Testamenta Taloha 2022
27 jona–03 jolay. 1 Mpanjaka 17–19: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”


27 jona–03 jolay. 1 Mpanjaka 17–19: -Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“27 jona–03 jolay. 1 Mpanjaka 17–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Elia mijoro eo akaikin’ny alitara mirehitra afo

Miady amin’ireo mpaminanin’i Bala i Elia, nataon’i Jerry Harston

27 jona–03 jolay

1 Mpanjaka 17–19

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”

Rehefa mamaky soratra masina ianao dia mampihatra finoana, izay manomana ny fonao sy ny sainao hihaino ny “feo [m]itsoka malemi[n’]” ny Fanahy (1 Mpanjaka 19:12).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nikorontana ny mpianakavin’i Isiraely. Dila efa hatry ny ela ny firaisan-kina sy firoboroboana izay azon’izy ireo teo ambany fanapahan’i Davida sy i Solomona, ary ny fanekempihavanana nampihavana ilay firenena tamin’ny Tompo dia zary fahatsiarovana sisa ho an’ny olona maro. Nizarazara ny fanjakan’i Isiraely, ka foko folo no nandrafitra ny Fanjakana Avaratra ary foko roa no nandrafitra ny Fanjakan’i Joda tao Atsimo. Samy tsy mafy orina ara-panahy ireo fanjakana roa ireo, notarihin’ny mpanjaka izay tsy nanaja ny fanekempihavanany tamin’ny Tompo ary nitaona ny hafa hanao toy izany koa (jereo ny 1 Mpanjaka 11–16). Saingy tao amin’ny Fanjakana Avaratra no nahery indrindra ny fihemorana, izay namporisihan’ny Mpanjaka Ahaba an’i Isiraely hivavaka tamin’i Bala izay andriamani-kafa.

Tao anatin’io toe-javatra io no niantsoana ny mpaminany Elia mba hitory ny tenin’ Andriamanitra. Ny tantaran’ny fanompoany dia ahalalana mazava fa ny finoan’ny tena manokana ny Tompo dia afaka miroborobo eo anivon’ny olo-marina na dia ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana aza. Indraindray ny Tompo dia mamaly ny finoana tahaka izany amin’ny fahagagana mampitolagaga eo imasom-bahoaka, toy ny afo milatsaka avy any an-danitra. Fa manao fahagagana ao amin’ny mangingina sy amin’olona manokana ihany koa Izy, toy ny fanomezana ny zavatra manokana nilain’ny mananotena mahatoky iray sy ny zanany lahy. Ary matetika indrindra ny fahagagana ataony no tena mahakasika loatra ny isam-batan’olona ka tsy misy mahalala izany afa-tsy ny tenanao irery. Ohatra hoe rehefa manambara ny tenany sy ny sitrapony amin’ny “feo [m]itsoka malemy” ny Tompo (1 Mpanjaka 19:12).

Raha te hahalala misimisy kokoa momba an’i Elia, dia jereo ny “Elia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Mpanjaka 17:1–16

Ny fanasana hanao fahafoizan-tena dia fahafahana hampihatra finoana.

Amin’ny voalohany dia mety ho toy ny sarotra ny mahatakatra ny antony nangatahan’i Elia tamin’ilay mananotena tao Zarefata mba hanome azy sakafo sy rano talohan’ny hisakafoanan’izy sy ilay zanany lahy efa mosarena. Fa azo raisina ho toy ny fitahiana ho an’io fianakaviana kely io ihany koa ny fangatahana nataon’i Elia. Nila ny fitahian’ny Tompo izy ireo, ary matetika ny fahafoizan-tena no mitondra fitahiana, anisan’izany ny fahazoana finoana mafy orina kokoa.

Eo am-pamakianao an’io tantara io dia apetraho amin’ny toeran’io mananotena miavaka io ny tenanao. Inona no mahatalanjona anao mikasika azy? Eritrereto ny fahafahana anananao mba hampiharana ny finoanao, anisan’izany ireo fahafahana hanao fahafoizan-tena. Ahoana no ahafahanao mitovy kokoa amin’io mananotena io?

Jereo koa ny Matio 6:25–33; Lioka 4:24–26.

1 Mpanjaka 18

“Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy”

Mety ho nahatsapa ireo Isiraelita fa nanana antony tsara nitsaohana an’i Bala izy ireo na dia teo aza ny didin’ Andriamanitra hoe: “Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:3). Ny nahafantarana an’i Bala dia hoe andriamanitry ny oram-baratra sy ny orana, ary taorian’ny telo taonan’ny hain-tany dia nila fatratra oram-baratra izy ireo. Ary ny fivavahana tamin’i Bala dia neken’ny fiarahamonina sy nankatoavin’ny mpanjaka lahy sy vavy. Eo am-pamakianao ny 1 Mpanjaka 18, dia eritrereto izay mety ho toe-javatra eo amin’ny fiainanao azo ampitahaina amin’ny toe-javatra niainan’ny Isiraelita. Efa nisy fotoana ve nahitanao fa nisalasala tamin’ny fanarahana ny Tompo ianao satria toa rariny sy tena nahasarika ireo safidy hafa? (Jereo ny 1 Mpanjaka 18:21). Ao amin’ireo trangan-javatra ato amin’ity toko ity, inona araka ny hevitrao ny nezahin’ny Tompo nampianarina an’ireo olona momba ny Tenany sy i Bala? Inona no zavatra niainana nampianatra anao fahamarinana mitovy amin’izany?

Mety hahaliana ny manamarika ireo zavatra nolazain’i Elia sy nataony ao amin’io toko io, izay maneho ny finoany ny Tompo. Inona no ianaranao avy amin’i Elia momba ny finoana?

Jereo koa ny Josoa 24:15; 2 Nefia 2:26–28.

Sary
I Elia mijoro eo ambony vato

Fanehoana an-tsary ara-tandindona ny 1 Mpanjaka 19:11–12. The Prophet (Ny mpaminany), © Robert Booth Charles/Bridgeman Images

1 Mpanjaka 19:1–18

Matetika ny Tompo no miresaka amin’ny fomba tony sy tsotra.

Rehefa ren’ny mpanjaka vavy Jezebela ny zavatra nitranga tamin’ireo mpaminaniny teo amin’ny Tendrombohitra Karmela, dia tsy niova fo izy fa romotra be. Noho ny fahatahorany ny ainy dia nitsoaka tany an-tany foana i Elia ary nitady fialofana tany anaty zohy. Rehefa sahirana noho ny fanirery sy ny hakiviana tao izy dia nisy zavatra niainany niaraka tamin’ny Tompo izay tsy misy itovizany mihitsy tamin’izay nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Karmela. Inona no ampianarin’ny zavatra niainan’i Elia tao amin’ny 1 Mpanjaka 19:1–18 anao momba ny fomba ifandraisan’ny Tompo aminao ao anatin’ny fotoana maha-sahirana anao? Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nandrenesanao ny feony. Inona no tokony hataonao mba handray matetika kokoa ny fitarihany?

Saintsaino ireo teny sy andian-teny ampiasaina ato amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hamaritana ny fomba ifandraisan’ny Tompo amintsika: Helamàna 5:30; 3 Nefia 11:3–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3; 9:8–9; 11:12–14; 36:2.

Jereo koa ny Salamo 46:10; 1 Nefia 17:45; Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88–92.

1 Mpanjaka 19:19–21

Mandeha alohan’ireo ahiahin’izao tontolo izao ny fanompoana ny Tompo.

Ny fananan’i Elisa ziogan’omby 12 dia midika fa lehilahy nanan-karena angamba izy. Inona no manan-danja aminao tamin’ny zavatra nataony voarakitra ao amin’ny 1 Mpanjaka 9:19–21? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Elisa?

Jereo koa ny Matio 4:18–22.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Mpanjaka 17:1–16.Ilay sary ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy ny fianakavianao hahazo an-tsaina ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 17:1–16. Rehefa avy mamaky ireo andinin-tsoratra masina sy mijery ilay sary ianareo, dia afaka manao lisitra ireo toetra manainga fanahy nananan’ilay mananotena ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana. Inona no angatahin’ny Tompo ho ataontsika mba hanehoana ny finoantsika?

1 Mpanjaka 18.Ilay tantara hoe “Elia sy ireo mpisoron’i Bala” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha) dia afaka manampy ny fianakavianao hianatra ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 18. Misy zavatra manakana antsika tsy hanolo-tena tanteraka amin’ny Tompo ve? Ahoana no ahafahantsika maneho ny fahavononantsika hisafidy Azy (jereo ny andininy 21).

1 Mpanjaka 19:11–12.Inona no hanampy ny fianakavianao hahatakatra ny lanjan’ny fihainoana ilay “feo tony sy malefaka”? Azonareo vakina miaraka amin’ny feo malefaka ny 1 Mpanjaka 19:11–12 na mihira moramora hira iray momba ny Fanahy, toy “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Azonao atao ny manampy feo manelingelina mba hanehoana ny fomba hanandraman’i Satana manao izay hahavariana antsika tsy hahare ilay feo tony sy malefaka. Afaka mizara ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho mora mandre ny fitaoman’ny Fanahy ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ny Fanahy Masina,” Bokin-kiran’ny ankizy, 56.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Raketo ireo zavatra tsapanao. Rehefa mahatsapa ny Fanahy miresaka aminao ianao dia hevero ny hanoratra ny zavatra tsapanao fa lazainy aminao. Ny fotoana lany hieritreretana ny fomba hanoratana ireo fahatsapana ireo dia afaka manampy anao hisaintsaina sy hankamamy izany.

Sary
vehivavy sy ankizy

Widow of Zarephath (Ilay mananotena tao Zarefata), nataon’i Rose Datoc Dall

Hamoaka printy