Testamenta Taloha 2022
20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11: “Ny fanjakanao hitoetra … mandrakizay”


“20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11: -Ny fanjakanao hitoetra … mandrakizay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Ny Mpanjaka Davida mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana

King David Enthroned [Davida mpanjaka satrohina satro-boninahitra], nataon’i Jerry Miles Harston

20–26 jona

2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11

“Ny fanjakanao hitoetra … mandrakizay”

Rehefa mamaky ny soratra masina ianao dia afaka manome fahatsapana anao ny Fanahy Masina ary hitaona ny fanahinao hahafantatra ny zavatra tena manan-danja ho an’ireo ankizy ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mangataha ankizy vitsivitsy hiresaka momba ny zavatra niainany rehefa namaky ny soratra masina (izy manokana, na miaraka amin’ny fianakaviana, na any am-piangonana). Oviana ary aiza izy ireo no mamaky soratra masina? Inona no tsapan’izy ireo rehefa mamaky ny soratra masina izy ireo? Inona ny fitahiana azon’izy ireo noho ny fankatoavana ireo didy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Samoela 5:19, 23

Raha mila fitarihana aho dia afaka mangataka amin’ny Ray any An-danitra.

Ireo andininy ireo dia manoritsoritra ny nivavahan’i Davida mba hahazo fitarihana sy torolalana amin’ny maha-mpanjakan’Isiraely azy. Ahoana no fomba ahafahanao mandrisika ny ankizy hitodika any amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka rehefa misy zava-manahirana azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Hazavao amin’ireo ankizy fa rehefa nila fanampiana i Davida dia “nanontany” na nivavaka mba hahazo valiny. Rehefa mamaky ny 2 Samoela 5:19, 23 ianao dia asao ireo ankizy hihaino ny teny hoe “nangataka” ary hamoritra ny sandriny rehefa maheno izany izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra foana isika rehefa mila fanampiana.

  • Mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba izay azony lazaina rehefa mivavaka dia azonao anontaniana izy ireo hoe ahoana no hamaranany fehezan-teny tahaka ireto: “Misaotra Anao izahay noho …” sy “Mangataka Aminao izahay mba …” Avelao ireo ankizy hanao sarin’ny zavatra izay mety hanomezan’izy ireo fisaorana na angatahin’izy ireo amin’ny vavaka.

    Sary
    zazavavy mivavaka

    Afaka mivavaka isika mba hangataka fanampiana sy fitarihana amin’ny Ray any An-danitra.

  • Lazao amin’ny ankizy ny fotoana iray izay nivavahanao mba hangatahana ny fanampian’ny Ray any An-danitra. Ahoana no namaliany ny vavaka nataonao? Inona no niova rehefa nanampy anao Izy? Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany.

2 Samoela 7:16

Jesoa Kristy no Mpanjakantsika.

Rehefa mpanjakan’Isiraely i Davida dia nilaza taminy ny Tompo fa “ny seza fiandriana[ny dia] hitoetra mandrakizay” (2 Samoela 7:16). Io fampanantenana io dia miresaka an’i Jesoa Kristy, ilay Mpanjakantsika mandrakizay, izay teraka avy amin’ny taranak’i Davida.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà ankizy anankiray mody hanao mpanjaka. Raha azo atao dia omeo zavatra tsotsotra hotazonina izy. Inona no atao hoe mpanjaka? Inona no ataon’izy ireo? Lazao amin’ireo ankizy fa i Davida dia mpanjaka, ary izy dia razamben’i Jesoa Kristy, izay antsointsika hoe “Mpanjakan’ny Mpanjaka” (Apokalipsy 19:16). Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahantsika maneho hoe mino isika fa Jesoa Kristy no Mpanjaka mandrakizay.

  • Eo am-pamitan’ireo ankizy ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity dia mihirà na mandefasa hira izay milaza an’i Kristy ho Mpanjakantsika, toy ny “Voantso hanompo,” na ny “Hosanna au grand Roi!” na ny “Oui, je crois en Christ” (Bokin-kiran’ny ankizy, 94; Cantiques, lah. 71, 160). Asao ireo ankizy hihaino ny teny hoe “Mpanjaka” ary hihazona sarin’i Jesoa rehefa maheno izany. Inona no tsapantsika rehefa mihira momba an’i Jesoa isika?

1 Mpanjaka 8:57–58

Afaka mandeha amin’ny fomban’ Andriamanitra aho.

Ho an’ny isiraelita ny fanorenana sy ny fitokanana ny tempoly dia fahafahana iray hampitodika ny fony amin’ny Tompo sy hanolo-tena indray mba “[handehanana] amin’ny làlany rehetra” (1 Mpanjaka 8:58). Ahoana no hanampianao ireo ankizy ampianarinao “[handeha] amin’ny lalany rehetra”?

Asa atao azo tanterahina

  • Mampisehoa amin’ny ankizy sarina tempoly maoderina sy ny tempoly naorin’i Solomona (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hazavao fa rehefa nanorina tempoly ho an’ny isiraelita i Solomona dia namporisika azy ireo izy mba “[handehanantsika] amin’ny làla[n’ny Tompo]” (1 Mpanjaka 8:58). Lazao amin’ireo ankizy ny fomba hanampian’ny tempoly anao mba handeha amin’ny lalan’ny Tompo. Asao ireo ankizy hizara ny fahatsapany momba ny tempoly. Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99).

  • Omeo fo vita amin’ny taratasy ny ankizy sasany ary ny ankizy sasany omeo dian-tongotra amin’ny taratasy. Vakio ny 1 Mpanjaka 8:58 ary asao ireo ankizy hihazona ireo fo rehefa milaza ny teny hoe “fo” ianao ary ilay dian-tongotra rehefa milaza ny andian-teny hoe “[handeha] amin’ny làlany rehetra.” Ampio ireo ankizy hahatakatra fa mandeha amin’ny làlan’ny Tompo isika rehefa manaraka an’i Jesoa sy miezaka ny ho lasa tahaka Azy. Anontanio an’ny ankizy ny zavatra ataony mba handehanana amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Afaka mihira hira iray momba ny fanarahana an’i Jesoa ianao, toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Samoela 7:16–17

Jesoa Kristy no Mpanjakantsika.

Ireo mpanjaka izay vakiantsika ao amin’ny Testamenta Taloha dia samy manana lesoka avokoa ary nanao fahadisoana, na ireo izay tsara aza. Saingy ilay Mpanjaka izay nolazain’ny mpaminany fa ho avy amin’ny taranak’i Davida, dia tonga lafatra sy hanjaka mandrakizay.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky ny zavatra nolazain’ny mpaminany Natana an’i Davida mpanjaka ao amin’ny 2 Samoela 7:16–17 ary anontanio azy ireo ny mety ho dikan’io faminaniana io araka ny heviny. Amin’ny fomba ahoana ny fanjakan’i Davida no tsy hisy fiafarany? Ampio ireo ankizy hahita sy hamaky andinin-tsoratra masina izay mampianatra fa i Jesoa, izay taranak’i Davida, dia Mpanjaka, toy ny Lioka 1:32–33; Jaona 18:33–37; ary Apokalipsy 19:16. Ahoana no itovizan’i Jesoa Kristy amin’ny mpanjaka? Inona avy ireo fomba sasany izay ahafahantsika maneho fa i Jesoa Kristy no Mpanjakantsika mandrakizay?

  • Miaraha mihira amin’ireo ankizy fihirana vitsivitsy izay milaza an’i Jesoa ho Mpanjakantsika, toy ny “O viens, toi, Roi des rois,” na ny “Hosanna au grand Roi!” na ny “Jésus, né bien humblement” (Cantiques, lah. 29, 34, 96). Inona no ampianarin’ireo fihirana ireo antsika momba ny dikan’ny hoe Jesoa Kristy no Mpanjakantsika?

2 Samoela 11

Afaka mandresy ny fakam-panahy aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia mandray fanampahan-kevitra kely nefa manan-danja isan’andro. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny maha-manan-danja ny fifidianana ny tsara na dia sarotra aza izany?

Asa atao azo tanterahina

  • Avereno jerena miaraka amin’ny ankizy ny 2 Samoela 11 ary hamafiso ireo safidy nataon’i Davida. Anontanio ny ankizy hoe inona no safidy tsara tokony ho noraisin’i Davida? Inona ireo zavatra sasany izay azontsika atao rehefa alaim-panahy, izay afaka manampy antsika hisafidy ny tsara?

  • Mba hizarana ohatra ana olona izay nahatohitra fakam-panahy, tsy toa an’i Davida, dia anontanio ireo ankizy raha toa ka tsaroan’izy ireo ny tantaran’i Josefa sy ny vadin’i Potifara (jereo ny Genesisy 39:7–12). Azonao jerena miaraka amin’ireo ankizy io tantara io ary ampio izy ireo hampitaha izany amin’ny tantaran’i Davida. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Davida sy i Josefa momba ny fanoherana fakam-panahy?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azony atao mba hampiharana ny zavatra nianarany androany. Avy eo dia amporisiho izy ireo hanao zavatra araka ny drafitr’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nianarany ianao dia tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana nataonao mandritra ny fotoam-pampianarana manaraka. Izany dia mampiseho amin’ny ankizy fa miahiahy momba ny fomba hitahian’ny filazantsara ny fiainan’izy ireo ianao. Rehefa mizara ny zavatra niainany izy ireo dia hampatanjahana sy hifanampy mba hiaina ny filazantsara.

Hamoaka printy