Testamenta Taloha 2022
25–31 jolay. Estera: “Fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”


“25–31 jolay. Estera: -Fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“25–31 jolay. Estera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Estera mivavaka

Esther (Estera), nataon’i James Johnson

25–31 jolay

Estera

“Fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”

Rehefa mamaky ny Estera ianao dia mikatsaha fitaomana avy amin’ny Fanahy izay natao ho anao mihitsy, ary raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Trangan-javatra maro ao amin’ny bokin’i Estera no mety ho toy ny kisendrasendra na fifandrifian-javatra. Ahoana no fomba hafa azonao hanazavana ny fomba nahatongavan’ny zazavavy Jiosy kamboty iray ho lasa mpanjakavavin’i Persia tamin’ny fotoana nampety izany indrindra mba hanavotana ny vahoakany tamin’ny famonoana ho faty? Im-piry teo amin’ny fiainany no mety ho nahafahan’i Mordekay izay zanaky ny dadatoan’i Estera nahare tampoka ny fisian’ny teti-dratsy hamono ny mpanjaka? Fifandrifian-javatra fotsiny ve izany sa isan’ny tao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra? Hoy ny Loholona Ronald A. Rasband hoe: “Izay miseho ho toy ny vintana kisendrasendra, raha ny marina, dia voaramason’ny Ray any An-danitra be fitiavana … Ny Tompo dia mijery ireo antsipirin-javatra bitika eo amin’ny fiainantsika” (“Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 56). Mety tsy hahatsikaritra foana ny fitaomana avy amin’ny Tompo ao anatin’ireo “antsipirian-javatra bitika” ireo isika. Kanefa ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Estera fa afaka mitarika ny lalantsika Izy ary manomana antsika amin’ny andro toy izany (Estera 4:14) rehefa afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanany isika mba hanatanteraka ireo asany.

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Estera dia jereo ny “Estera” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Estera

Afaka mampiasa ahy ho fitaovana hitahy ny hafa ny Tompo.

Nampianatra ny Rahavavy Anne C. Pingree hoe: “Tombontsoa lehibe sy andraikitra masina ny fahatongavana ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra. Na aiza na aiza no hipetrahantsika, na inona na inona toe-javatra misy antsika, na manambady isika na tsia ary na firy taona na firy taona, dia mila ny tsirairay avy amintsika ny Tompo mba hanatanteraka ny anjara asa miavaka nasaina nosahanintsika amin’ny fananganana ny fanjakany amin’izao fotoampitantanana farany izao” (“Knowing the Lord’s Will for You,” Liahona, Nov. 2005, 112).

Eo am-pamakianao ny tantaran’i Estera dia saintsaino ny fomba iharan’io teny nambara io aminy. Tadiavo ireo fomba nanampian’ny Tompo azy ho afaka nanavotra ny Jiosy (jereo ohatra ny Estera 2:21–23; 3:10–14; 4:14–16). Dia saintsaino avy eo ny fomba nitarihany ny fiainanao tamin’ny fomba izay namela anao nitahy ny hafa. Inona avy ireo toe-javatra misy na fifandraisana izay tsapanao fa nitarihany anao tamin’ny andro toy izany.Estera 4:14). Raha manana tsodranon’ny patriarika ianao dia hevero ny hamaky izany mba hamantaranao bebe kokoa ny asa asain’ny Tompo ataonao.

Estera 3; 5:9–147

Afaka mitondra mankany amin’ny faharavana ny avonavona sy ny hatezerana.

Mianatra avy amin’ny fahatokian’i Estera sy i Mordekay isika ao amin’ny bokin’i Estera, ary mianatra ihany koa avy amin’ny avonavona sy ny hatezeran’i Hamana. Rehefa mamaky ny Estera 3; 5:9–14 ianao dia hevero ny hanoratra ireo zavatra tsapan’i Hamana sy ny teniny ary ny zavatra nataony. Inona no ambaran’izy ireo mikasika azy sy ireo zavatra mamporisika azy? Inona avy ireo vokatr’izany izay nihatra taminy? (Jereo ny Estera 7). Mety hitaona anao hanombantombana ny zavatra manosika ireo zavatra tsapanao sy ny zavatra ataonao ny famakiana mikasika an’i Hamana. Mitaona anao hanova zavatra ve ny Fanahy? Ahoana no ahafahanao miantehitra amin’ny Ray any An-danitra mba hangataka fanampiana?

Jereo koa ny Ohabolana 16:32; Almà 5:28.

Estera 3–4; 5:2–3; 8:11–12

Mampiseho ny fianteherako amin’ny Tompo ny fifadian-kanina.

Jereo ireo toe-javatra izay nitarika an’i Estera sy ny Jiosy sisa mba hifady hanina (jereo ny Estera 3:13; 4:1–3, 10–17). Ahoana no nahatonga ny fifadian-kanina ho fitahiana ho azy ireo? (jereo ny Estera 5:2–3; 8:11–12). Nahoana isika no asain’ny Tompo mifady hanina? Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahatonga ny fifadian-kanina ho fitahiana lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao.

Jereo koa ny Isaia 58:6–12; Matio 4:1–4; 17:14–21.

Estera 3:1–11; 4:10–17; 5:1–4

Mitaky herim-po lehibe kokoa matetika ny fanaovana zavatra tsara.

Rehefa niaro ny finoany i Mordekay sy i Estera dia nampidi-doza ny ainy izy ireo. Ny safidy ataontsika dia misy vokany izay mety ho maivana kokoa noho izany, fa mbola mitaky herim-po hatrany ny fanaovana ny marina. Inona no ianaranao avy amin’ny Estera 3:1–4; 4:10–17 momba ny fananana herim-po hanao ny marina? Jereo ireo vokany hafa nihatra tamin’i Mordekay sy i Estera rehefa avy naneho herim-po izy ireo (jereo ny Estera 3:5–11; 5:1–4). Inona no tokony ho fantatry ny olona iray momba an’ Andriamanitra mba hanaovana ireo safidy nataon’i Estera sy i Mordekay, dia ny hanao ny marina na dia eo aza ny vokatr’izany?

Amin’ny fotoana manaraka izay hieritreretanao ny vokatry ny fanaovana ny marina dia mety hampihatra ny teny feno herim-po nolazain’i Estera ao amin’ny Estera 4:16 amin’ny toe-javatra iainanao ianao. Ohatra hoe, mety hiteny anakam-po ianao hoe “Rehefa misafidy ny marina aho, ka raha tahiny [mandao ahy ny namako], dia [izay izany].”

Jereo koa ny Thomas S. Monson, “Aoka hanana herim-po ianareo,” Liahona, mey 2009, 123–27.

Sary
I Estera sy ny mpanjaka

Esther before the King (Estera eo anoloan’ny mpanjaka), nataon’i Minerva K. Teichert

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Estera 1–10.Rehefa avy mamaky ny tantaran’i Estera ianao (jereo ny “Estera” ao amin’ny Tantaran’ny Testamenta Taloha), dia mety ho tian’ny fianakavianao ny hanamboatra saribakoly kely tsotsotra maneho ireo olona sasany (jereo ny pejin’ny fiaraha-mientana amin’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga). Azon’izy ireo ampiasaina hamerenana mitantara ilay tantara izany. Afaka mihira hira momba ny fanehoana herim-po sy fahatokiana ihany koa ianareo, toy ny “Sahia manao izay tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 80) na ny “Manaova ny marina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 68). Teny inona ao amin’ilay hira no mampahatsiahy antsika an’i Estera?

Estera 2:5–7.Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Mordekay momba ny fanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana mandritra ny fotoana hisian’ny fitsapana? Iza ao amin’ny fianakaviantsika no mila ny fanohanantsika? Manaova drafitra hanampiana azy ireo.

Estera 4:15–17.Afaka manentana ny fianakavianao ny herim-pon’i Estera mba hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba hananana herim-po hiaro ny fahamarinana ao anatin’ireo toe-javatra iainana izay atrehan’izy ireo. Inona no tian’i Estera holazaina tamin’ny hoe “Raha tàhiny maty aho, dia maty”? Ahoana no hampiharantsika ireo teniny rehefa mila maneho herim-po isika?

Estera 9:26–32.Ny fetin’ny Porima an’ny Jiosy dia napetraka mba hahatsiarovana ny tantaran’i Estera. Mandritra ny fotoam-pisakafoana amin’ity herinandro ity dia hevero ny hizara tantara momba ny fotoana nitahian’ny olona ao amin’ny fianakavianao, isan’izany ireo razambe, ny hafa tamin’ny fijoroana tamin’ny marina tahaka izay nataon’i Estera.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Aoka ho marina hatrany ianao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 81.

Manatsara ny fampianarantsika

Makà tahaka ny fiainan’ny Mpamonjy. “Ilay herin’ny Mpamonjy nentiny nampianatra sy nampitraka ny hafa dia avy amin’ny fomba niainany sy ny toetrany. Rehefa miezaka amim-pahavitrihana bebe kokoa ny hiaina tahaka an’i Jesoa Kristy ianao, dia hanana fahafahana bebe kokoa mba hampianatra tahaka Azy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 13).

Sary
Estera

Queen Esther (Mpanjakavavy Estera), nataon’i Minerva K. Teichert, © William and Betty Stokes

Hamoaka printy