Testamenta Taloha 2022
10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: “Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”


“10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20: -Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“10–16 ôktôbra. Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
mpaminany miresaka amin’olona

Jeremiah (Jeremia), nataon’i Walter Rane

10–16 ôktôbra

Jeremia 1–3; 7; 16–18; 20

“Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro”

Nilaza ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ao amin’ny soratra masina no iray amin’ireo fomba hihainoako [ny Tompo]. Ny soratra masina no feon’ny Tompo noraketina mialoha” (“‘Hear Him’ in Your Heart and in Your Mind,” ChurchofJesusChrist.org).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny voalohany dia tsy nihevitra i Jeremia fa ho afaka ny ho lasa mpaminany tsara izy. “Indro, tsy mahay mandaha-teny aho,” izany no navaliny rehefa niantso azy voalohany ny Tompo (Jeremia 1:6). Nanome toky azy ny Tompo hoe, “efa nataoko ao am-bavanao ny teniko” (andininy faha-9). Nahatsapa i Jeremia fa izy dia “zaza” tsy ampy traikefa (andininy faha-6), saingy nanazava ny Tompo fa izy dia efa niomana tsara mihoatra ny fahafantarany izany, efa notendrena ho amin’izany antso izany izy talohan’ny, nahaterahany (jereo ny andininy faha-5). Noho izany dia nesorin’i Jeremia ny tahony ary nekeny ilay antso. Nampitandrina ireo mpanjaka sy ireo mpisoron’i Jerosalema izy fa ny fodian’izy ireo ho masina dia tsy hanavotra azy ireo amin’ny faharavana. Ilay “zaza” izay nihevitra fa tsy afaka hiteny dia nahatsapa ny tenin’ Andriamanitra “tonga toy ny afo mirehitra [t]ao am-po[ny]” ka tsy azo nhampanginina (Jeremia 20:9).

Tantarantsika ihany koa ny tantaran’i Jeremia. Fantatr’ Andriamanitra ihany koa isika, talohan’ny nahaterahantsika ka nanomana antsika Izy mba hanao ny asany ety an-tany. Ankoatra ireo zavatra hafa, izany asa izany dia ahitana zavatra iray izay efa hitan’i Jeremia mialoha: dia ny manangona ny vahoakan’ Andriamanitra, tsirairay, mba “ho enti[na] ho any Ziona” (Jeremia 3:14). Ary na dia tsy fantatsika mazava tsara aza ny zavatra izay tokony hataontsika na hotenenintsika, isika dia “[tsy tokony h]atahotra…; fa momba anao Aho… hoy Jehovah” (Jeremia 1:8,19).

Raha hanao topimaso ny bokin’i Jeremia, dia jereo ny “Jeremia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jeremia 1:4–19; 7:1–7; 20:8–10

Nantsoina ireo mpaminany mba hilaza ny tenin’ny Tompo.

Eo am-pamakianao ny Jeremia 1:4–19 momba ny antson’i Jeremia mba ho mpaminany dia saintsaino ny anjara toeran’ireo mpaminany eo amin’ny fiainanao. Inona no ianaranao momba ny mpaminany avy amin’ireo tenin’ny Tompo ho an’i Jeremia? (jereo koa ny Jeremia 7:1–7). Matetika no nolavina ny fitorian’i Jeremia (jereo ny Jeremia 20:8,10). Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Jeremia ao amin’ny Jeremia 20:9? Ataovy ao an-tsaina hatrany ireo teny ireo mandritra ny fandalinanao ny fampianaran’i Jeremia. Inona no hitanao ao amin’ireo fampianarana ireo izay mitaona anao hanaraka ny tenin’ireo mpaminanintsika amin’ny andro farany?

Jeremia 1:5

Fantatry ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahaterahako.

Fantatr’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahany i Jeremia ary efa nofinidiny, na notendreny izy, mba hanatontosa iraka iray manokana eto an-tany (jereo ny Jeremia 1:5). Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’i Jeremia ny nahafantatra izany?

Ianao ihany koa dia efa fantatr’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahanao ary efa notendreny mba hanao andraikitra manokana (jereo ny Almà 13:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–56; Abrahama 3:22–23). Inona no fiovana mety ho entin’io fahalalana io eo amin’ny fiainanao? Raha efa nandray ny tsodranon’ny patriarika ianao dia afaka mamerina mijery izany amim-bavaka ary manontany an’ Andriamanitra ny fomba hanatontosana ny zavatra izay efa nanendreny anao mba hataonao.

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanendrena mialoha,” “Fiainana talohan’ny nahaterahana,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
olona mijoro eo amina lavaka fitehirizan-drano taloha

Nampiasa lavaka fitehirizan-drano ny vahoakan’i Isiraely fahiny mba hitehirizana rano sarobidy.

Jeremia 2; 7

“Efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy.”

Ny olona ao amin’ny faritra ngazana izay nipetrahan’ireo Isiraelita dia nitahiry rano sarobidy tao amina lavaka famorian-drano ambany tany. Nahoana no tsaratsara kokoa ny mahazo rano avy amin’ny loharano toy izay miantehitra amina lavaka famorian-drano? Inona no dikan’ny hoe mahafoy ny “loharanon’aina”? Inona araka ny eritreritrao no mety ho tandindon’ireo “lavaka mitriatriatra” izay voalaza ao amin’ny Jeremia 2:13? Eo am-pamakianao ny Jeremia 2 sy ny 7, dia jereo tsara fa ireo vahoaka dia nandao ny loharano velona ao amin’ny Tompo ary eritrereto ny fomba fandraisanao rano velona eo amin’ny fiainanao.

Ny Jeremia 7 dia natao ho an’ireo izay miditra ny “vavahadin’ny tranon’i Jehovah… mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah” (Jeremia 7:2). Kanefa na dia eo aza io fahazotoana mitsaoka hita ety ivelany io, izy ireo dia meloka amin’ny faharatsiana izaitsizy (jereo ny andininy 2–11). Inona no hafatra tsapanao fa atolotry ny Tompo ho anao ao amin’ny andininy 21–23?

Jeremia 3:14–18; 16:14–21

Hanangona ny vahoakany ny Tompo.

Rehefa naminany ny amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay niely patrana i Jeremia dia nilaza fa ho goavana kokoa noho ny fifindrana avy tany Egypta izany (jereo ny Jeremia 16:14–15). Torak’izany koa, ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe: “Nalefa tety an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra … mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany [fanangonana izany] eto amin’ity tany ity amin’izao fotoana izao. … Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo” (Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], fanampin-dahatsoratra ao amin’ny New Era sy Ensign, 12 Aog. 2018, ChurchofJesusChrist.org).

Rehefa mandalina ny Jeremia 3:14–18; 16:14–21 ianao dia inona no manentana anao momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany? Inona no lazain’ireo andininy ireo mikasika ny fitrangan’izany fanangonana izany? Hevi-baovao fanampiny inona no hitanao ao amin’ny ambin’ny hafatry ny Filoha Nelson izay voalaza tetsy ambony?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jeremia 1:5.Afaka mampiasa io andininy io mba hiresahana momba ny fiainantsika niaraka tamin’ny Ray any An-danitra talohan’ny nahaterahantsika ianao. Afaka manampy ny loharano toy ny “Taloha aho dia niaina tany an-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 140) sy ny “Teny fanolorana: Ny drafitry ny Ray any An-danitra” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, 1–5). Inona no fiantraikan’ny fahafantarantsika momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana amin’ny fomba fiainantsika ety an-tany ?

Jeremia 2:13; 17:13–14.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahazo sary an-tsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo dia azonao atao ny mampiseho ny zava-mitranga rehefa mampiditra rano ao anatina fitoeran-javatra izay misy vaky na simba ianao. Maneho inona “ilay loharanon’aina” sy ilay “lavaka mitriatriatra”? (Jeremia 2:13). Ahoana no fomba hisotroantsika avy amin’ny loharanon’aina an’ny Tompo?

Jeremia 16:16.Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitaha ireo mpamintana sy mpihaza ao amin’ireo andininy ireo amin’ny misiônera amin’ny andro farany (jereo ny “The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, Nov. 2006, 81). Afaka “mihaza” zavatra manodidina ny tranonao ny olona ao amin’ny fianakaviana ary miresaka momba ny fomba ahafahanareo manampy amin’ny “fanjonoana” sy “fihazana” an’i Isiraely miely patrana.

Jeremia 18:1–6.Mba hamakafakana ireo andininy ireo dia afaka mifanakalo hevitra na mampiseho ny fomba fanamboarana zavatra avy amin’ny tanimanga ianao. Inona no hafatra omen’ny Tompo an’i Isiraely ao amin’ny Jeremia 18:1–6? Inona no dikan’ny hoe tanimanga eo an-tanan’ny Tompo? (jereo koa ny Isaia 64:8). Raha hijery ohatra hafa izay mampitaha antsika amin’ny tanimangan’ny mpanefy tanimanga dia jereo ny Loholona Richard J. Maynes, “Ny fifaliana avy amin’ny fananana fiainana mifantoka amin’i Kristy” (Liahona, nôv. 2015, 27–30).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Israel ton Dieu t’appelle,” Cantiques,no. 6.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara. Matetika ny Mpamonjy no nampianatra tamin’ny alalan’ny fampiasana tantara. Mieritrereta tantara teo amin’ny fiainanao manokana izay afaka mamelombelona ny fitsipiky ny filazantsara iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22.)

Sary
tanimanga eo amin’ny kodiaran’ny mpanefy tanimanga

“Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’ Isiraely” (Jeremia 18:6).

Hamoaka printy