Testamenta Taloha 2022
18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: “Asa lehibe no ataoko”


“18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8: -Asa lehibe no ataoko-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“18–24 jolay. Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
tempolin’i Zerobabela

Fanehoana an-tsary ny tempolin’i Zerobabela, nataon’i Sam Lawlor

18–24 jolay

Ezra 1; 3–7; Nehemia 2; 4–6; 8

“Asa lehibe no ataoko”

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny tenin’ Andriamanitra … dia manana ny hery hankaherezana ireo Olomasina, sy hanafiana azy ireo amin’ny Fanahy, mba hahafahan’izy ireo manohitra ny ratsy, sy mifikitra mafy amin’ny tsara, ary mahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity.”(Enseignements des Présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson [2014], 123).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Voatazona ho babo tany Babylona nandritra ny 70 taona teo ho eo ny vahoaka Jiosy. Namoy an’i Jerosalema sy ny tempoly izy ireo ary maro no nanadino ny fanoloran-tena nataony tamin’ny lalàn’ Andriamanitra. Tsy nanadino azy ireo anefa Andriamanitra. Raha ny marina, dia nanambara tamin’ny mpaminaniny Izy hoe: “hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko … hianareo” (Jeremia 29:10). Nitana ny teniny momba io faminaniana io ny Tompo ka dia nanao lalana ho an’ny Jiosy mba hiverenana, ary nanangana mpanompo Izy izay nanatanteraka “asa lehibe” ho an’ny olony (Nehemia 6:3). Isan’ireo mpanompo ireo ny governora iray nantsoina hoe Zerobabela, izay nanara-maso ny fananganana indray ny tranon’ny Tompo, i Ezra izay mpisorona sady mpanora-dalàna izay nampody ny fon’ny olona ho amin’ny lalàn’ny Tompo, ary i Nehemia, governoran’i Joda taty aoriana, izay nitarika ny asa fananganana indray ireo rindrina fiarovana manodidina an’i Jerosalema. Mazava ho azy fa nisy nanohitra izy ireo, saingy nahazo ihany koa fanampiana avy amin’ny loharano tsy nampoizina. Ny zavatra niainan’izy ireo dia afaka manatevina sy ho hery mitaona ny antsika, satria manao asa lehibe koa isika. Ary tahaka ny azy ireo, ny asantsika dia misy ifandraisany lehibe amin’ny tranon’ny Tompo, ny lalàn’ny Tompo, ary ny fiarovana ara-panahy hitantsika ao Aminy.

Mba hanaovana topimaso ny bokin’i Ezra sy i Nehemia dia jereo ny “Ezra” sy “Nehemia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Ezra 1

Manome fitaomam-panahy olona ny Tompo mba hanatanterahana ireo tanjony.

Taorian’ny nandresen’i Persia an’i Babylôna dia notaomin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fanahy i Kyrosy mpanjaka Persiana mba handefa andiana Jiosy ho any Jerosalema mba hanangana indray ny tempoly. Eo am-pamakianao ny Ezra 1, dia jereo ny zavatra nananan’i Kyrosy fahavononana ho atao mba hanohanana ny Jiosy tamin’ity asa lehibe ity. Ahoana no ahitanao ny Tompo miasa amin’ny alalan’ireo lehilahy sy vehivavy manodidina anao, isan’izany ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana? Milaza inona aminao momba ny Tompo sy ny asany izany?

Jereo koa ny Isaia 44:24–28.

Ezra 3:8–13; 6:16–22

Afaka mitondra fifaliana ho ahy ny tempoly.

Rehefa nanani-bohitra tao Jerosalema ny Babyloniana dia norobain’izy ireo ny tempoly ary nodorany hirodana tanteraka (jereo ny 2 Mpanjaka 25:1–10; 2 Tantara 36:17–19). Inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao raha toa ianao ka teo anivon’ireo Jiosy izay nahita izany? (Jereo ny Salamo 137). Jereo ny zavatra tsapan’ny Jiosy am-polo taonany taty aoriana rehefa navela niverina izy ireo dia nanangana indray ny tempoly (jereo ny Ezra 3:8–13; 6:16–22). Saintsaino ny zavatra tsapanao manokana momba ny tempoly. Nahoana ny tempoly no loharanom-pifaliana? Ahoana no ahafahanao maneho ny fankasitrahanao ny Tompo noho ireo tempoly?

Sary
fianakaviana iray mandeha eo an-tokotanin’ny tempoly

Afaka ny ho loharanom-pifaliana eo amin’ny fiainantsika ny tempoly.

Ezra 4–6; Nehemia 2; 46

Afaka manampy ny asan’ Andriamanitra handroso aho na dia eo aza ny fanoherana.

Ankavitsiana ny fotoana handehanan’ny asan’ny Tompo tsy misy fanoherana, ary nitombina izany tamin’ireo asa notarihin’i Zerobabela sy i Nehemia. Amin’ireo tranga roa ireo, ny “fahavalon’i Joda” (Ezra 4:1) dia ny Samaritana—taranak’ireo Isiraelita izay nifangaro tamin’ny Jentilisa. Ny famakiana momba ny fanoheran’izy ireo ny fanorenana ny tempoly (jereo ny Ezra 4–6) dia mety hitarika anao hisaintsaina ny fanoherana mitranga amin’ny asan’ Andriamanitra ankehitriny sy ny fihetsika mety hasehonao rehefa tonga ny fanoherana.

Mitovy amin’izany ihany, ny famakiana momba ny asa nataon’i Nehemia tamin’ny fanarenana ny rindrin’i Jerosalema (jereo ny Nehemia 2; 46) dia mety hahatonga anao hisaintsaina ny asa izay tian’ Andriamanitra hataonao. Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Nehemia?

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Asa lehibe no ataontsika, ka tsy afa-midina [isika],” Liahona, mey 2009, 59–62.

Ezra 7; Nehemia 8

Tahiana aho rehefa mandalina ny soratra masina.

Na taorian’ny namerenana nanorina ny tempoly aza dia nitolona ara-panahy ny olona tao Jerosalema, ka isan’ny anton’izany ny famerana ny fahafahan’izy ireo nampiasa “ny bokin’ny lalàn’i Mosesy” (Nehemia 8:1) tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby. Nahazo lalana avy amin’ny mpanjakan’i Persia i Ezra ilay mpanora-dalàna mba ho any Jerosalema, izay “[nitondrany] ny lalàna … ho eo anatrehan’ny fiangonana” (Nehemia 8:2). Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Ezra araka izay voalazalaza ao amin’ny Ezra 7:10? Eo am-pamakianao ny Nehemia 8, izay mitantara momba an’i Ezra mamaky ny lalàna amin’ny olona, dia inona no eritreritra tonga ao aminao momba ny herin’ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny Enseigenements des présidents de l’Eglise: Ezra Taft Benson, 115–24.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Ezra 3:8–13; 6:16–22.Ahoana no nanehoan’ny Jiosy ny fifalian’izy ireo tamin’ny tempoly rehefa naverina naorina indray izany ary avy eo dia natokana? Inona no ataontsika mba hanehoana ny hafaliantsika noho ny tempoly? Azon’ny fianakavianao atao angamba ny mijery sarina tempoly sy miresaka mikasika ny fomba hitondran’ny tempoly fifaliana ho anareo (jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org).

Ezra 7:6, 9–10, 27–28.Imbetsaka ao anatin’ireo andininy ireo i Ezra no nanoratra fa nomba azy ny tanan’ny Tompo rehefa nandeha nankany Jerosalema izy. Inona no mety ho dikan’io andian-teny io? Ahoana no nahatsapanao ny tanan’ny Tompo nomba anao? Azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao angamba ny mizara ohatra avy amin’ny fiainan’izy ireo.

Nehemia 2; 46.Ny tantaran’i Nehemia dia afaka mitaona ny olona ao amin’ny fianakaviana rehefa miatrika fanoherana izy ireo eo am-panaovany “asa lehibe” (Nehemia 6:3). Afaka manangana rindrina avy amin’ny zavatra ao an-tranonareo ny olona ao amin’ny fianakaviana eo am-pamakianareo miaraka ireo andinin-tsoratra masina manan-danja toy ny Nehemia 2:17–20; 4:13–18; 6:1–3). Inona no ianarantsika avy amin’i Nehemia momba ny fiatrehana fanoherana? Inona no asa lehibe tian’ny Tompo hataontsika? Ahoana no nampatanjahan’ny Tompo antsika mba handresy ireo zavatra manohitra ity asa ity?

Nehemia 8:1–12.Ao amin’ny Nehemia 8, i Ezra dia namaky ny lalàn’i Mosesy tamin’ireo olona izay nangetaheta handre ny tenin’ Andriamanitra. Ny famakiana ny andininy 1–12 dia afaka mampitombo ny fankasitrahan’ny fianakavianao ny tenin’ Andriamanitra. Inona no tsapan’ireo olona momba ny didin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika mifanampy mba ho “azo[ntsika] tsara ny teny novakina”? (andininy 8).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 99.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifampizarà soratra masina ianareo mianakavy. Avelao ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizara andinin-tsoratra masina avy amin’ny fandalinana nataon’izy ireo manokana izay manan-danja manokana amin’izy ireo.

Sary
I Ezra mamaky soratra masina amin’ny olona

Fanehoana an-tsary an’i Ezra mamaky soratra masina amin’ny olona tao Jerosalema, nataon’i H. Willard Ortlip, © Providence Collection/nahazoana fahazoan-dalana avy amin’ny goodsalt.com

Hamoaka printy