Testamenta Taloha 2022
26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”


“26 septambra–2 ôktôbra. Isaiah 50–57: -Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
i Kristy misakotra tsilo ary ihomehezan’ny miaramila

The Mocking of Christ, nataon’i Carl Heinrich Bloch

26 septambra–2 ôktôbra

Isaia 50–57

“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”

Ny Isaia 50–57 dia mirakitra fiteny tsara ery izay mety tsy ho takatr’ireo ankizy ampianarinao. Eo am-piomananao hampianatra dia saintsaino ireo fahamarinana tsotra izay ampianarin’ireo teny ireo sy ny fomba mety hanampianao ireo ankizy hianatra izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy tsirairay mba hizara ny fomba ahafantarany fa tia azy ireo i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo hizara ny zavatra ataon’izy ireo mba hanehoana fa tia an’i Jesoa izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Isaia 53:4

Nijaly ho ahy i Jesoa Kristy satria tiany aho.

Tamin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony dia nijaly ho an’ny fahotantsika Izy ary nitondra “ny aretintsika” sy “ny fahoriantsika.” Ahoana no fomba hijoroanao ho vavolombelona amin’ireo ankizy ny amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ireo sarin’ny Mpamonjy mijaly eo amin’ny hazo fijaliana sy tao amin’ny sahan’i Getsemane (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, ny toko 51–53 ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao). Angataho ireo ankizy mba hamariparitra ny zavatra hitany eo amin’ireo sary ary hizara ny zavatra fantany momba ny zavatra mitranga eo. Nahoana no nijaly ho antsika i Jesoa?

  • Vakio amin’ireo ankizy ny ao amin’ny Isaia 53:4 manao hoe: “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika.” Manehoa zavatra mavesatra (na sarina zavatra mavesatra) amin’ireo ankizy, ary asao izy ireo hanao hoe mibata zavatra mavesatra izy ireo. Hazavao fa ny “aretina” sy ny “fahoriana” (na alahelo) dia mety havesatra ka tsy ho zaka. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia hanampy antsika hitondra ireo zavatra ireo satria tia antsika Izy.

Isaia 55:6

Afaka mitady ny Tompo sy miantso Azy aho.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “miantso” an’i Jesoa mandritra ny fiainany.

Asa atao azo tanterahina

  • Afeno ao amin’ny efitrano ny sarin’i Jesoa ary asao ireo ankizy hitady izany. Vakio ireo teny hoe “Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” ao amin’ny Isaia 55:6. Angataho ireo ankizy hitanisa fomba vitsivitsy ahafahan’izy ireo mitady ny Tompo, izay midika hoe miezaka mafy izy ireo hianatra momba Azy sy manatona Azy. Isaky ny mamaly ny ankizy dia afeno indray ilay sary, dia asao ilay ankizy hitady izany.

  • Ampio ireo ankizy hianatra ny tonon’ilay hira “Hitady ny Tompo aho dieny izao” (Bokin-kiran’ny ankizy,67) na hira hafa momba ny fanatonana ny Mpamonjy. Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hisafidy ny zavatra izay hataon’izy ireo mba hitadiavana ny Tompo.

  • Vakio ilay andian-teny hoe “Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” ao ami’ny Isaia 55:6. Ahoana no hiantsoantsika ny Ray any An-danitra? Angataho ireo ankizy hiresaka momba ny zavatra lazainy ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra ary mihaino azy ireo rehefa mivavaka izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Isaia 51–52

Manasa ahy ny Tompo mba hitafy ny heriko.

Ao amin’ny Isaia 51 sy52, ny Tompo dia mampiasa andian-teny toy ny “mifohaza,” “mitsangana,” ary “tafio ny herinao” mba hitaona ny vahoakany hiaina araka ny fahafahana anaty ananan’izy ireo. Eritrereto ny fomba ahafahan’ireo andian-teny ireo mitaona ireo ankizy ampianarinao.

Asa atao azo tanterahina

  • Mialoha ny hampianarana dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny avy ao amin’ny Isaia 51–52 izay milaza ny zavatra tian’ny Tompo hataon’ny vahoakany, toy ny hoe “Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo,” “mifohaza,” “mitsangana,” “ahintsano ny vovoka hiala amin’ ny tenanao,” ary “velomy ny hoby” (Isaia 51:6,17; 52:2,9). Asaivo mifandimby haneho amin’ny fihetsika ny iray amin’ireo andian-teny ireo ankizy ary ny ambiny maminavina ilay fihetsika. Isaky ny avy mamaly ny ankizy dia asehoy azy ilay andian-teny ao amin’ny soratra masina, ary ifanakalozy amin’izy ireo ny hevitra ara-panahin’ilay andian-teny. Inona no angatahin’ny Tompo hataontsika? Ahoana no ahafahantsika manao ireo zavatra ireo?

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Isaia 51:1, 4,7 ary hamantatra ny olona resahin’ny Tompo sy ny zavatra tiany hataon’izy ireo. Inona no dikan’ny hoe “mihaino” ny Tompo? Mba hanehoana izany dia angataho ny ankizy iray hanome toromarika tsotra izay tokony harahin’ny hafa. Nahoana indraindray no sarotra ny mihaino sy mankatò ny Tompo? Ahoana no anehoantsika amin’ny Tompo fa “mihaino” Azy isika?

Sary
sarivongan’i Kristy milanja hazofijaliana

Because of Love, nataon’i Angela Johnson mpanao sary sokitra

Isaia 53:3–9

Nitondra teo Aminy ny fahotako sy ny fahoriako i Jesoa Kristy.

Ahoana no hampiasanao ny tenin’i Isaia mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra lalina kokoa ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Maneho sary maromaro maneho ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy (jereo ohatra ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56, 57, 58). Miaraha mamaky ny Isaia 53:3– 6,9 ary asao ireo ankizy hitady ireo teny sy andian-teny izay manoritsoritra ireo tranga ao amin’ireo sary. Mijoroa ho vavolombelona fa an-jato taonany maro talohan’ny nijalian’i Jesoa Kristy ho antsika, dia nampianatra ireo mpaminany toa an’i Isaia momba ireo tranga manan-danja ireo. Nahoana no manan-danja ho an’ny olona ny mahafantatra taona maro mialoha ireo zavatra ireo? (jereo ny Almà 39:15–19).

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Isaia 53:4–7 ary hitady andian-teny izay manoritsoritra ny zavatra nijalian’ny Mpamonjy ho antsika. Asao izy ireo hanoratra ireo teny ireo eny amin’ny solaitrabe. Nahoana izy no niaritra ny “aretintsika,” sy ny “fahoriantsika,” ary ny “rofintsika”? (jereo ihany koa Almà 7:11–12). Zarao amin’ireo ankizy ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao nitondra ny aretinao sy ny fahorianao. Asaivo mizara ny fahatsapana ananany momba ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ho azy ireo izy ireo.

Isaia 55:7–9

Lehibe kokoa noho ny lalako ny lalan’ny Tompo.

Rehefa takatsika fa ny fihevitry ny Tompo sy ny lalany dia lehibe noho ny antsika, dia lasa mora kokoa ny matoky Azy.

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ireo ankizy hoe ho any amin’iza izy ireo raha toa ka manana olana sarotra, ary inona no antony. Vakio miaraka amin’ireo ankizy ny Isaia 55:8–9, dia angataho izy ireo mba hihaino ny antony tokony hikatsahatsika ny fitarihan’ny Tompo rehefa mila fanampiana.

  • Manaova sarin’ny lanitra sy ny tany eny amin’ny solaitrabe, ary asio anarana hoe Lanitra sy Tany izany. Avy eo dia asao ireo ankizy hamaky ny Isaia 55:9 mba hamantatra ny zavatra nampitahain’ny Tompo tamin’ny lanitra sy ny tany, ary angataho izy ireo hanampy izany eo amin’ny sary. Midika inona izany hoe tsy mitovy “haavo” amin’ny antsika ny haavon’ny lalan’ny Tompo sy ny fiheviny? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra izany?

  • Ifanakalozy hevitra amin’ireo ankizy ireo lalan’ny Tompo izay avo noho ny antsika. Ohatra, manao ahoana ny fomba fandraisany ireo mpanota? (jereo ny Marka 2:15–17). Manao ahoana ny fomba fitarihany ny hafa? (jereo ny Matio 20:25–28). Amin’ny fomba ahoana no tsy mampitovy ny lalany sy ny lalan’ny hafa? Lazao amin’ireo ankizy ny fomba nianaranao natoky ny haavon’ny lalan’ny Tompo sy ny fiheviny.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Toroy hevitra ireo ankizy ny hametraka tanjona izay afaka manampy azy ireo hanatona an’i Jesoa Krsty, miainga amin’ny zavatra izay nianarany tao amin’ny kilasy androany. Asao izy ireo hizara izany tanjona izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Mba hanampiana ny ankizy kely hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina dia mifantoha amin’ny andininy iray na amina andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao indraindray ny mamaky adininin-tsoratra masina iray ary manasa ny ankizy mba hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno teny na andian-teny manokana tianao hifantohana izy ireo.

Hamoaka printy