Testamenta Taloha 2022
4–10 aprily. Eksodosy 14–17: “Mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah”


“4–10 aprily. Eksodosy 14–17: -Mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“4–10 aprily. Eksodosy 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena

4–10 aprily

Eksodosy 14–17

“Mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah”

Hoy Andriamanitra nandidy an’i Mosesy hanoratra ny zavatra niainany: “soraty amin’ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao” amin’i Josoa (Eksodosy 17:14). Mitovy amin’izany, ny firaketanao ny zavatra niainanao ara-panahy dia hanampy anao sy ireo olona tianao hahatsiaro ny fahatsaran’ Andriamanitra.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nihitsoka ireo Isiraelita. Ny Ranomasina Mena teo amin’ny andaniny, ny miaramilan’i Farao niroso nanatona hatrany avy eny an-kilany. Fe-potoana fohy, raha ny fahitana azy, no ananan’izy ireo itsoahana an’i Egypta. Nanana hafatra ho an’ny Isiraelita izay tiany hotadidian’izy ireo mbamin’ny taranaka amam-para anefa Andriamanitra: “Aza matahotra ianareo. … Jehovah hiady ho anareo” (Eksodosy 14:13–14).

Hatramin’izay fotoana izay, rehefa nila finoana sy fahasahiana ny olon’ Andriamanitra, dia nitodika tamin’ity tantaran’ny fanafahana mahagaga an’i Isiraely ity izy ireo. Rehefa te-hanentana ny rahalahiny i Nefia dia hoy izy: “Aoka isika ho mahery toa an’i Mosesy; fa niteny marina tokoa tamin’ny ranon’ny Ranomasina Mena izy ary dia nisaraka ho amin’ny andaniny sy ny ankilany izany, ary nandeha namakivaky ny razantsika, niala ny fahababoana, nandia tany maina” (1 Nefia 4:2). Rehefa tian’ny Mpanjaka Limia hampitraka ny lohany sy hifaly ireo vahoakany voababo dia nampahatsiahiviny azy ireo io tantara io ihany (Môzià 7:19). Rehefa te-hijoro ho vavolombelona momba ny herin’ Andriamanitra tamin’ny zanany i Almà dia nitodika tamin’io tantara io ihany koa izy (jereo ny Almà 36:28). Ary rehefa mila fanafahana isika, rehefa mila finoana bebe kokoa, rehefa mila “mijanona [mba hahita] ny famonjen’i Jehovah,” dia afaka mahatsiaro ny fomba “namonjen’i Jehovah ny Isiraely tamin’izany andro izany mba tsy ho azon’ny Egyptiana” isika (Eksodosy 14:13, 30).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Eksodosy 14

Manana hery hanafahana ahy Andriamanitra.

Rehefa mamaky ny Eksodosy 14:1–10 ianao dia alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapan’ny Isiraelita rehefa nahita ny miaramilan’i Farao nanemitra azy ireo. Angamba mety ho mahatsapa ianao fa mila fahagagana mba ho tafavoaka velona amin’ny fanamby sarotra atrehinao. Inona no ianaranao avy amin’ny Eksodosy 14:13–31 ka afaka manampy anao hikatsaka ny fanafahan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao? Inona no zavatra nianaranao momba ny fomba anomezan’ Andriamanitra fanafahana amin’ny zava-tsarotra? Saintsaino ny fomba nahitanao ny heriny manafaka teo amin’ny fiainanao.

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; L. Tom Perry, “Ny herin’ny fanafahana,” Liahona, mey 2012, 94–97; Sarintany ao amin’ny Baiboly, lah. 2, “Fifindran’ny Isiraely avy tany Egypta sy fidirana tao Kanana.”

Eksodosy 15:22–27

Azon’ny Tompo atao ny manova ny mangidy ho mamy.

Rehefa mamaky ny Eksodosy 15:22–27 mikasika ny dian’i Isiraely ho any amin’ilay tany nampanantenaina ianao, dia eriterereto ireo zavatra eo amin’ny fiainanao izay toa “mangidy” tahaka ny ranon’i Mara. Hevero ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa misaintsaina ireo andininy ireo ianao: Ahoana no ahafahan’ny Tompo manova ireo zavatra mangidy eo amin’ny fiainanao ho mamy? Inona no lanja nananan’ireny zavatra niainana ireny teo amin’ny fiainanao? Inona no lazain’ny andininy 26 sy 27 ankolaka momba ny fomba itahian’ Andriamanitra antsika rehefa mihaino ny feony isika?

Eksodosy 15:23–27; 16:1–15; 17:1–7

Afaka matoky ny Tompo aho, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.

Alaim-panahy isika hanakiana ny Isiraelita noho izy ireo nimonomonona na nimenomenona rehefa lasa sarotra ny toe-javatra nisy azy ireo, na dia taorian’ny zavatra rehetra nataon’ Andriamanitra ho azy ireo aza. Fa rehefa mamaky ny Eksodosy 15:23–27; 16:1–15; 17:1–7 ianao dia diniho raha efa nanao zavatra toy izany ianao. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo zavatra niainan’ny Isiraelita ka manampy anao tsy himonomonona firy ary hatoky feno kokoa an’ Andriamanitra? Ohatra, inona no fahasamihafana tsikaritrao momba ny fihetsika nasetrin’ny Isiraelita manoloana ny fahasarotana sy ny fihetsika nasetrin’i Mosesy? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika an’ Andriamanitra?

Jereo ihany koa ny 1 Nefia 2:11–12.

Sary
vehivavy manangona mana

Namelona an’i Isiraely ara-batana ny mana avy amin’ Andriamanitra; mila sakafom-panahy isan’andro ihany koa isika. Fresque nataon’i Leopold Bruckner

Eksodosy 16

Mila mikatsaka sakafom-panahy isan’andro aho.

Maro ireo lesona ara-panahy azontsika ianarana avy amin’ny fahagagan’ny mana hita ao amin’ny Eksodosy 16. Mariho ny antsipirian’ireo toromarika nomena ny Isiraelita momba ny fanangonana sy ny fampiasana ary ny fitehirizana ny mana (jereo ny Eksodosy 16:16, 19, 22–26). Inona no hitanao fa mihatra aminao ao amin’ireo toromarika ireo rehefa mikatsaka sakafom-panahy isan’andro ianao?

Jereo ihany koa ny Jaona 6:31–35, 48–58.

Eksodosy 17:1–7

I Jesoa Kristy no vatolampy sy rano velona ara-panahy ho ahy.

Eritrereto ny Mpamonjy rehefa mamaky ny Eksodosy 17:1–7 ianao. Ahoana no maha-toy ny vatolampy an’i Jesoa Kristy aminao? (jereo ny Salamo 62:6–7; Helamàna 5:12). Ahoana no maha-toy ny rano Azy? (jereo ny Jaona 4:10–14; 1 Korintiana 10:1–4; 1 Nefia 11:25).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Eksodosy 14:13–22.Mety ho tian’ny fianakavianao ny hanandrana “hanasaraka” ny rano ao anatina lovia na koveta be iray, tahaka ny nanasarahan’i Mosesy ny Ranomasina Mena. Ampio izy ireo hahatakatra fa raha tsy nisy ny herin’ Andriamanitra dia tsy azo nosarahina ny Ranomasina Mena. Ahoana no nahitantsika ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny razambentsika?

Eksodosy 15:1–21.Rehefa avy niampita tamin’ny fomba mahagaga ny Ranomasina Mena ny Isiraelita, dia nihira hira fiderana fantatra amin’ny hoe hiran’i Mosesy izy ireo, izay hita ao amin’ny Eksodosy 15:1–21. Tadiavo ao amin’ireo andininy ireo miaraka amin’ny fianakaviana ny andian-teny izay mijoro ho vavolombelona momba ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho an’ny Isiraelita sy ireo andian-teny hafa manan-danja. Avy eo dia afaka mihira hira avy ao amin’ny fihirana izay mampahatsiahy ny fianakavianareo ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho anao ianareo.

Eksodosy 16:1–5; 17:1–7.Ny famakiana ny Eksodosy 16:1–5 sy ny 17:1–7 dia afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny Mpamonjy amin’ny maha-Mofon’aina Azy, sy amin’ny maha-Rano Velona Azy ary amin’ny maha-Vatolampy Azy. Ahoana no ampahatsiahivan’ireo tantara ireo antsika momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika? Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonareo vakiana ny Jaona 4:10–14; 6:29–35, 48–51; Helamàna 5:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79.

Eksodosy 17:8–16.Azonareo lalaovina an-tsehatra ny tantaran’i Aharôna sy i Hora mihazona ny tanan’i Mosesy ka hifanakalo hevitra ny amin’ny izay mety ho tandindona asehon’izany amin’ny fanohanana ireo izay nantsoin’ Andriamanitra hitarika antsika. Azonareo ampifanoherina amin’ny Isiraelita nimonomonona tamin’i Mosesy (voafaritra ao amin’ny toko 15–17 manontolo) ihany koa ny ohatra nasehon’i Aharôna sy i Hora. Inona avy ireo fomba ahafahantsika manohana ireo mpitarika antsika? Inona avy ireo fitahiana tonga amintsika sy ireo mpitarika antsika rehefa manao izany isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso hohiraina: “Ry Mpanavotra,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 9.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mikatsaha hevi-baovao ara-panahy anao manokana. Rehefa manao fandalinana manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ianao, dia aza mionona fotsiny amin’ireo andinin-tsoratra masina nasongadina ato amin’ity rindran-damina ho amin’ny fandalinana ity. Mety manana hafatra ho anao ny Tompo ao amin’ireny toko izay tsy nohamafisina tato ireny. Mikatsaha fitariham-panahy amin’ny alalan’ny vavaka.

Sary
i Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena

Sary fanehoana an’i Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena, nataon’i Robert T. Barrett

Hamoaka printy