Testamenta Taloha 2022
3–9 ôktôbra. Isaia 58–66: “Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona”


“3–9 ôktôbra. Isaia 58–66: -Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“3–9 ôktôbra. Isaia 58–66,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Jesoa mampianatra ao amin’ny synagôga

Jesus in the Synagogue at Nazareth (I Jesoa ao amin’ny synagôga ao Nazareta), nataon’i Greg K. Olsen

3–9 ôktôbra

Isaia 58–66

“Hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona”

Rehefa mandalina ny Isaia 58–66 ianao dia diniho ny fomba hitondran’ny tenin’i Isaia fifaliana sy fanantenana aminao ho an’ny hoavy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tany am-piandohan’ny asa fanompoany teto an-tany dia nitsidika sinagoga tao Nazareta, ilay tanàna nitaizana Azy, i Jesoa Kristy. Tao Izy no nitsangana hamaky avy tao amin’ny soratra masina, nanokatra ny bokin’i Isaia ary namaky izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe Isaia 61:1–2. Ary avy eo dia nanambara Izy hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.” Ity dia iray amin’ireo fanambarana mivantana nataon’ny Mpamonjy fa Izy no Ilay Voahosotra, izay “hanasitrana ny malahelo” ary “hitory fandefasana amin’ny mpifatotra” (jereo ny Lioka 4:16–21). Tena tanteraka tokoa izany soratra masina izany tamin’izany andro izany. Ary, toy ny faminaniana maro hafa an’i Isaia, dia mbola tanteraka hatrany izany amin’izao androntsika izao. Mbola manohy manasitrana ireo maratra am-po rehetra izay manatona Azy ny Mpamonjy. Saingy mbola maro ireo olona mpifatotra izay mila hitoriana ny fanavotana. Ary misy hoavy be voninahitra izay tokony hiomanana, fotoana iray izay hamoronan’ny Tompo “lanitra vaovao sy tany vaovao” (Isaia 65:17) ary “fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.” (Isaia 61:11). Ny famakiana an’i Isaia dia mampisokatra ny masontsika amin’izay efa nataon’ny Tompo, izay ataony ary izay mbola hataony ho an’ny olony.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Isaia 58:3–12

Mitondra fitahiana ny fifadian-kanina.

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia milaza fa ho an’ny maro tamin’ireo Isiraelita fahiny, ny fifadian-kanina dia enta-mavesatra kokoa fa tsy fitahiana. Maro amintsika no mahatsapa toy izany indraindray. Raha te hanome lanjany kokoa sy hanisy tanjona ny fifadian-kanina ataonao ianao dia vakio ny Isaia 58:3–12 mba hahitana ny valintenin’ny Tompo amin’ilay fanontaniana hoe “Nahoana isika no mifady hanina?” Raha miainga avy amin’ny zavatra niainanao dia amin’ny fomba ahoana no “hamaha[n’ny fifadian-kanina] ny famatoran’ny faharatsiana” sy “hanabora[hany] ny fehin’ny zioga”? (Isaia 58:6). Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fifadian-kanina ny fitahiana voafaritra ao amin’ny Isaia 58: 8–12 taminao? Inona no fiantraikan’ny Isaia 58:3–12 tamin’ny fomba fieritreretanao ny momba ny fifadian-kanina?

Ao amin’ny hafatra “Tsy izao va no fifadian-kanina izay ankasitrahako?” (Liahona, mey 2015, 22–25), ny Filoha Henry B. Eyring dia nizara ohatra maromaro momba ny nahazoan’ny olona fitahiana tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny fanatitry ny fifadian-kanina. Ahoana no fomba nahitanao fitahiana toy izany teo amin’ny fiainanao?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fifadian-kanina sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina,” (topics.ChurchofJesusChrist.org).

Isaia 59:9–21; 61:1–3; 63:1–9

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra ahy.

Hahita soratra masina maro miresaka momba ny asa fanavotana nataon’i Jesoa Kristy ianao ao amin’ny Isaia 58–66. Ireto misy ohatra vitsivitsy miaraka amin’ny fanontaniana vitsivitsy izay hanampy anao hisaintsaina momba azy ireo.

  • Isaia 59:9–21. Ahoana no hamintinanao ny toetoetra ara-panahin’ireo olona izay voafaritra ao amin’ny andininy faha 9–15? Inona no manaitra anao momba ny famaritana ny “mpanalalana” ao amin’ny andininy faha 16–21 ary ny fanekempihavanana izay ataony amin’ireo izay mitodika Aminy.

  • Isaia 61:1–3. Ahoana no efa nitahian’i Jesoa Kristy anao tamin’ny alalan’ireo fomba voafaritra ao amin’ireo andininy ireo? Inona no “teny soa mahafaly” izay nentiny taminao? Ahoana no nanomezany anao namama ho solon’ny lavenona?

  • Isaia 63:7–9. Inona avy ireo “famindrampon’i Jehovah” izay azonao lazaina? Fahatsapana manao ahoana ho an’ny Mpamonjy no entin’ireo andininy ireo ao am-ponao?

Inona ireo soratra masina hafa momba ny Mpamonjy izay hitanao ao amin’ny Isaia 58–66?

Jereo koa ny Môzià 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–53.

Sary
vehivavy mandrehitra jiro misy diloilo vita amin’ny tanimanga izay tazonin’ny lehilahy iray

“Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay” (Isaia 60:19). A Gift of Light (fanomezana fahazavana), nataon’i Eva Timothy

Isaia 60; 62

“Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay.”

Ny Isaia 60 sy ny 62 dia miresaka momba ana fahazavana sy haizina, maso sy fahitana, mba hampianarana momba ny hitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy an’izao tontolo izao amin’ny andro farany. Tadiavo ireo hevi-dehibe ireo, indrindra ao amin’ny Isaia 60:1–5, 19–20; 62:1–2. Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia saintsaino ny fomba anangonan’ Andriamanitra ireo zanany avy ao amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana. Inona no anjara asanao ao amin’io asa io?

Jereo koa ny 1 Nefia 22:3–12; 3 Nefia 18:24; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:9; Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,”Liahona, mey 2020, 78–80.

Isaia 64:1–5; 65:17–25; 66

Hanjaka eto an-tany mandritra ny Arivotaona i Kristy.

Niresaka momba ny andro iray izay “[hanadinoana] ny fahoriana taloha” i Isaia (Isaia 65:16). Na dia manana fahatanterahana maro aza io faminaniana io amin’ny lafiny feno dia mbola ho avy io andro io—izay hiverenan’i Jesoa Kristy ety an-tany ary hanorenana vanim-potoana hanjakan’ny fandriampahalemana sy fahamarinana antsoina hoe ny Arivotaona. Namaritra io andro hoavy io i Isaia ao amin’ny Isaia 64:1–5; 65:17–25; 66. Jereo hoe impiry Izy no nampiasa ny teny toa ny hoe “mifaly” sy “ho faly.” Saintsaino hoe nahoana ny fiverenan’ny Mpamonjy no ho andro feno fifaliana ho anao. Inona no azonao atao mba hiomanana ho amin’ny fiverenany?

Jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:10; Russell M. Nelson, “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,” Ensign, Apr. 2020, 13–17

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Isaia 58:3–11.Mety afaka hahatakatra kokoa ny hafatr’i Isaia momba ny fifadian-kanina ny olona ao amin’ny fianakaviana raha toa izy ireo ka milalao an-tsehatra ilay karazana fifadian-kanina izay voafaritra ao amin’ny Isaia 58:3–5 sy ny fomba fifadian-kanina voafaritra ao amin’ny Isaia 58:6–8. Ahoana no ahafahantsika manao ny fifadian-kanina izay ataontsika hitovy kokoa amin’ny “fifadian-kanina izay [nofidian’ Andriamanitra]”? Inona no fitahiana efa hitantsika avy tamin’ny fifadian-kanina?

Isaia 58:13–14.Inona no maha-samy hafa ny “manao izay tian[tsika]” sy “miravoravo…amin’i Jehovah” amin’ny andro Sabata? Ahoana no ahafahantsika manao ny Sabata ho “fahafinaretana”?

Isaia 60:1–5.Rehefa mamaky ny Isaia 60:1–3 ianao dia afaka mandrehitra jiro iray ny olona ao amin’ny fianakaviana rehefa manonona ny hazavana ny andinin-tsoratra masina ary mamono izany rehefa manonona ny haizina ny andinin-tsoratra masina. Ahoana no maha-toy ny fahazavana ho antsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona no hitan’i Isaia mialoha fa hitranga rehefa mizara ny fahazavan’ny filazantsara ny vahoakan’ Andriamanitra? (jereo ny Isaia 60:3–5).

Isaia 61:1–3.Ahoana no nanatanterahan’ny Mpamonjy ny faminanian’i Isaia ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo? Azonao atao ny manasa ny mpikambana ao amin’ny fianakaviana mba hitady sarin’ny Mpamonjy izay tsapan’izy ireo fa maneho ireo endriky ny asa nanirahana Azy (ireo sary dia mety hita ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Afaka mihira hira iray momba ny fitahian’ny Mpamonjy antsika ianareo, toy ny “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba ho hiraina: “Raha ho avy indray Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 82–83.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Omano ny toerana ianarana. Mety hisy fiantraikany amin’ny fahafahantsika hianatra ny manodidina antsika. Mitadiava toerana iray mba handalinana ny soratra masina izay ahafahanao mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 15.)

Sary
I Jesoa eny amin’ny lanitra

“Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao”(Isaia 60:1). Light and Life (Fahazavana sy fiainana), nataon’i Mark Mabry

Hamoaka printy