Testamenta Taloha 2022
19–25 septambra. Isaia 40–49: “Ampionony ny oloko”


“19–25 septambra. Isaia 40–49: -Ampionony ny oloko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“19–25 septambra. Isaia 40–49,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Jesoa nanasitrana lehilahy jamba

I Jesoa manasitrana ilay lehilahy jamba, nataon’i Carl Heinrich Bloch.

19–25 septambra

Isaia 40–49

“Ampionony ny oloko”

Andinin-tsoratra masina maro ao amin’ny Isaia 40–49 no afaka manampy ireo ankizy hampitombo ny fitiavany ny Tompo sy ny finoan’izy ireo Azy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahita ireo andinin-tsoratra masina ireo rehefa mandalina ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Vakio miaraka amin’ireo ankizy ny Isaia 40:9 dia asao izy ireo hanao hoe mianika “an-tendrombohitra avo” ary avy eo dia hifandimby hampiakatra ny feony mba hizara zavatra nianarany vao tsy ela avy tao amin’ny soratra masina, na tany an-trano izany na tany am-piangonana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Isaia 43:10

Afaka ny ho vavolombelon’ny Tompo aho.

Nampahatsiahy ny Isiraelita ny Tompo fa efa nahita zavatra lehibe maro nataony tamin’izy ireo izy ireo. Tiany izy ireo (ary isika rehetra koa) mba ho vavolombelony, manampy ny hafa hahafantatra ny heriny sy ny fahatsarany.

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ireo ankizy ny zavatra izay efa natrehinao maso. Ampio izy ireo hieritreritra zavatra izay niainany ka azon’izy ireo ifampiresahana na ijoroana ho “vavolombelona.” Ohatra, sakafo matsiro izay nandramany, na toerana izay notsidihany, na olona fantany. Vakio amin’ireo ankizy ny Isaia 43:10 manao hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko.” Lazao ireo ankizy fa rehefa atao batisa isika dia mampanantena ny ho vavolombelon’i Jesoa Kristy (jereo ny Môzià 18:9). Inona no dikan’ny hoe vavolombelon’ny Tompo?

  • Angataho ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Asehoy sary izy ireo mba hanome hevitra azy (ohatra, sarin’ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, ny Bokin’i Môrmôna, ny tempoly, ary ny mpaminany velona). Asao izy ireo hiresaka momba ny zavatra azon’izy ireo zaraina amin’ny hafa amin’ny maha-vavolombelon’ny Tompo azy ireo.

Isaia 43:11

“Tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho”

I Jesoa Kristy no hany afaka mamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Saintsaino ny fomba hitaomanao ireo ankizy mba hametraka ny fitokiany Aminy.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy mba haka sary an-tsaina toe-javatra iray izay ilan’izy ireo fanampiana (toy ny marary na raikitra ao anaty oram-baratra). Manehoa zavatra maromaro (na sarin-javatra), zavatra izay hanampy azy ireo amin’ilay toe-javatra sy zavatra izay tsy hanampy azy ireo. Ohatra, ny elo dia mety hanampy ao anaty oram-baratra fa ny vera feno rano sy ny pensily hazo dia tsy hanampy. Angataho ireo ankizy haka ilay zavatra izay hanampy amin’ilay toe-javatra. Manehoa sarin’ny Mpamonjy mba hanampiana ireo ankizy hiresaka momba ny fomba anampiany antsika.

  • Vakio amin’ireo ankizy ny Isaia 43:11 dia angataho izy ireo mba hanondro ny sarin’i Jesoa rehefa mahare ny teny hoe “mpamonjy.” Mijoroa ho vavolombelona fa satria nijaly sy maty ho antsika ary nitsangan-ko velona i Jesoa Kristy dia izy irery ihany no hany afaka mamonjy antsika amin’ny fahotantsika sy ny fahafatesana.

Sary
onjan-dranomasina

Afaka ny “ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinan[tsika]” (Isaia 48:18).

Isaia 48:18

Mitondra fiadanana ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra.

Mampanantena fiadanana toy ny “ony” ary fahamarinana toy ny “onjan-dranomasina” ny Tompo ho an’ireo izay mitandrina ny didiny.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Isaia 48:18. Asao izy ireo hanetsika ny tanany sy sandriny tahaka ny ony sy onja. Miresaha momba ny fomba nanampian’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra anao hahatsapa fiadanana toy ny ony na natanjaka toy ny onja.

  • Manaova sarina ony eny amin’ny solaitrabe. Ampio ireo ankizy hieritreritra didy izay nomen’ Andriamanitra antsika. Soraty eo amina tapa-taratasy ireo didy ireo (na manaova sary tsotra maneho izany), dia asao ireo ankizy hifandimby hametaka ireo didy eo amin’ilay ony eny amin’ny solaitrabe. Ampio ireo ankizy hianatra fomba ahafahan’ny fitandremana ireo didy mitondra fiadanana.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny didy, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68). Inona no ampianarin’io hira io momba ny antony tokony hanajantsika ireo didy?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Isaia 40:3–5

Afaka manampy amin’ny fanomanana “ny lalan’ny Tompo” aho.

Manampy amin’ny fahatanterahana ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 40:3–5 isika amin’ny fanampiana ny hafa handray ny Tompo eo amin’ny fiainany.

Asa atao azo tanterahina

  • Mangataha ankizy iray hamaky ny Isaia 40:3 eo am-pamakian’ireo ankizy hafa ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka hitady teny na andian-teny mitovy: Marka 1:3–4 (Jaona mpanao batisa); Almà 7:9 (Almà); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:10–11 (ireo misiônera amin’ny andro farany). Ampio izy ireo hamantatra hoe iza no manomana ny lalan’ny Tompo ao amin ireo andininy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nanomanan’ireo olona ireo ny lalan’ny Tompo? Inona no azontsika atao mba hanampiana?

  • Manaova sarina lalana eny amin’ny solaitrabe, dia vakio miaraka amin’ireo ankizy ny Isaia 40:3–5. Angataho ireo ankizy hitanisa sakana izay mety hanakana ny olona amin’ny fanarahana ny Mpamonjy, ary asao izy ireo hanao sarina sakana eo amin’ilay lalana. Asaivo fafan’izy ireo ireo sakana rehefa miresaka momba ireo fomba azontsika hanampiana olona handresy azy ireo ianao.

Isaia 41:10; 43:1–5; 48:10

Miaraka amiko ny Tompo ao anatin’ireo fitsapana ahy.

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ny Tompo isika, dia mampanantena amintsika ny hiaraka amintsika Izy, na mandritra ireo fitsapana antsika aza. Ampio ireo ankizy hahita ny tenan’izy ireo ho isan’ny olon’ny fanekempihavanan’ny Tompo ary tafiditra ao anatin’ny fampanantenany.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eny amin’ny solaitra be ny hoe Izaho no… sy hoe Izaho dia h… Asao ireo ankizy hamaky ny Isaia 41:10 sy ny Isaia 43:1–5 mba hahitana ny nolazain’ny Tompo hoe iza Izy ary inona no lazainy fa hataony. Andian-teny inona koa no miverimberina ao amin’ireo andininy ireo? Amin’ny fomba ahoana no mety hanomezan’ireo hafatra ireo fampiononana ho antsika mandritra ny fotoan-tsarotra?

  • Iaraho mamaky ny Isaia 48:10, dia miresaha momba ny hoe inona izany memy izany sy ny fomba maro ampiasana izany. Hazavao fa ao anaty memy no hanadiovana ny vy. Nahoana ny memy no fomba tsara hanoritsoritana ny fahoriana? Amin’ny fomba ahoana no hanadiovan’ny fahoriantsika antsika? (jereo ny Almà 62:41).

Isaia 49:14–16

Tsy hanadino ahy mihitsy ny Tompo.

Rehefa mahatsapa ho lavitra ny Tompo isika noho ny fahotana na fitsapana na antony hafa dia afaka mitondra fampiononana ny hafatra ao amin’ny Isaia 49:14–16.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Isaia 49:14. Inona no mety mahatonga ny olona hahatsapa ho hadino na nilaozana? Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hahafantatra fa tsy mba nanadino azy ireo ny Tompo? Ahoana no ahafantarantsika fa tsy nanadino antsika Izy?

  • Asao ireo ankizy hiresaka momba ana olona fantany izay tsy ho hadinony mihitsy, tahaka ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana. Ifanakalozy hevitra ny fahatsapana ananan’ny reny be fitiavana iray amin’ny zanany sy ny fahatsapana ananan’ny Tompo amintsika. Avy eo dia angataho ireo ankizy hamaky ny Isaia 49:15–16. Araka ireo andininy ireo, nahoana ny Tompo no tsy hanadino antsika mihitsy? Asao ireo ankizy hizara ny fahatsapana ananany amin’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hieritreritra momba ana zavatra izay nianarany androany ka tiany hianarana bebe kokoa. Ampio izy ireo hanoratra fanontaniana momba izany ka azony anontaniana ny ray aman-dreny na fianakaviana iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny ankizy. Raha mampianatra ankizy kely ianao kanefa mahatsapa ho taomim-panahy hampianatra azy ireo ny iray amin’ireo fitsipika ato amin’ity rindran-damina ity ao anatin’ny “Ankizy lehibe” na ny mifanohitra amin’izay, dia amboary ny iray amin’ireo asa atao natolotra ho an’izany fitsipika izany mba hifanaraka amin’ny filana sy ny fahatakaran’ireo ankizy ampianarinao.

Hamoaka printy