Testamenta Taloha 2022
13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18: “An’i Jehovah ny ady”


“13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18: ‘An’i Jehovah ny ady,’” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga 2022 (2021)

“13–19 jona. 1 Samoela 8–10; 13; 15–18,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Davida kely sy ny antsamotady

David and Goliath [Davida sy Goliata], nataon’i Steve Nethercott

13–19 jona

1 Samoela 8–10; 13; 15–18

“An’i Jehovah ny ady”

Na dia natao ho an’ny zaza kely na lehibe kokoa aza ireo asa atao etsy ambany dia azonao amboarina izany mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ireo izay ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny sarin’i Davida sy Goliata ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany momba ilay tantara, ary mametraha fanontaniana mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo ampahan’ilay tantara izay tsy tsaroan’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Samoela 16:1–13

Fantatry ny tompo ny ao am-poko

Ny fizarana ilay tantaran’ny nilazan’ny Tompo an’i Samoela mba hifidy an’i Davida ho mpanjaka dia afaka manampy ny ankizy hahafantatra fa fantatry ny Tompo tsirairay manokana isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Zarao ny fomba nilazan’ny Tompo an’i Samoela hoe i Davida no ho lasa mpanjakan’Isiraely (jereo ny 1 Samoela 16:1–13). Eo am-pitantaranao ilay tantara dia azonao asiana ankizy anankiray maneho an’i Samoela. Afaka manome satroboninahitra taratasy ho an’ny ankizy iray hafa izay maneho an’i Davida izy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa fantatry ny Tompo ny fon’i Davida ary fantany isika tsirairay avy.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nahatsapanao fa nahafantatra ny aminao ny Tompo. Mihirà hira iray izay mampianatra fa fantatry ny Mpamonjy sy tiany isika, toy ny “I Jesoa dia namantsika” (Bokin-kiran’ny ankizy, 37).

1 Samoela 17:10–54

Afaka manampy ahy hanana herim-po ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Mora azon’ny ankizy ny hoe Davida kely satria na dia kely aza i Davida dia nandresy fanamby ngeza be. Ampio izy ireo hahita ny finoany an’i Jesoa Kristy no loharanon’ny herim-pony sy ny tanjany.

Asa atao azo tanterahina

  • Jereo miaraka amin’ny ankizy ny tantaran’i Davida sy Goliata (jereo ny “Davida sy Goliata” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha) dia avelao izy ireo hifandimby hilalao an-tsehatra ilay tantara. Amporisiho ilay ankizy manao Goliata hiteny hoe: “Amoahy lehilahy iray aho hiady amiko” (1 Samoela 17:10). Amporisiho ilay ankizy manao Davida hiteny hoe: “Izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah” (1 Samoela 17:45). Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa manana finoana ny Tompo isika dia hanampy antsika hanana herim-po tahaka an’i Davida Izy.

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanehoana hoe hatraiza ny halavan’i Goliata raha ampitahaina amin’ny ankizilahy toa an’i Davida. Hazavao fa natahotra an’i Goliata ny miaramilan’Isiraely. Angataho ireo ankizy mody hanao matahotra. Dia manehoa sarin’i Jesoa Kristy, dia lazao ireo ankizy fa satria nanana finoana ny Tompo i Davida, dia sahy izy. Angataho izy ireo hijoro ambony, toy ny hoe sahy.

  • Asao ireo ankizy hamindra tahaka ny hoe Davida handeha hiady amin’i Goliata eo am-pihirana hira iray momba ny fahasahiana, toy ny “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 85).

1 Samoela 18:1–4

Afaka ny ho fitahiana ho ahy ny namana tsara.

Ny finamanan’i Jonatana sy i Davida dia afaka ny ho ohatra tsara maneho ny fitahiana avy amin’ny namana tsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sarina endri-javatra anankiroa eny amin’ny solaitrabe, ny iray maneho an’i Davida ary ny iray hafa maneho an’i Jonatana. Vakio amin’ny ankizy ny andian-teny vitsivitsy avy ao amin’ny 1 Samoela 18:1–4 izay manamafy ny fifankatiavan’ireo mpinamana ireo. Omeo fo vita amin’ny taratasy ny ankizy tsirairay ary anontanio azy ireo ny fomba ahafahan’izy ireo maneho fitiavana namana iray. Isaky ny avy mizara hevitra ny ankizy tsirairay dia asao ilay ankizy hametaka ilay fo vita amin’ny taratasy eo amin’ny solaitrabe.

  • Tantarao amin’ny ankizy ny momba ny namana tsara iray izay manampy anao miaina ny filazantsara na manorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy, ary asao ireo ankizy hizara hoe iza no manampy azy ireo. Asao ireo ankizy hilalao an-tsehatra fanaovana zavatra tsara amin’ny namana iray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Samoela 8:6; 9:15–17; 10:1–24; 16:1–13

Ireo izay manompo ao amin’ny Fiangonana dia nantsoin’ Andriamanitra.

Ny tantaran’ny fisafidianan’ Andriamanitra an’i Saoly sy i Davida ho mpanjaka dia afaka manampy ny kilasinao hahatakatra ny fomba fiantsoana olona hanompo ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Ireo tantara ireo dia afaka manorina finoana fa ny antso dia avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo mpanompo nahazo lalana.

Sary
I Samoela manosotra an’i Saoly

Sary maneho an’i Samoela manosotra an’i Saoly, © Lifeway Collection/licensed avy amin’ny goodsalt.com

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amin’ny tapa-taratasy misaraka ireto teny nolazaina sy soratra masina manaraka ireto: nila mpanjaka ny vahoaka (1 Samoela 8:6); nilaza tamin’i Samoela ny Tompo fa i Saoly no ho mpanjaka (1 Samoela 9:15–17); nanosotra an’i Saoly i Samoela (1 Samoela 10:1); nampahafantatra an’i Saoly tamin’ny vahoaka i Samoela (1 Samoela 10:24). Angataho ireo ankizy mba hamaky ireo andinin-tsoratra masina ary hametraka azy ireo amin’ny filaharany marina.

  • Miaraha mianatra ny fanekem-pinoana fahadimy. Resaho fohy amin’ny ankizy ny fomba nandraisanao ny antsonao hampianatra ao amin’ny Kilonga. Ahoana no ahafantaranao fa nantsoin’ Andriamanitra ianao? Mijoroa ho vavolombelona fa manome aingam-panahy an’ireo mpitarika Andriamanitra mba hiantso ireo olona hanompo.

1 Samoela 16:1–13

“Jehovah kosa mijery ny fo.”

Voajanahary amintsika ny mitsara ny hafa amin’izay hitantsika maso, saingy tafiditra ao amin’ny hoe lasa tahaka an’i Jesoa ny mianatra mijery tahaka ny fijeriny, “mijery ny fo” (1 Samoela 16:7).

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy haka sary an-tsaina hoe nangatahina hisafidy olona iray hatao mpanjaka. Inona no fepetra hotadiaviny? Iaraho mamaky ny 1 Samoela 16:6–7 hijerena ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i Samoela rehefa nitady mpanjaka vaovaon’Isiraely izy. Inona no ianarantsika avy amin’ny torolalan’ny Tompo?

  • Manehoa lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana mba hanehoana amin’ny ankizy fa ny fitsarana ataontsika araka “ny miseho eo ivelany” (andininy 7) dia mety tsy ho marina. Ohatra, afaka anehoanao sakafo vitsivitsy na boky voafono amin’ny fonony izay tsy mifanaraka amin’ny tena ao anatiny izy ireo. Inona no ambaran’ny 1 Samoela 16:7 na io lesona nampiasana zavatra azo tsapain-tanana io momba ny fomba tokony hijerentsika ny tenantsika sy ny olona hafa?

  • Mizarà zavatra niainana izay nianaranao ny antony tokony “[hijerenao] ny fo” fa tsy “ny miseho eo ivelany” fotsiny (andininy 7). Avelao ny ankizy hizara zavatra niainany izay mitovitovy amin’izany. Mihirà hira iray izay manamafy io fitsipika io, toy ny “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 78).

1 Samoela 17:20–54

Afaka manampy ahy handresy izay fanamby rehetra Jesoa Kristy.

Mety miatrika fanamby izay mety ho sarotra tahaka ny miady amin’i olobe tahaka an’i Goliata ireo ankizy. Ny ohatra nasehon’i Davida dia mety hanome fanantenana azy ireo fa hanampy azy ireo ny Tompo handresy ny ady ataony.

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo manao sarin’ny ampahany samihafa amin’ilay tantara ao amin’ny 1 Samoela 17:20–54 ny ankizy. Asehoy araka ny filaharany ireo sary eny amin’ny solaitrabe, dia asao ireo ankizy hizara ilay tantara amin’ny firesahana ny sary tsirairay izay nataon’izy ireo. Inona no tian’ny Tompo hianarantsika avy amin’io tantara io?

  • Ampio ireo ankizy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fanamby mety hatrehan’ny olona iray. Asao izy ireo hitady zavatra nolazain’i Davida ka afaka mankahery olona iray izay miatrika fanamby tahaka ireo (jereo ny 1 Samoela 17:26, 32, 34–37, 45–47). Lazao amin’ireo ankizy ny fomba nanampian’i Jesoa Kristy anao nandritra ny fotoan-tsarotra.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ametraho fanontaniana momba ny zavatra nianarany androany ireo ankizy. Soraty ilay fanontaniana ary omeo tahadikan’izany ny ankizy tsirairay hoentiny mody ary hifanakalo hevitra amin’ny fianakaviny.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hahazo an-tsaina ny soratra masina. Matetika ny ankizy no mifantoka bebe kokoa amin’ny lesona iray rehefa afaka mijery sary maneho tantara na fampianarana ao amin’ny soratra masina. Ampiasao ireo sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy