Testamenta Taloha 2022
08–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: “Jehovah no mpiandry ahy”


“08–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46: -Jehovah no mpiandry ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“08–14 aogositra. Salamo 1–2; 8; 19–33; 40; 46,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Jesoa miara-dalana amin’ny ondry

The Lord Is My Shepherd (Jehovah no mpiandry ahy), nataon’i Yongsung Kim, havenlight.com

08–14 aogositra

Salamo 1–2; 8; 19–33; 4046

“Jehovah no mpiandry ahy”

Tsy voatery hionona amin’ireo Salamo na ireo fitsipika nofantenina izay aroso ato amin’ity rindran-damina ity ianao. Avelao ny Fanahy hitarika anao amin’ireo fahamarinana izay hanampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa ny Tompo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tsy fantatsika mazava tsara hoe iza no nanoratra ny Salamo. Ny sasany dia voalaza fa nosoratan’i Davida, fa ho an’ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mbola fantatra anarana ny mpanoratra azy. Kanefa rehefa avy mamaky ny Salamo dia mety hahatsapa isika fa toy ireny hoe fantatsika ireny ny fon’ireo mpanoratra ny Salamo, na dia tsy fantatsika aza ny anaran’izy ireo. Ny zavatra fantatsika dia singa manan-danja teo amin’ny fomba fivavahana nisy teo anivon’ny Isiraelita ny Salamo, ary fantatsika fa nitanisa azy ireny matetika ny Mpamonjy. Lasa mahatakatra mazava tsara izay tao amin’ny ati-fanahin’ireo olon’ Andriamanitra fahiny isika amin’ny alalan’ny Salamo. Azontsika ny zavatra tsapan’izy ireo momba an’ Andriamanitra, ny zavatra nampanahy azy ireo, ary ny fomba nahitany fiadanana. Isika mpino ankehitriny manerana izao tontolo izao dia mbola mampiasa ireo teny ireo amin’ny fiderantsika an’ Andriamanitra. Ireo mpanoratra ny Salamo dia toa ireny hoe nahatakatra tsara izay ao amin’ny ati-fanahintsika ireny ary toa nahita fomba hilazana ny zavatra tsapantsika momba an’ Andriamanitra, sy ny zavatra mampanahy antsika, ary ny fomba ahitantsika fiadanana.

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Salamo dia jereo ny “Salamo” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Salamo 1; 23; 26–2846

Mampianatra antsika hatoky ny Tompo ny Salamo.

Mety ho tsikaritrao rehefa mamaky ny Salamo ianao hoe impiry ireo mpanoratra no naneho ny tahony sy ny alahelony ary ny tebitebiny. Tsy mahagaga ny fahatsapana toy izany, na ho an’ny olona manam-pinoana aza. Fa ny mahatonga ny Salamo ho mitondra fitaomam-panahy dia ireo vahaolana aroson’izy ireny, isan’izany ny fatokiana tanteraka an’ Andriamanitra. Saintsaino ireto hafatra mitondra fitaomam-panahy ireto eo am-pamakianao ny Salamo 1; 23; 26–2846. Tadiavo ireto manaraka ireto dia soraty ny zavatra hitanao:

  • Fanasana hatoky ny Tompo:

  • Teny mamariparitra ny Tompo:

  • Teny mamariparitra ny fiadanana sy ny hery ary ireo fitahiana hafa omeny:

  • Teny mamariparitra ireo izay matoky Azy:

Salamo 222

Mampifantoka ny saintsika amin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesoa Kristy ny Salamo.

Maro amin’ireo Salamo no miresaka ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany. Ireo Kristianina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia nahita ireo fifandraisana ireo koa, ohatra hoe, tsikaritr’izy ireo tao amin’ny Salamo 2 ny zavatra iray miresaka ny fitsarana an’i Jesoa teo anatrehan’i Heroda Mpanjaka sy i Pontio Pilato (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:24–30). Hevero ny hamaky ny Salamo 2 sy ny 22 miaraka amin’ny Matio 27:35–46; Lioka 23:34–35; ary ny Jaona 19:23–24. Tadiavo ny zavatra mampifandray ireo teny ao amin’ireo Salamo ireo sy ny fiainan’ny Mpamonjy, dia tohizo ny fitadiavana zavatra mampifandray tahaka izany eo am-pandalinanao ny bokin’ny Salamo mandritra ireo herinandro vitsy manaraka.

Alaivo sary an-tsaina hoe Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa ianao, ary nahafantatra tsara ireo Salamo sy nahita fa misy ifandraisany amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izany. Ahoana no mety ho naha-fitahiana izany fahalalana izany ho anao?

Jereo koa ny Salamo 31:5; 34:20; 41:9; Lioka 24:44; Hebreo 2:9–12.

Salamo 8; 1933

“Henika ny famindram-pon’i Jehovah ny tany.”

Ny famakiana ny Salamo 8; 19; sy 33 dia mety hanentana anao handinika ireo voary kanto nataon’ny Tompo. Henoy tsara ny eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao rehefa manao izany. Ahoana no “[hitorian’ireo zavaboary] ny voninahitr’ Andriamanitra” aminao? (Salamo 19:1).

Salamo 19:7–1129

Mahery ny tenin’ny Tompo, “mahafaly ny fo.”

Ao amin’ny Salamo, ny teny toy ny hoe tenivavolombelona, fandidiana, didy, ary fitsarana dia mety milaza ny tenin’ny Tompo. Tadidio izany rehefa mamaky ny Salamo 19:7–11 ianao. Inona no ambaran’ireo andininy ireo aminao momba ny tenin’ny Tompo? Inona no ampianarin’ny Salamo 29 anao momba ny feony? Raha jerena avy amin’ny zavatra niainanao dia ahoana no ifanandrifian’ny teny na ny feon’ny Tompo amin’ireo famariparitana ireo?

Sary
Tempolin’i Concepción Chili

Tsy maintsy madio ara-panahy sy tsy misy pentina isika mba hahafahana miditra eo anatrehan’ny Tompo.

Salamo 24; 26–27

Mitaky fahadiovana ny fidirana ho eo anatrehan’ny Tompo.

Koa satria naorina teo ambony tendrombohitra ilay tempoly tao Jerosalema, ilay andian-teny hoe “tendrombohitr’i Jehovah” (Salamo 24:3) dia mety milaza ny tempoly na ny fanatrehan’ Andriamanitra. Inona no fahatakarana fanampiny entin’izany ho anao momba ny Salamo 24? Midika inona aminao izany hoe “madio tanana sy mahitsy fo”izany? (Salamo 24:4).

Inona no ampianarin’ny Salamo 26 sy 27 anao momba ny tranon’ny Tompo?

Jereo koa ny Salamo 15; David A. Bednar, “Clean Hands and a Pure Heart,” Liahona, Nov. 2007, 80–83.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Salamo 22.Eo am-pamakian’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana io salamo io, ireo hafa kosa dia afaka mitady ireo zavatra mitovy amin’izany ao amin’ny Matio 27:35–46. Avy eo dia afaka mizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho antsika izy ireo.

Salamo 23.Ny Salamo 23 dia nitondra aingam-panahy tamin’ny famoronana fihirana maro, toy ny “L’Eternel est mon berger” sy ny “Seigneur, tu me prépareras” (Cantiques, nos. 57, 58). Mety ho tian’ny fianakavianao angamba ny hihira ny iray amin’ireo fihirana ireo dia hitady ireo teny ao amin’ny salamo izay mety nitondra aingam-panahy tamin’ny famoronana ireo tonon-kira. Na mety ho tian’izy ireo ny hanao sary ny zavatra izay hitany ao amin’ny salamo na ilay hira, dia hamela ny olona ao amin’ny fianakaviana hamantatra ireo andinin-tsoratra masina na tonon-kira mifanentana amin’ireo sary. Ahoana no maha-toy ny mpiandry ondry ny Tompo ho antsika?

Salamo 24:3–5.Mba hanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny fananana tanana madio sy fo mahitsy, dia azonao vakina ny Salamo 24:3–5 ary ny olona ao amin’ny fianakaviana kosa dia hanasa tanana mandritra izany. Mety maneho inona ny tanana ao amin’io salamo io? Mety ho tandindon’ny inona ny fo? Inona no azontsika atao mba handiovantsika ara-panahy ny tanantsika sy hampahitsiantsika ny fontsika?

Salamo 30:5, 11.Ny Salamo 30:5 dia ahitana fampanantenana hoe “misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.” Ahoana no hamadihan’ny Tompo ny alahelontsika ho lasa fifaliana? Mety ho tian’ireo olona sasany ao amin’ny fianakaviana ny hilalao an-tsehatra ny zavatra fariparitan’ny andininy 11.

Salamo 33.Jereo hoe impiry no miseho ao amin’io salamo io ny teny hoe rehetra. Inona no ianarantsika momba ny Tompo avy amin’ny fampiasana miverimberina io teny io, indrindra fa ao amin’ny andininy 13–15?

Salamo 46:10.Mety hiara-hanao zavatra izay mitaky ny olona ao amin’ny fianakaviana hitsahatra ianareo. Afaka manampy antsika hamantatra an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fitsaharana? Amin’ny fotoana manao ahoana isika no afaka mitsahatra dia lasa mahafantatra an’ Andriamanitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “L’Eternel est mon berger,” Cantiques, no. 57.

Manatsara ny fandalinana manokana

Aoka ianao ho tia mamorona. Ny soratra masina toy ny Salamo matetika dia manome aingam-panahy ny olona hidera ny Tompo amin’ny fomba vaovao noforonina. Raha mahatsapa ho entanim-panahy ianao ny haneho ny fanoloran-tenanao amin’ny alalan’ny hira, tononkalo, haikanto azo jerena, na amin’ny fomba hafa, dia manaova asa mifanaraka amin’izany fahatsapana izany. Hevero ny hizara ny zavatra noforoninao mba hanampiana ny hafa hanorina finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
I Jesoa milanja ondry eo an-tsorony

Ilay Mpiandry tsara, nataon’i Ken Spencer

Hamoaka printy