Testamenta Taloha 2022
20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11: “Ny fanjakanao hitoetra … mandrakizay”


“20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11: -Ny fanjakanao hitoetra … mandrakizay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“20–26 jona. 2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Ny Mpanjaka Davida mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana

King David Enthroned (Davida Mpanjaka napetraka eo amin’ny seza fiandrianany), nataon’i Jerry Miles Harston

20–26 jona

2 Samoela 5–7; 11–12; 1 Mpanjaka 3; 8; 11

“Ny fanjakanao hitoetra … mandrakizay”

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana” (2 Timoty 3:16).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tena nahavelombolo tokoa ny fanombohan’ny fanjakan’i Davida Mpanjaka. Be mpahafantatra tokoa ny finoany tsy voahozongozona tamin’ny fandreseny an’i Goliata. Rehefa lasa mpanjaka izy dia nataony tanan-dehibeny i Jerosalema ary nampiray an’i Isiraely izy (jereo ny 2 Samoela 5). Tsy mbola natanjaka toy izany ilay fanjakana. Nanaiky ho azon’ny fakam-panahy anefa i Davida dia namery ny heriny ara-panahy.

Nahavelombolo toy izany ihany koa ny fanombohan’ny fanjakan’i Solomona zanakalahin’i Davida. Fanta-daza ny fahendrena sy ny fahaizana manavaka izay azony avy tamin’ Andriamanitra. Rehefa lasa mpanjaka izy dia nitariny ny sisin-tanin’i Isiraely ary nanangana tempoly kanto ho an’ny Tompo izy. Tsy mbola natanjaka toy izany ilay fanjakana. Kanefa dia namela ny fony hivavaka tamin’ny andriamani-kafa noho ny hadalany izy.

Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara mampalahelo ireo? Lesona iray azo tsoahina avy amin’izany angamba ny hoe na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny zavatra niainantsika teo aloha, dia miankina amin’ny safidy ataontsika amin’izao fotoana izao ny tanjatsika ara-panahy. Azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo koa fa tsy ny herin’ny tenantsika na ny herim-pontsika na ny fahendrentsika manokana no hamonjy antsika, fa ny Tompo. Ireo tantara ireo dia maneho amintsika fa ny tena nantenain’ireo Isiraelita, sy nantenaintsika marina dia tsy i Davida na i Solomona, na izay mpanjaka olombelona hafa, fa “zanak’i Davida” hafa: dia i Jesoa Kristy (Matio 1:1), ilay Mpanjaka Mandrakizay izay “[mamela] ny fahotan’ny olo[ny]” raha “miverina ami[ny] … indray” isika (1 Mpanjaka 8:33–34).

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i 2 Samoela sy ny 1 Mpanjaka, dia jereo ny “Samoela, mpaminanin’ny Testamenta Taloha” sy ny “Mpanjaka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Samoela 5:17–25

Afaka manome torolalana ahy ny Tompo

Raha vantany vao nahavita nampitambatra an’i Isiraely i Davida (jereo ny 2 Samoela 5:1–5), dia tsy maintsy niaro ny olony tamin’ny Filistina izy. Eo am-pamakianao ny 2 Samoela 5:17–25, dia diniho ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Davida manampy anao amin’ireo olana izay hatrehanao (jereo koa ny 1 Samoela 23:2, 10–11; 30:8; 2 Samoela 2:1). Ahoana no hikatsahanao ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao? Rehefa manaraka ny torolalana avy amin’ny fanambarana voarainao ianao dia inona no fitahiana azonao?

Jereo koa ny 1 Tantara 12; Richard G. Scott, “Ahoana no fomba ahafahana mahazo fanambarana sy fanentanam-panahy ho an’ny fiainanao manokana,” Liahona, mey 2012, 45–47.

2 Samoela 7

Inona ilay “trano” nampanantenain’ny Tompo an’i Davida?

Rehefa nandroso hevitra ny hanangana trano na tempoly ho an’ny Tompo i Davida (jereo ny 2 Samoela 7:1–3), dia namaly ny Tompo fa raha ny marina dia ny zanak’ i Davida no hanangana izany (jereo ny andininy 12–15; jereo koa ny 1 Tantara 17:1–15). Nilaza koa ny Tompo fa Izy koa dia hanangana “trano” na taranaka ho an’i Davida ary haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany (jereo ny 2 Samoela 7:11, 16, 25–29; Salamo 89:3–4, 35–37). Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpanjakantsika Mandrakizay, izay taranak’i Davida io fampanantenana io (jereo ny Matio 1:1; Lioka 1:32–33; Jaona 18:33–37).

2 Samoela 11; 12:1–14

Tokony hiaro tena foana aho mba tsy hanota.

Tsy niaro an’i Davida tamin’ny fahotana ny fahatokiany tamin’ny Tompo tamin’ny lasa rehefa “nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa” izy ary “nahatazana vehivavy mandro” (2 Samoela 11:2). Eritrereto ny lesona azonao ianarana avy amin’io zavatra niainany io. Mety hanampy anao handalina io tantara io ny fanontaniana tahaka ireto:

  • Inona avy ireo safidy nataon’i Davida ka nitarika azy ho tafalatsaka teo amin’ny lalana iray izay feno fahotana tsy nitsaha-nitombo? Inona avy ireo safidy tsara tokony nataony ho solon’izany?

  • Ahoana no mety hanandraman’ny fahavalo mitarika anao amin’ny lalana feno fahotana eo amin’ny fiainanao? Inona avy ireo safidy azonao atao amin’izao mba hiverenana amin’ny toerana azo antoka?

Jereo koa ny 2 Nefia 28:20–24.

1 Mpanjaka 3:1–15

Manampy ahy hanavaka ny tsara sy ny ratsy ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana manavaka.

Raha niteny taminao ny Tompo hoe: “Angataho izay tianao homeko anao” (1 Mpanjaka 3:5), dia inona no hangatahinao? Inona no manaitra anao momba ny fangatahan’i Solomona? Saintsaino hoe nahoana ny “saina malady” mba “hahaiza[na] manavaka ny soa sy ny ratsy” (andininy 9) no fanomezam-pahasoavana sarobidy? Inona no azonao atao mba hikatsahana io fanomezam-pahasoavana io?

Jereo koa ny 2 Tantara 1; Môrônia 7:12–19.

1 Mpanjaka 8:12–61

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Nandritra ny an-jato taonany maro dia ilay tabernakely azo nentin-tanana naorin’i Mosesy no naneho ny fanatrehan’ Andriamanitra. Na dia te hanangana toerana maharitra kokoa azon’ Andriamanitra hitoerana aza i Davida dia naleon’ Andriamanitra nisafidy an’i Solomona mba hanangana ny tempolin’ny Tompo. Rehefa mamaky ny vavak’i Solomona sy ireo teny nolazainy an’ireo vahoakany taorian’ny nahavitany ilay tempoly ianao dia jereo ny zavatra tsapany momba ny Tompo sy ny tranony. Azonao atao lisitra ihany koa ireo fitahiana nangatahan’i Solomona tao anatin’ny vavaka nataony. Inona no tsikaritrao momba ireo fitahiana ireo? Inona no fitahiana azonao avy amin’ny tranon’ny Tompo amin’izao androntsika izao?

Jereo koa ny 2 Tantara 6.

Sary
Tempolin’i Barranquilla Colombie

Tempolin’i Barranquilla Colombie

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

2 Samoela 5:19, 23.Oviana isika no “nanontany tamin’i Jehovah” mba hahazo fitarihana sy torolalana? Ahoana no namaliany antsika?

2 Samoela 7:16.Rehefa niteny tamin’i Davida ny Tompo hoe: “Ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay,” dia niresaka momba ny mpanjaka iray amin’ny ho avy tao anatin’ny fianakavian’i Davida izay hanjaka mandrakizay Izy: i Jesoa Kristy. Ho tian’ny fianakavianao angamba ny hamorona satro-boninahitra namboarina tao an-trano sady mifanakalo hevitra ihany mikasika ny antony maha-velom-pankasitrahana anareo fa i Jesoa Kristy no Mpanjakanareo Mandrakizay.

2 Samoela 11.Mety ho fotoana tsara hanararaotana hiresadresahana momba ny maha-zava-doza ny pôrnôgrafia sy ny eritreritra maloto, ary ny fahalotoam-pitondrantena ny famakiana momba ireo fahotana mahatsiravina nataon’i Davida. Ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia mety ho azo ampiasaina tsara mandritra ny fifanakalozanareo hevitra: ny laharana volana ôktôbra 2019 an’ny Liahona, ireo loharanom-pitaovan’ny Fiangonana miresaka momba ny pôrnôgrafia (ChurchofJesusChrist.org/addressing-pornography), ary ilay horonan-tsary hoe “Inona no tokony hataoko rehefa mahita pôrnôgrafia aho? (ChurchofJesusChrist.org). Afaka manao drafitra mikasika ny zavatra hataon’izy ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana rehefa mahita pôrnôgrafia izy ireo.

1 Mpanjaka 11:9–11.Inona avy ireo “andriamani-kafa” (andininy 10) mety hampivily ny fontsika hiala amin’ny Tompo? Ahoana no fomba ahafahantsika mampifantoka ny fontsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ah! Donne-moi Père,” Cantiques, no. 70.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ireo fitsipika izay hitahy ny fianakavianao. Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra ombam-bavaka ianao dia manontania tena hoe: “Inona no hitako ato ka tena hanan-danja manokana amin’ny fianakaviako?” (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17).

Sary
tempolin’i Solomona

Sary maneho ny tempolin’i Solomona, nataon’i Sam Lawlor

Hamoaka printy