Testamenta Taloha 2022
17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3: “Hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany”


“17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3: -Hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“17–23 ôktôbra. Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022

Sary
ny mpaminany Jeremia natao sokitra

The Cry of Jeremiah the Prophet (Antso nataon’i Jeremia Mpaminany), avy amin’ny sokitra iray nataon’ny Sekoly Nazareana

17–23 ôktôbra

Jeremia 30–33; 36; Fitomaniana 1; 3

“Hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany”

Rehefa mirakitra ireo zavatra tsapanao ianao dia eritrereto ny fifandraisan’ireo fitsipika ao amin’ny Jeremia sy ny Fitomaniana amin’ireo zavatra nianaranao hafa ao amin’ny Testamenta Taloha.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa niantso vao voalohany an’i Jeremia mba ho mpaminany ny Tompo dia nolazainy taminy fa ny asa hanirahana azy dia ny “hanongotra sy hanjera” (Jeremia 1:10), ary feno faharatsiana ilaina hongotana sy hazera tany Jerosalema. Saingy ampahany tamin’ny asa nanirahana an’i Jeremia ihany izany fa izy koa dia voantso mba “hanorina sy hamboly” (Jeremia 1:10). Inona no azo aorina sy volena ao amin’ilay toerana rava sy mahonena navelan’ireo niady tamin’i Isiraely? Tahaka izany koa, rehefa namela faharavana teo amin’ny fiainantsika ny fahotana sy ny fahoriana, dia ahoana no ahafahantsika manorina sy mamboly indray? Ny valiny dia hita ao amin’ny “Rantsana marina” (Jeremia 33:15), ilay Mesia nampantenaina. Mitondra “fanekena vaovao” (Jeremia 31:31) ny Mesia, izay fanekena mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fanoloran-tena tsotsotra na fahafoizan-tena hita soritsoritra ety ivelany fotsiny. Ny lalàny dia tsy maintsy “hatao ao an-tsain[tsika],” sy voasoratra “ao am-pon[tsika].” Izany ho an’ny Tompo no tena dikan’ny hoe “Andriamani[tsika]” Izy ary izany ho antsika no tena dikan’ny hoe “olo[ny]” isika (Jeremia 31:33). Dingana arahina mandritra ny fiainana izany ary mbola hanao fahadisoana isika sy hanana antony hitomaniana indraindray. Saingy rehefa mitranga amintsika izany dia manana ity fampanantenana avy amin’ny Tompo ity isika: “Hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany” (Jeremia 31:13).

Raha hanao topimaso ny Fitomaniana dia jereo ny “Fitomaniana, Bokin’ny” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jeremia 30–31; 33

Hanafaka an’i Isiraely amin’ny fahababoana ny Tompo ary hanangona azy ireo.

Ao amin’ny Jeremia 30–31; 33 dia naneho ny fahafantarany ny “fidradradradrana sy fitomaniana fatratra,” (Jeremiah 31:15) izay niainan’ireo Isiraelita rehefa nobaboina ny Tompo. Na izany aza dia nanolotra teny fampaherezana sy mifono fanantenana Izy. Inona avy ireo andian-teny ao amin’ireo toko ireo araka ny eritreritrao izay ho nanome fampiononana sy fanantenana an’ireo Isiraelita? Inona avy ireo fampanantenana hitanao avy amin’ny Tompo ho an’ireo olony? Ahoana no mety ho fiantefan’ireo fampanantenana ireo aminao amin’izao fotoana izao?

Jeremia 31:31–34; 32:37–42

“Izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.”

Na dia tsy nanaja ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo aza ireo Isiraelita, dia naminany i Jeremia fa hanorina indray “fanekena vaovao” sy “fanekena mandrakizay” amin’ny olony Izy (Jeremia 31:31; 32:40). Ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay dia “ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:2]. Vaovao izy isaky ny ampahafantarina indray aorian’ny fotoana iray nisian’ny apôstazia. Maharitra mandrakizay izy noho izy fanekempihavanan’ Andriamanitra sady nisy tamin’ny fotoampitantanan’ny filazantsara rehetra isaky ny nanaiky handray azy ny olona” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; nampiana fanamafisana).

Eo am-pamakianao ny Jeremia 31:31–34; 32:37–42, dia saintsaino ny dikan’ny hoe anisan’ny ao anatin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra ho anao. Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo eo amin’ny fomba fijerinao ny fifandraisana mifono fanekempihavanana eo aminao sy Andriamanitra? Inona no dikan’ny hoe manana ny lalàny voasoratra ao am-ponao? (jereo ny Jeremia 31:33).

Jereo koa ny Jeremia 24:7; Hebreo 8:6–12.

Sary
zazavavy iray mandalina ny soratra masina

Afaka manosika antsika hibebaka sy hitodika any amin’ny Tompo ny soratra masina.

Jeremia 36

Manana ny hery hampanalavirana ahy amin’ny ratsy ny soratra masina.

Nodidin’ny Tompo i Jeremia hirakitra ireo faminaniany eo amin’ny “horonan-taratasy,” ary nanazava fa raha hihaino ireo faminaniana ireo ny olona dia, “angamba … samy hiala amin’ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany” (Jeremia 36:2–3). Rehefa mamaky ny Jeremia 36 ianao, dia hevero ny handinika ny zavatra tsapan’ireto olona manaraka ireto mikasika ireo faminaniana ireo:

Ny Tompo:

Jeremia:

Baroka:

Jehody sy ny mpanjaka Joiakima:

Elnatana, Delaia, ary Gemaria:

Saintsaino ny zavatra tsapanao momba ny soratra masina sy ny anjara asany eo amin’ny fiainanao. Ahoana no fomba nanampian’izany anao mba hanalavitra ny ratsy?

Jereo ihany koa Julie B. Beck, “Mon âme fait ses délices des Ecritures,” Liahona, mai 2004, 107–9.

Fitomaniana 1; 3

Afaka manamaivana ny alahelo mianjady amintsika noho ny fahotana ny Tompo.

Ny bokin’ny Fitomaniana dia amboaran-tononkalo nosoratana taorian’ny faharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny nitehirizana ireo fitomaniana ireo sy ny nampidirana azy ireo tao anatin’ny Testamenta Taloha? Diniho izay zavatra anampian’ireo fanoharana ao amin’ny Fitomaniana 1 sy 3 anao mba hahatakatra ilay alahelo lehibe tsapan’i Isiraely. Inona avy ireo hafatra mitondra fanantenana ao amin’i Kristy hitanao? (jereo indrindra indrindra ny Fitomaniana 3:20–33; jereo koa ny Matio 5:4; Jakoba 4:8–10; Almà 36:17–20).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jeremia 31:3.Ahoana no fomba nanehoan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny “fitiavan’[Izy Ireo] mandrakizay” antsika? Ny fampisehoana ny sarin’ireo zavatra noforonin’i Kristy ho antsika na noforoniny nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia afaka manampy ny fianakavianao mba hahatsapa ny “famindrampo[ny].”

Jeremia 31:31–34; 32:38–41.Hevero ny hanao lisitra ireo zavatra ao anatin’ireo andininy ireo izay nampantenain’ny Tompo rehefa manao fanekempihavanana Aminy isika. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny maha-zava-dehibe ny fanekempihavanantsika?

Ireo olona ao amin’ny fianakaviana koa dia afaka manoratra (na manao sary) eo amin’ny taratasy miendrika sarina fo izay mampiseho ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy. Inona no dikan’ny hoe manana ny lalàny voasoratra ao am-ponao? (jereo ny Jeremia 31:33). Ahoana no fomba hampisehoantsika ny Tompo fa te ho olony isika?

Jeremia 36.Ahoana no mety hampiasanao ny Jeremia 36 mba hanampiana ny fianakavianao hianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny soratra masina? (jereo mba hahitana ohatra ny, andininy 1–6, 10, 23–24, 27–28,32). Azonao atao ny mangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hamaky andininy iray avy amin’io toko io ary olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana mba handray an-tsoratra izany, toy ny nataon’i Baroka tamin’i Jeremia. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny ezaka nataon’ny olona tahaka an’i Baroka, izay nitahiry ny tenin’ireo mpaminany? Inona no azontsika atao mba hampisehoana ny Tompo fa manome lanja ny teniny ao amin’ny soratra masina isika?

Fitomaniana 3:1–17, 21–25, 31–32.Azo iarahan’ny fianakaviana resahina ny fifandraisan’ireo fahatsapana nolazaina ao amin’ny Fitomaniana 3:1–17 amin’ireo fahatsapana ananantsika rehefa manota isika. Afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ireo hafatra ao amin’ny andininy 21–25, 31–32?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 42.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mikatsaha fanambarana. Rehefa misaintsaina ao anatin’ny tontolo andro ianao dia afaka mahazo fanampiana sy fahatsapana fanampiny mikasika ireo soratra masina nohalalininao. Aza eritreretina ho toy ny zavatra anokananao fotoana ny fandalinana ny filazantsara fa ho toy ny zavatra ataonao foana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 32.)

Sary
Lehilahy iray ao anaty zohy malahelo raha nirehitra ny tanàna any ivelany.

Jeremiah Lamenting the Destruction of Jerusalem [I Jeremia mitomany amin’ny faharavan’i Jerosalema], nataon’i Rembrandt van Rijn

Hamoaka printy