Testamenta Taloha 2022
Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha


“Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidiana

Mamaky tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha

Ny ankabeazan’ny zavatra hitantsika ao amin’ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha mialoha ny bokin’i Joba dia tantara, fitantarana zavatra izay mamariparitra tranga ara-tantara avy amin’ny fomba fijery ara-panahy. Nanamboatra sambo fiara i Noa, nanafaka an’i Isiraely i Mosesy, nivavaka mba hahazo zanaka i Hana, sy ny sisa. Manomboka eo amin’ny Joba dia mahita fomba fanoratra hafa isika, satria nivadika nampiasa teny miendrika tononkalo ireo mpanoratra tao amin’ny Testamenta Taloha mba hanehoana fahatsapana lalina na faminaniana tena manan-danja mba ho mora tadidiana.

Efa nahita ohatra vitsy amin’ny tononkalo miparitadritaka manerana ireo boky mirakitra tantara ao amin’ny Testamenta Taloha isika. Ary manomboka eo amin’ny bokin’i Joba dia hahita maro kokoa amin’izany isika. Ny bokin’i Joba, Salamo, ary ny Ohabolana dia efa saika ho tononkalo avokoa, tahaka ny ampahany amin’ny asasoratr’ireo mpaminany tahaka an’i Isaia, sy i Jeremia, ary i Amosa. Koa satria tsy mitovy amin’ny famakiana tantara ny famakiana tononkalo, dia mitaky fomba hafa ny fahatakarana izany. Ireto misy hevitra vitsivitsy izay afaka hahatonga ny famakianao ireo tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha ho manan-danja kokoa.

Miezaka ny hahafantatra ny tononkalo Hebreo

Voalohany dia mety hanampy anao ny hitadidy fa tsy mifototra amin’ny rima ny tononkalo Hebreo ao amin’ny Testamenta Taloha, tahaka ireo karazana tononkalo hafa. Ka na dia toetoetra iraisana amin’ny tononkalo Hebreo fahiny aza ny ngadona, ny filalaovan-teny, ary ny fiverimberenan’ny feo, dia saika very tamin’ny fandikan-teny izy ireny. Toetoetra iray ho tsikaritrao anefa ny fiverimberenan’ireo eritreritra na hevitra izay antsoina tsindraindray hoe “mirazotra.” Ity andininy iray avy amin’i Isaia ity dia mirakitra ohatra tsotra:

  • Tafio ny herinao, ry Ziona ô;

  • tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô (Isaia 52:1).

Ahitana andalana mirazotra maro ao amin’ny Salamo 29. Inty misy ohatra iray:

  • Ny feon’i Jehovah be hery;

  • ny feon’i Jehovah be voninahitra (Salamo 29:4).

Ary inty misy ohatra izay ahitana fa ny fahafantarana fa mirazotra amin’ilay andalana voalohany ny andalana faharoa dia mahatonga ilay andininy faharoa ho mora azo:

  • Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra,

  • sy ny tsi-fahampian-kanina tamin’ny fonenanareo rehetra (Amosa 4:6).

Ao amin’ireo ohatra ireo dia misy hevitra iray miverina fa misy fahasamihafana kely fotsiny. Io paik’ady io dia afaka manamafy ilay hevitra averimberina sady mampiasa ihany ireo fahasamihafana mba hamaritana na hamelabelarana ilay izy bebe kokoa.

Amin’ny toe-javatra sasany dia mampiasa teny mitovy ireo andian-teny roa mirazotra mba hampitana hevitra mifanohitra, tahaka ity ohatra ity:

  • Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy;

  • fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana (Ohabolana 15:1).

Tsy kisendrasendra io endrika mirazotra io. Ninian’ny mpanoratra natao izany. Namela azy ireo haneho fahatsapana ara-panahy na fahamarinana izay toa sady nafonja no kanto tamin’izy ireo izany. Ka rehefa mahatsikaritra fimirazotra ao amin’ny asasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha ianao, dia manontania tena hoe ahoana no hanampian’izany anao hahatakatra ny hafatry ny mpanoratra. Ohatra hoe, inona no mety ho nezahin’i Isaia nolazaina rehefa nampifandray ny “hery” tamin’ny “fitafiana tsara tarehy” izy, sy i “Ziona” tamin’i “Jerosalema”? (Isaia 52:1). Inona no azontsika tsoahina avy amin’ilay andian-teny hoe “famaliana mora” raha fantatsika fa “teny maharary” no mifanohitra aminy? (Ohabolana 15:1).

lehilahy iray manoratra amin’ny horonan-taratasy

He Restoreth My Soul (Mamelombelona ny fanahiko Izy), nataon’i Walter Rane

Tononkalo Hebreo toy ny namana vaovao

Mety hanampy anao ny mampitaha ny famakiana tononkalo amin’ny fihaonana amin’ny olona vaovao iray. Ohatra hoe ny famakiana tononkalon’ny Testamenta Taloha dia azonao ampitahaina amin’ny fihaonana amin’ny olona iray avy any amin’ny firenena lavitra iray manana kolontsaina vahiny tsy miteny ny fiteninao, ary roa arivo taona mahery izy. Azo antoka fa hilaza zavatra tsy azontsika izy amin’ny voalohany, saingy tsy midika izany fa tsy manana zavatra manan-danja holazaina antsika izy. Rehefa manam-paharetana sy fangorahana isika, dia afaka ny ho lasa namana tena tiana ilay olona vao fantatsika. Mila miaraka tsindraindray fotsiny isika, miezaka mahatakatra ny zava-misy amin’ny fomba fijeriny. Mety ho fantatsika aza fa raha ny marina dia mifankahazo tsara mihitsy isika ao am-pontsika.

Koa rehefa mamaky vao voalohany andinin-tsoratra masina ao amin’ny Isaia ianao ohatra, dia raiso ho toy ny fampifankafantarana anao amin’ny olona vaovao iray izany. Manontania tena hoe: “Inona no tsapako amin’ny ankapobeny?” Inona no tsapanao avy amin’ilay andinin-tsoratra masina, na dia tsy takatrao daholo aza ny teny rehetra? Dia vakio indray ilay izy avy eo, ataovy imbetsaka raha azo atao. Ny olona sasany dia mahatakatra zavatra betsaka kokoa amin’ny alalan’ny famakiana ilay soratra masina amin’ny feo mafy. Jereo ireo teny voafaritra manokana nampiasain’i Isaia, indrindra fa ireo teny mahatonga anao hahita sarisary ao an-tsainao. Inona no tsapanao avy amin’ireo sarisary ireo? Inona no lazain’ilay sarin-teny momba ny zavatra tsapan’i Isaia? Arakaraka ny handalinanao ny tenin’ireo pôeta ao amin’ny Testamenta Taloha ireo no hahitanao fa ninian’izy ireo nosafidiana ireo teny nampiasainy sy ireo paik’ady mba hilazana hafatra ara-panahy.

Afaka ny ho namana mahafinaritra ny tononkalo satria manampy antsika hahatakatra ny zavatra tsapantsika sy iainantsika. Sarobidy indrindra ireo tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha satria manampy antsika izy ireny hahatakatra ireo fahatsapantsika sy zavatra niainantsika manan-danja, izay misy ifandraisany amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Rehefa mandalina ny tononkalo ao amin’ny Testamenta Taloha ianao, dia tadidio fa faran’izay manan-danja ny fandalinana soratra masina rehefa mitarika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy. Tadiavo ireo teny misy hevitra ara-tandindona, sarin-teny, ary fahamarinana izay mampiorina ny finoanao Azy. Henoy ireo bitsika avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ianao.

Literatioram-pahendrena

Sokajin-tononkalo iray ao amin’ny Testamenta Taloha ilay antsoin’ny manam-pahaizana hoe “literatioram-pahendrena.” Tafiditra ao anatin’izany sokajy izany ny Joba, Ohabolana, ary ny Mpitoriteny. Raha toa ny Salamo ka milaza fahatsapana fiderana, fanehoana alahelo, ary fitsaohana, ny literatioram-pahendrena kosa dia mifantoka amin’ireo torohevitra tsy tontan’ny ela na fanontaniana lalina ara-potodrafi-kevitra. Ny bokin’i Joba ohatra, dia mamakafaka ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny antony mahatonga ny fijalian’ny olona. Ny Ohabolana dia manolotra torohevitra mikasika ny fomba tokony hiainana tsara, isan’izany ireo oha-pitenenana misy fananarana feno fahendrena izay nangonina sy nampitampitaina avy amin’ireo taranaka tany aloha. Ary ny Mpitoriteny dia mahatonga fisalasalana ny amin’ny tanjon’ny fiainana mihitsy, hoe rehefa toa mandalo sy kisendrasendra fotsiny ny zavatra rehetra, dia aiza no ahitantsika zavatra tena manan-danja eo amin’ny fiainana? Azonareo atao ny mandray ny literatioram-pahendrena ho toy ny resadresaka voasaina tsara atao amin’ireo mpanoro hevitra notaomim-panahy izay te hizara fomba fijery vitsivitsy momba an’ Andriamanitra sy ny tontolo izay nohariany, ary izay dia mety hanampy anao hahatakatra ireo zavatra ireo bebe kokoa noho ny teo aloha.