Fanampiana amin’ny fandalinana
12. Jerosalema tamin’ny Andron’i Jesoa


12. Jerosalema tamin’ny Andron’i Jesoa

Sary
Sarintanin’ny Baiboly 12

Ava.

Maribolana

Tanàna tamin’ny andron’i Jesoa

Faritra nimanda taty aoriana

Lalana mankany Samaria

Bezeta (Tanàna Vaovao)

Golgota

Sahan’ny Fasana

Dobon’i Betesda

Fish Gate

Manda Antonia

Dobon’i Isiraely

Saha Getsemane

Vavahady Sosa

Vavahadin’ondry

Vavahadin’i Solomona

Tempoly

Tendrombohitra Oliva

Tetezana

Vavahady Itsaraendrika

Lalana mankany Emaosy sy Jopa

Dobon’ny Tilikambo

Lalana mankany Betania sy Jeriko

Tendron’ny Tempoly

Lapa Hasmoneana

Vavahadin’Andriana

Lahindrano

Lapan’i Heroda

Tohatra mankao amin’ny tempoly

Loharano Gihona

Serpent’s Pool

Tanàna Ambony

Lahindrano

Tranon’i Kaiafa

Zohindalan’i Hezekia

Lohasaha Hinoma

Rihana Ambony

Lohasaha Kidrona

Tanàna Ambany

Dobon’i Siloama

Vavahadin-drano

Lalana mankany Betlehema sy Hebrona

Loharano En-rogela

Lalana mankany amin’ny Ranomasina Maty

Metatra

0 100 200 300 400

A B D E

1 2 3 4 5 6 7 8

1

2

3

4

5

6

7

8

8

9

10

11

12

13

14

15

16

17

18

  1. Golgota Mety ho ny toerana nanomboana an’i Jesoa (Mat. 27:33–37).

  2. Sahan’ny Fasana toerana mety ho nisy ny fasana izay nametrahana ny vatan’i Jesoa (Jao. 19:38–42). Niseho tamin’i Maria Magdalena tao amin’ny saha teo ivelan’ny fasany i Kristy nitsangana tamin’ny maty (Jao. 20:1–17).

  3. Manda Antonia Mety ho tao no niampangana, nanamelohana, nanarabiana, ary nikapohana an’i Jesoa (Jao. 18:28–19:16). Nosamborina i Paoly ary nitantara ny tantaran’ny fiovam-pony (Asa 21:31–22:21).

  4. Dobon’i Betesda Nanasitrana malemy tamin’ny Sabata i Jesoa (Jao. 5:2–9).

  5. Tempoly Nampanantena an’i Zakaria i Gabriela fa hitera-dahy i Elizabeta (Lio. 1:5–25). Nitriatra ny voalin’ny tempoly tamin’ny nahafatesan’ny Mpamonjy (Mat. 27:51).

  6. Vavahadin’i Solomona Nilaza ny tenany fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa. Nanandrana nitora-bato Azy ny Jiosy (Jao. 10:22–39). Nitory fibebahana i Petera taorian’ny nanasitranany lehilahy nalemy tongotra (Asa 3:11–26).

  7. Vavahady Itsaraendrika Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra i Petera sy i Jaona (Asa 3:1–10).

  8. Tendron’ny Tempoly Nalain’i Satana fanahy i Jesoa (Mat. 4:5–7). (Toerana ampoizina ho nisehoan’io toe-javatra io.)

  9. Tendrombohitra Masina (tsy voalaza ny toerana)

    1. Ambaran’ny lovantsofina fa teo no nanorina alitara hanaovana sorona an’i Isaka i Abrahama (Gen. 22:9–14).

    2. Nanorina tempoly i Solomona (1 Mpan. 6:1–10; 2 Tan. 3:1).

    3. Noravan’ny Babyloniana ilay tempoly nanodidina ny 587 taona talohan’i Kristy (2 Mpan. 25:8–9).

    4. Nanangana indray ny tempoly i Zerobabala nanodidina ny 515 taona talohan’i Kristy (Ezra 3:8–10; 5:2; 6:14–16).

    5. Nanitatra ny kianjan’ny tempoly sy nanangana ny tempoly i Heroda nanomboka ny 17 taona talohan’i Kristy. Nentina tao i Jesoa zazakely (Lio. 2:22–39).

    6. Nampianatra tao amin’ny tempoly i Jesoa raha Izy 12 taona (Lio. 2:41–50).

    7. Nodiovin’i Jesoa ny tempoly (Mat. 21:12–16; Jao. 2:13–17).

    8. Nampianatra tao amin’ny tempoly tamin’ny fotoana samihafa i Jesoa (Mat. 21:23–23:39; Jao. 7:14–8:59).

    9. Noravan’ny Romana teo ambany fanapahan’i Titosy ny tempoly ny 70 taona taorian’i Kristy.

  10. Saha Getsemane Nijaly, novadihana ary nosamborina i Jesoa (Mat. 26:36–46; Lio. 22:39–54).

  11. Tendrombohitra Oliva

    1. Nanambara mialoha ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly i Jesoa. Niresaka momba ny Fiaviana Fanindroany koa Izy (Mat. 24:3–25:46; jereo koa JS—M).

    2. Avy eo no niakaran’i Jesoa ho any an-danitra (Asa 1:9–12).

    3. Ny 24 ôktôbra 1841, nanokana ny Tany Masina ho amin’ny fiverenan’ny zanak’i Abrahama ny Loholona Orson Hyde.

  12. Loharano Gihona Nohosorana ho mpanjaka i Solomona (1 Mpan. 1:38–39). Nampandavaka zohindalana i Hezekia hitondrana ny rano avy eo amin’ny loharano mankao an-tanàna (2 Tan. 32:30).

  13. Vavahadin-drano Namaky sy nanazava ny lalàn’i Mosesy i Ezra (Neh. 8:1–8).

  14. Lohasaha Hinoma Nanompoana an’i Moleka andriamani-kafa, ka isan’izany ny fanaterana zaza ho sorona (2 Mpan. 23:10; 2 Tan. 28:3).

  15. Tranon’i Kaiafa Nentina teo anoloan’i Kaiafa i Jesoa (Mat. 26:57–68). Nolavin’i Petera ny fahafantarany an’i Jesoa (Mat. 26:69–75).

  16. Rihana Ambony Ny toerana araka ny lovantsofina nihinanan’i Jesoa ny hanin’ny Paska sy nanombohany ny fanasan’ny Tompo (Mat. 26:20–30). Nanasa ny tongotry ny Apôstôly Izy (Jao. 13:4–17) sady nampianatra azy ireo (Jao. 13:18–17:26).

  17. Lapan’i Heroda Mety ho teo amin’io toerana io no nitondrana an’i Kristy teo anoloan’i Heroda (Lio. 23:7–11).

  18. Jerosalema (tsy voalaza ny toerana)

    1. Nanjaka ho mpanjakan’i Salema i Melkizedeka (Gen. 14:18).

    2. Namabo ny tanàna tamin’ny Jebosita i Davida Mpanjaka (2 Sam. 5:7; 1 Tan. 11:4–7).

    3. Noravan’ny Babyloniana ny tanàna nanodidina ny 587 taona talohan’i Kristy (2 Mpan. 25:1–11).

    4. Maro no feno ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta (Asa 2:1–4).

    5. Nosamborina i Petera sy i Jaona ary nentina nanoloana ny filan-kevitra (Asa 4:1–23).

    6. Nandainga tamin’ny Tompo i Ananiasy sy i Safira ka maty (Asa 5:1–10).

    7. Nosamborina i Petera sy i Jaona, saingy nisy anjely iray nanafaka ary ireo tao am-ponja (Asa 5:17–20).

    8. Nifidy lehilahy fito ny Apôstôly hanampy azy (Asa 6:1–6).

    9. Nolavina ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Stefana tamin’ny Jiosy, ary notoraham-bato ho faty izy (Asa 6:8–7:60).

    10. Novonoina maritiora i Jakoba (Asa 12:1–2).

    11. Nafahan’ny anjely tao an-tranomaizina i Petera (Asa 12:5–11).

    12. Nanapa-kevitra ny momba ny famoràna ny Apôstôly (Asa 15:5–29).

    13. Noravan’ny Romana teo ambany fanapahan’i Titosy ny tanàna ny 70 taona taorian’i Kristy.

Hamoaka printy