Testamenta Taloha 2022
12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35: “Zava-mahagaga sy mahatalanjona”


“12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35: -Zava-mahagaga sy mahatalanjona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“12–18 septambra. Isaia 13–14; 24–30; 35,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Joseph Smith mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny Alakely Masina

Sacred Grove (Alakely Masina), nataon’i Brent Borup

12–18 septambra

Isaia 13–14; 24–30;35

“Zava-mahagaga sy mahatalanjona”

Rehefa avy mandalina ny Isaia 13–14; 24–30;35, dia mandrafeta atrikasa hanampiana ireo ankizy hianatra. Ireto hevitra momba ny atrikasa manaraka ireto dia azo amboarina mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hitsanga raha te hizara zavatra nianarany vao tsy ela momba ny filazantsara tany an-trano na tany am-piangonana. Omeo fahafahana hizara ny ankizy tsirairay.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Isaia 14:12–14

Nisy ady tany an-danitra.

Talohan’ny nahariana izao tontolo izao ny Ray any An-danitra dia nisafidy an’i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy atsika. Ny Isaia 14:12–14 dia manoritsoritra ny avonavona nasehon’i Satana tany amin’ny filankevitra tany an-danitra talohan’ny ny nahaterahantsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampiasao ny “Fampidirana: Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 1–3) na ny hira “Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany” (Bokin-kiran’ny ankizy,140) mba hitantarana amin’ny ankizy ny ady tany an-danitra talohan’ny nahaterahantsika. (Eo am-panaovanao izany dia mampiasà andian-teny nalaina tao amin’ny Isaia 14:12–14 izay manoritsoritra an’i Satana.) Avy eo dia asao ireo ankizy mba hifandimby hilaza ilay tantara aminao. Hamafiso fa i Jesoa Kristy dia nanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra ary lasa Mpamonjy antsika.

  • Manaova sarina fo eny amin’ny solaitrabe miaraka amin’ny soratra hoe Satana ary endrika malahelo ao anatiny. Hazavao fa hoy i Satana tao am-pony hoe: “Ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako” (Isaia 14:13), izay midika fa naniry ho ambony kokoa noho ny Ray any An-danitra izy. Manasà ankizy iray hanao sarina fo iray hafa, ka ity iray ity dia miaraka amin’ny teny hoe Jesoa ary endrika falifaly ao anatiny. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa naniry ny hanao izay nangatahin’ny Ray any An-danitra hataony i Jesoa (jereo ny Mosesy 4:1–2). Ahoana no hanarahantsika ny ohatr’i Jesoa?

Sary
Jesoa tafatsangana tamin’ny maty niseho tamin’ny vehivavy tany am-pasana

“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana” (Isaia 25:8).

Isaia 25:8

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Afaka mampionona ny alahelo tsapantsika manoloana ny fahafatesana i Jesoa Kristy. Satria nandresy ny fahafatesana Izy dia hitsangana amin’ny maty ihany koa isika rehetra.

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarin’n fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ary angataho ireo ankizy hizara ny zavatra fantany momba ilay sary. Raha ilaina dia zarao amin’izy ireo ny tantaran’i Jesoa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny “Nitsangana i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 139–44). Mandefasa na mihirà hira iray momba ny fitsanganana amin’ny maty, toy ny “Nitsangana indray Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy,44), ary asao ireo ankizy hizara ny fahatsapana ananany rehefa mahafantatra fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa.

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny olona iray fantatrao izay efa nodimandry. Inona no fahatsapana ananantsika rehefa misy olona tiantsika maty? Asao ireo ankizy hanao sarina tavan’olona mitomany. Avy eo dia vakio amin’izy ireo ny Isaia 25:8. Hataon’i Jesoa inona ny ranomasontsika rehefa malahelo olona maty isika? Asao ireo ankizy hanao sarina tava faly. Mijoroa ho vavolombelona fa satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia afaka mahatsapa fampiononana isika rehefa misy olona maty ka mahafantatra hoe hitsangana amin’ny maty isika indray andro any.

Isaia 29:12,14

Namerina ny Fiangonany tamin’ny laoniny ny Tompo tamin’ny alalan’i Joseph Smith.

Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia “asa iray mahagaga sy mahatalanjona” (Isaia 29:14). Zarao amin’ireo ankizy ny sasany amin’ireo zavatra mahagaga nataon’ny Tompo, sy mbola ataony hatrany, mba hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ireo ankizy hilaza aminao ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Joseph Smith. Raha ilaina dia zarao amin’izy ireo ny “Fahitana voalohan’i Joseph Smith” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9–12). Vakio ny Isaia 29:12 ary hazavao fa na dia tsy noraisin’ny olona ho “mahavaky teny” aza i Joseph Smith dia naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ny filazantsara.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Isaia 29:14 dia zarao amin’izy ireo ny teny hafa izay mitovy hevitra amin’ny hoe “mahagaga” sy “mahatalanjona.” Manehoa zavatra izay maneho ny sasany amin’ireo zava-mahagagan’ny Tompo mandritra ny andro farany, toy ny sarin’ny Fahitana voalohany na sarin’i Joseph Smith mandray ny fisoronana (jereo ny Sary mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.90, 93,94) na tahadika iray amin’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo ankizy hisafidy zavatra iray ary hizara ny antony mahatonga izany ho mahagaga eo imasony.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Isaia 24:3–5; 29:7–10; 30:8–14

Ny hoe apôstazia dia midika fialana amin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny.

Ny famakiana ny fampitandreman’i Isaia momba ireo loza amin’ny apôstazia dia afaka manampy ny ankizy ho tapa-kevitra hijanona ho marina amin’ny Tompo sy hanaraka ireo mpaminaniny.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe apôstazia. Asao ireo ankizy hitady famaritana ao amin’ny “Apôstazia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao izy ireo hamaky ny Isaia 24:5; 30:9–11 ary hanao lisitr’ireo zavatra nataon’ny olona tamin’ny fotoan’andron’i Isaia izay nitarika azy ireo ho amin’ny apôstazia. Avy eo dia asao ireo ankizy hanova ireo zavatra eo amin’ny lisitra nataony amin’ny zavatra izay azontsika atao mba hijanonana ho marina amin’ny Tompo.

  • Zarao ho tsiroadroa ireo ankizy ary asaivo mamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto ny ekipa tsirairay: Isaia 24:3–5; na Isaia 29:7–10; na Isaia 30:8–14. Asao izy ireo hanao sary izay maneho ny zavatra vakiny. Eo am-pizaran’izy ireo ny sary nataony dia ampio izy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra ampianarin’ny tenin’i Isaia momba ny antony hijanonantsika ho marina amin’ny Tompo.

Isaia 29:13–15, 18,24

Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia “zava-mahagaga.”

Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra fa izy ireo dia mandray anjara amin’ny “zava-mahagaga” (Isaia 29:14) izay ataon’ny Tompo amin’ny andro farany?

Asa atao azo tanterahina

  • Manehoa sarin’ny sasany amin’ireo zava-mahagaga izay niseho tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 90–95, na ny pejin’ny asa atao ho amin’ity herinandro ity). Miaraha mamaky ny Isaia 29:14, 18,24, ary asao ireo ankizy hitady ireo teny sy andian-teny izay mifandray amin’ireo tranga ao amin’ireo sary. Anontanio ny ankizy ny fomba azon’izy ireo hanampiana amin’ny “zava-mahagaga” (andininy 14) ataon’ny Tompo.

  • Mizarà traikefa fohy hanampiana ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe famerenana amin’ny laoniny. Ohatra, miresaha momba ana zavatra izay very sy ny fomba nahitanao izany. Ampio ireo ankizy hampitaha izany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Araka ny Isaia 29:13–15, nahoana isika no mila ny famerenana amin’ny laoniny? Inona no zava-mahagaga nataon’ny Tompo mba hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara?

Isaia 14:3; 25:8; 28:16

Mampitodika ahy any amin’i Jesoa Kristy ny fampianaran’i Isaia.

Ny fampianaran’i Isaia dia afaka mampitodika ireo ankizy ampianarinao any amin’ny Mpamonjy ary manampy azy ireo hahatsiaro ireo zavatra efa nataony ho azy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty amina tapa-taratasy samy hafa ireo andinin-tsoratra masina: Isaia 14:3; Isaia 25:8; Isaia 28:16; Matio 11:28–30; 1 Korintiana 15:53–57; Helamàna 5:12. Omeo ny ankizy ny taratasy ary asao izy ireo hanoratra eo amin’ireo taratasy ireo ny fahamarinana nianaran’izy ireo avy tamin’ireo andininy ireo ary miaraha miasa mba hampifanaraka ireo andininy izay mampianatra fahamarinana mitovy. Araka ireo andininy ireo, dia inona avy ireo zavatra lehibe efa nataon’ny Tompo ho antsika?

  • Angataho ny ankizy hisafidy andian-teny iray avy ao amin’ny Isaia 14:3; na 25:8; na 28:16 izay mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo mba hanoratra ilay andian-teny eo amin’ny tapa-taratasy iray an’ny Mpamonjy ary hanao sarin’ny Mpamonjy izay azon’izy ireo haseho ao an-tranony.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hanoratra fanamarihana na hanao sary momba ny zavatra nianaran’izy ireo tao an-dakilasy androany. Amporisiho izy ireo hizara amin’ny fianakaviny na mpiara-mianatra iray izay tsy manatrika ny Kilonga androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Amboary ireo asa atao mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny ankizy manana fahasembanana. Ny fanamboarana kely amin’ny atrikasa atao dia afaka manome toky fa mianatra avokoa ny ankizy rehetra. Ohatra, raha toa ka mandroso hevitra ny asa atao iray hoe tokony hampiseho sary, dia azonao atao ny manao hira mba hampandraisana anjara koa ireo ankizy manana olana amin’ny fahitana.

Hamoaka printy