Fanampiana amin’ny fandalinana
11. Ny Tany Masina tamin’ny Andron’ny Testamenta Vaovao


11. Ny Tany Masina tamin’ny Andron’ny Testamenta Vaovao

Sary
Sarintanin’ny Baiboly 11

Ava.

Maribolana

Sisin-tany ara-pôlitika

Sidona

Abilena

Sarefata

Harambaton’i Lebanona

Damaskosy

Litania

Syria

Tend. Hermona

Farpara

Tiro

Foinisia

Kaisaria Filipo

Lohasaha Holeha

Galilea

Ptolemaisy (Akao)

Korazina

Betsaida

Kapernaomy

Kisona

Kana

Magdala

Ranomasina Galilea (Sinereta)

Tend. Karmela

Nazareta

Tiberiada

Tend. Tabara

Iarimoka

Naina

Gadara

Kaisaria

Tend. Gilboa

Dekapoly

Samaria

Salima?

Samaria

Enona?

Lemak’i Sarona

Sikara

Tend. Ebala

Jaboka

Jopa

Tend. Gerizima

Harimatia?

Aijalona

Betela

Renirano Jordana

Pera

Filadelfia

Jeriko

Ranomasina Lehibe (Ranomasina Mediteranea)

Azota

Soreka

Emaosy

Betabarà

Jerosalema

Tend. Oliva

Betifage

Betania

Kiomrana

Lemak’i Moaba

Tend. Nebo

Askalona

Elaha

Betlehema

Jodea

Gaza

Hebrona

Makero

Gerara

Idomeà

Ranomasina Maty

Arnona

Besora

Beri-seba

Masada

Tany foanan’i Jodea

Nabatea

Zereda

Kilaometatra

0 20 40 60

A B D E

1 2 3 4 5 6 7 8

1

1

2

2

3

4

5

6

7

8

9

10

11

12

13

14

15

16

17

  1. Tiro sy Sidona Noharin’i Jesoa tamin’i Tiro sy i Sidona i Korazina sy i Betsaida (Mat. 11:20–22). Nanasitrana ny zanakavavin’ny vehivavy jentilisa iray Izy (Mat. 15:21–28).

  2. Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy Niova tarehy teo anoloan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona i Jesoa ary nandray ny fanalahidin’ny fanjakana izy ireo (Mat. 17:1–13). (Mino ny sasany fa ny Tendrombohitra Hermona no Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, ny hafa kosa manao izany ho ny Tendrombohitra Tabara.)

  3. Kaisaria Filipo Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy, ary nampanantenaina ny fanalahidin’ny fanjakana izy (Mat. 16:13–20). Nanambara mialoha ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty i Jesoa (Mat. 16:21–28).

  4. Faritr’i Galilea Nandany ny ampahany be indrindra tamin’ny fiainany sy ny fanompoany tao Galilea i Jesoa (Mat. 4:23–25). Teo no nanomezany ny Toriteny teo an-tendrombohitra (Mat. 5–7), nanasitranany boka (Mat. 8:1–4), ary nifidianany sy nanokanany ary nanirahany ny Apôstôly Roa ambin’ny fololahy, izay i Jodasy Iskariota ihany no tsy Galileana (Mar. 3:13–19). Niseho tamin’ireo Apôstôly tao Galilea i Kristy nitsangana tamin’ny maty (Mat. 28:16–20).

  5. Ranomasina Galilea, izay nantsoina hoe Ranomasina Tiberiada taty aoriana Nampianatra avy eo amin’ny sambon’i Petera i Jesoa (Lio. 5:1–3) ary niantso an’i Petera, i Andrea, i Jakoba ary i Jaona mba ho mpanarato olona (Mat. 4:18–22; Lio. 5:1–11). Nampitony ny tafiotra koa Izy (Lio. 8:22–25), nampianatra fanoharana avy teo ambony sambo (Mat. 13), nandeha teo ambony ranomasina (Mat. 14:22–32), ary niseho tamin’ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty (Jao. 21).

  6. Betsaida Teraka tao Betsaida i Petera, i Andrea, ary i Filipo (Jao. 1:44). Nandeha tao amin’ny mangingina niaraka tamin’ny mpianany tao akaikin’i Betsaida i Jesoa. Nanaraka Azy ny olona ary namahana olona 5000 Izy (Lio. 9:10–17; Jao. 6:1–14). Tao no nanasitranan’i Jesoa lehilahy jamba iray (Mar. 8:22–26).

  7. Kapernaomy Io no tanànan’i Petera (Mat. 8:5, 14). Tao Kapernaomy, izay nantsoin’i Matio hoe ny tanànan’i Jesoa, no nanasitranan’i Jesoa ny lehilahy malemy iray (Mat. 9:1–7; Mar. 2:1–12), nanasitrana ny mpanompon’ilay kapiteny, nanasitrana ny rafozambavin’i Petera (Mat. 8:5–15), niantso an’i Matio ho iray amin’ny Apôstôliny (Mat. 9:9), nanokatra mason’ny jamba, nandroaka devoly (Mat. 9:27–33), nanasitrana ny tanan’ilay lehilahy maty tanana tamin’ny Sabata (Mat. 12:9–13), nanao ny toriteny momba ny mofon’aina (Jao. 6:22–65), ary nanaiky handoa hetra, ka niteny tamin’i Petera haka ny vola avy eo ambavan’ny hazandrano (Mat. 17:24–27).

  8. Magdala Tao no nonenan’i Maria Magdalena (Mar. 16:9). Nankao i Jesoa taorian’ny namahanany ny olona 4000 (Mat. 15:32–39), ary nangataka taminy ny Fariseo sy ny Sadoseo haneho amin’izy ireo famantarana avy any an-danitra (Mat. 16:1–4).

  9. Kana Namadika ny rano ho divay i Jesoa (Jao. 2:1–11) ary nanasitrana ny zanakalahin’ilay tandapa izay tao Kapernaomy (Jao. 4:46–54). Fonenan’i Natanaela koa i Kana (Jao. 21:2).

  10. Nazareta Tao Nazareta no nisian’ny fanambarana tamin’i Maria sy i Josefa (Mat. 1:18–25; Lio. 1:26–38; 2:4–5). Nandany ny fahazazany sy ny fahatanorany tao i Jesoa (Mat. 2:19–23; Lio. 2:51–52), nanambara fa Izy no Mesia, saingy nolavin’ny Azy ihany (Lio. 4:14–32).

  11. Jeriko Nampahiratra ny lehilahy iray jamba i Jesoa (Lio. 18:35–43). Niara-nisakafo tamin’i Zakeo, “lehiben’ny mpamory hetr” Izy (Lio. 19:1–10).

  12. Betabarà Nijoro ho vavolombelona i Jaona Mpanao Batisa fa izy no “ilay feo miantso any an’efitra” (Jao. 1:19–28). Nanao batisa an’i Jesoa tao amin’ny Renirano Jordana i Jaona ary nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Zanakondrin’ Andriamanitra (Jao. 1:28–34).

  13. Tany foanan’i Jodea Nitory teny tao amin’io tany efitra io i Jaona Mpanao Batisa (Mat. 3:1–4), toerana izay nifadian’i Jesoa hanina 40 andro sy nakana fanahy Azy (Mat. 4:1–11).

  14. Emaosy Nandeha tamin’ny lalana mankany Emaosy niaraka tamin’ny mpianany roalahy i Kristy nitsangana tamin’ny maty (Lio. 24:13–32).

  15. Betifage Nisy mpianatra roa nitondra boriky teo amin’i Jesoa ka teo ambonin’izany no nidirany tamin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema (Mat. 21:1–11).

  16. Betania Tao no nonenan’i Maria, i Marta, ary i Lazarosy (Jao. 11:1). Nandre ny tenin’i Jesoa i Maria, ary niteny tamin’i Marta i Jesoa ny amin’ny fifidianana ny “anjara tsar” (Lio. 10:38–42); natsangan’i Jesoa tamin’ny maty i Lazarosy (Jao. 11:1–44); ary nanosotra ny tongotr’i Jesoa i Maria (Mat. 26:6–13; Jao. 12:1–8).

  17. Betlehema Teraka sy nampandriana tao an-tranon’omby i Jesoa (Lio. 2:1–7); nanambara tamin’ny mpiandry ondry ny fahaterahan’i Jesoa ny anjely (Lio. 2:8–20); notarihin’ny kintana ho any amin’i Jesoa ny olon-kendry (Mat. 2:1–12); ary novonoin’i Heroda ny zaza (Mat. 2:16–18).

Hamoaka printy