Testamenta Taloha 2022
26 septambra–2 ôktôbra. Isaiah 50–57: “Nitondra ny aretintsika Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”


“26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57: -Nitondra ny aretintsika Izy sady nivesatra ny fahoriantsika,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“26 septambra–2 ôktôbra. Isaia 50–57,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Kristy manao fehiloha tsilo ary narabirabian’ny miaramila

The Mocking of Christ (Ny fandrabirabiana an’i Kristy), nataon’i Carl Heinrich Bloch

26 septambra–2 ôktôbra

Isaia 50–57

“Nitondra ny aretintsika Izy sady nivesatra ny fahoriantsika”

Saintsaino ireo zava-baovao avy ao amin’ny Isaia 50–57 izay manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny asa fanompoana nataony dia niresaka mikasika ana mpanafaka lehibe i Isaia (jereo, ohatra, ny Isaia 9:3–7). Ireo faminaniana ireo dia mety ho sarobidy tokoa ho an’ireo Isiraelita taonjato taty aoriana rehefa babo tany Babylona izy ireo. Tena mpanafika lehibe izay olona afaka nandrodana ny mandan’i Babylona. Saingy tsy izay ilay karazana Mesia nofaritan’i Isaia ao amin’ny toko 52–53: “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy.… Isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahoriana” (Isaia 53:3–4). Nampianatra antsika mikasika ilay tena fanafahana Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fandefasana mpanafaka tsy nampoizina toy izany. Mba hamonjena antsika amin’ny tsindry hazo lena sy ny fampahoriana dia nalefan’ Andriamanitra ilay Iray izay, “ nampahoriana.” Raha nanantena liona ny olona sasany dia zanak’ondry no nalefany (jereo ny Isaia 53:7). Ny fihevitr’ Andriamanitra tokoa tsy fihevitsika (jereo ny Isaia 55:8–9). I Jesoa Kristy dia tsy hoe nanafaka antsika fotsiny tamin’ny alalan’ny fanokafana ny fonja fa tamin’ny alalan’ny fakana ny toerantsika tao koa. Nohamaivaniny ny gejan’ny rojon’ny fahoriantsika sy ny alahelontsika tamin’ny alalan’ny fitondran’ny tenany izany (jereo ny Isaia 53:4–5,12). Tsy mamonjy antsika avy any lavitra Izy. Miara-mijaly amintsika Izy, amin’ny alalan’ilay fihetsika feno “famindrampo mandrakizay” izay “tsy mba hiala aminao” (Isaia 54:8,10).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Isaia 50–52

Mamiratra ny hoavin’ny vahoakan’ny Tompo.

Na dia niaina tao anatin’ny fahababoana nandritra ny taona maro aza ireo Isiraelita, ary na dia vokatr’ireo safidy tsy mahasoa nataon’izy ireo aza izany fahababoana izany, dia tian’ny Tompo izy ireo hibanjina ny hoavy amim-panantenana. Inona avy ireo hafatra mitondra fanantenana hitanao ao amin’ny Isaia 50–52? Inona no ampianarin’ny Tompo antsika mikasika ny tenany ao amin’ireo toko ireo, ary nahoana no mitondra fanantenana ho anao izany? (jereo mba hahitana ohatra ny Isaia 50:2, 5–9; 51:3–8, 15–16; 52:3, 9–10).

Azonao atao koa ny manao lisitra ny zavatra rehetra ao anatin’ny toko 51–52 izay anasan’ny Tompo an’i Isiraely mba hataony mba hahatanteraka izany hoavy mifono fanantenana izany. Inona no tsapanao fa anasan’ny Tompo anao mba hataonao amin’ny alalan’ireo teny ireo? Ohatra, inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mifoha” sy ny hoe “mitafy hery”? (Isaia 51:9; jereo koa ny Isaia 52:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:7–10). Nahoana araka ny eritreritrao ilay fanasana mba “hihaino” no miverimberina matetika? (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89).

Jereo ny Môzià 12:20–24; 15:13–18; 3 Nefia 20:29–46.

Sary
sary sokitr’i Kristy milanja hazofijaliana

Because of Love (Noho ny fitiavana), nataon’i Angela Johnson mpanao sary sokitra

Isaia 53

Nentin’i Jesoa teo Aminy ny fahotako sy ny fahoriako.

Toko vitsy ihany no mamaritra amin’ny fomba kanto kokoa ny asa fanavotana nanirahana an’i Jesoa Kristy noho ny an’ny Isaia 53. Makà fotoana hisaintsainana ireo teny ireo. Isaky ny andininy tsirairay dia miatoa kely mba handinihina ny zavatra nozakain’ny Mpamonjy, ny “aretina,” sy “fahoriana,” ary “fahadisoana” nozakainy, ho an’ny olona rehetra ary indrindra ho anao. Ireo teny toy ny hoe “isika” sy “-ntsika” dia azonao soloina amin’ny “izaho” sy ny “-ko” rehefa mamaky ianao. Inona avy ireo fahatsapana sy eritreritra entin’ireo andininy ireo ao aminao? Hevero ny hanoratra azy ireny.

Azonao atao ny mamerina mamaky ny Môzià 14; 15:1–13 mba hahitana ny fomba nampiasan’ny mpaminany Abinadia ny tenin’i Isaia hampianarana momba ny Mpamonjy.

Isaia 54; 57:15–19

Tian’i Jesoa Kristy hiverina Aminy aho.

Isika rehetra dia miaina fotoana izay hahatsapatsika ho lavitra ny Tompo noho ireo fahotantsika na fahalementsika. Ny sasany dia tsy nanam-panantenana intsony hoe hahazo famelana avy Aminy izy ireo. Ny Isaia 54 sy 57 dia toko tena tsara vakina mba hahazoana toky indray sy fampaherezana mandritra ny fotoana toy izany. Inona no zavatra ianaranao momba ny famindrampon’ny Mpamonjy sy ny zavatra tsapany momba anao ao amin’ny Isaia 54:4–10; 57:15–19 indrindra indrindra? Inona no fiovana nentin’ny fahafantarana ireny zavatra momba Azy ireny teo amin’ny fiainanao?

Ahoana no fiantefan’ireo fitahiana voafaritra ao amin’ny Isaia 54:11–17 aminao?

Isaia 55–56

Asain’ny Tompo ny olona rehetra mba “hitana ny faneke[ny].”

Tao anatin’ny taranaka maro nifandimby dia fantatra tamin’ny hoe vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra i Isiraely. Na izany aza ny drafitr’ Andriamanitra dia tsy natokana ho an’ny firenena iray fotsiny, fa izay “rehetra … mangetaheta” dia asaina “[hankany] amin’ny rano” (Isaia 55:1). Tsarovy tsara izany rehefa mamaky ny Isaia 55 sy 56 ianao ary saintsaino ny dikan’ny hoe vahoakan’ Andriamanitra. Inona no hafatr’ Andriamanitra ho an’ireo izay mahatsapa ho “tsy ho isan’ny olony tokoa”? (Isaia 56:3). Hevero ny hanisy marika an’ireo toetra sy fihetsika mamaritra an’ireo izay “mitana ny fanekeko” (jereo ny Isaia 56:4–7).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Isaia 51–52.Eo am-piresahanareo mikasika ireo fanasan’ny Tompo ao anatin’ireo toko ireo dia afaka manasa ny olona ao amin’ny fianakaviana ianao mba hilalao izany an-tsehatra. Ohatra, manao ahoana izany hoe “mampiandrandra ho amin’ny lanitra ny maso,” “mifoha, mitsangana,” na “manintsana ny vovoka hiala amin’ny tenanao”? (Isaia 51:6,17; 52:2). Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo antsika momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

Isaia 52:9.Rehefa avy mamaky io andinin-tsoratra masina io dia afaka “miara-mihira” hira iray ao anatin’ny fihirana na hiran’ny ankizy izay mitondra fifaliana ho azy ireo ny fianakavianao. Inona amin’ireo fampanantenana ao amin’ny Isaia 52 no mahatonga antsika “[h]amelona ny hoby”?

Isaia 52:11; 55:7.Ireo andininy ireo dia afaka mitondra any amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny mety ho dikan’ilay teny hoe “Madiova”. Ao anatin’izany fifanakalozan-kevitra izany dia azonareo atao ny mijery ireo lohahevitra ao amin’ny Jeunes, soyez forts (kiboky 2011) na mamaky soratra masina mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fahadiovana ara-panahy (jereo ny 3 Nefia 12:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46).

Isaia 53.Mba hampidirana ny fanoritsoritan’i Isaia ny Mpamonjy, dia afaka miresaka mikasika ny fomba hanehoan’ireo tantara sy horonan-tsary ary ireo haino aman-jery hafa ireo olona be herimpo izay mamonjy olona ny fianakavianao. Azonao ampitahaina amin’ireo famaritana ny Mpamonjy izay vakinao ao amin’ny Isaia 53 ireo fanehoana ireo. Inona avy ireo karazana aretina sy fahoriana lanjain’ny Mpamonjy eo amin’ny toerantsika?

Isaia 55:8–9.Hafa toy ny ahoana ny fahitana ny zavatra rehefa avy eny ambony lavitra ny tany ianao? Midika inona aminao izany hoe ambony lavitra noho ny antsika ny lalan’ Andriamanitra sy ny fiheviny?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Mahagaga ahy,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 44.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mampiasà hira. Mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fomba mahery vaika ireo hira ao amin’ny fihirana. Hevero ny hihaino na hamaky hiran’ny fanasan’ny Tompo mba hanampiana anao hahatakatra ireo fahamarinana mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay nampianarina ao amin’ny Isaia 53. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22.)

Sary
sarin’i Kristy

His Light (Ny Fahazavany), nataon’i MichaelT. Malm

Hamoaka printy