Testamenta Taloha 2022
24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: “Ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”


“24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47: -Ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“24–30 ôktôbra. Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Jesoa mitarika ondry

Avia, hanaraka Ahy nataon’i Scott Summer

24–30 ôktôbra

Ezekiela 1–3; 33–34; 36–37; 47

“Ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo”

Nasaina mba “hihinana” ara-tsarin-teny ny tenin’ Andriamanitra i Ezekiela—mba ho vokin’izany izy (jereo ny Ezekiela 2:9–3:3,10). Ahoana no hamokisanao ny tenanao amin’ny tenin’ Andriamanitra amin’ity herinandro ity?

Raketo ireo zavatra tsapanao

I Ezekiela dia mpaminany natao sesitany. Voasambotra niaraka tamin’ny Isiraelita hafa izy ary nalefa tany Babylona taona maro talohan’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny farany. Tokony ho mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly i Ezekiela tao Jerosalema. Anisan’ireo “babo” tao Babylona izy ary dia “teo amin’izay nipetrahany” (Ezekiela 3:15), an-jato kilaometatra niala ny tempoly ary koa kely ny fanantenana mba hiverina any amin’ny tranon’ Andriamanitra nankamamiany. Ary avy eo, indray andro dia nahita fahitana i Ezekiela. Nahita “ny voninahitr’i Jehovah” izy (Ezekiela 1:28), tsy tany amin’ny tempoly tany Jerosalema fa tao Babylona kosa, teo anivon’ireo izay natao sesitany. Ny faharatsiana tao Jerosalema izay henony dia lasa tena nahery vaika, hany ka tsy tany intsony ny fanatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Ezekiela 8–11; 33:21).

Ny iray tamin’ireo andraikitr’i Ezekiela dia ny nampitandrina ny Isiraelita ny amin’ny vokatry ny fikomiany, fampitandremana izay tsy narahina an-kitsirano. Saingy mbola nifono zavatra hafa ny hafatr’i Ezekiela: naminany izy fa na dia niharatsy aza ny zava-nisy dia mbola nisy fomba hiverenana. Raha toa ka hanaiky ny fanasana “[hihaino] ny tenin’i Jehovah” ny vahoakan’ Andriamanitra (Ezekiela 37:4) dia ho azo velomina indray ny zavatra efa maty. Azo soloina “fo vaovao” ny “fo vato” (Ezekiela 36:26). “Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko,” hoy ny Tompo tamin’izy ireo, “dia ho velona ianareo” (Ezekiela 37:14). Ary amin’ny andro farany, ny Tompo dia hanorina tempoly vaovao sy Jerosalema vaovao, “ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay andro izay dia Jehovah no ao.” (Ezekiela 48:35).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Ezekiela 1–3

“Ary holazainao ny [teniko].”

Ny famakiana ny momba ny antson’i Ezekiela mba hanao asa fanompoana ao amin’ny Ezekiela 1–3 dia mety hanosika anao hieritreritra momba ireo fahafahana izay nomen’ Andriamanitra anao mba “[hilaza] ny teni[ny]” amin’ny hafa (Ezekiela 3:4). Ao amin’ny Ezekiela 2– 3, dia jereo tsara ireo teny fampaherezany sy torolalana nomeny ho an’i Ezekiela. Na dia mety tsy be fikomiana tahaka ireo vahoakan’i Ezekiela aza ny olona izay hanaovanao asa fanompoana dia diniho ny fiantraikan’ny tenin’ Andriamanitra tamin’i Ezekiela amin’ny fomba fahitanao ny asa fanompoana ataonao ao amin’ny Fiangonana, ao an-trano ary na aiza na aiza.

Jereo koa ny Ezekiela 33:1–9; D.Todd Christofferson, “Ny feo fampitandremana,” Liahona, mey 2017, 108–11.

Ezekiela 33:10–19

Te hamela heloka ny Tompo.

Raha “eto aminay ny … fahotanay,” hoy ireo Isiraelita babo nanontany tena, “dia nahoana no mbola velona izahay?” (Ezekiela 33:10). Ho setrin’izany dia nampianatra azy ireo fahamarinana manan-danja ny Tompo momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Ireto fanontaniana ireto dia mety hanampy anao hisaintsaina ireo fahamarinana ireo:

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mitoky amin’ny fahamarina[nao]”? (jereo ny Ezekiela 33:12–13).

  • Inona no holazainao amin’ny olona izay mahatsapa fa tsy rariny ny natao tamin’ireo olo-marina sy olon-dratsy voafariparitra ao amin’ny Ezekiela 33:12–19? (jereo koa ny Matio 21:28–31; Lioka 18:9–14).

  • Inona avy ireo andian-teny hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe mibebaka? Inona no hevi-baovao fanampiny hitanao ao amin’ny Ezekiela 36:26–27 sy Almà 7:14–16?

Ezekiela 34

Manasa ahy hamahana ny ondriny ny Tompo.

“Mpiandry ondry” no fiantson’ny Tompo ireo mpitarika ny vahoakany ao amin’ny Ezekiela 34. Rehefa mamaky ianao dia diniho ny tian’io anarana fiantso io holazaina aminao momba ny dikan’ny hoe mpitarika. Iza ireo “ondry” izay tian’ny Tompo hofahananao? Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra izay napetraky ny Mpamonjy amin’ny maha-mpiandry ondry antsika Azy? (jereo ny andininy 11–31).

Jereo ihany koa ny Jaona 21:15–17.

Sary
tany foana sy Ranomasina Maty

I Ezekiela dia nahita tao anatina fahitana ny renirano iray nikoriana avy tao amin’ny tempoly ka nanasitrana ny Ranomasina Maty.

Ezekiela 37

Manangona ny olony ny Tompo ary manome azy ireo fiainam-baovao.

Aseho amin’ny alalan’ny fanoharana anankiroa ao amin’ny Ezekiela 37 ny fanangonana an’i Isiraely. Rehefa mamaky ny voalohany ianao—taola-maina novelomina (jereo ny andininy 1–14)—dia saintsaino ny zavatra izay ianaranao momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafy roa amin’ny voaly (jereo ihany koa ny Ezekiela 36:24–30).

Ny tandindona faharoa (jereo ny andininy 15–28) dia ahitana tapa-kazo roa, izay adikan’ny mpandalina ho tabilao fanoratana vita amin’ny hazo nakambana tamin’ny zavatra iray. Ny tapa-kazon’i Joda dia maneho ny Baiboly (satria ny ankamaroany ao amin’ny Baiboly dia nosoratan’ny taranak’i Joda), ary ny tapa-kazon’i Josefa dia afaka maneho ny Bokin’i Môrmôna (satria ny fianakavian’i Lehia dia taranak’i Josefa avy ao Egypta). Raha miaraka amin’izany ao an-tsaina, dia inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny andraikitry ny soratra masina amin’ny fanangonana an’i Isiraely? Inona no fahatakarana vaovao azonao avy amin’ny 2 Nefia 3:11–13 (faminaniana iray momba an’i Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna)?

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 29:14;.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Ezekiela 33:1–5.Mba hanazavana kokoa momba ireo andininy ireo dia afaka mody manao hoe “mpitily” ny olona iray ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fitazanana avy eny amin’ny varavarankely ka miteny amin’ny ambiny ao amin’ny fianakaviana ny amin’ny zavatra izay mitranga ao ivelany. Ahoana no maha-toy ny mpitily ho antsika ny mpaminanintsika velona?

Ezekiela 33:15–16.Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny famelan-keloka izay azontsika raisina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy?

Ezekiela 36:26–27.Mampisehoa vato vitsivitsy amin’ny fianakavianao rehefa mifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe manana “fo vato” ianareo. Avelao izy ireo handroso teny izay mamaritra ny “fo vaovao” sy “fanahy vaovao” izay omen’ny Tompo antsika (jereo ny Môzià 3:19; 5:2).

Ezekiela 37:15–28.Afaka mitady tapa-kazo anankiroa ny olona ao amin’ny fianakaviana ary manoratra amin’ny iray hoe Ho an’i Joda (Baiboly) ary amin’ilay iray hafa hoe Ho an’i Josefa (Bokin’i Môrmôna) (jereo ny andininy 16–19). Aorian’izany dia afaka mizara tantarana soratra masina avy ao amin’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna izay manampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy izy ireo ary ho lasa “vahoaka[ny]” (andininy 23).

Ezekiela 47:1–12.Ireo andininy ireo dia manoritsoritra ny fahitan’i Ezekiela momba ny rano izay nikoriana avy tao amin’ny tempoly ka nanasitrana ny Ranomasina Maty, —ranomasina izay masira dia masira ka tsy ahafahan’ny trondro sy ny zava-maniry ho velona ao anatiny. Mety ho ankafizin’ny ankizy ny manao sary momba io fahitana io. Mety ho maneho inona ilay rano mikoriana avy tao amin’ny tempoly? (jereo ny horonan-tsary “And the River Will Grow,” ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no anampian’ny tempoly antsika mba ho sitrana? (jereo ny Ezekiela 47:8–9,11).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Au Berger elles sont chères,” Cantiques, no 142.

Manatsara ny fampianarantsika

Aza miezaka ny hampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny lesona. Mety tsy afaka hijery ireo fahamarinana tsirairay ao amin’ny Ezekiela miaraka amin’ny fianakavianao ianao. Mikatsaha fitarihana ara-panahy mba hisafidianana ny zavatra izay hifantohana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Sary
Sary maneho renirano mikoriana avy ao amin’ny tempoly

“Indro, nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin’ny tokonan’ny trano.… Ary ny zava-manan’aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan’ny ony tondraka dia ho velona” (Ezekiela 47:1,9). Sary nahazoana lalana avy amin’ny shutterstock.com.

Hamoaka printy