Testamenta Taloha 2022
22–28 aogositra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah”


“22–28 aogositra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150: -Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“22–28 aogositra. Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Kristy manao akanjo mena hodidinin’ny olona mandohalika

Every Knee Shall Bow (Ny lohalika rehetra dia handohalika), nataon’i J. Kirk Richards

22–28 aogositra

Salamo 102–103; 110; 116–119; 127–128; 135–139; 146–150

“Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah”

Ny Salamo 119:105 dia mampianatra fa ny tenin’ Andriamanitra dia “fanazavana ny lala[nao].” Eo am-pamakianao ny Salamo dia soraty ireo andian-teny sy hevitra izay mitondra fitaomam-panahy ho anao sy manampy amin’ny fanazavana ny lalanao miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny anarana Jiosy nentim-paharazana ho an’ny bokin’ny Salamo dia teny Hebreo iray izay midika hoe “fiderana.” Izany teny izany, dia ny hoe Tehillim izany, dia mifandray ihany koa amin’ilay teny mitory fihetseham-po hoe “aleloia” (izay midika hoe “derao Jehovah” na “derao ny Tompo”). Raha nisafidy teny iray ianao hamintinana ny hafatra fototra avy amin’ny Salamo, dia ho safidy tsara ny hoe “fiderana”. Ny sasany amin’ny Salamo dia mirakitra ilay fanasana mivantana hoe “Miderà an’i Jehovah” (jereo indrindra indrindra ny Salamo 146–50), ary afaka manentana fahatsapana te hitsaoka sy hidera izy rehetra. Ny Salamo dia manasa antsika hisaintsaina ny herin’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ireo zavatra lehibe nataony. Tsy afaka hanonitra Aminy velively na inona na inona amin’ireo isika, fa afaka midera Azy noho izany anefa isika. Izany fiderana izany dia mety ho atao amin’ny endriny samy hafa ho an’ny olona samy hafa. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fihirana, na ny fivavahana, na ny fijoroana ho vavolombelona. Matetika izany no mitarika ho amin’ny fanoloran-tena bebe kokoa amin’ny Tompo sy ny fanarahana ny fampianarany. Na inona na inona dikan’ny hoe “miderà an’i Jehovah” eo amin’ny fiainanao, dia afaka mahazo fitaomam-panahy bebe kokoa ianao hanao izany eo am-pamakianao sy hisaintsainanao ny Salamo.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Salamo 102–3116

Afaka mampionona ahy ao anatin’ny fijaliako ny Tompo.

Jereo ny fomba hamariparitan’ny Salamo 102:1–11 ireo fahatsapana tebiteby sy fanirery izay tonga matetika mandritra ireo fotoam-pahoriana. Mety efa nahatsapa zavatra toy izany ianao, ary manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny zavatra iainanao ireo famariparitana ireo. Na, ireo andininy ireo dia mety hanampy anao hahatakatra ny zavatra tsapan’ireo olona hafa izay mijaly.

Eo am-pamakianao ny Salamo 102:12–28; 103116, dia mitadiava andian-teny manome anao toky fa afaka “[m]iantso ny anaran’i Jehovah” ianao ao anatin’ireo fisedrana anao (Salamo 116:13). Mety ho tianao ny hanisy marika, na hanao tsianjery, na hizara amin’ny hafa ireo andian-teny izay mahatonga anao hanantena Azy.

Jereo koa ny Isaia 25:8; 2 Korintiana 1:3–7; Hebreo 2:17–18; Almà 7:11–13; Evan A. Schmutz, “Andriamanitra hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra,” Liahona, nôv. 2016, 116–18.

Sary
I Jesoa manasitrana

Healing (Fanasitranana), nataon’i J. Kirk Richards

Salamo 110118

Ny Salamo dia afaka mampifantoka ahy amin’ny Mpamonjy.

Ny Salamo dia mirakitra andininy maromaro mampifantoka amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesoa Kristy. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

Inona no fahamarinana ampianarin’ireo andininy ireo anao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no fitahiana azonao avy amin’ireo fahamarinana ireo?

Rehefa mamaky ny Salamo ianao amin’ity herinandro ity dia tohizo hatrany ny fandraisana an-tsoratra ireo soratra masina izay mampianatra anao momba ny Mpamonjy. Azonao atao koa ny mamaky na mihaino ny sasany amin’ireo fihirana tianao indrindra izay manampy anao hieritreritra Azy.

Salamo 119

Hihazona ahy eo amin’ny lalany ny tenin’ Andriamanitra.

Ity salamo ity dia ahitana andian-teny maro mampitaha ny fiainantsika amin’ny dia miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Eo am-pamakianao izany, dia tadiavo ireo teny toy ny hoe mandeha, lalana, tongotra, ary mania. Saintsaino ny dianao manokana eo amin’ny fiainana, taiza ho aiza ianao, aiza ho aiza ianao izao, ary mihazo mankaiza ny lalanao. Inona no ianaranao avy amin’io salamo io mikasika ny dianao miverina any amin’ny Ray? Araka io salamo io, dia inona no nomen’ Andriamanitra mba hanampiana anao hijanona eo amin’ny lalana marina?

Mety hahaliana anao ny hahafantatra fa amin’ny teny Hebreo izay teny nanoratana azy voalohany, ireo andininy valo voalohany ao amin’ny Salamo 119 dia manomboka amin’ny litera voalohany ao amin’ny abidia Hebreo. Ny andininy valo manarak’izay dia manomboka amin’ny litera manaraka, dia toy izany hatrany hatramin’ny faran’ny abidia.

Jereo koa ny Isaia 42:16; 2 Nefia 31:17–21; Almà 7:19–20.

Salamo 134–36

Mahery noho izay mety ho sampy rehetra ny Tompo.

Jereo ireo antony nomena ao amin’ny Salamo 135:15–18 mikasika ny maha-hadalàna ny fametrahana fitokisana amin’ireo andriamani-kafa. Inona no zavatra mitovy amin’ireo sampy voalazalaza ao amin’ireo andininy ireo ka mety hoe ho alaim-panahy ianao hametraka fitokisana amin’izany?

Azonao atao lisitra ireo zavatra feno hery azon’ny Tompo atao, araka ny voafariparitra ao amin’ny Salamo 134–36. Inona avy ireo zavatra feno hery nataony ho anao?

Salamo 146–50

“Miderà an’i Jehovah.”

Eo am-pamakianao ireo salamo fiderana farany ireo, dia eritrereto ireo antony anananao hiderana ny Tompo. Nahoana no zava-dehibe ny midera Azy? Inona avy ireo fomba azonao hiderana Azy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Salamo 119:105.Azon’ny fianakavianao atao angamba ny mamorona lalana dia mandeha eo amin’izany ao anatin’ny haizina, ary mampiasa jiro hanazavana ny lalana eo anoloana. Rehefa mandeha ianareo dia afaka mametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona eo amin’ny fiainantsika no mitovy amin’ity haizina ity?” na hoe “Inona no mampitovy ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fahazavana?” Ny fihirana hira momba ny fahazavan’ Andriamanitra, tahaka ny “Ampianaro aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 70), dia afaka manampy anareo hanamafy ilay fitsipika nampianarina ao amin’ny Salamo 119:105.

Salamo 127–28.Midika inona amin’ny Tompo ny hoe manampy antsika “[h]anao ny trano[ntsika]”? (Salamo 127:1). Ahoana no ahafahantsika mampandray anjara bebe kokoa Azy amin’ny ezaka ataontsika mba hanorina tokantrano marina? Mba hanampiana ny fianakavianao hamaly io fanontaniana io, dia afaka manao sarina trano amin’ny taratasy ianao dia mizarazara izany ho lasa piozila. Afaka manoratra na manao sary ireo fomba hahatonga ny Tompo handray anjara ao an-tokantranonareo ao ambadiky ny tapa-taratasy tsirairay ny olona ao amin’ny fianakaviana. Avy eo dia afaka manambatra ilay piozila ianareo. Inona koa no hitantsika ao amin’ireo salamo ireo izay mitaona antsika handeha eo amin’ny lalan’ny Tompo?

Salamo 139.Rehefa avy mamaky ny andininy 1–4 ianareo dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny miresaka momba ny fomba nahatonga azy ireo lasa nahafantatra fa mahafantatra azy ireo tsirairay avy mivantana Andriamanitra (jereo koa ny andininy 14–15, 23–24).

Salamo 146–50.Azonao asaina ny fianakavianao hamaky amin’ny feo mafy andininy vitsivitsy ao amin’ny Salamo 146–50, ka hiezaka ny hampita ny zavatra tsapan’ilay mpanoratra. Ahoana no ahafahantsika maneho ny fiderantsika ny Tompo? Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hanoratra ny salamo fiderana nataon’ireo manokana ary hifampizara izany.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ampianaro aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 70.

Manatsara ny fampianarantsika

Mamakia mafy. Rehefa mampianatra ny fianakavianao ianao dia hevero ny hihaino ny raki-peon’ny soratra masina hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile. Ny fihainoana ireo salamo dia mety hisy fiantraikany lehibe tokoa satria natao hotanisaina mafy izy ireny.

Sary
Lalana ao anaty ala

“Ampandehano amin’ny lalan’ny didinao aho; Fa izany no sitrako” (Salamo 119:35).

Hamoaka printy