Testamenta Taloha 2022
15–21 aogositra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: “Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”


“15–21 aogositra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86: -Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“15–21 aogositra. Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
I Jesoa mihazona jiro

Saving That Which Was Lost (Hamonjy izay very) , nataon’i Michael T. Malm

15–21 aogositra

Salamo 49–51; 61–66; 69–72; 77–78; 85–86

“Holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko”

Ity rindran-damina ity dia manoro ny sasany amin’ireo lohahevitra ara-potopampianarana sasany resahina ao amin’ireo salamo ireo. Mety hanintona ny sainao ny teny, na ny sarin-teny na ny hevitra sasantsasany eo am-pandalinanao. Inona no tsapanao fa ezahin’ny Tompo ampianarina anao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nizara fahatsapana lalina an’ny tena manokana tao amin’ny tononkalon’izy ireo ireo mpanoratra ny Salamo. Nanoratra mikasika ny fahatsapana ho kivy, matahotra, ary latsa-panenenana izy ireo. Nisy fotoana aza izy ireo toa nahatsapa ho navelan’ Andriamanitra irery, ary naneho fahatsapana fahadisoam-panantenana na fahakiviana ireo salamo. Raha efa nanana fahatsapana tahaka ireo ianao, dia afaka hanampy anao ny famakiana ireo Salamo fa tsy ianao irery no tahaka izany. Fa ho hitanao ihany koa fa ny salamo dia afaka hankahery anao rehefa manana fahatsapana toy izany ianao, satria ireo mpanoratra salamo dia nidera ihany koa ny Tompo noho ny hatsarany, talanjona tamin’ny heriny, ary nifaly tamin’ny famindram-pony. Fantatr’izy ireo fa vesaran’ny faharatsiana sy ny fahotana izao tontolo izao, fa ny Tompo nefa dia “tsara sady mamela heloka” (Salamo 86:5). Takatr’izy ireo fa ny hoe mino ny Tompo dia tsy midika hoe tsy hitolona amin’ny tebiteby na ny fahotana na ny tahotra mihitsy ianao. Midika izany fa fantatrao hoe any amin’ Iza ianao no tokony hitady fanampiana rehefa misedra izany.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Salamo 49; 62:5–12

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahatongavan’ny fanavotana.

Ny Salamo 49 dia manana hafatra ho an’ny “ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo” (andininy 2). Inona io hafatra io raha ny hevitrao? Inona no tsapanao fa hanatevenan’ny Salamo 62:5–12 an’io hafatra io?

Ny famakiana ireo salamo ireo dia mety hitaona anao hisaintsaina ny fomba hametrahan’ny olona sasany ny fitokisany amin’ny zavatra hafa ankoatra an’ Andriamanitra mba hahazoana fanavotana (jereo ny Salamo 49:6–7). Manova ny fiainanao amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona anananao “Fa Andriamanitra … hamonjy ny [ainao] amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita”? (andininy 15).

Jereo koa ny Ohabolana 28:6; Almà 34:8–17.

Salamo 51; 85–86

Noho ny famindram-pon’ny Mpamonjy dia afaka ny ho voavela heloka aho.

Ilay fangatahana famindram-po ao amin’ny Salamo 51 dia nataon’i Davida, izay nahatsapa ho meloka tamin’ny fijangajangana sy ny vono olona (jereo ny 2 Samoela 11). Na dia tsy tena goavana aza ny fahotantsika, dia afaka mampifandray ny tenantsika amin’ny filàna famindram-po izay voalaza ao amin’io salamo io isika. Afaka mianatra zavatra mikasika ny dikan’ny hoe mibebaka ihany koa isika. Ohatra hoe, teny na andian-teny inona ao amin’ny Salamo 51 no mampianatra anao mikasika ny fomba fisainana ilaintsika mba hibebahana? Inona no ianaranao momba ny mety ho fiantraikan’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainanao?

Mety hametraka fanontaniana tahaka izany ianao eo am-pamakianao ny Salamo 85–86. Azonao atao koa ny mitady ireo andian-teny mamariparitra ny Tompo. Ahoana no hanatanjahan’ireo andian-teny ireo ny finoanao fa hamela heloka anao Izy? (Jereo ohatra ny Salamo 86:5, 13, 15).

Jereo koa ny Almà 36; Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67–69; Carole M. Stephens, “Ilay Mpanasitrana Lehibe,” Liahona, nôv. 2016, 9–12.

Salamo 51:13–15; 66:16–17; 71:15–24

Afaka manampy ny hafa hankany amin’i Jesoa Kristy ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Saintsaino ny fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny heriny manavotra. Aorian’izay, rehefa mandalina ny Salamo 51:13–15; 66:16–17; 71:15–24 ianao dia eritrereto ny fomba azonao hanasana ny hafa hoe “Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra” (Salamo 66:5). Midika inona aminao izany hoe “[m]itory ny fahamarina[ny] mandrakariva”? (Salamo 71:24). Ahoana no hilazanao amin’ny hafa “izay nataony ho an’ny fanahi[nao]”? (Salamo 66:16).

Jereo koa ny Môzià 28:1–4; Almà 26.

Sary
zatovolahy roa miresaka

Afaka mifampizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba izay nataon’ny Tompo ho antsika isika.

Salamo 63; 69; 77–78

Hanampy ahy mandritra ny fotoana ilako fanampiana maika ny Tompo.

Maro ireo salamo mamariparitra amin’ny fomba mazava tsara hoe manao ahoana izany mahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra izany sy izany mila fatratra ny fanampiany izany. Mety hieritreritra ny hitady famariparitana toy izany ianao ao amin’ny Salamo 63:1, 8; 69:1–8, 18–21; 77:1–9. Inona no hitanao tao amin’ny Salamo 63; 69; 77–78 ka nanome toky indray an’ireo mpanoratra salamo ireo?

Rehefa ory ianao, dia ahoana no hanampian’izany anao “[hahatsiaro] ny asan’i Jehovah” sy ny “fahagagana natao[ny] fony taloha”? (Salamo 77:11). Ny sasany amin’ireo fahagagana ireo dia voafariparitra ao amin’ny Salamo 78. Eo am-pamakianao mikasika azy ireny dia saintsaino ny zavatra manampy anao “hametraka ny fanantena[nao] amin’ Andriamanitra” (andininy 7). Traikefa inona avy amin’ny tantaram-pianakavianao no mitondra fanentanam-panahy ho anao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Salamo 51:17.Eritrereto ny fomba mety hampianaranao ny fianakavianao ny dikan’izany hoe manana fo torotoro. Ohatra hoe afaka mifandimby ny olona ao amin’ny fianakaviana hamaky zavatra misy akorany mafy iray toy ny atody na noix. Inona indraindray no mampitovy ny fontsika amin’izany akoran-javatra izany? Ahoana no ahafahantsika manokatra ny fontsika ho an’ny Tompo? Ny fiarahana mamaky ny Salamo 51 dia mety hanome hevitra vitsivitsy.

Salamo 61:2–3.Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hanao sary ireo teny manana hevitra ara-tandindona ao amin’ireo andininy ireo sy hiresadresaka ny maha toy ny “vatolampy” avo an’i Jesoa Kristy sy “aro[ntsika]” ary “tilikambo mafy” Azy.

Salamo 71:17; 78:5–7.Inona no tian’ny Tompo “hampahafantari[nao] ny zana[kao]”? (Salamo 78:5). Azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao angamba ny mizara ohatra iray amin’ireo fahagagana nataon’ny Tompo, toy ny tantara iray ao amin’ny soratra masina, na zavatra niainana, na fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana, izay manampy azy ireo “hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra” (Salamo 71:17; 78:7).

Salamo 72.Ny Salamo 72 dia nosoratan’i Davida mahakasika an’i Solomona zanany lahy, kanefa azo ampiharina amin’i Jesoa Kristy ihany koa ny maro amin’izany. Rehefa mamaky ny salamo ny fianakavianao dia afaka manangana sarin’ny Mpamonjy izy ireo rehefa mahita andininy mampahatsiaro azy ireo an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fanatanterahana ilay faniriana hoe “aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny”? (Salamo 72:19; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2).

Salamo 85:11.Ity andininy ity dia afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, hoe ahoana no maha fahamarinana “mitsimoka amin’ny tany” ny Bokin’i Môrmôna ary ahoana no nidinan’ireo irak’ Andriamanitra “[avy] eny an-danitra” (jereo koa ny Mosesy 7:62).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mila Anao aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 23.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà zavatra isan-karazany. “Mitadiava fomba ahafahanao manampy zavatra isan-karazany ao anatin’ny ezaka ataonao amin’ny fampianarana ny filazantsara. Hitondra harena sy hatsarana eo amin’ny zavatra iaina[na] … izany. … Diniho hoe ahoana no ahafahan’ny mozika sy ny sary ary ireo endrika hafan’ny zavakanto manasa ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 22).

Sary
lehilahy mandohalika eo anoloan’i Jesoa

Doubt Not, Thomas (Aza miahiahy ry Tomasy), nataon’i J. Kirk Richards

Hamoaka printy