Testamenta Taloha 2022
19–25 septambra. Isaia 40–49: “Ampionony ny oloko”


“19–25 septambra. Isaia 40–49: -Ampionony ny oloko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“19–25 septambra. Isaia 40–49,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Jesoa manasitrana lehilahy jamba

I Jesoa manasitrana an’ilay lehilahy jamba, nataon’i Carl Heinrich Bloch

19–25 septambra

Isaia 40–49

“Ampionony ny oloko”

Matetika no nampiasa fiteny nifono tandindona i Isaia rehefa nilaza zavatra. Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao an-tsainao sy ao am-ponao avy amin’ireo tandindona ireo. Mety hanampy anao hahatakatra kokoa ny zavatra izay nampianariny izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

“Ampionony” no tenin’i Isaia voalohany Toko faha 40. Manamarika ny fiandohan’ny fomba filazan-javatra vaovao izany, zavatra vaovao izay hamafisina ao amin’ny tenin’ny mpaminany. Na dia nampitandrina ny Isiraely sy ny Joda momba ny faharavana sy ny fahababoana izay ho avy noho ny fahotany aza ny hafatr’i Isaia teo aloha, ireto faminaniana taty aoriana ireto kosa dia natao hampiononana ny Jiosy mandritra ny 150 taona ho avy, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema, ny nanimbazimbana ny tempoly, ary ny namaboana ny vahoaka tany Babylona. Saingy ireo faminaniana ireo dia misy fiantraikany lavitra kokoa amin’ny hoavy noho ny tamin’i Isiraely izay resy sy kivy. Miteny amintsika izy ireo, izay mahatsapa ho resy sy kivy ary very mihitsy aza indraindray.

Tsotra ny hafatr’i Isaia tamin’izy ireo sy amintsika: “Aza matahotra ianao” (Isaia 43: 1). Tsy very akory ny zava-drehetra. Tsy nanadino anao ny Tompo, ary manana hery hifehezana ny toe-javatra rehetra izay toa tsy azonao fehezina Izy. Tsy ny Tompo ve no “Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy … Izay namelatra ny tany … Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy”? (Isaia 42:5). Moa ve Izy tsy mahery kokoa noho i Babylona, noho ny fahotana, sy noho ireo zavatra hafa izay mangeja anareo? Miangavy Izy manao hoe “Koa miverena Amiko,” “fa efa nanavotra anao Aho” (Isaia 44:22). Afaka manasitrana, mamerina amin’ny laoniny, mamela heloka, sy mampionona Izy, na inona na inona ilainao, raha ny mahakasika anao manokana, mba ho avotra.

Mba hianarana ny fomba nampiharan’i Nefia sy i Jakoba ny Isaia 48–49 tamin’ny vahoakan’izy ireo dia jereo ny 1 Nefia 22 sy ny 2 Nefia 6.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Isaia 40–49

Afaka mampionona sy manome fanantenana ahy i Jesoa Kristy.

Mety ho nahakivy sy nampivaloarika ho an’ireo Isiraelita izany hoe babo tao Babylona izany. Maro no mety efa nanontany tena raha toa izy ireo ka efa nanary ilay toerana maha-vahoaka nofinidin’ Andriamanitra azy ireo, vahoakan’ny fanekempihavanana. Rehefa mamaky ny Isaia 40–49 ianao, dia mitadiava andinin-tsoratra masina izay manome fampiononana sy fanantenana. Ho an’ny andinin-tsoratra masina tsirairay izay hitanao dia saintsaino ary raketo ny zavatra izay mety holazain’ny Tompo aminao ao amin’ireo ndininy ireo. Ireto misy andinin-tsoratra masina izay azonao hanombohana:

Ahoana no ahafahanao mizara ireo hafatra ireo amin’olona izay mila fankaherezana na fanantenana? (jereo ny Isaia 40:1–2).

Jereo ihany koa ny Jeffrey R. Holland, “Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra,” Liahona, mey 2020, 81–84.

Sary
renirano ao anaty ala

Rehefa mankatò ny Tompo isika dia afaka ny hanana “fiadanana … tahaka ny onjan-dranomasina” (Isaia 48:18).

Isaia 40:3–8, 15–23; 42:15–16; 47:7–11

Lehibe noho ny hery araka ny an’izao tontolo izao ny herin’ Andriamanitra.

Namerimberina nampahatsiahy ny vahoakany ny amin’ny herin’ Andriamanitra tsy manam-paharoa i Isaia, na dia ampitahana amin’ny herin’izao tontolo izao izay mangeja ary manodidina azy ireo aza izany. Jereo izany hafatra izany rehefa mamaky ny Isaia 40:3–8, 15–23; 42:15–16; sy ny 47:7–11 ianao (mariho tsara fa ny toko 47 dia natao ho an’ilay nambabo an’i Isiraely, dia i Babylona). Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba ny zavatr’izao tontolo izao Inona no ampianarin’izy ireo anao momba an’ Andriamanitra? Saintsaino hoe nahoana io andalan-tsoratra masina io no mety ho sarobidy tamin’ireo Jiosy izay babo. Nahoana no sarobidy aminao izany?

Jereo koa ny “Reste avec nous, SeigneurCantiques no.92.

Isaia 41:8–13; 42:1–7; 43:9–12; 44:21–28; 45:1–4; 48:10; 49:1–9

“Mpanompoko ianao.”

Ny Tompo dia miresaka momba ny “mpanompo[ny]” sy ny “vavolombelo[ny]” manerana ny Isaia 40–49 . Ao amin’ny andinin-tsoratra masina sasany dia toy ny hoe i Jesoa Kristy no resahin’ireo teny ireo (jereo ny Isaia 42:1–7), ny sasany dia miresaka momba ny vahoakan’i Isiraely (jereo ny Isaia 45:4), ary ny hafa anefa dia miresaka momba an’i Kyrosy Mpanjaka, izay namela ny Jiosy mba hiverina ho any Jerosalema sy hanorina indray ny tempoly (jereo ny 44:26–45:4). Na izany aza, amin’ny tranga tsirairay avy dia azonao atao ny mandinika ny fomba iantefan’ireo andinin-tsoratra masina tsirairay ireo aminao amin’ny maha-mpanompo sy vavolombelon’ny Tompo anao. Ohatra, saintsaino ny fanontaniana toa ireto:

Isaia 41:8–13; 42:6; 44:21. Hanao inona no niantsoan’ny Tompo anao? Raiso ho toy ny fanompoana Azy ny antsonao ao amin’ny Fiangonana sy ireo andraikitra hafa ao amin’ny fanekempihavanana ihany koa. Ahoana no hanohanany anao sy “hitantana[ny] ny tananao” (Isaia 42:6) rehefa manompo ianao? Tamin’ny fomba ahoana no “namolavolany” anao mba ho lasa mpanompony? (jereo ihany koa ny Isaia 48:10).

Isaia 43:9–12. Nahoana no ahafahana milaza fa vavolombelon’i Jesoa Kristy ianao? Inona avy ireo zavatra niainana teo amin’ny fiainanao izay nampiseho anao fa Mpamonjy Izy?

Isaia 49:1–9. Hafatra inona ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo no hitanao fa afaka hanampy anao rehefa toa “zava-poana sy tsinontsinona” ny ezaka sy ny fanompoana nataonao? (andininy faha-4).

Jereo koa ny Môzià 18:9; Henry B. Eyring, “Enfants et disciples,” Liahona, mai 2003, 29–32.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Isaia 40:3–4.Mba hijerena ny mety ho dikan’ny hoe “manamboara … lalana ho an’i Jehovah,” dia azon’ny fianakavianao atao ny manitsy zavatra iray izay mikitoantoana, na manadio gorodona maloto be, na manamboatra lalana izay feno vatovato. Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny sarin’i Jaona mpanao Batisa sy i Joseph Smith (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35,87). Tamin’ny fomba ahoana no nanomanan’izy ireo ny fiavian’ny Tompo? (jereo ny Lioka 3:2–18; Fotopampianara sy Fanekempihavanana 135:3). Ahoana no fomba hitondrantsika fanampiana amin’ny fanomanana ny lalana ho Azy? (Ohatra, jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:10).

Isaia 40:28; 43:14–15; 44:6.Inona no anarana na fiantso an’i Jesoa Kristy hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Inona no ampianarin’ny anarana tsirairay antsika momba Azy?

Isaia 41:10; 43:2–5; 46:4.Mivoitra ao amin’ilay hira “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12) ireo andininy ireo. Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ny hiara-hihira ilay hira sady mitady ireo andian-teny ao amin’izany izay mitovy amin’ny andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba an’i Jesoa Kristy?

Isaia 44:3–4; 45:8.Aorian’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka manondraka zava-maniry iray ny fianakavianao rehefa miresaka momba ireo fitahiana izay efa narotsaky ny Tompo tamin’izy ireo. Inona no mitranga eo amin’ny zava-maniry iray rehefa manondraka rano amin’izany isika? Inona no andrasan’ny Tompo amintsika rehefa mitahy antsika Izy?

Isaia 48:17–18.Azonao atao ny mampiseho sary na horonan-tsary misy renirano na onjan-dranomasina. Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiadanana amin’ny renirano? Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny fahamarinana amin’ny onja?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, Lah. 12

Manatsara ny fandalinana manokana

Farito ny teny. Miezaha mitady famaritana ny teny izay tsy takatrao ao amin’ny soratra masina, eny fa na dia ny teny izay heverinao fa fantatrao aza. Indraindray ny famaritana teny dia afaka manampy anao hamaky andinin-tsoratra masina iray amin’ny fomba miavaka sy handray hevi-baovao ara-panahy.

Sary
i Jesoa miaraka amin’ny ankizy vavy sy lehilahy

“Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ny olony mahantra” (Isaia 49:13).Balm of Gilead [Balsaman’i Gileada], nataon’i Ann Adele Henrie

Hamoaka printy