Testamenta Taloha 2022
4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7: “Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely”


“4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7: -Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“4–10 jolay. 2 Mpanjaka 2–7,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Elisa mampiseho kalesy afo amin’ny mpanompony

Sary maneho an’i Elisa mampiseho ny kalesy afo amin’ny mpanompony, © Review & Herald Publishing/licensed from goodsalt.com

4–10 jolay

2 Mpanjaka 2–7

“Misy mpaminany tokoa ao amin’ny Isiraely”

Ireo asa atao ato amin’ity rindran-damina ity dia natao hanetsika ny fahaizanao manokana mamoron-javatra. Amin’ny alalan’ny fandalinana ombam-bavaka dia afaka mandray aingam-panahy ianao hamantatra ny zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hamporisihana ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ny mpaminany Elisa dia asao izy ireo hanao sarin-javatra izay nataony.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Mpanjaka 4–5

Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainako Andriamanitra.

Tamin’ny alalan’ny mpaminany Elisa dia nitahy olona be dia be ny Tompo tamin’ny fomba mahagaga. Ampio ny ankizy hahafantatra ireo fahagagana ataon’ny Tompo eo amin’ny fiainany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mizarà fahagagana iray na maromaro amin’ireo voarakitra ao amin’ny 2 Mpanjaka 4–5 (jereo ny “Elisa Mpaminany” sy ny “Manasitrana an’i Namana i Elisa” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha). Avelao ireo ankizy hizara ny zavatra tiany momba ireo tantara ireo. Asao izy ireo hifampitantara ireo tantara.

  • Mijoroa ho vavolombelona fa ny Tompo dia afaka mampiasa ny heriny hanaovana zavatra lehibe hanampiana antsika. Antsointsika hoe fahagagana ireo zavatra ireo. Zarao ny fomba nanehoan’ny Tompo fitiavana anao tamin’ny fomba lehibe na kely. Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’ Andriamanitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Angataho ny ankizy hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra.

2 Mpanjaka 5:1–15

Afaka misafidy ny hanao izay andidian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny aho.

Sarotra tamin’i Namana ny nankatò rehefa nolazan’i Elisa mpaminany ny fomba hahasitrana azy tamin’ny habokana izy. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ireo fitahiana avy amin’ny fankatoavana.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao ny tantaran’i Namana (jereo ny 2 Mpanjaka 5:9–14; “Manasitrana an’i Namana i Elisa” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha; jereo ihany koa ny sarin’i Namana ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hazavao fa tamin’ny voalohany i Namana dia tsy te handro tao amin’ny renirano Jordana, na dia efa nolazain’i Elisa aza izy fa izany no hahasitrana ny aretiny. Lazao ny fotoana iray izay tsy nahazoanao antoka hoe nanao ny mety ianao, dia ampio ireo ankizy hieritreritra ohatra amin’ny zavatra niainan’izy ireo manokana. Avy eo dia zarao ny nahavoatahy an’i Namana rehefa nanao ny safidy tsara izy.

  • Vakio amin’ny ankizy ny 2 Mpanjaka 5:13 ary hazavao fa nanampy azy hisafidy ny hankatò ny mpaminany Elisa ny mpanompony. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany manampy ny namany na fianakaviany hihaino sy hankatò ny mpaminany.

2 Mpanjaka 6:8–17

Mijery ahy ny Tompo.

Rehefa hitan’ny mpanompon’i Elisa ny miaramila Syriana nanodidina azy ireo dia raiki-tahotra fatratra izy. Nilaza taminy anefa i Elisa hoe “aza matahotra” satria niaraka tamin’izy ireo ny Tompo (2 Mpanjaka 6:16).

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny 2 Mpanjaka 6:15 na lazao amin’ny fomba ahazoan’izy ireo azy izany. Asao ireo ankizy haka sary an-tsaina hoe voahodidina miaramila betsaka miaraka amin’ny soavaly sy kalesy izy ireo, tahaka ny mpanompon’i Elisa. Inona no ho tsapan’izy ireo? Inona no hataon’izy ireo? Angataho izy ireo hanakimpy ny masony eo am-pamakianao amin’izy ireo ny 2 Mpanjaka 6:16–17. Rehefa tonga eo amin’ireo teny hoe “ampahirato ny masony” ianao dia asaivo ahiratr’ireo ankizy ny mason’izy ireo. Hazavao amin’izy ireo ny zavatra hitan’ilay mpanompo niaro azy sy i Elisa. Zarao ny fahafantaranao fa mijery antsika ny Tompo.

  • Iaraho hiraina ny hira iray momba ny fikarakan’ Andriamanitra antsika, toy ny andininy voalohany amin’ny “Chers enfants, sur vous Dieu veille” (Cantiques, no. 96). Soloy amin’ny anaran’ny ankizy ny tonon’ilay hira mba hanamafisana fa mijery azy ireo Andriamanitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Mpanjaka 4–5

Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainako Andriamanitra.

Nandritra ny asa fanompoany i Elisa dia nanasitrana sy nitsodrano olona maro. Amin’ny fomba ahoana ireo fahagagana ao amin’ny 2 Mpanjaka 4–5 no manampy ireo ankizy hahafantatra ny asan’ny Tompo eo amin’ny fiainany.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahagagana rehetra izay tsaroany ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia omeo fotoana izy ireo hijery ny 2 Mpanjaka 4–5 ka hanampy zavatra eo amin’ny lisitra nataon’izy ireo (jereo ny 2 Mpanjaka 4:1–7, 14–17, 32–35, 38–41, 42–44; 5:10–14). Inona no ampianarin’ireo fahagagana ireo mikasika ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra momba antsika?

  • Angataho ireo ankizy mba hiresaka momba ny dikan’ny hoe fahagagana. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mijery ny hoe “Fahagagana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao izy ireo hizara ohatra vitsivitsy izay nataon’i Jesoa. Resaho ny fomba nahitanao ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. Azonao resahina ao ireo fahagagana isan’ andro toy ny fahatsapana fiadanana, na ny fanomezana ny fiainana andavanandro, na fanampiana amin’ny andraikitra isan’andro. Asao ireo ankizy hiresaka momba ireo fahagagana eo amin’ny fiainany, ny lehibe sy ny kely.

2 Mpanjaka 5:1–15

Afaka misafidy ny ho mahatoky sy hanetry tena ary hankatò aho.

Te ho sitrana tamin’ny habokana i Namana saingy tsy nampoiziny ny toromarika tsotra izay nomen’i Elisa azy hoe: “Mandehana, mandroa impito ao Jordana” (2 Mpanjaka 5:10). Eritrereto ny fomba mety hampiasanao io tantara io hampianarana ny ankizy momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanetrentena ary ny fankatoavana.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe finoana, fanetrentena, ary fankatoavana dia anontanio ny ankizy ny dikan’ireo teny ireo (jereo ny True to the Faith, 54–56, 86–87, 108–9). Asao ireo ankizy hamaky ny 2 Mpanjaka 5:9–14. Azonao atao ihany koa ny mijery ny ampahan’ny horonan-tsary “Naaman and Elisha” ao amin’ny (ChurchofJesusChrist.org). Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Namana finoana ny Tompo sy fanetrentena ary fankatoavana? Nahoana no manan-danja ho antsika ny manana ireo toetra ireo?

  • Asao ireo ankizy hiresaka momba ny fotoana iray izay nanampian’ny namana iray azy ireo hifidy ny tsara. Mizarà ihany koa zavatra niainanao manokana. Iaraho mamaky ny 2 Mpanjaka 5:10–13 hianarana ny fomba nanampian’ny mpanompon’i Namana azy hankatò ny mpaminany. Inona no azontsika atao mba hifanampy amin’ny fanarahana ny mpaminanintsika ankehitriny?

  • Asao ireo ankizy hamita ilay pejin’ny asa atao ary hizara amin’ny havana na namana iray zavatra nianarany avy tamin’ny tantaran’i Namana ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1–15.

2 Mpanjaka 6:8–17

Tsy irery aho.

Indraindray ireo ankizy ampianarinao dia mety hahatsapa toy ny mpanompon’i Elisa, tsy mahazo antoka ny fomba atao manoloana ireo fanamby atrehany. Azonao ampiasaina ny tantara ao amin’ny 2 Mpanjaka 6:8–17 hampianarana azy ireo “tsy hatahotra” satria tsy navelan’ny Tompo ho irery izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny 2 Mpanjaka 6:15–17. Asao ny iray amin’ireo ankizy mody hanao hoe mpanompon’i Elisa, eo am-panontanian’ireo ankizy hafa fanontaniana momba ny zavatra iainany, toy ny hoe inona ny zavatra tsapany rehefa nihodidinin’ny miaramila Syriana ny tanàna na hoe nanao ahoana izany hoe nahita ny miaramilan’ Andriamanitra izany. Resaho amin’ireo ankizy ny momba ireo fotoana izay nahatsapany ho irery rehefa miezaka miaina ny filazantsara. Ahoana no fomba hanampian’ny Tompo antsika hahafantatra fa tsy irery isika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara zavatra niainana niaraka tamin’ny fianakaviany izay nahitany ny fiasan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainany. Amporisiho izy ireo hangataka ireo olona ao amin’ny fianakaviany mba hizara zavatra niainana mitovy amin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianatra amin’ny fomba maro ny ankizy. “Tena hahomby ny ezaka ataonao eo amin’ny fampianarana ny ankizy rehefa mampiasa fomba fampianarana isan-karazany ianao” tafiditra ao anatin’izany ny tantara, zavatra jeren’ny maso, ary ny hira (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy