Testamenta Taloha 2022
4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7: “Misy mpaminany … ao amin’ny Isiraely”


“4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7: -Misy mpaminany … ao amin’ny Isiraely,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Elisa maneho ireo kalesy afo amin’ilay mpanompo

Fanehoana an-tsary an’i Elisa maneho ireo kalesy afo amin’ny mpanompony, © Review & Herald Publishing/licensed from goodsalt.com

4–10 jolay

2 Mpanjaka 2–7

“Misy mpaminany … ao amin’ny Isiraely”

Eo am-pamakianao ny soratra masina dia mety hisarika ny sainao amina andian-teny na andinin-tsoratra masina sasantsasany ny Fanahy Masina. Hevero ny hanoratra ny antony maha-manan-danja ireo andinin-tsoratra masina ireo aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny asa fototra hanirahana ny mpaminany dia ny hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy Jesoa Kristy. Ny rakitsoratra ananantsika momba ny mpaminany Elisa anefa dia tsy mirakitra ny maro amin’ireo fampianarany sy ny fijoroany ho vavolombelona. Ny zavatra hita ao amin’ilay rakitsoratra dia ireo fahagagana nataon’i Elisa, anisan’izany ny fananganana zaza iray tamin’ny maty (jereo ny 2 Mpanjaka 4:18–37), ny famahanana olona maro be tamin’ny sakafo kely (jereo ny 2 Mpanjaka 4:42–44), ary ny fanasitranana boka iray (jereo ny 2 Mpanjaka 5:1–14). Ka na dia tsy ananantsika aza ny tenin’i Elisa mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy, dia ananantsika kosa, tao anatin’ny fanompoan’i Elisa iray manontolo, ireo fiasan’ny herin’ny Tompo izay nanome aina, namahana olona ary nanasitrana tamin’ny fomba mahery vaika. Maro kokoa noho izay tsikaritsika indraindray ny fiasan’ny herin’i Kristy tahaka izany eo amin’ny fiainantsika. Mba hahitana azy ireny dia mila mikatsaka ireo fahagagana nokatsahin’i Elisa isika rehefa nivavaka ho an’ilay mpanompony feno tahotra izy hoe: “Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany” (2 Mpanjaka 6:17).

Raha te hahalala misimisy kokoa momba ny 2 Mpanjaka, dia jereo ny “Mpanjaka” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Mpanjaka 2–6

Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainako Andriamanitra.

Mazàna ny fahagagana no manampy antsika handresy ireo zava-tsarotra eto amin’ny fiainana an-tany, tamin’ny andron’i Elisa dia nisy tany karakaina nila rano madio ary lela-famaky nila notadiavina (jereo ny 2 Mpanjaka 2:19–22; 6:4–7). Fa mampitodika ny fontsika any amin’ny Tompo sy mampianatra antsika lesona ara-panahy koa ny fahagagana. Eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 2–6, dia hevero ny hanao lisitra ireo fahagagana hitanao, ary saintsaino ireo lesona ara-panahy ianaranao avy amin’ny tsirairay amin’izany. Inona no ampianarin’ireo fahagagana ireo anao momba ny Tompo sy ny zavatra azony atao eo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny 2 Nefia 26:12–13; 27:23; Môrônia 9:7–21; Môrônia 7:35–37; Donald L. Hallstrom, “Moa efa nitsahatra va ny andron’ny fahagagana?Liahona, nôv. 2017, 88–90.

2 Mpanjaka 4:8–17; 7:1–16

Ho tanteraka ny tenin’ny Tompo izay lazainy amin’ny alalan’ireo mpaminaniny.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 4:8–17; 7:1–16, dia nitaona ny fanahin’i Elisa ny Tompo mba haminany ireo zavatra ho avy: ireo zavatra izay toa tsy hitranga mihitsy raha jerena avy amin’ny fomba fijerin’ny hafa. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia eritrereto ny fihetsika hasetrinao ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ankehitriny. Inona no fampianarana, faminaniana, na fampanantenana renao avy amin’ireo mpaminany velona? Inona no ataonao mba hanao asa amim-pinoana amin’ireo fampanantenana ireo?

Jereo koa ny 3 Nefia 29:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38.

2 Mpanjaka 5

Raha manetry tena sy mankatò aho dia afaka manasitrana ahy i Jesoa Kristy.

Indraindray dia mora kokoa ny mahita heviny mahakasika ny tena manokana ao amin’ny soratra masina rehefa mampitaha ireo zavatra hita maso ao anatina tantara iray ahitana zavatra ara-panahy ianao. Ohatra hoe, eo am-pamakianao ny 2 Mpanjaka 5, dia azonao ampitahaina amin’ireo olana ara-panahy hatrehanao ny habokan’i Namàna. Tahaka an’i Namàna, dia mety efa nanantena ianao fa “[hanao] zavatra lehibe” (andininy 13) ny Tompo mba hanampiana anao. Mampianatra inona anao ny zavatra niainan’i Namàna? Inona eo amin’ny fiainanao no mety ho mitovy amin’ny fanarahana ilay torohevitra tsotra hoe “mandroa, dia hadio ianao”?

Jereo ny fiantraikan’ny zavatra niainan’i Namàna teo amin’ny finoany ny Andriamanitry ny Isiraely (jereo ny andininy 15). Inona ireo zavatra niainana izay nampatanjaka ny finoanao ny Tompo?

Jereo koa ny Lioka 4:27; 1 Petera 5:5–7; Almà 37:3–7; Etera 12:27; L. Whitney Clayton, “Ataovy izay asainy ataonareo,” Liahona, mey 2017, 97–99.

2 Mpanjaka 6:8–23

“Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.”

Efa nahatsapa ho vitsy an’isa sy natahotra ve ianao dia nanontany tena tahaka ilay zatovo mpanompon’i Elisa hoe: “Ahoana no ataontsika?” (jereo ny 2 Mpanjaka 6:8–23). Inona no manentana ny fanahinao momba ny valin-tenin’i Elisa? Ahoana no hanovan’io tantara io ny fomba hieritreretanao sy hahatsapanao ireo fitsapana manjo anao, sy ny andraikitrao ary ny ezaka ataonao mba hiaina ny filazantsara?

Rehefa misaintsaina ianao dia eritrereto ny tenin’ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Tahaka io mpanompon’i Elisa io, dia be dia be ny momba anao mihoatra ireo manohitra anao. Ireo izay momba anao dia tsy ho hitan’ireo masonao amin’ny maha-olombelona anao. Ny Tompo dia hanohana anao ary amin’ny fotoana sasany dia hiantso olona hafa hijoro eo anilanao” (“Ô ianareo izay mirotsaka,” Liahona, nôv. 2008, 58).

Jereo koa ny Salamo 121; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

2 Mpanjaka 2:1–14.Eritrereto ireo olona izay nahita fa “nalai[n’i]” Elisa ny kapôtin’i Elia (na palitao lava, izay tandindon’ny antso maha-mpaminany azy). Inona no mety ho fiantraikan’izany tamin’ny fandraisan’izy ireo ny fanompoan’i Elisa? (Jereo koa ny 1 Mpanjaka 19:19.) Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao angamba ny mifandimby manao “kapôty” dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fomba nahitany ny Tompo nanohana sy nampatanjaka ireo izay nantsoina hanompo ao amin’ny Fiangonany.

2 Mpanjaka 4.Azonao atao ny manasa ireo olona ao amin’ny fianakaviana hamaky mikasika ny iray amin’ireo fahagagana ao amin’ny 2 Mpanjaka 4 (jereo ny andininy 1–7, 14–17, 32–35, 38–41, 42–44) ary manoratra teny iray hoenti-manoro mba hanampiana ireo olona ao amin’ny fianakaviana hamantatra izay fahagagana fariparitany. Inona no ianarantsika avy amin’io toko io mikasika ny Tompo sy ireo fahagagana ataony? Inona no fahagagana, na lehibe na kely, efa hitantsika teo amin’ny fiainantsika?

2 Mpanjaka 5:1–15.Eo am-pamakianao sy hisaintsainanao ilay zavatra tsotra nasaina nataon’i Namàna, dia eritrereto ireo zavatra tsotra asain’ny mpaminanintsika ataontsika. Ahoana no ahafahan’ny fianakaviantsika manaraka ny toroheviny amin’ny fomba tsara kokoa?

Azon’ny fianakavianao atao koa ny mamaky ny “Elisa mpaminany (fahagagana fahatelo: Manasitrana an’i Namàna i Elisa)” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha).

2 Mpanjaka 5:20–27.Inona no mety ho tombontsoa azon’i Gehazy raha namaky ny “Honnêteté et intégrité” tao amin’ny Jeunes, soyez forts izy? (Page 19). Ahoana no hanimban’ny tsy fahamarinan-toetra antsika? Inona no fitahiana azontsika rehefa marin-toetra isika?

2 Mpanjaka 6:13–17.Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hanao sary ny zavatra niainan’i Elisa sy ilay mpanompony izay resadresahina ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no ahafahan’ireo andininy ireo manampy antsika rehefa mahatsapa ho irery isika na trotraka?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Chers enfants, sur vous Dieu veille,” Cantiques, no. 190.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fametrahana fanontaniana. Ny fanontaniana avy amin’ny ankizy dia famantarana fa vonona ny hianatra izy ireo. Raha tsy fantatrao ny valin’ny fanontanian’izy ireo dia miaraha mitady ny valiny amin’izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Sary
I Namàna mandro ao anaty rano

Fanehoana an-tsary an’i Namàna nositranina tamin’ny habokana, nataon’i Paul Mann

Hamoaka printy