Fanampiana amin’ny fandalinana
9. Ny Tontolon’ny Testamenta Taloha


9. Ny Tontolon’ny Testamenta Taloha

Sarintanin’ny Baiboly 9

Ava.

Kaokazy

Ranomasina Kaspiana

Tend. Ararata?

Ranomasina Mainty

Orarito

Horita

Trôy

Hitita

Ora?

Harana (Padan-arama)

Asyria

Karkemisy

Mesopotamia

Ninive

Renirano Eofrata

Asora

Akada

Lemak’i Dora

Sosana (Sosa)

Renirano Tigry

Babylona

Rodo

Kitimy (Kiprosy)

Babela (Sinara)

Syria

Kaftora (Kreta)

Elama

Sidona

Foinisia

Damaskosy

Babylonia

Tiro

Efitra Arabiana

Ora?

Ranomasina Sinereta (Galilea)

Megido

Ranomasina Lehibe na Ambony (Ranomasina Mediteranea)

Jerosalema (Salema)

Ranomasina Ambany (Hoalan’i Persia)

Kanana

Ranomasina Sira (Ranomasina Maty)

Beri-seba

Vinanin’i Naily

Gosena

Midiana

Efitra Libya

Ona

Eziona-gebera

Egypta

Naily

Tend. Sinay? (Horeba)

Ranomasina Mena

Kilaometatra

0 100 200 300 400

A B D E F G H I

1 2 3 4

1

2

2

3

4

5

6

7

8

9

10

11

12

13

14

15

16

17

  1. Tendrombohitra Ararata Ny toerana nitobian’ny sambofiaran’i Noa araka ny lovantsofina (Gen. 8:4). Tsy fantatra mazava ny tena misy ilay toerana.

  2. Ora Voaloham-ponenan’i Abrahama, eo akaikin’ny vavaranon’i Eofrata izay saika nanaovana azy ho sorona fanatitra, nahitany ny anjelin’i Jehovah, ary nandraisany ny Orima sy Tomima (Gen. 11:28–12:1; Abr. 1; 3:1). (Mariho koa ny toerana mety ho nisafidianana ny hisian’i Ora ao Mesopotamia avaratra).

  3. Babylona, Babela (Sinara) Naorin’i Kosy zanakalahin’i Hama, sy i Nimroda tamin’ny voalohany. Toerana niavian’ny Jaredita tamin’ny andron’ny tilikambon’i Babela ao amin’ny lemak’i Sinara. Taty aoriana dia lasa renivohi-paritr’i Babylonia sy fonenan’ireo mpanjakan’ny Babyloniana izy, ka isan’izany i Nebokadnezara izay nitondra Jiosy babo maro ho ao amin’ity tanàna ity taorian’ny faharavan’i Jerosalema (587 taona talohan’i Kristy). Nijanona ho babo tany Babylona nandritra ny 70 taona ny Jiosy, mandra-pahatongan’ny andron’i Siro Mpanjaka izay namela ny Jiosy hiverina any Jerosalema hanorina indray ny tempoly. Nonina tao koa i Daniela mpaminany teo ambany fanjakan’i Nebokadnezara, i Belsazara, ary i Dariosa I (Gen. 10:10; 11:1–9; 2 Mpan. 24–25; Jer. 27:1–29:10; Ezek. 1:1; Dan. 1–12; Ômn. 1:22; Etera 1:33–43).

  4. Sosana (Sosa) Renivohitry ny Fanjakana Persiana teo ambany fanapahan’i Dariosa I (Dariosa Lehibe), i Ksereksesy (Ahasoerosy), ary i Artakserksa. Fonenan’ny mpanjakavavy Estera, izay nanavotra ny Jiosy ny herim-po sy ny finoany. Nanompo tao i Daniela, ary koa i Nehemia taty aoriana (Neh. 1:1; 2:1; Estera 1:1; Dan. 8:2).

  5. Lemak’i Dora Natsipy tamin’ny lafaoro mirehitra afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego raha nandà ny hitsaoka ny sary volamena namboarin’i Nebokadnezara. Narovan’ny Zanak’ Andriamanitra izy ireo ary nivoaka tao amin’ny lafaoro tsy nisy nanombinana (Dan. 3).

  6. Asyria Asora no renivohitr’i Asyria voalohany, narahin’i Ninive. Ireo mpanapaka Asyriana Salmanesera Ⅱsy i Sargona Ⅴ dia nandresy ny Fanjakan’i Isiraely Avaratra ka nitondra ho babo ny foko folo tamin’ny 721 taona talohan’i Kristy (2 Mpan. 14–15; 17–19). Loza nitatao toe amin’i Joda i Asyria hatramin’ny 612 taona talohan’i Kristy, fotoana izay nanjanahan’i Babylona an’i Asyria.

  7. Ninive Renivohitr’i Asyria. Nanafika ny tanin’i Joda i Asyria nandritra ny nanjakan’i Hezekia sy ny nanompoan’ny mpaminany Isaia. I Jerosalema, renivohitr’i Joda, dia avotra tamin’ny fomba mahagaga raha nisy anjely namely ny miaramila Asyriana 185.000 (2 Mpan. 19:32–37). Nilaza tamin’i Jona mpaminany ny Tompo hiantso ity tanàna ity hibebaka (Jon. 1:2; 3:1–4).

  8. Harana Nisy fotoana nipetraka tao i Abrahama talohan’ny nandehanany ho any Kanana. Nijanona tao ny ray sy ny rahalahin’i Abrahama. Avy ao amin’io toerana io no fiavian’i Rebeka (vadin’i Isaka), i Rahely, i Lea, i Bila, ary i Zilpa (vadin’i Jakoba) (Gen. 11:31–32; 24:10; 29:4–6; Abr. 2:4–5).

  9. Karkemisy Tao no nandresen’i Nebokadnezara an’i Farao Nekao, ka namarana ny fanjakan’ny Egyptiana tao Kanana (2 Tan. 35:20–36:6).

  10. Sidona Naorin’i Sidona, zafikelin’i Hama, io tanàna io, ary avaratra indrindra amin’ny tanàna Kananeana (Gen. 10:15–20). Tao no nonina i Jezebela izay, nampiditra ny fanompoana an’i Bala teo amin’ny Isiraely (1 Mpan. 16:30–33).

  11. Tiro Tanàna fifanakalozam-barotra sy fitodian-tsambo nanan-danja tao Syria izany. I Hirama avy ao Tiro dia nandefa sedera sy volamena ary mpiasa hanampy an’i Solomona amin’ny fanorenana ny tempoliny (1 Mpan. 5:1–10, 18; 9:11).

  12. Damaskosy Tsy lavitra teo no namonjen’i Abrahama an’i Lota. Lohany amin’ny tanànan’i Syria izany. Namabo ny tanàna ny Isiraelita nandritra ny fanapahan’i Davida mpanjaka. Nanosotra an’i Hazaela ho mpanjakan’i Damaskosy i Elia (Gen. 14:14–15; 2 Sam. 8:5–6; 1 Mpan. 19:15).

  13. Kanana Nomena io tany io i Abrahama, i Isaka sy i Jakoba ary ny taranany mba ho fananany maharitra mandrakizay (Gen. 17:8; 28).

  14. Tendrombohitra Sinay (Horeba) Niteny tamin’i Mosesy tao amin’ny roimemy mirehitra afo ny Tompo (Eks. 3:1–2). Nomena an’i Mosesy ny lalàna sy ny Didy Folo (Eks. 19–20). Niteny tamin’i Elia tamin’ny feo tony sy malemy ny Tompo (1 Mpan. 19:8–12).

  15. Eziona-gebera Nanao “sambo” tao Eziona-gebera ny mpanjaka Solomona (1 Mpan. 9:26). Azo inoana fa tao amin’io seranana io no nitodian’ny mpanjakavavin’i Seba raha izy namangy an’i Solomona rehefa nandre ny lazany (1 Mpan. 10:1–13).

  16. Egypta Nifindra nankao i Abrahama noho ny mosary lehibe tao Ora (Abr. 2:1, 21). Notenenin’ny Tompo i Abrahama hampianatra ny Egyptiana ny zavatra izay nambarany taminy (Abr. 3:15). Taorian’ny nivarotan’ireo rahalahiny an’i Josefa ho amin’ny fanandevozana (Gen. 37:28), dia tonga mpanapaka ny tranon’i Potifara i Josefa tao. Naiditra am-ponja izy. Nanome ny hevitry ny nofin’i Farao izy ary nomena toeram-panapahana tao Egypta. Tafahaona i Josefa sy ny rahalahiny. Nifindra nankao i Jakoba sy ny fianakaviany (Gen. 39–46). Nonina tao Gosena ny zanak’i Isiraely nandritra ny nipetrahany tao Egypta (Gen. 47:6).

    Nitombo isa sy “nitombo hery fatratr” ny Isiraelita; nandevozin’ny Egyptiana izy ireo rehefa izany (Eks. 1:7–14). Taorian’ny loza maro, dia navelan’i Farao handao tan’i Egypta ny Isiraely (Eks. 12:31–41). Nentina tany Egypta i Jeremia (Jer. 43:4–7).

  17. Kaftora (Kreta) Tanànan’ny Minoana fahiny.