Testamenta Taloha 2022
Zavatra tokony hotadidiana: Mpaminany sy faminaniana


“Zavatra tokony hotadidiana: Mpaminany sy faminaniana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Zavatra tokony hotadidiana: Mpaminany sy faminaniana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidiana

Mpaminany sy faminaniana

Ao anatin’ilay fomba fizaran’ny Kristianina ny Testamenta Taloha izay nampiasaina hatrizay, ny fizarana farany (Isaia hatrany amin’ny Malakia) dia antsoina hoe “ireo Mpaminany.”1 Io fizarana io, izay eo amin’ny iray ampahaefatry ny Testamenta Taloha, dia ahitana ny tenin’ireo mpanompon’ Andriamanitra nahazo lalana, izay niresaka tamin’ny Tompo ary avy eo niresaka ho Azy tamin’ny alalan’ny fizarana ny hafatra avy Aminy teo anelanelan’ny 900 sy 500 talohan’ny nahaterahan’i Kristy teo ho eo.2

Mitana anjara asa lehibe manerana ny Testamenta Taloha ny mpaminany sy ny faminaniana. Nahita fahitana ireo patriarika dia i Abrahama, i Isaka ary i Jakoba izany, ary niresaka tamin’ireo iraka avy any an-danitra. Niresaka mivantana tamin’ Andriamanitra i Mosesy ary nampitainy ny sitrapon’ Andriamanitra ho an’ny zanak’i Isiraely. Ny boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka dia mitantara ireo asa tsy hay hadinoina nataon’ireo mpaminany Elia sy Elisa ary ireo hafatra nozarain’izy ireo. Ny Testamenta Taloha koa dia miresaka momba ireo mpaminany vavy toa an’i Miriama (jereo ny Eksodosy 15:20) ary i Debora (jereo ny Mpitsara 4), miaraka amin’ireo vehivavy hafa nanana ny fanahin’ny faminaniana, toa an’i Rebeka (jereo ny Genesisy 25:21–23) sy Hana (jereo ny 1 Samoela 1:20–2:10). Na dia tsy nosoratana mpaminany voatendry araka ny fitsipika aza ny Salamo, dia feno ny fanahin’ny faminaniana koa izy ireo, indrindra rehefa niandrandra ny fahatongavan’ny Mesia izy ireo.

Tsy misy amin’ireo zavatra ireo mahataitra ireo Olomasin’ny Andro Farany. Raha ny marina, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra antsika fa ireo mpaminany dia tsy hoe olona mahaliana teo amin’ny tantara fotsiny fa ampahany tena ilaina ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Ny olona sasany mety mandray ireo mpaminany ho tsy nisy afa-tsy nandritra ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha ihany, fa isika dia mandray ireo mpaminany ho toy ny iraisantsika amin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha.

Na izany aza dia mety tsy mitovy ny famakiana toko iray ao amin’ny Isaia na Ezekiela sy ny famakiana hafatra iray avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany avy amin’ny Filohan’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Indraindray dia mety ho sarotra ny mahita fa nanana zavatra holazaina amintsika ireo mpaminany fahiny. Sady ny tontolo iainantsika amin’izao fotoana izao dia tena tsy mitovy amin’ilay tontolo nitorian’izy ireo sy naminanian’izy ireo. Ary ilay toe-javatra hoe, tena manana mpaminany velona isika dia mety hampametra-panontaniana hoe: Nahoana no hoe mendrika hanaovana ezaka ny fiezahana mamaky ny tenin’ireo mpaminany fahiny, satria tena mitaky fiezahana tokoa izany?

Manana zavatra holazaina amintsika izy ireo

Amin’ny ankapobeny dia tsy ny olona amin’izao fotoana izao no olona voalohany iresahan’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha. Ireo mpaminany ireo dia nanana olana mivantana nosahanin’izy ireo tamin’ny fotoan’izy ireo sy tany amin’ny toerana nisy azy ireo, toy ny fisahanan’ireo mpaminanintsika amin’izao andro farany izao ireo olana mivantana atrehantsika amin’izao fotoana izao.

Ny mpaminany koa ao anatin’izany dia afaka mijery mihoatra ireo olana mivantana. Mampianatra fahamarinana mandrakizay ho an’ny zavatra iray izy ireo, izay manan-kery amin’ny vanim-potoana rehetra. Ary noho izy ireo mahazo fanambarana dia mahita ny zavatra amin’ny endriny tena mivelatra izy ireo, fijery mivelatra kokoa momba ny asan’ Andriamanitra. Ohatra, i Isaia dia tsy hoe afaka nampitandrina ny olona tamin’ny androny mikasika ny fahotan’izy ireo fotsiny, fa afaka koa nanoratra mikasika ny fanafahana an’ireo Isiraelita niaina 200 taona taty aoriana, sady nampianatra momba ilay fanafahana izay katsahan’ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra. Ankoatra izany, izy dia afaka nanoratra faminaniana izay na hatramin’izao aza dia mbola miandry ny fahatanterahany feno, tahaka ireo fampanantenana “tany vaovao” (Isaia 65:17) izay “henika ny fahalalana ny Tompo” (Isaia 11:9), sy ny fanangonana ireo foko verin’i Isiraely ary “ny firenena” dia tsy “hianatra ady intsony” (Isaia 2:4). Anisan’ny fifaliana sy fanentanam-panahy azo avy amin’ny famakiana ny tenin’ireo mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha toa an’i Isaia ny fahatsapana fa manana anjara asa isika ao anatin’ilay andro feno voninahitra hitan’izy ireo.3

Noho izany rehefa mamaky ireo faminaniana fahiny ianao, dia manampy ny fianarana mikasika ny sahan-kevitra nanoratana azy ireo. Fa tokony hametraka ny tenanao ao anatin’ireo faminaniana koa ianao, na “[h]ampihatra [izany] amin’ny [tenanao],” araka ny nolazain’i Nefia (jereo ny 1 Nefia 19:23–24). Indraindray izany dia midika hoe mahafantatra fa i Babylona dia tandindon’ny fiainan’izao tontolo izao sy ny avonavona fa tsy tanàna iray fahiny fotsiny. Mety midika koa izany hoe mahatakatra fa i Isiraely dia vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra ary mahatakatra an’i Ziona ho toy ny tanjona tratrarina izay neken’ny vahoakan’ Andriamanitra amin’izao andro farany izao fa tsy hoe teny iray hafa iantsoana an’i Jerosalema fotsiny.

Afaka mampihatra ny soratra masina isika satria takatsika fa afaka ny ho tanteraka amin’ny fomba maro ny faminaniana iray.4 Ohatra tsara anankiray maneho izany ny faminaniana ao amin’ny Isaia 40:3: “Injany! Misy feon’ny miantso hoe: Manamboara lalana any an’efitra ho an’i Jehovah.” Io fanambarana io, ho an’ireo Jiosy babo tany Babylona, dia mety nentina nilazana ny Tompo izay nanolotra fomba iray hivoahana amin’ny fahababoana sy hiverenana any Jerosalema. Io faminaniana io ho an’i Matio sy i Marka ary i Lioka dia tanteraka tamin’i Jaona Mpanao Batisa izay nanomana ny lalana ho an’ny asa fanompoana ataon’ny Mpamonjy eto an-tany.5 Ary i Joseph Smith dia nandray fanambarana fa mbola eo am-pahatanterahana io faminaniana io amin’ny andro farany mba hanomanana ny asa fanompoana hataon’i Kristy mandritra ny arivotaona.6 Ireo mpaminany fahiny dia tena niresaka tamintsika amin’ny fomba izay mbola ezahintsika takarina. Ary nampianatra fahamarinana sarobidy sy mandrakizay maro izy ireo izay manan-danja amintsika tokoa toy ny naha-nanan-danja izany ho an’i Isiraely fahiny.

mpaminany fahiny manoratra

Fulness of Times (Fahafenoan’ny fotoam-pahasoavana), nataon’i Greg K. Olsen

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo

Angamba ny tena manan-danja kokoa, noho ny mahita ny tenanao ao anatin’ireo faminanian’ny Testamenta Taloha aza, dia ny mahita an’i Jesoa Kristy ao anatin’izy ireo. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy, na dia tsy tononina amin’ny anarany aza Izy. Mety manampy ny mitadidy fa ilay Andriamanitry ny Testamenta Taloha, ilay Jehovah Tompo, dia i Jesoa Kristy. Isaky ny mamariparitra ny zavatra ataon’ny Tompo na hataony ireo mpaminany, dia miresaka momba ny Mpamonjy izy ireo.

Ianao koa dia hahita soratra masina izay miresaka momba ilay Voahosotra (jereo ny Isaia 61:1), ilay Mpanavotra (jereo ny Hosea 13:14), ary ilay Mpanjaka amin’ny ho avy izay avy amin’ny taranak’i Davida (jereo ny Isaia 9:5–6; Zakaria 9:9). Faminaniana mikasika an’i Jesoa Kristy daholo ireo. Hamaky amin’ny ankapobeny kokoa momba ny fanafahana, ny famelan-keloka sy ny fanavotana ary ny famerenana amin’ny laoniny ianao. Hampitodika ho azy anao any amin’ilay Zanak’ Andriamanitra ireo faminaniana ireo rehefa ataonao ao am-ponao sy ao an-tsainao ny Mpamonjy. Ankoatra izany, ny fomba tsara indrindra hahatakarana faminaniana dia ny fananana “fanahin’ny fanambarana,” izay lazain’i Jaona amintsika fa “filazana an’i Jesoa” (Apokalypsy 19:10).

Fanamarihana

  1. I Isaia, i Jeremia, i Ezekiela, ary i Daniela no matetika lazaina ho mpaminany lehibe noho ny halavan’ny bokin’izy ireo. Ireo mpaminany hafa (Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria ary Malakia) dia antsoina hoe mpaminany kely noho ny bokin’izy ireo fohy kokoa. Ny bokin’ny fitomaniana dia raisina ho anisan’ireo Asa Soratra fa tsy ao anatin’ireo Mpaminany.

  2. Tsy fantatsika ny fomba nanangonana ireo bokin’ny mpaminany. Tao anatin’ny zava-niseho sasany dia mety nandray an-tanana ny fanangonana ireo asa sorany sy ireo faminaniany ny mpaminany iray. Tao anatin’ny zava-niseho hafa dia mety noraketina sy nangonina taorian’ny fahafatesany izany.

  3. “Eritrereto fotsiny ny fientanentanana sy ny hamehana tao anatin’izany rehetra izany: ny mpaminany tsirairay nanomboka tamin’i Adama dia nahita ny androntsika. Ary ny mpaminany tsirairay dia niresaka momba ny androntsika, rehefa hangonina i Isiraely ary homanina amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany izao tontolo izao. Eritrereto anie e! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombontsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientanentana tokoa izany!” (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], fanampin-dahatsoratra ao amin’ny New Era sy Ensign,8, ChurchofJesusChrist.org). Jereo koa ny Ronald A. Rasband, “Manome antoka amin’ny fitsarana feno fahamarinana ,” Liahona, mey 2020, 75–78.

  4. Hoy ny mpamonjy raha niresaka tamin’i Isaia hoe: “Ary ny zavatra rehetra izay noteneniny dia efa nisy sy mbola hisy, araka ny teny izay noteneniny” (3 Nefia 23:3; nampiana fanamafisana).

  5. Jereo ny Matio 3:1–3; Marka 1:2–4; Lioka 3:2–6.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:10; 65:3; 88:66.