“29 aogôsitra–4 septambra. Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12: -Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“29 aogôsitra–4 septambra. Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
29 aogôsitra–4 septambra
Ohabolana 1–4; 15–16; 22; 31; Mpitoriteny 1–3; 11–12
“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana”
Diniho hoe ahoana no ahafahan’ny fandalinanao ny Ohabolana sy ny Mpitoriteny hanampy anao “[hampitongilana] amin’ny fahendrena ny sofinao, ary [ampitandrina] fahalalana ny fonao” (Ohabolana 2:2).
Raketo ireo zavatra tsapanao
Mahita an’ireto teny ireto isika ao amin’ny toko voalohany ao amin’ny bokin’ny Ohabolana: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao” (Ohabolana 1:8). Mety ho toy ny fitambarana teny feno fahendrena avy tamin’ny ray aman-dreny be fitiavana ny Ohabolana, izay ny tena hafatra dia ny hoe ireo fitahian’ny fiadanam-po sy firoboroboana dia tonga amin’ireo izay mikatsaka fahendrena, —indrindra ny karazana fahendrena izay omen’ Andriamanitra. Saingy ny Ohabolana dia arahin’ny bokin’ny Mpitoriteny izay toa milaza hoe, “tsy moramora anefa izany.” Ilay Mpitoriteny voatanisa ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny dia nanao fanamarihana fa izy dia “[nanome] ny fo[ny] hahalala fahendrena ” saingy mbola nahita “fa misambo-drivotra foana koa izany” sady “be alahelo” (Mpitoriteny 1:17–18). Ilay boky dia manontany amin’ny fomba maro samihafa manao hoe, “Misy dikany ihany ve ity izao tontolo izao ity izay toa zava-poana ny zava-drehetra, mandalo fotsiny ihany, ary tsy azo antoka?”
Nefa, na dia mijery ny fiainana amin’ny fomba fijery roa samy hafa ireo boky anankiroa, izy roa dia mampianatra fahamarinana mitovy. Manambara ny Mpitoriteny hoe: “Izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra” (Mpitoriteny 12:13). Ity no fitsipika izay hita manerana ny Ohabolana: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra … “Aza manao anao ho hendry; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy” (Ohabolana 3:5,7). Na inona na inona zava-misy eo amin’ny fiainana, na dia toa mampikorontan-tsaina sy feno kisendrasendra aza izany, dia tsara kokoa hatrany rehefa matoky an’i Jesoa Kristy Tompo isika.
Raha hanao topimaso an’ireo boky ireo, dia jereo ny “Bokin’ny Ohabolana” sy ny “Mpitoriteny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
“Ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao.”
Ny bokin’ny Ohabolana dia feno hevi-baovao momba ny fahendrena. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe “fahendrena” sy ny teny mifandray amin’izany toy ny “fahalalana” sy ny “fahatakarana,” rehefa hitanao izy ireo ao amin’ny toko 1–4 sy 15–16. Inona no fiantraikan’ireo toko ireo amin’ny fomba fieritreretanao ny hoe fahendrena? Raha miainga avy amin’ny zavatra izay hitanao, dia ahoana no hanoritsoritanao ny fahendrena izay “omen’i Jehovah”? (Ohabolana 2:6). Diniho hoe manao ahoana ny fikatsahanao ny fanampian’ny Tompo mba ho “hendry am-po” (Ohabolana 16:21). Inona no fitahiana tonga avy amin’ny fahendren’ Andriamanitra?
Jereo ihany koa ny Ohabolana 8–9; Matio 7:24–27; 25:1–13.
Ohabolana 1:7; 2:5; 16:6; 31:30; Mpitoriteny 12:13
Inona no atao hoe “fahatahorana an’i Jehovah”?
Nanazava ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia loharanom-piadanana sy fananana toky sy fahatokian-tena, tsy tahaka ny tahotra araka izao tontolo izao izay miteraka fahatairana sy tebiteby. [Izany dia ahitana] fananana fahatsapana fanehoam-panajana lalina sy fiderana an’i Jesoa Kristy Tompo; fankatoavana ireo didiny ary fiandrandrana ny Fitsarana Farany sy ny fahamarinana eo an-tanany.… Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia fitiavana Azy sy fahatokiana Azy” (“Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Liahona, mey 2015, 48–49).
Jereo koa ny Ohabolana 8:13.
“Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao.”
Ny Ohabolana 4 dia mamaritra ny fahendrena sy ny fahamarinana ho toy ny “lalana” (jereo ihany koa ny Ohabolana 3:5–6). Rehefa mamaky an’io toko io ianao dia mety hahita andinin-tsoratra masina izay manampy anao hisaintsaina ny “alehan’ny tongotrao” (andininy 26) sy ny fomba hitarihan’ny tongotrao anao hanakaiky kokoa ny Tompo. Ohatra, inona no ampianarin’ny andininy 11–12 sy 18–19 momba ny fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny lalana marina? Midika inona aminao ny andininy 26 sy 27?
Jereo koa ny 2 Nefia 31:18–21.
Ohabolana 15:1–2, 4, 18,28; 16:24–32
“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy.”
Ny sasany amin’ireo ohabolana ao amin’ny toko 15 sy 16 dia mety hanentana anao mba hanatsara ny fomba fifaneraseranao aminny hafa, indrindra amin’ireo olona akaikin’ny fonao. Ohatra, mieritrereta fotoana manokana izay tokony nampiasanao “famaliana mora” fa tsy “teny maharary” (Ohabolana 15:1). Amin’ny fomba ahoana ny torohevitra ao amin’ny Ohabolana 16:24–32 no manampy anao hieritreritra momba ireo teny izay ampiasainao?
Diniho ity hevi-baovao avy tamin’ny Loholona W. Craig Zwick ity: “Ny hoe—famaliana mora—dia mifono valinteny voalanjalanja,teny voafehy avy any amin’ny fo mietry. Tsy midika izany hoe tsy hanao resaka mivantana na oviana na oviana isika na hampandefitra ny fahamarinana ara-potopampianarana. Ireo teny izay mety hoe mivantana dia afaka ny ho malefaka ao amin’ny fanahy.” (“Inona no eritreritrao?” Liahona, mey 2014, 42).
“Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.”
Ny Ohabolana 31:10–31 dia manoritsoritra ny “vehivavy madio fitondran-tena iray,” na vehivavy manana hery ara-panahy lehibe, na mahay manao zavatra na manana hery mitarika. Mety hiezaka ny hamintina amin’ny teninao manokana ny zavatra izay lazain’ireo andininy ireo momba azy ianao. Inona no sasany amin’ireo toetrany izay azonao alaina tahaka?
Fandalovana ny fiainana eto an-tany.
Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatsiaro fa maro amin’ireo zavatra eto amin’izao tontolo izao no “zava-poana” araka ny Mpitoriteny 1–2 (na mandalo na matetika tsy manan-danja)? Inona no hitanao tao amin’ny toko 12 izay manome lanja mandrakizay ny fiainana?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Ohabolana.Mety ho tian’ny fianakavianao ny hamorona “bokin’ohabolana” ho anareo manokana, izay amboaran-torohevitra feno fahendrena avy amin’ny soratra masina sy ny mpaminanin’ny andro farany.
-
Ohabolana 1:7; 2:5; 16:6; Mpitoriteny 12:13–14.Mba hanampiana ny mpikambana ao amin’ny fianakavianao hahatakatra ny Ohabolana 1:7; 2:5; 16:6; Mpitoriteny 12:13, dia mety hanampy anao ny manova ny teny hoe tahotra amin’ny hoe fanajana, fitiavana, na fankatoavana (jereo ihany koa ny Hebreo 12:28). Ahoana ny fiantraikan’izany amin’ny fomba fiheverantsika an’ireo andininy ireo? Ahoana no ampisehoantsika fa matahotra ny Tompo isika?
-
Ohabolana 3:5–7.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao hahazo sary an-tsaina ny zavatra izay ampianarin’ireo andininy ireo dia azonao atao ny manasa azy ireo mba hiankina amin’ny zavatra mafy sy tsy mihozongozona, toy ny rindrina. Avy eo dia afaka manandrana miankina amina zavatra izay tsy mafy toa ny kofafa izy ireo. Nahoana isika no “tsy tokony hiankina amin’ny fahalalan[tsika] manokana”? Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa matoky an’i Jesoa Kristy amin’ny fontsika manontolo isika?
-
Ohabolana 15:1–2,18; 16:24,32.Inona no fiantraikan’ny tenintsika amin’ny fanahy ao an-tokantranontsika? Angamba ny olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka manao fanazaran-tena manome “famaliana mora” ho solon’ny “teny maharary” ary miezaka ny mampiasa ny zavatra izay ianaran’izy ireo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny tsirairay. Ny hira tahaka ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83) dia afaka manampy amin’ny fanamafisana izany fitsipika izany.
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso ho hiraina: “Raha tsapa fa ao ny fitia,” Bokin-kiran’ny ankizy 76.