finoana ny Tompo izay tsy nisy na inona na inona afaka nanatrobaka azy. Io ady io dia nanaporofo tamin’i Isiraely, sy izay rehetra manana ady ara-panahy, fa “tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah”, ary “an’i Jehovah ny ady” (1 Samoela 17:47).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Samoela 8

I Jesoa Kristy no Mpanjakako.

Rehefa mamaky ny 1 Samoela 8 ianao dia jereo ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny fanirian’ny Isiraelita hahazo mpanjaka ankoatra Azy. Inona no dikan’izany hoe mifidy ny Tompo “hanjaka [aminao]”? (1 Samoela 8:7). Azonao atao koa ny mieritreritra ireo fomba hakana fanahy anao hanaraka ireo fironana tsy marin’izao tontolo izao toy izay hanaraka ny Tompo. Ahoana no ahafahanao maneho fa i Jesoa Kristy no tianao ho Mpanjakanao Mandrakizay?

Jereo koa ny Mpitsara 8:22–23; Môzià 29:1–36; Neil L. Andersen, “Maharesy izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017, 58–62.

1 Samoela 9:15–17; 10:1–12; 16:1–13

Miantso ny olona amin’ny alalan’ny faminaniana Andriamanitra mba hanompo ao amin’ny fanjakany.

Nisafidy an’i Saoly sy i Davida Andriamanitra mba ho mpanjaka tamin’ny alalan’ny faminaniana sy ny fanambarana (jereo ny 1 Samoela 9:15–17; 10:1–12; 16:1–13). Toy izany koa no hiantsoany lehilahy sy vehivavy hanompo ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Inona no ianaranao avy amin’ireo tantara ireo mikasika ny dikan’ny hoe “voantson’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny faminaniana”? (Fanekem-pinoana 1:5). Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny maha-voantso sy voatokana antsika amin’ny alalan’ireo mpanompon’ny Tompo nahazo fahefana?

Sary
I Samoela manosotra an’i Saoly

Fanehoana an-tsary an’i Samoela manosotra an’i Saoly, © Lifeway Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

1 Samoela 13:5–14; 15

“Ny [mankatò] no tsara noho ny fanatitra.”

Na dia lava ranjanana aza i Saoly, dia tsapany “ho kely [ny fiheverany ny tenany]” rehefa lasa mpanjaka izy (1 Samoela 15:17). Kanefa rehefa nomena fahombiazana izy dia nanomboka natoky ny tenany kokoa fa tsy dia natoky loatra ny Tompo. Inona no porofo hitanao manamarina izany ao amin’ny 1 Samoela 13:5–14; 15? Raha niaraka tamin’i Saoly ianao tamin’izany dia inona no mety ho nolazainao taminy ka mety ho nanampy azy handresy ny fiodinany sy ny ditrany? (1 1 Samoela 15:23).

Jereo koa ny 2 Nefia 9:28–29; Helamàna 12:4–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:39–40; Thomas S. Monson, “[Saino tsara] izay alehan’ny tongotrao,” Liahona, nôv. 2014, 86–88.

1 Samoela 16:7

“Fa Jehovah … mijery ny fo.”

Ahoana avy no fomba hitsaran’ny olona ny hafa amin’ny “[fijerena] ny miseho ivelany”? Inona no dikan’ny hoe mijery “ny fo” tahaka ny ataon’ny Tompo? (1 1 Samoela 16:7). Eritrereto ny fomba ahafahanao mampihatra io fitsipika io amin’ny fomba fahitanao ny hafa, sy ny tenanao. Inona no mety ho fiantraikan’ny fanaovana izany eo amin’ny fifaneraseranao na ny fifandraisanao amin’ny hafa?

1 Samoela 17

Afaka mandresy ny olana rehetra aho rehefa manampy ahy ny Tompo.

Rehefa mamaky ny 1 Samoela 17 ianao dia saintsaino ny tenin’ireo olona isan-karazany ao amin’io toko io (jereo ilay lisitra eo ambany). Mampahafantatra inona momba azy ireo ny teniny? Ahoana no hanehoan’ny tenin’i Davida ny herim-pony sy ny finoany ny Tompo?

Saintsaino ny ady manokana atrehanao. Inona no hitanao ao amin’ny 1 Samoela 17 izay manamafy orina ny finoanao fa afaka manampy anao ny Tompo?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Samoela 9:15–21; 16:7.Ny famakiana ireo andininy ireo miaraka amin’ireto teny nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ireto dia afaka manentana fifanakalozan-kevitra momba ny antony nisafidianan’ny Tompo an’i Saoly sy i Davida: “Raha toa ka ny masontsika amin’ny maha-olombelona no hijerentsika ny tenantsika dia mety tsy hanome sitraka ny tenantsika isika. Ny Raintsika any An-danitra kosa anefa dia mahafantatra antsika hoe iza marina moa isika ary izay hahatongavatsika amin’ny hoavy” (“Mitondra soa izany!Liahona, nôv. 2015, 23). Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao angamba ny mifandimby miresaka momba ny toetra tsara hitan’izy ireo eo amin’izy samy izy (jereo ny 1 Samoela 16:7).

1 Samoela 10:6–12.Oviana isika no nahita an’ Andriamanitra nanome hery ara-panahy olona iray mba hanatontosa andraikitra na antso iray tahaka ny nitahiany an’i Saoly? Inona no zavatra niainana azontsika zaraina tamin’ny fotoana “[nanomezan]’ Andriamanitra fo vaovao” antsika na “[nilatsahan’ny] … Fanahin’ Andriamanitra” tamintsika rehefa nanompo Azy isika? (andininy 9–10).

1 Samoela 17:20–54.Mety hankafizin’ny fianakavianao ny hiara-hamaky ny tantaran’i Davida sy i Goliata (afaka manampy ny “Davida sy Goliata” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra iray momba ireo olana hatrehantsika izay mety ho toy ny “Goliata” ho antsika isika. Afaka manoratra ny sasany amin’ireo olana ireo amin’ny tarigetra na sarina Goliata iray mihitsy aza ianareo dia mifandimby mitoraka izany amin’ny zavatra (toy ny baolina taratasy).

Mety hahaliana koa ny miara-mamaky momba ilay akanjo varahina fiarovana sy ireo fitaovam-piadian’i Goliata (jereo ny andininy 4–7). Inona no teny amin’i Davida (jereo ny andininy 38–40, 45–47). Inona no nomen’ny Tompo hanampiana antsika handresy ireo Goliatantsika?

1 Samoela 18:1–4.Mpinamana akaiky toy ny ahoana i Davida sy i Jonatana? Inona no fitahiana azontsika avy amin’ny namana tsara sy akaiky antsika? Inona no azontsika atao mba ho mpinamana akaiky, anisan’izany ny finamanantsika amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ho mpanompo mazoto aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 85.

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao matetika ny fijoroana ho vavolombelona anananao. “Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsimpo mikasika ny fahamarinana ara-panahy, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’[ny fianakavianao]. Tena mahery vaika ny fijoroana ho vavolombelona iray rehefa atao mivantana sy avy amin’ny fo. Tsy ilaina atao tsara rafitra sy lava be izany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 11).

Sary
Davida

Sary maneho an’i Davida, nataon’i Dilleen Marsh

Hamoaka printy