Testamenta Taloha 2022
Zavatra tokony hotadidiana: “Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: -Modia-”


“Zavatra tokony hotadidiana: -Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: “Modia”-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Zavatra tokony hotadidiana: -Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: “Modia”-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidiana

“Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: -Modia-”

Tao amin’ny tany efitra’i Sinay no nampivondronan’i Mosesy ny Zanak’i Isiraely teo am-pototry ny tendrombohitra iray. Teo ny Tompo no nanambara fa tiany haverina ho vahoaka mahery ity vondron’olona izay vao avy nafahana tamin’ny naha-andevo azy ity. “Dia ho fanjakam-pisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo” (Eksodosy 19:6) hoy Izy. Nampanantena Izy fa handroso sy hiroborobo izy ireo, na dia amin’ny fotoana izay maha-voahodidin’ny fahavalo maro kokoa sy matanjaka kokoa azy ireo aza (jereo ny Deoteronomia 28:1–14).

Tsy hoe hitranga akory izany rehetra izany satria maro be sy matanjaka ary manana fahaiza-manao ny Isiraelita. Fa hitranga kosa izany, hoy ny Tompo nanazava, “raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko” (Eksodosy 19:5). Ny herin’ Andriamanitra, fa tsy ny azy ireo, no hahatonga azy ireo ho mahery.

Tsy nihaino foana ny feony anefa ny Isiraelita, ary rehefa nandeha ny fotoana dia tsy nitandrina ny fanekempihavanan’ny Tompo intsony izy ireo. Maro no nanomboka nivavaka tamin’ny andriamani-kafa sy nisafidy ny hampiasa ireo fomba fanaon’ireo kolontsaina manodidina azy ireo. Notsipahin’izy ireo ilay zavatra izay nahatonga azy ireo ho firenena miavaka amin’ny an’ny hafa rehetra, dia ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana. Raha tsy nisy ny herin’ Andriamanitra niaro azy ireo (jereo ny 2 Mpanjaka 17:6–7), dia tsy nisy na inona na inona afaka nanakana ny fahavalon’izy ireo (jereo ny 2 Tantara 36:12–20).

Ny fampielezana

Fotoana maro teo anelanelan’ny taona 735 sy 720 talohan’i JK tany ho any, dia nanani-bohitra tao amin’ny Fanjakana Avaratra an’i Isiraely ny Asyriana, izay fonenan’ny folo tamin’ireo foko roa ambin’ny folo, ary nitondra an’arivony tamin’ireo Isiraelita ho babo tany amin’ny faritra samihafa tao amin’ny fanjakana Asyriana izay notarihina Amperora (jereo ny 2 Mpanjaka 17:1–7).1 Lasa fantatra tamin’ny hoe “ny foko very” ireo Isiraelita ireo, tamin’ny ampahany satria nesorina niala tao amin’ny tany niaviany ary naely patrana teo anivon’ireo firenena hafa. Fa very amin’ny heviny lalina kokoa ihany koa izy ireo: rehefa nandeha ny fotoana dia very ny fahatsapan’izy ireo ny maha-izy azy ireo tamin’ny naha-vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra azy ireo.

Koa satria nisy fotoana naha-marina kokoa ny Fanjakana Atsimo an’i Joda raha nitaha tamin’ny Fanjakana Avaratra, dia naharitra kokoa izany.2 Saingy taty aoriana dia niala tamin’ny Tompo koa ny olona. Nanafika sy nandresy ny ankamaroan’ny faritra tao amin’ny Fanjakana Atsimo ny Asyriana ka i Jerosalema ihany no sisa niangana tamin’ny fomba mahagaga (jereo ny 2 Mpanjaka 19; Isaia 10:12–13). Taty aoriana, teo anelanelan’ny taona 597 sy 580 talohan’i JK, dia noravan’ny Babyloniana i Jerosalema, anisan’izany ny tempoly, ary nentin’izy ireo ho babo ny maro tamin’ireo mponina tao amin’ilay tanàna (jereo ny 2 Mpanjaka 24–25; 2 Tantara 36; Jeremia 3952). 70 taona teo ho eo taty aoriana dia navela hiverina tany Jerosalema ny sisa tavela tamin’i Joda ary namerina nanangana ny tempoly. Maro anefa no nijanona tany Babylona.3

Rehefa nifandimby teo ireo taranaka maro dia “[naely tamin’ny] tafio-drivotra ho any amin’ny firenena rehetra izay tsy fantany izy” (Zakaria 7:14; jereo koa ny Amosa 9:8–9). Notarihin’ny Tompo ho any amin’ny firenen-kafa ny sasany (jereo ny 2 Nefia 1:1–5; Ômnia 1:15–16). Niala tao Isiraely mba handositra ny fisamborana ny sasany (jereo ny 2 Mpanjaka 25:22–26; Jeremia 42:13–19; 43:1–7) na noho ny antony ara-pôlitika na ara-toe-karena.4

Antsointsika hoe ny fampielezana an’i Isiraely ireo tranga ireo. Ary zava-dehibe ny mahafantatra momba ny fampielezana noho ny antony maro. Amin’ny lafiny iray dia lohahevitra lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha izany: maro tamin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha no nahita ny fivarinana ara-panahy izay nitarika ho amin’ny fampielezana an’i Isiraely. Hitan’izy ireo mialoha izany fampielezana izany ary nampitandrina ny amin’izany izy ireo, ary niaina tao anatin’izany mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo.5 Manampy ny mitadidy izany rehefa mamaky ny bokin’i Isaia, Jeremia, Amosa, ary ireo boky maro hafa ao amin’ny ampahany faramparany amin’ny Testamenta Taloha ianao. Eo am-pieritreretana io sahan-kevitra io, rehefa mamaky ny faminanian’izy ireo ianao momba an’i Asyria sy i Babylona, ny fanompoan-tsampy sy ny fahababoana, ny faharavana sy ny famerenana amin’ny laoniny aty aoriana, dia ho fantatrao ny zavatra izay resahin’izy ireo.

Ny fahatakarana momba ny fampielezana an’i Isiraely dia hanampy anao hahatakatra kokoa ny Bokin’i Môrmôna ihany koa, satria rakitsoratra momba ny sampana iray amin’i Isiraely niely patrana ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 1 Nefia 15:12). Io rakitsoratra io dia manomboka amin’ny fianakavian’i Lehia mandositra miala an’i Jerosalema teo ho eo amin’ny 600 taona talohan’i JK, taloha kelin’ny nanafihan’ny Babyloniana fotsiny. I Lehia dia iray tamin’ireo mpaminany izay naminany momba ny fampielezana an’i Isiraely.6 Ary ny fianakaviany dia nanampy tamin’ny fanatanterahana io faminaniana io, ka niala tao amin’ny mpianakavin’i Isiraely dia nifindra tany alavitra be, tany Amerika fahiny.

olona mandao tanàna mirehitra

The Destruction of Jerusalem by Nebuzar-adan (Ny fandravan’i Nebokadnezara an’i Jerosalema), nataon’i William Brassey Hole, © Providence Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Ny Fanangonana

Antsasak’ilay tantara fotsiny anefa ny fampielezana an’i Isiraely. Tsy manadino ny olony ny Tompo, ary tsy mahafoy azy ireo tanteraka ihany koa Izy, na dia efa nahafoy Azy aza izy ireo. Ireo faminaniana maro izay nilaza fa haely patrana i Isiraely dia narahin’ny fampanantenana maro fa hanangona azy ireo Andriamanitra indray andro any.7

Ny fotoana ankehitriny izany andro izany, izao androntsika izao. Efa nanomboka ilay fanangonana. Tamin’ny taona 1836, an’arivo taonany maro taorian’ny nampivondronan’i Mosesy ny zanak’i Isiraely teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay, dia niseho tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Mosesy mba hanolotra an’i Joseph Smith “ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11). Ankehitriny, eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ireo fanalahidy ireo, dia angonina avy amin’ny firenena rehetra izay azon’ireo mpanompon’ny Tompo aleha ireo fokon’i Isiraely.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia niantso io fanangonana io hoe ny “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany. Ary raha misafidy ianao, raha tianao izany, dia afaka ny ho mpandray anjara lehibe amin’izany ianao.”8

Ahoana no hanaovanao izany? Inona no dikan’ny hoe manangona an’i Isiraely? Mamerina ireo foko roa ambin’ny folo any amin’ny tany nipetrahany fahiny ve no dikan’izany? Raha ny marina dia zavatra lehibe kokoa sy manana heviny mandrakizay kokoa no dikan’izany. Araka ny nohazavain’ny Filoha Nelson hoe:

“Rehefa miresaka fanangonana isika, dia milaza izao fahamarinana fototra izao tsotra izao isika: ny zanaky ny Raintsika any An-danitra tsirairay avy, eo amin’ny lafy roan’ny voaly, dia mendrika ny handre ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. …

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.”9

Mitranga “tsirairay” (Isaia 27:12) tahaka ny voalazan’i Isaia izany, na “isan-tanàna … sy roa isam-pokony” (Jeremia 3:14) araka ny nambaran’i Jeremia mialoha izany.

Ny fanangonana an’i Isiraely dia midika hoe mitondra ireo zanak’ Andriamanitra miverina any Aminy. Famerenana azy ireo amin’ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra no dikan’izany. Fametrahana indray ilay “firenena masina” (Eksodosy 19:6) izay narosony mba hapetraka efa ela tokoa no dikan’izany.

Modia

Amin’ny maha-mpitandrina fanekempihavanana antsika dia isan’ny mpianakavin’i Isiraely isika.10 Nangonina ianao, ary mpanangona ihany koa. Ilay tantara naharitra taon-jato maro izay nitrangan-javatra nampitolagaga izay nanomboka tamin’ny fanekempihavanana teo amin’ Andriamanitra sy i Abrahama dia efa tonga eo amin’ny ambaratonga faratampony, ary mpandray anjara fototra ao anatin’izany ianao. Izao no fotoana “[Hitenenan’i Jesoa] amin’ny Isiraely rehetra hoe: -Modia.-”11

Izao no hafatra avy amin’ireo mpanangona hoe: Modia ao amin’ny fanekempihavanana. Modia ao Ziona. Modia any amin’i Jesoa Kristy, ny Iray Masin’i Isiraely, dia hitondra anao hody any amin’ Andriamanitra Rainao Izy.

Fanamarihana

  1. Ireo foko folo izay nentin’i Asyria ho babo dia i Robena, i Simeona, i Isakara, i Zebolona, i Dana, i Naftalia, i Gada, i Asera, i Efraima, ary i Manase. Ireo mpikambana tao amin’ny fokon’i Levy dia niparitaka nanerana ny faritra nisy ireo foko hafa mba hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo tamin’ny naha-mpisorona azy ireo.

  2. Ny tena betsaka nandrafitra ny Fanjakana Atsimo dia ny fokon’i Joda sy i Benjamina. Nipetraka tao ihany koa anefa ny olona maro avy amin’ireo foko maro hafa (jereo ny 2 Tantara 11:14–17). Ohatra hoe, i Lehia izay nonina tao Jerosalema dia avy amin’ny fokon’i Manase.

  3. Jereo ny Ezra 1; 7; Nehemia 2. Resin’ny fanjakana Persiana ny fanjakana Babyloniana. I Kyrosy mpanjaka Persiana no namela vondrona Jiosy natao sesitany hiverina tany Jerosalema.

  4. Tamin’ny taona 70 taorian’i JK dia rava indray i Jerosalema sy ny tempoliny, ary ny Romana no nandrava azy tamin’ity indray mitoraka ity, ary ireo Jiosy sisa tavela dia naely patrana manerana ny firenena maro teto an-tany.

  5. Jereo ny Jeremia 29:18; Ezekiela 22:15; Hosea 9:17; Amosa 9:9; 1 Nefia 1:13.

  6. Jereo ny 1 Nefia 1:13, 18–20; 10:12–14.

  7. Jereo ny Isaia 5:26; 27:12; 54; Jeremia 16:14–15; 29:14; 31:10; Ezekiela 11:17; 34:12; 37:21–28; Zakaria 10:8; 1 Nefia 10:14; 22:25; 3 Nefia 16:1–5; 17:4.

  8. Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 03 jona, 2018), fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 8, ChurchofJesusChrist.org.

  9. Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 15, ChurchofJesusChrist.org.

  10. Jereo ny 2 Nefia 30:2.

  11. Mifalia,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 64.