Testamenta Taloha 2022
25–31 jolay. Estera: “Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”


“25–31 jolay. Estera: -Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“25–31 jolay. Estera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Estera mivavaka

Estera, nataon’i James Johnson

25–31 jolay

Estera

“Ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratana anao”

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina rehetra. Saintsaino ny fomba hanampianao ireo ankizy hahita ny hery mitaona ananan’ny Mpamonjy ao amin’ny tantaran’i Estera.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo sarin’ny Estera ireo ankizy hojereny (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Eo am-pihazonan’ireo ankizy ilay sary dia asao izy ireo hizara zavatra fantany momba ny tantaran’i Estera.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Estera 2:5–7

Afaka manompo ny fianakaviako aho.

Rehefa maty ny ray aman-drenin’i Estera dia i Mordekay havany no nikarakara azy. Azonao ampiasaina ny zavatra niainan’izy ireo ho fahafahana hiresaka momba ny fikarakarana ny olona ao amin’ny fianakaviantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova sary maneho an’i Estera sy ny ray aman-dreniny ary i Mordekay eny amin’ny solaitrabe Hazavao fa maty ny ray aman-drenin’i Estera, koa nila olona hikarakara azy izy. Vakio amin’ny ankizy ny Estera 2:7 dia asaivo mihaino ny zavatra nataon’i Mordekay izy ireo. Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra mety ilain’ny olona ao amin’ny fianakaviany izay azon’ireo ankizy itondrana fanampiana.

  • Asao ny sasany amin’ireo ankizy hilalao an-tsehatra zavatra maneho hatsaram-panahy ka azony atao hanompoana olona iray ao amin’ny fianakaviany, dia angataho ireo ankizy sasany haminavina hoe inona no ataony. Asao izy ireo hiresaka momba ny zavatra ataon’izy ireo hitahiana ny fianakaviany, ary resaho ny zavatra sasany ataonao.

  • Mihirà hira iray momba ny fanampiana ny fianakaviantsika, toy ny “Rehefa manampy izahay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 108). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ny fanampiana fianakaviana dia mahatonga antsika ho faly.

Estera 4:15–16

Afaka manana herim-po aho.

Tsy maintsy hiatrika toe-javatra izay ilan’izy ireo ny fanampian’ny Tompo ireo ankizy ampianarinao mba hanana herim-po. Ahoana no hanampianao azy ireo hianatra avy amin’ny ohatry ny herim-po nananan’i Estera?

Asa atao azo tanterahina

  • Moa ve fantatry ny ankizy ampianarinao ny dikan’ny hoe manana herim-po? Mizarà famaritana tsotsotra, toy ny hoe “Ny manana herim-po dia ny manao ny marina na dia matahotra aza ianao.” Zarao ny tantaran’i Estera (jereo ny “Estera Mpanjaka” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha), ary ampio ireo ankizy hahita ny herim-po nananan’i Estera. Avelao ny ankizy hampiasa ireo sary ao amin’ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hitantarana ilay tantara.

  • Asehoy ny sarin’i Estera (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray mikasika ny fananana herim-po, toy ny “Ho mpanompo mazoto aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 85). Asongadino ireo teny na andian-teny izay manoritsoritra an’i Estera, ary mijoroa ho vavolombelona afaka manampy ireo ankizy hanana herim-po ny Mpamonjy.

  • Lazao amin’ireo ankizy ny fotoana izay nananan’i Jesoa Kristy herim-po. Ohatra, rehefa nijaly noho ny fahotantsika Izy, na tao Getsemane na teo amin’ny hazofijaliana (jereo ny Matio 26:36–39; 27:33–35). Asao ireo ankizy hiresaka momba ny fotoana izay nananan’izy ireo herim-po (hevero ny hifandray mialoha amin’ny fianakaviany mba hangataka ohatra vitsivitsy azy ireo). Inona no nanampy azy ireo hanana herim-po? Lazao amin’ireo ankizy ny fomba nanampian’ny Tompo anao mba hanana herim-po rehefa natahotra ianao.

    Sary
    Estera sy ny mpanjaka

    Estera manoloana ny mpanjaka, nataon’i Minerva K. Teichert

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Estera 4:14

Afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra aho.

Rehefa natahotra i Estera dia nampaherezin’i Mordekay izy tamin’ny fampianarana azy fa mety nataon’ny Tompo ho mpanjaka izy “amin’izao andro izao” (Estera 4:14). Saintsaino ny fomba hanomanan’ny Tompo ny ankizy ampianarinao ho amin’ny fahafahana hananan’izy ireo hitahy ny hafa.

Asa atao azo tanterahina

  • Manasà olona iray hitendry hira iray ho an’ireo ankizy amin’ny zava-maneno, na manehoa sarin’olona mitendry zava-maneno. Resaho ny dikan’izany hoe fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra izany. Avereno jerena miaraka amin’ny ankizy ny tantaran’i Estera (jereo ny “Mpanjaka Estera” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha), dia asao izy ireo hiresaka momba ny fomba naha-fitaovana an’i Estera teo amin’i Tompo mba hanatanteraka ny tanjony. Ahoana no ahafahantsika ho fitaovana eo imason’ Andriamanitra?

  • Rehefa avy nijery ilay tantaran’i Estera dia asio taratasy misy ny anaran’ny iray amin’ireo olona ao amin’ilay tantara ao an-damosin’ny ankizy tsirairay. Asao ireo ankizy hamantatra ny anaran’ny olona ao an-damosiny amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy izao amin’ireo ankizy hafa: “Olo-marina ve io olona?” na “Vehivavy ve io olona io?” Avy eo dia mifanakaloza hevitra ny amin’ny naha-fitaovana an’i Mordekay sy i Estera teo amin’ny Tompo mba hanavotra ny Jiosy.

Estera 3:1–11; 4:10–17

Manampy ahy hanana herim-po ny Ray any An-danitra rehefa matahotra aho.

Oviana no nahitanao ny ankizy ampianarinao nanana herim-po? Inona no zavatra niainana azonao zaraina rehefa nila ny fanampian’ny Tompo ianao mba hanana herim-po?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Naneho herim-po i Mordekay tamin’ny alalan’ny … sy hoe Naneho herim-po i Estera tamin’ny alalan’ny … Asao ny sasany amin’ireo ankizy hamaky ny Estera 3:1–11 ary ny sasany hamaky ny Estera 4:10–17. Angataho izy ireo hampiasa ny zavatra vakiany hamenoana ireo fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia soraty hoe Haneho herim-po aho amin’ny alalan’ny … ary asao ireo ankizy hitanisa ireo zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataon’izy ireo izay mitaky herim-po. Ahoana no fomba ahafahantsika hitovy amin’i Mordekay sy i Estera?

  • Asao ireo ankizy hieritreritra toe-javatra izay atrehan’izy ireo izay mety ho sarotra ny hanaovana ny marina. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny feno herim-po nolazain’i Estera: “Ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, … koa raha tahìny maty aho, dia maty ” (Estera 4:16). Ampio ireo ankizy hampihatra ny tenin’i Estera amin’ny tenan’izy ireo ka soloina safidy iray marina nefa sarotra izay tokony hataony ny hoe “hidirako ao amin’ny mpanjaka.” Avy eo dia asao izy ireo hanolo ny teny hoe “maty” amin’ny zavatra tsy mahafinaritra mitranga noho ny fanaovana ny marina. Nahoana no tsara kokoa ny manao ny marina na dia misy vokany sarotra aza izany?

  • Ifanakalozy hevitra ny mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ohatra maneho io fitsipika io.

Estera 4:1–3, 10–17

Afaka manampy ahy sy hitahy ny hafa ny fifadian-kanina.

Mandritra ny fotoan-tsarotra dia nifady hanina i Estera sy ny Jiosy. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy ampianarinao hahatakatra ireo fitahiana ara-panahy azo amin’ny fifadian-kanina?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hanao lisitr’ireo zavatra azony ifadiana hanina (raha ilaina dia azon’izy ireo jerena ny “Fasting and Fast Offerings” ao amin’ny True to the Faith, 66–69). Avy eo dia angataho izy ireo hamaky ny Estera 4:1–3, 10–17 mba hahitana ny antony nahatonga an’i Estera sy ny Jiosy hifady hanina. Amporisiho ireo ankizy hieritreritra antony izay mety hilan’izy ireo fanampiana manokana avy amin’ny Tompo, ary toroy hevitra izy ireo hanao izany antony izany ho ao anatin’ny fifadian-kanina hataon’izy ireo mandritra ny alahady manaraka.

  • Asao ireo ankizy mody hanao hoe manazava ny antony hifadiany hanina amin’ny namana iray. Inona no holazain’izy ireo? Asaivo mijery ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fifadian-kanina” (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) izy ireo raha ilaina. Zarao ny zavatra niainanao rehefa nifadianao hanina ianao mba hahazo ny fanampian’ny Tompo. Asao ny ankizy hizara zavatra niainan’izy ireo mahakasika ny fifadian-kanina.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Miaraha mihira hira iray momba ny fitsipika iray izay nianaranareo tato amin’ny kilasy androany. Asa ireo ankizy hihira ilay hira miaraka amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino izay ampianarinao. Hahery vaika kokoa ny fampianaranao raha toa ianao ka afaka mijoro ho vavolombelona avy amin’ny zavatra niainanao manokana mikasika an’ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny filazantsara. Rehefa misafidy ireo fitsipika mba hampianarina ny ankizy ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao miaina feno kokoa ireo fitsipika ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,13–14

Hamoaka printy