Testamenta Taloha 2022
5–11 septambra. Isaia 1–12: “Andriamanitra no famonjena ahy”


“5–11 septambra. Isaia 1–12: -Andriamanitra no famonjena ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“5–11 septambra. Isaia 1–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
mpaminany fahiny manoratra

Nilaza mialoha ny amin’ny fahaterahan’i Kristy ny mpaminany Isaia, nataon’i Harry Anderson

5–11 septambra

Isaia 1–12

“Andriamanitra no famonjena ahy”

Mikatsaha fitarihana ara-panahy rehefa mandalina ianao. Ny tenin’i Isaia dia azo tsara kokoa rehefa “heniky ny fanahin’ny faminaniana” isika, araka ny nampianarin’i Nefia (2 Nefia 25:4).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia vao sambany aza ianao no mamaky ny bokin’i Isaia dia mety ho tojo andinin-tsoratra masina izay toy ny hoe efa faheno ianao. Izany dia satria, amin’ireo mpaminanin’ny Testamenta Taloha rehetra, i Isaia no voatanisa matetika indrindra any amin’ireo boky soratra masina hafa, tafiditra ao anatin’izany ny fitanisan’ny Mpamonjy tenany azy. Ny tenin’i Isaia dia miseho matetika koa ao amin’ny fihirana sy ny hira masina hafa. Nahoana i Isaia no voatonona matetika?

Azo antoka fa anisan’ny antony ny fananan’i Isaia fanomezam-pahasoavana amin’ny famoahana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fiteny miraikitra ao an-tsaina sy mora tadidy. Kanefa mbola mihoatra noho izany. I Isaia dia nanome aingam-panahy an’ireo mpaminany tao anatin’ny taranaka maro nifandimby satria ny fahamarinana nampianariny dia nihoatra ny taranaka nisy azy manokana, ny Isiraelita niaina teo anelanelan’ny 740 sy 701 talohan’i Jesoa Kristy. Ny andraikiny dia ny manampy antsika hahatakatra ny asa fanavotana lehiben’ Andriamanitra, izay lehibe lavitra noho ny firenena iray na fe-potoana iray monja. Avy tamin’i Isaia dia fantatr’i Nefia fa izy sy ny olony, na dia tafasaraka tamin’ny sisa amin’ny Isiraely aza dia mbola isan’ny olon’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ihany. Ao amin’ny Isaia, ireo mpanoratra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nahita faminaniana momba ny Mesia izay efa tanteraka teo imason’izy ireo. Ary tao amin’ny Isaia, i Joseph Smith dia nahita fitaomam-panahy ho an’ny asa amin’ny andro farany amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona. Hahita inona ianao rehefa hamaky ny Isaia?

Raha te hahalala misimisy kokoa momba an’i Isaia sy ny asa sorany, dia jereo ny “Isaia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ho fampahalalana mikasika ny fotoana izay niainan’i Isaia dia jereo ny 2 Mpanjaka 15–20 sy ny 2 Tantara 26–32.

Sary
Learn More image
Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Isaia 1–12

Ahoana no ahafahako mahatakatra tsaratsara kokoa ny fampianaran’i Isaia?

Toy izao no nambaran’ny Mpamonjy rehefa niresaka momba ny asa soratr’i Isaia: “[Hadihadio] ireo zavatra ireo amin’ny fahazotoana tokoa; fa lehibe ny tenin’i Isaia” (jereo ny 3 Nefia 23:1–3). Nefa ho an’ny maro, ny Isaia dia mety ho saro-takarina. Ireto misy torohevitra hanampiana anao hahazo kokoa ny dikan’ny tenin’i Isaia:

  • Saintsaino ireo tandindona sy fanoharana nampiasain’i Isaia. Ohatra, saintsaino ny zavatra heverinao fa tian’i Isaia hampitaina rehefa nanoratra mikasika ny tanim-boaloboka iray izy (jereo ny Isaia 5:1–7), ny rano Siloa (jereo ny Isaia 8:5–10), ny faneva (jereo ny Isaia 5:26), Isaia 11:10,12).

  • Isaky ny mamaky toko iray ianao dia anontanio ny tenanao hoe: “Inona no ianarako momba an’i Jesoa Kristy?” (Jereo ny 1 Nefia 19:23).

  • Mitadiava lohahevitra izay manan-danja amin’izao androntsika izao, toy ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana azy, ny fielezan’i Isiraely sy ny fanangonana an’i Isiraely, ny andro farany, ary ny Arivotaona. Afaka manao lisitry ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’i Isaia izay mampianatra momba ireo lohahevitra ireo ihany koa ianao.

  • Ampiasao ny fanampiana amin’ny fandalinana izay misy, toy ny rakibolana, ny fanamarihana eny farany ambanin’ny pejy amin’ny Baiboly, ny sasin-tenin’ireo toko, ary ny Torolalana ho an’ny Soratra masina.

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 25:1–8.

Isaia 1; 3;5

“Aza manao ratsy.”

Nanohy hatrany nampitandrina ny fanjakan’i Joda momba ny toetoetran’izy ireo ara-panahy i Isaia. Rehefa avy namaky ny Isaia 1, 3, sy 5 ianao dia ahoana no hamaritanao ny toetoetra ara-panahin’ireo olona? Inona no fampitandremana hitanao fa azo ampiharina amin’ny androntsika?

Ankoatra ireo fampitandremana, dia afaka mandray an-tsoratra ny hafatra mitondra fanantenana ho an’i Isiraely be fahotana ianao (jereo mba hahitana ohatra ny, Isaia 1:16–20, 25–27; 3:10). Inona no zavatra ianaranao momba ny Tompo avy amin’ireo hafatra ireo?

Isaia 2; 4; 11–12

Andriamanitra dia hanao asa lehibe amin’ny andro farany.

Maro amin’ireo asa soratr’i Isaia no faminaniana izay manana dikany manokana ho an’izao androntsika izao. Inona amin’ireo famariparitan’i Isaia ny andro farany ao amin’ny toko 2; 4; 11–12 no tena manentana ny fanahinao? (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6 dia manolotra hevi-baovao tena manampy momba ny Isaia 11.) Inona no ianaranao momba ny fanangonana an’i Isiraely sy ny fanavotana an’i Ziona? Inona no tsapanao fa tokony hataonao aorian’ny famakiana ireo toko ireo?

Jereo ihany koa ny Isaia 5:26; 10:20.

Isaia 6

Voantson’ Andriamanitra ny mpaminany.

Mitantara ny niantsoana azy ho mpaminany i Isaia ao amin’ny toko faha 6. Rehefa mamaky io toko io ianao, dia inona no manaitra anao momba ny traikefa zavatra niainan’i Isaia? Inona ny fiantraikan’io toko io amin’ny fomba fiheveranao ny Tompo sy ny mpaminaniny ary ny asa izay nanirahana azy ireo?

Sary
vehivavy mitazona zazakely

“Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika” (Isaia 9:5).

Isaia 7–9

Naminany momba an’i Jesoa Kristy i Isaia.

Tamin’ny voalohandohan’ny asa fanompoan’i Isaia, ny fanjakan’i Isiraely (nantsoina ihany koa hoe Efraima) dia niara-nikambana tamin’i Syria mba hiaro ny tenany amin’i Asyria. Tian’i Isiraely sy i Syria hoterena i Ahaza, mpanjakan’i Joda mba hiara-hikambana amin’izy ireo. Saingy naminany i Isaia fa tsy hahomby izany fiarahana mikambana izany, ary nanoro hevitra an’i Ahaza mba hatoky ny Tompo (jereo ny Isaia 7–9, indrindra ny Isaia 7:7–9; 8:12–13) izy.

Rehefa nanoro hevitra an’i Ahaza i Isaia dia nanao faminaniana maro izay fanta-daza izy, toy ireo hita ao amin’ny Isaia 7:14; 8:13–14; 9:2, 6–7. Raha toa ka tsy dia nazava tanteraka ny dikan’ireo faminaniana ireo tamin’ny andron’i Ahaza, mazava tsara fa izy ireo dia momba an’i Jesoa Kristy (jereo ihany koa ny Matio 1:21–23; 4:16; 21:44; Lioka 1:31–33). Inona no zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Isaia 1:16–18.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia azonao atao ny mamaky ny fizarana “Ny sasany amintsika dia mahatsapa ho tsy afaka ny ho ampy fahatsarana na oviana na oviana” avy amin’ny hafatry ny Rahavavy Sharon Eubank “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina” (Liahona, mey 2019,75). Na azonao atao ihany koa ny manoro ny fomba fanesorana ny tasy amin’ny lamba. Inona no tsy mampitovy ny hafatra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny zavatra izay tian’i Satana hinoantsika?

Isaia 2:1–5.Afaka maka iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana ary manao sary ny zavatra izay voafaritra ao. Inona no ampianarin’ny Tompo antsika momba ny lalan’ny Tompo? Inona no fitahiana azontsika rehefa “nandeha tamin’ny fahazavan’i Jehovah isika”? (Isaia 2:5).

Isaia 4:5–6.Inona no ampanantenain’ ny Tompo antsika ao amin’ ireo andininy ireo? Mety midika inona ireo fampanantenana ireo? Ahoana no hanatanterahany azy ireo? (Jereo koa ny Eksodosy 13:21–22.)

Isaia 7:14; 9:1–7.Afaka manao peta-drindrina manazava ny sasany amin’ireo zavatra ianarantsika momba an’i Jesoa Kristy avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao amin’ny alalan’ny fampiasana sary natao na sary avy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “An-tendrombohitra,” Hira sy fihiran’ny ankizy, lah. 59.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mangataha fanampiana amin’ny Tompo. Mba hahatakarana ny soratra masina dia mila fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Nampanantena ny Tompo hoe: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dòndòny dia hovohana ianareo” (Matio 7:7).

Sary
Tempolin’i Idaho Falls Idaho ao anaty tafio-drivotra

Nampianatra i Isaia fa ho “toeram-pialofana” sy ho “fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana” ny tabernakely (Isaia 4:6).Tempolin’i Idaho Falls Idaho

Hamoaka printy