“01–07 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42: -Mbola hanantena Azy ihany aho-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“01–07 aogositra. Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
01–07 aogositra
Joba 1–3; 12–14; 19; 21–24; 38–40; 42
“Mbola hanantena Azy ihany aho”
Rehefa mamaky momba an’i Joba ianao dia hitarika anao ny Fanahy mba hahafantatra fahamarinana hanan-danja aminao. Soraty ny zavatra hitanao, ary saintsaino ny fomba iharan’ireo fahamarinana ireo aminao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Tsy mahagaga ny fanontaniana hoe nahoana no misy zavatra ratsy mitranga amin’ny olona tsara, ary tsy mahagaga toy izany koa ny manontany hoe nahoana no misy zavatra tsara mitranga amin’ny olona ratsy. Fa nahoana Andriamanitra, izay marina, no mamela izany hisy? Voadinika amin’ny alalan’ny zavatra niainan’i Joba ny fanontaniana tahaka ireo, i Joba izay isan’ireo olona tsara nitrangan’ny zavatra ratsy. Noho ireo fitsapana nanjo an’i Joba dia nanontany tena ireo namany raha tena olona tsara marina izy. Nanambara ny fahamarinany manokana i Joba ary nanontany tena raha tena manao ny rariny tokoa Andriamanitra. Saingy na dia teo aza ny fijaliany sy ny fametrahany fanontaniana, dia nihazona ny fahamarinany sy ny finoany an’i Jesoa Kristy i Joba. Ao amin’ny bokin’i Joba dia hametrahana fisalasalana sy sedraina ny finoana, saingy tsy tena hafoy tanteraka izany mihitsy. Tsy midika akory izany fa voavaly daholo ireo fanontaniana. Fa ny bokin’i Joba kosa dia mampianatra fa mandra-pamaly ireo fanontaniana ireo, dia mifanjohy eny foana ny fanontaniana sy ny finoana, ary na inona na inona mitranga eny antsefantsefany eny, dia afaka milaza izao momba ny Tompontsika isika hoe: “Mbola hanantena Azy ihany aho” (Joba 13:15).
Raha hanao topimaso ny bokin’i Joba dia jereo ny “Joba” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Afaka manampy ahy hijanona ho mahatoky ao anatin’ny toe-javatra misy rehetra ny fatokiako ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ireo toko voalohany ao amin’ny bokin’i Joba dia natao hanamafisana ny anjara asan’i Satana ilay fahavalontsika na mpiampanga antsika, fa tsy natao hamariparitana ny fomba ifandraisan’ Andriamanitra sy Satana marina. Rehefa mamaky ny zavatra nambaran’i Satana momba an’i Joba ianao (jereo ny Joba 1:9–11; 2:4–5), dia mety hisaintsaina raha toa ka azo ambara mahakasika anao koa izany zavatra izany. Mety hanontany tena ianao hoe: Fa inona no antony hijanonako ho mahatoky amin’ Andriamanitra? Saintsaino ireo fitsapana nomena an’i joba sy ny fihetsika nasetriny izany (jereo ny Joba 1:20–22; 2:9–10). Inona no ianaranao avy aminy ka mety hanampy anao amin’izay tokony ho fihetsikao manoloana ireo olana sedrainao?
Na dia niezaka nijanona ho mahatoky aza i Joba dia nitohy ireo fitsapana sy fijaliana nahazo azy (jereo ny fitarainany ao amin’ny toko 3). Raha ny marina dia toa nihamafy ny fijaliany, ary nilaza ireo namany fa nanafay azy Andriamanitra (jereo ny Joba 4–5; 8; 11). Eo am-pamakianao ny ampahany amin’ny valin-tenin’i Joba ao amin’ny toko 12–13, dia diniho ny zavatra fantatr’i Joba momba an’ Andriamanitra izay namela azy hanohy hatoky, na dia teo aza ny fijaliany sy ireo fanontaniany tsy voavaly. Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra ka manampy anao hiatrika ireo olanao? Ahoana no nahatonga anao nahalala ireo fahamarinana ireo, ary ahoana no nampatanjahan’izany ny finoanao?
I Jesoa Kristy no Mpanavotra ahy.
Indraindray ireo fahamarinana manan-danja indrindra no ambara amintsika ao anatin’ny fahoriantsika lalina. Saintsaino ny fitsapana nahazo an’i Joba izay fariparitana ao amin’ny Joba 19:1–22 sy ireo fahamarinana nambarany ao amin’ny Joba 19:23–27. Dia saintsaino avy eo ny fomba ahafantaranao fa velona ny Mpanavotra anao. Manova inona io fahalalana io rehefa misy fitsapana sarotra manjo anao?
Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–12; 122.
“Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.”
Rehefa mamaky misimisy kokoa momba ilay adihevitra teo amin’i Joba sy ireo namany momba ny antony nahatonga ny fijalian’i Joba ianao, dia mety hisaintsaina ny fomba hamalianao ilay fanontaniana ivon’ny adihevitr’izy ireo hoe: “Nahoana ny olo-marina indraindray no mijaly ary nahoana ny ratsy fanahy indraindray no tsy mahazo famaizana? Eritrereto izany eo am-pamakianao ny Joba 21–24. Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny izay afaka hanampy amin’ny fanomezana valin-teny? Jereo ohatra ny 2 Nefia 2:11–13; Môzià 23:21–23; 24:10–16; Abrahama 3:22–26; Dallin H. Oaks, “Fifanoherana amin’ny zava-drehetra,” Liahona, mey 2016, 114–17.
Jereo koa ny L. Todd Budge, “Fitokiana tsy tapaka sy tsy mety lefy,” Liahona, nôv. 2019, 47–49.
Lehibe noho ny ahy ny fomba fijerin’ Andriamanitra.
Rehefa diso fanantenana tamin’ny fiampangan’ireo namany i Joba (jereo ny Joba 16:1–5; 19:1–3), dia namerimberina nivavaka tamin’ Andriamanitra izy hitady fanazavana momba ny fijaliany (jereo ny Joba 19:6–7; 23:1–9; 31). Nanao fanamarihana ny Loholona Neal A. Maxwell fa “rehefa diso tsy manam-paharetana amin’ny fotoana napetraky ny Andriamanitra iray mahalala ny zavatra rehetra isika,” tahaka ny fahitantsika an’i Joba, dia “tena miteny ankolaka isika fa isika no mahalala izay tsara indrindra. Hafahafa e? Isika izay mampiasa famantaranandro indray no mitady ny hanoro hevitra Azy izay mitantana ny fotoana rehetra” (“Hope through the Atonement of Jesus Christ,” Ensign, Nov. 1998, 63). Saintsaino ireo teny ireo eo am-pamakianao ny valin-teny nomen’ Andriamanitra an’i Joba ao amin’ny toko 38 sy 40. Inona avy ireo fahamarinana nampianariny an’i Joba? Nahoana no manan-danja ho antsika ny mahafantatra ireo fahamarinana ireo rehefa mitolona ao anatin’ny fahoriana sy ireo fanontaniana eto amin’ny fiainana an-tany isika? Inona no manaitra anao amin’ny valin-tenin’i Joba ao amin’ny Joba 42:1–6?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Joba 1:20–22.Mba hahatakarana ny zavatra mety ho tsapan’i Joba, araka izay fariparitana ao amin’ireo andininy ireo, dia azon’ny fianakavianao atao ny mamaky ny “Joba” ao amin’ny Tantaran’ny Testamenta Taloha na milalao an-tsehatra ny Joba 1:13–22. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joba?
-
Joba 14:14.Ahoana no ho namaliantsika ny fanontanian’i Joba ao amin’io andininy io? Ahoana no ahafahan’ny Almà 11:42–44 manampy antsika?
-
Joba 16:1–5.Efa tahaka ireo naman’i Joba ve isika, izay nitsaratsara sy nitsikera azy rehefa nila fankaherezana izy? (Jereo ny Joba 16:1–4; jereo koa ny Jaona 7:24). Ahoana no ahafahan’ny tenintsika mankahery ny hafa ao anatin’ny alahelony? (Jereo ny Joba 16:5).
-
Joba 19:23–27.Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ianareo dia azon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny fomba hahafantarany fa velona ny Mpanavotra antsika. Azonareo atao ny miara-miasa mba hanoratra ny fijoroana ho vavolombelona anananareo (na ny sarin’ny Mpamonjy nataon’ireo ankizy) ao anaty boky iray, toy ny diarim-pianakaviana iray (jereo ny andininy 23). Azonareo atao koa ny mihira hira mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy, toy ny “Velona ny Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76), sy mizara andian-teny mampatanjaka ny finoanareo Azy.
-
Joba 23:8–11.Inona ny dikan’ny hoe “hivoaka” avy ao anatin’ny fitsapana manjo antsika “tahaka ny volamena”? Iza no fantatsika fa nahavita izany? Mety ho tena tian’ireo ankizy ny hanamboatra zavatra ka soratany eo ambonin’izany ireo teny avy ao amin’ny andininy 10. Azonareo resahina ihany koa ny fomba nandresen’i Jesoa Kristy ireo fitsapana nahazo Azy (jereo ny Lioka 22:41–44; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19).
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Velona ilay Mpanavotra ahyFihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76.