2. Fifindran’ny Isiraely avy tany Egypta sy Fidirana tao Kanana
-
Ramesa Noroahina avy tao Egypta ny Isiraely (Eks. 12; Nom. 33:5).
-
Sokota Taorian’ny nandaozan’ny Hebreo io toeram-pilasiana voalohany io dia niaraka tamin’izy ireo tao amin’ny rahona ny Tompo, ny andro ary tao amin’ny andry afo ny alina (Eks. 13:20–22).
-
Pi-hahirota Namakivaky ny Ranomasina Mena ny Isiraely (Eks. 14; Nom. 33:8).
-
Mara Nanasitrana ny ranon’i Mara ny Tompo (Eks. 15:23–26).
-
Elima Nilasy teo akaikin’ny loharano 12 ny Isiraely (Eks. 15:27).
-
Tany Foanan’i Sina Nandefa mana sy papelika ny Tompo mba hamahanana ny Isiraely (Eks. 16).
-
Refidima Niady tamin’ny Amaleka i Isiraely (Eks. 17:8–16).
-
Tendrombohitra Sinay (Tendrombohitra Horeba na Jebela Miosà) Nanambara ny Didy Folo ny Tompo (Eks. 19–20).
-
Tany Foanan’i Sinay Nanamboatra ny tabernakely ny Isiraely (Eks. 25–30).
-
Toby tany An-tany Foana Nantsoina ny loholona fitopololahy hanampy an’i Mosesy hitondra ny vahoaka (Nom. 11:16–17).
-
Eziona-gebera Namakivaky ny tanin’i Esao sy Amona tsy nisy ady ny Isiraely (Deot. 2).
-
Kadesy-barnea Nandefa mpitsikilo ho any amin’ny tany nampanantenaina i Mosesy; nikomy ny Isiraely ka tsy afa-niditra ny tany; nampiasaina ho foibe nitobian’ny Isiraely i Kadesy nandritra ny taona maro (Nom. 13:1–3, 17–33; 14; 32:8; Deot. 2:14).
-
Tany Foana Atsinanana Nisoroka fifandirana tamin’i Edoma sy i Moaba ny Isiraely (Nom. 20:14–21; 22–24).
-
Renirano Arnona Noravan’ny Isiraely ny Amorita izay niady taminy (Deot. 2:24–37).
-
Tendrombohitra Nebo Nahita ny tany nampanantenaina i Mosesy (Deot. 34:1–4). Nanao ny toriteniny telo farany i Mosesy (Deot. 1–32).
-
Lemak’i Moaba Niteny ny Isiraely ny Tompo hizara ny tany sy hanaisotra ny mponina tao (Nom. 33:50–56).
-
Renirano Jordana Nita ny Renirano Jordana tamin’ny tany maina ny Isiraely. Natsangana tsy lavitra an’i Gilgala ny vato avy tamin’ny fanambanin’ny Renirano Jordana ho tsangambaton’ny nisarahan’ny Renirano Jordana (Jos. 3:1–5:1).
-
Jeriko Namabo sy nandrava io tanàna io ny zanak’i Isiraely (Jos. 6).