Testamenta Taloha 2022
12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35: “Zava-mahagaga sy mahatalanjona”


“12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35: -Zava-mahagaga sy mahatalanjona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny Ala kely Masina i Joseph Smith

Ala kely Masina, nataon’i Brent Borup

12–18 septambra

Isaia 13–14; 24–30;35

“Zava-mahagaga sy mahatalanjona”

Ny Filoha Bonnie H. Cordon dia nampianatra hoe: “Ny soratra masina … dia manazava ny saintsika, mikolokolo ny fahahintsika, mamaly ireo fanontaniantsika sy mampitombo ny fahatokiantsika ny Tompo ary manampy antsika hampifantoka ny fiainantsika Aminy” (“Matokia an’i Jehovah fa aza miankina amin-javatra hafa,” Liahona, mey 2017,7).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny iray amin’ireo zavatra nangatahin’ny Tompo mba hataon’ireo mpaminany dia ny mampitandrina mikasika ireo vokatry ny fahotana. Ho an’ireo mpaminany tao amin’ny Testamenta Taloha dia matetika no nidika izany hoe miteny amin’ireo mpitondra tsy refesi-mandidy an’ireo fanjakana matanjaka fa tokony hibebaka izy ireo raha tsy izany dia horavana. Asa nampidi-doza izany saingy tsy natahotra i Isaia ary feno fahasahiana ny fampitandremany an’ireo fanjakana tamin’ny androny, tafiditra tao anatin’izany i Isiraely, i Joda ary ireo firenena manodidina (jereo ny Isaia 13–23).

Na izany aza dia nanana hafatra mifono fanantenana ihany koa i Isaia. Na dia tanteraka tokoa teo amin’ireo fanjakana ireo aza ny faharavana araka ny faminaniana, dia nahita mialoha fahafahana hiaina famerenana amin’ny laoniny sy fihavaozana i Isaia. Hanasa ny vahoakany mba hiverina Aminy ny Tompo. Izy dia hanao “ny alonalona mitarehin-drano … ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika” (Isaia 35:7). Izy dia hanatanteraka “zava-mahagaga sy mahatalanjona” (Isaia 29:14), ka hamerina amin’i Isiraely ireo fitahiana nampanantenainy azy ireo. Na Isaia na iza na iza velona tamin’izany fotoana izany dia tsy niaina mba hahita izany asa mahatalanjona izany. Saingy mahita ilay tena fahatanterahany isika amin’izao fotoana izao. Raha ny marina dia tafiditra ao anatin’izany isika!

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Isaia 13:1–11, 19–22; 14:1–20

Ho lavo ireo fanjakana feno faharatsiana eto amin’izao tontolo izao sy ireo mpitondra azy.

Ny Isaia 13–14 dia antsoina hoe “ny faminaniana ny loza hanjo” (hafatra azo avy amin’ny faminaniana momba an’i) Babylona (Isaia 13:1). Raha nisy fotoana i Babylona noraisina ho fanjakana matanjaka iray nanana mpitondra tsy refesi-mandidy, dia raisina ho toy ny tantara fahiny izy amin’izao fotoana izao. Noho izany, nahoana no manan-danja amintsika ny hafatra ho an’i Babylona amin’izao fotoana izao? Ao anatin’ny soratra masina dia tandindon’ny avonavona, ny fiainan’izao tontolo izao sy ny fahotana i Babylona, ary voahodidin’ireo isika amin’izao fotoana izao. Eritrereto izany tandindona izany rehefa mamaky ny Isaia 13:1–11, 19–22; 14:1–20 ianao. Azonao atao koa ny manandrana mametraka fanontaniana tahaka ireto:

  • Inona no mampitovy an’ireo fampitandreman’i Isaia an’i Babylona amin’ireo faminaniana mikasika anizao tontolo izao mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? (jereo ny Isaia 13:1–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:26–42).

  • Inona no zavatra mitovy hitanao amin’ny avonavon’ny mpanjaka Babyloniana sy ny avonavon’i Satana? (jereo ny Isaia 14:4–20; Mosesy 4:1–4). Inona no fampitandremana hitanao fa ho anao ao amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana no fomba fanomezan’ny Mpamonjy “fitsaharana ho afaka amin’ny fahorianao sy ny fitebitebin’ny fonao”? (Isaia 14:3).

Sary
I Jesoa manao akanjo mena

He Comes Again to Rule and Reign (Ho avy indray Izy hitondra sy hanjaka), nataon’i Mary R. Sauer

Isaia 24:21–23; 25:6–8; 26:19; 28:16

Mampitodika ahy any amin’i Jesoa Kristy ireo asa soratr’i Isaia.

Matetika ireo fampianaran’i Isaia no miresaka ny asa nanirahana ny Mpamonjy, tafiditra ao anatin’izany ny sorona fanavotana nataony, ny Fitsanganany tamin’ny maty ary ny Fiaviany Fanindroany. Inona avy ireo endriky ny asa nanirahana Azy tonga ao an-tsaina rehefa mamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ianao: Isaia 24:21–23; 25:6–8; 26:19; 28:16? Inona avy ireo andinin-tsoratra masina hafa izay hitanao ka mampahatsiahy anao ny Mpamonjy?

Jereo koa ny Isaia 22:22–25.

Isaia 24:1–12; 28:7–8; 29:7–10; 30:8–14

Ny atao hoe apôstazia dia fivadihana amin’ny Tompo sy ny mpaminaniny.

Nampiasa karazana fanoharana i Isaia mba hampitandremana ny vokatry ny fivadihana amin’ny Tompo sy ny fandavana ireo mpaminany. Izany dia ahitana tany foana (Isaia 24:1–12), fahamamoana (Isaia 28:7–8), hanoanana sy hetaheta (Isaia 29:7–10), ary manda rava na vilany vaky (Isaia 30:8–14). Raha mifototra amin’ny zavatra novakinao tao amin’ireo andininy ireo, dia nahoana no zava-dehibe ny mitandrina ireo fanekempihavanantsika? Diniho ny zavatra ataonao mba hijanonana ho mahatoky amin’ny Tompo sy ny mpanompony.

Jereo ny M. Russell Ballard, “Mijanòna ao anaty sambo dia mamikira!Liahona, nôv. 2014, 89–92; Sujets de l’Évangile, “Apostasie,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Isaia 29; 30:18–26;35

Ny Tompo dia afaka mamerina amin’ny laoniny ireo zavatra very na simba.

Rehefa mivadika amin’ny Tompo ny olona na ireo fiarahamonina dia tian’i Satana isika hieritreritra fa tsy misy fanafany intsony ny vokatr’izany. I Isaia anefa dia namaritra ireo zavatra mahagaga sasantsasany izay hataon’ny Tompo rehefa mibebaka sy mitodika any Aminy ny olona. Inona no ianaranao avy amin’ny Isaia 29:13–24; 30:18–26;35 mikasika ny Tompo, sy ny fitiavany ary ny heriny?

Ny fomba iray nanehoan’ny Tompo ny heriny amin’izao androntsika izao dia amin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany. Ny Isaia 29 dia ahitana andinin-tsoratra masina maro izay mifandrindra amin’ireo zava-nitranga ao anatin’izany Famerenana amin’ny laoniny izany. Ohatra:

Inona no eritreritra na fahatsapana tonga ao aminao mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao?

Jereo koa ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” (ChurchofJesusChrist.org).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Isaia 25:4–9.Moa ve ny fianakavianao efa niaina ilay fitahiana avy amin’ny fierena amin’ny ranonoram-baratra na fialokalofana amin’ny hainandro? (jereo ny andininy 4). Resaho ny momba izany rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao ary ireo famaritana hafa momba ny Tompo hita ao amin’ny Isaia 25:4–9. Ahoana no mahatonga ny Tompo ho tahaka an’ireo zavatra ireo?

Isaia 25:8–9; 26:19.Ny fampisehoana ny sarin’ny Mpamonjy tao Getsemane, sy teo amin’ny hazo fijaliana ary taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia afaka manampy ny fianakavianao hahita ny fifandraisan’ireo andininy ireo amin’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, laharana 56, 57, 58,59). Asao ny fianakavianao mba hizara ny antony mahatonga azy ireo “ho ravoravo amin’ny famonjeny” (Isaia 25:9).

Isaiah 29:11–18.Ireo andininy ireo dia afaka manampy ny fianakavianao hifanakalo hevitra mikasika ilay “zava-mahagaga sy mahatalanjona” (andininy 14) ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Nahoana no mahagaga sy mahatalanjona antsika ireo zavatra ireo? Asao ireo olona ao amin’ny fianakavianao mba hitady zavatra ao an-tranonao izay maneho ireo fitahiana mahagaga avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Isaia 35.Mety ho tian’ny fianakavianao ny manao ny sarin’ireo sary voalaza ao anatin’ity toko ity izay manampy antsika hahatakatra ny fomba hanorenan’i Jesoa Kristy an’i Ziona amin’izao androntsika izao. Inona no ianarantsika avy amin’ireo sary ireo? Inona no azontsika atao mba hanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Lohataona mamiratra,” Bokin-kiran’ny ankizy,57.

Manatsara ny fampianarantsika

Omeo fahafahana haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona ny ankizy. Rehefa mamorona zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara anankiray ny ankizy dia manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika izany. Omeo fahafahana hanorina zavatra, hanao sary, handoko sy hanoratra ary hamorona izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,25.)

Sary
I Maria sy i Jaona mijery an’i Jesoa eo amin’ny hazofijaliana

“Indro Andriamanitsika, Izay nandrasantsika hamonjy antsika” (Isaia 25:9). James Tissot (Frantsay, 1836–1902). Woman, Behold Thy Son [Ravehivavy, indro ny zanakao] (Stabat Mater), 1886–1894. Hosodoko rano tsy tantera-pahazavana eo ambonin’ny manjarano eo amin’ny taratasy fotsy matevitevina miloko volombatolalaka, Sary: 29.7 x 15.2 santimetatra. Tranombakok’i Brooklyn, Novidina tamin’ny alalan’ny famandrihana azo ataon’ny daholobe, 00.159.300

Hamoaka printy