Testamenta Taloha 2022
11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25: “Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”


“11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25: -Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“11–17 jolay. 2 Mpanjaka 17–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
olona mandao tanàna rava

The Flight of the Prisoners (Ny fitsoahan’ireo babo), nataon’i James Tissot sy olona hafa

11–17 jolay

2 Mpanjaka 17–25

“Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany”

Rehefa nahare ireo teny avy amin’ny bokin’ny lalàna i Josia, dia finoana no nasetriny izany. Ahoana no ahafahanao maneho finoana amin’ny zavatra novakinao ao amin’ny 2 Mpanjaka 17–25?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia teo aza ny fanompoana mahavariana nataon’ny mpaminany Elisa dia nihena hatrany hatrany ny aim-panahin’ny Fanjakana Avaratra an’i Isiraely. Nanindrahindra ny fanompoan-tsampy ireo mpanjaka ratsy fanahy, ary nahazo vahana lehibe ny ady sy ny apôstazia. Nony farany dia naharesy sy nampiely ny foko folon’i Isiraely ny Fanjakana Asyriana.

Nandritra izany fotoana izany dia tsy nisy hafa tamin’izany ny tao amin’ny Fanjakana Atsimo an’i Joda. Nahazo vahana tao ihany koa ny fanopoan-tsampy. Saingy tao anatin’io fahasimbana ara-panahy io dia nilaza mpanjaka marina miisa roa ny tantara ao amin’ny soratra masina, izay nampiverina indray ny vahoakany tao anatin’ny fe-potoana iray tamin’ny Tompo. Hezekia ny iray. Nandritra ny fanjakany dia naharesy ny ampahany maro tamin’ny tao atsimo ny Asyriana izay vao avy nandresy tao avaratra. Saingy naneho finoana ny Tompo i Hezekia sy ny olony, dia nanafaka an’i Jerosalema tamin’ny fomba mahagaga ny Tompo. Taty aoriana, taorian’ny fotoana iray hafa nisian’ny apôstazia, dia nanomboka nanjaka i Josia. Rehefa notaomim-panahy tamin’ny ampahany tamin’ny alalan’ny famakiany indray ny bokin’ny lalàna i Josia, dia nitondra fanovana izay nampifoha indray ny fiainana ara-pivavahan’ny maro tamin’ireo olony.

Inona no ianarantsika avy amin’ireo jiro mazava miisa roa ireo tao anatin’ireo taona maizina teo amin’ny tantaran’i Joda tetsy ankilan’izay? Ankoatra izay dia mety hisaintsaina ny herin’ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao. Tahaka an’i Isiraely sy i Joda dia samy manao safidy tsara sy ratsy daholo isika. Ary rehefa mahatsapa isika fa ilaina eo amin’ny fiainantsika ny fanovana, dia mety hitondra fitaomam-panahy ho antsika angamba ny ohatra nasehon’i Hezekia sy i Josia mba “[hatoky an’i] Jehovah Andriama[nitsika]” (2 Mpanjaka 18:22).

Jereo koa ny 2 Tantara 29–35; ny fizarana “Zavatra tokony hotadidiana” “Hiteny amin’ny Isiraely rehetra i Jesoa hoe: -Modia.-”

Sary
Learn More image
Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Mpanjaka 18–19

Afaka mijanona ho mahatoky amin’ny Tompo aho mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Ny ankamaroantsika dia efa niaina fotoana izay nisedra ny finoantsika. Ho an’i Hezekia sy ny olony dia nitranga ny iray tamin’ny fotoana tahaka izany rehefa nanani-bohitra tao Joda ny tafika Asyriana, dia nandrava tanàna maro, ary nanatona an’i Jerosalema. Eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 18–19, dia eritrereto hoe nipetraka tao Jerosalema ianao nandritra io fotoana io. Inona no mety ho tsapanao ohatra rehefa nandre ny eson-teny nataon’ny Asyriana araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:28–37 sy ny 19:10–13? Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nataon’i Hezekia ho setrin’izany? (Jereo ny 2 Mpanjaka 19:1–7, 14–19). Ahoana no nanohanan’ny Tompo an’i Hezekia? (Jereo ny 2 Mpanjaka 19:35–37). Saintsaino ny fomba nanohanany anao tao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Azonao saintsainina ihany koa ny famariparitana an’i Hezekia ao amin’ny 2 Mpanjaka 18:5–7. Inona no aroson’ireo andininy ireo mikasika ny antony nahafahan’i Hezekia nijanona ho mahatoky rehefa tonga ireo olana? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony?

Jereo koa ny 3 Nefia 3–4; D. Todd Christofferson, “Mafy orina sy mifototra ao amin’ny finoana an’i Kristy”,” Liahona, nôv. 2018, 30–33.

2 Mpanjaka 19:20–37

Eo an-tanan’ny Tompo ny zavatra rehetra.

I Sankeriba mpanjakan’i Asyria dia nanana antony tsara hinoana fa handresy an’i Jerosalema ny miaramilany. Naharesy firenena maro i Asyria, anisan’izany i Isiraely, koa nahoana no hiavaka amin’izany i Jerosalema? (jereo ny 2 Mpanjaka 17; 18:33–34; 19:11–13). Saingy nanana hafatra ho an’i Sankeriba ny Tompo, izay nomena tamin’ny alalan’ny mpaminany Isaia, ary voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:20–34 izany. Ahoana no hamintinanao io hafatra io? Inona avy no fahamarinana hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay manampy anao hino ny Tompo sy ny drafiny?

Jereo koa ny Helamàna 12:4–23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16.

2 Mpanjaka 21–23

Afaka mampitodika ny foko amin’ny Tompo ny soratra masina.

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa nisy zavatra ara-panahy tsy ampy tao aminao? Mety nahatsapa ianao fa afaka ny ho mafy kokoa ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra. Inona no nanampy anao hiverina tany Aminy? Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mamaky mikasika ny fomba nanalaviran’ny Fanjakan’i Joda ny Tompo teo ambany fitondran’ny Mpanjaka Manase ianao (jereo ny 2 Mpanjaka 21) sy ny fomba nanampian’ny Mpanjaka Josia azy ireo hanolo-tena tamin’ny Tompo indray (jereo ny 2 Mpanjaka 22–23). Inona no nitaona an’i Josia sy ny vahoakany? Mety hitaona anao hanavao ny fanoloran-tenanao ity tantara ity mba “hanaraka [ny Tompo] … amin’ny fo[nao] rehetra sy ny fanahi[nao] rehetra” (2 Mpanjaka 23:3).

Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia hevero ny handalina ny toko faha-6 ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball ([2006], 67–77), izay handrosoan’ny Filoha Kimball hevitra fa ny tantaran’ny Mpanjaka Josia “dia iray amin’ireo tantara tsara indrindra ao amin’ny soratra masina manontolo” (page 71). Inona no mety ho antony nananan’ny Filoha Kimball izany fahatsapana izany? Inona no hitanao ao amin’ny tenin’ny Filoha Kimball, indrindra fa ny fanamarihana nataony momba ny Mpanjaka Josia, ka mety hanampy anao hampihatra ny 2 Mpanjaka 22–23 eo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny Almà 31:5; Takashi Wada, “Mivoky amin’ny tenin’i Kristy,” Liahona, mey 2019, 38–40.

Sary
fianakaviana mandalina ny soratra masina

Afaka mampitodika ny fontsika amin’ny Tompo ny soratra masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

2 Mpanjaka 19:14–19.Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Hezekia izay afaka manampy antsika rehefa manana olana na fanontaniana sarotra isika? Ahoana no namalian’ny Tompo ny vavaka nataontsika mba hangataka fanampiana? Afaka manamboatra zavatra iray azo hapetaka ao an-trano angamba ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hampahatsiahy azy ireo hitodika any amin’ny Tompo.

2 Mpanjaka 22:3–7.Ireo mpiasa nofariparitana ao amin’ny 2 Mpanjaka 22:3–7 dia nametrahana ireo vola nampiasaina mba hananganana indray ny tempoly “fa nahatoky izy [ireo]” (andininy 7). Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo, dia afaka mangataka ny olona ao amin’ny fianakaviana ianao hilaza ireo zavatra napetraka mba hiandraiketan’izy ireo. Ahoana no ahafahantsika ho lasa azo itokisana tahaka ireo mpiasa ao amin’ireo andininy ireo?

2 Mpanjaka 22:8–11, 19; 23:1–3.Inona no manaitra antsika amin’ny fihetsika nasetrin’i Josia sy ny olony tamin’ny tenin’ny Tompo? Inona no fihetsika asehontsika manoloana ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina? Afaka mizara andinin-tsoratra masina na tantara ao amin’ny soratra masina izay nampitombo ny fanirian’izy ireo hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny olona ao amin’ny fianakavianao.

2 Mpanjaka 23:25.Inona no hitantsika fa manan-danja mikasika ny famaritana an’i Josia ao amin’io andininy io? Afaka manao sary eo amin’ny taratasy miendrika sary fo ireo zavatra azon’izy ireo atao amin’ity herinadro ity mba hitodihana any amin’ny Tompo amin’ny fony manontolo ny fianakavianao.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Pour sonder tes Écritures,” Cantiques, no. 163.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava teny sy andian-teny manentana ny fanahy. Eo am-pamakianao dia mety hisarika ny sainao ho amin’ny teny na andian-teny sasantsasany ny Fanahy. Mety hitondra fanentanam-panahy sy hamporisika anao izy ireny, ary mety ho toy ny hoe nosoratana ho anao mihitsy aza izy ireny.

Sary
lehilahy mitondra horonan-taratasy eo amin’ny mpanjaka

Fanehoana an-tsary ny mpanora-dalàna iray mitondra horonan-taratasy misy soratra masina eo amin’ny Mpanjaka Josia, nataon’i Robert T. Barrett

Hamoaka printy