Fanampiana amin’ny fandalinana
10. Kanana tamin’ny Andron’ny Testamenta Taloha


10. Kanana tamin’ny Andron’ny Testamenta Taloha

Sary
Sarintanin’ny Baiboly 10

Ava.

Sidona

Damaskosy

Harambaton’i Lebanona

Tend. Hermona

Litania

Farpara

Tiro

Foinisia

Dana (Laisy)

Hazora

Farihy Holeha (Ranon’i Meroma)

Akao

Basana

Ranomasina Sinereta (Galilea)

Kisona

Lohasahan’i Jezrela

Gata-hefera

Tend. Karmela

Endora

Tend. Tabara

Iarimoka

Megido

Havoanan’i More

Jezrela

Beti-sana

Dotana

Tend. Gilboa

Samaria

Samaria

Gileada

Lemak’i Sarona

Sekema

Tend. Ebala

Penoela

Mahanaima

Tend. Gerizima

Jaboka

Jopa

Silo

Ranomasina Lehibe (Ranomasina Mediteranea)

Aijalona

Betela (Loza)

Ay

Renirano Jordana

Raba (Amana)

Gibeona

Jeriko

Amona

Soreka

Jerosalema

Asdoda

Ekrona

Tend. Oliva

Tend. Nebo

Gata

Betlehema

Askelona

Elaha

Tekoa

Ranomasina Sira (Ranomasina Maty)

Gaza

Sefela

Lemak’i Filistia

Lakisy

Hebrona

En-gedia

Arnona

Gerara

Gerara

Joda

Moaba

Besora

Beri-seba

Kir-hareseta

Idomeà

Faritr’i Sodoma sy Gomora

Negeva

Araba

Zereda

Edoma

Kilaometatra

0 20 40 60

A B D E

1 2 3 4 5 6 7 8

1

2

3

4

5

6

7

8

9

10

11

12

13

14

15

15

15

15

15

16

17

18

19

20

21

  1. Dana (Laisy) Nanao ombikely volamena i Jeroboama hotompoin’ny Fanjakana Avaratra (1 Mpan. 12:26–33). I Dana no farany avaratra indrindra amin’ny Isiraely fahizay.

  2. Tendrombohitra Karmela Nifanamby tamin’ireo mpamin’nynin’i Bala i Elia ary nanokatra ny lanitra hisian’ny orana (1 Mpan. 18:17–46).

  3. Megido Toeran’ny ady maro (Mpits. 4:13–16; 5:19; 2 Mpan. 23:29; 2 Tan. 35:20–23). Nampanao fanompoana i Solomona hanorenana an’i Megido (1 Mpan. 9:15). Maty noho ny ratrany i Josia mpanjakan’i Joda tamin’ny ady nifanaovana tamin’i Farao Nekao tao Egypta (2 Mpan. 23:29–30). Amin’ny fiavian’ny Tompo fanindroany, ny ady lehibe farany dia hitranga ao amin’ny Lohasahan’i Jezrela, ho isan’ny adin’i Hara-magedona (Joela 3:14; Apôk. 16:16; 19:11–21). Ny anarana Hara-magedôna dia fandikana malalaka amin’ny teny Grika ny teny Hebreo Har Megiddon, na Tendrombohitr’i Megido.

  4. Jezrela Anaran’ny tanàna ao amin’ny lohasaha lehibe sady lonaka indrindra ao Isiraely, izay mitondra io anarana io koa. Nanorina lapa tao ireo mpanjakan’ny Fanjakana Avaratra (2 Sam. 2:8–9; 1 Mpan. 21:1–2). Nonina sy maty tao i Jezebela mpanjakavavy ratsy fanahy (1 Mpan. 21; 2 Mpan. 9:30).

  5. Beti-sana Nifanatrika tamin’ny Kananita tao ny Isiraely (Jos. 17:12–16). Nohomboana teo amin’ny rindrin’io manda io ny fatin’i Saoly (1 Sam. 31:10–13).

  6. Dotana Namidin’ireo rahalahiny ho andevo i Josefa (Gen. 37:17, 28; 45:4). Nahita fahitana ny amin’ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy i Elisa (2 Mpan. 6:12–17).

  7. Samaria Ny renivohitry ny Fanjakana Avaratra (1 Mpan. 16:24–29). Nanorina tempoly ho an’i Bala i Ahaba Mpanjaka (1 Mpan. 16:32–33). Nanompo tao i Elia sy i Elisa (1 Mpan. 18:2; 2 Mpan. 6:19–20). Azon’ny Asyriana izy tamin’ny 721 taona talohan’i Kristy, ka tanteraka tamin’izay ny famaboana ny foko folo (2 Mpan. 18:9–10).

  8. Sekema Nanorina alitara i Abrahama (Gen. 12:6–7). Nonina tsy lavitra tao i Jakoba. Novonoin’i Simeona sy i Levy ny lehilahy rehetra tao amin’io tanàna io (Gen. 34:25). Avy tao Sekema ny fankaherezan’i Josoa “hifidy … anio” hanompo an’ Andriamanitra (Jos. 24:15). Naorin’i Jeroboama tao ny renivohitra voalohan’ny Fanjakana Avaratra (1 Mpan. 12).

  9. Tendrombohitra Ebala sy ny Tendrombohitra Gerizima Nizara an’i Isiraely teo amin’ireo tendrombohitra roa ireo i Josoa—Nambara avy eo amin’ny Tendrombohitra Gerizima ny fitahian’ny lalàna, raha teo amin’ny Tendrombohitra Ebala kosa ny ozona (Jos. 8:33). Nanorina tempoly teo ambonin’i Gerizima ny Samaritana taty aoriana (2 Mpan. 17:32–33).

  10. Penoela (Peniela) Tao i Jakoba no nifampitolona indray alina manontolo tamin’ny iraky ny Tompo (Gen. 32:24–32). Nandrava ny mandan’ny Midianita i Gideona (Mpits. 8:5, 8–9).

  11. Jopa Niantsambo avy eo i Jona hankany Tarsisy mba handositra ny asa nanirahana azy ho any Ninive (Jon. 1:1–3).

  12. Silo Tao no toeran’ny renivohitr’i Isiraely sy ny tabernakely tamin’ny andron’ny Mpitsara (1 Sam. 4:3–4).

  13. Betela (Loza) Teo no nisarahan’i Abrahama tamin’i Lota (Gen. 13:1–11) sy nahazoany fahitana (Gen. 13; Abr. 2:19–20). Nahita fahitana ny amin’ny tohatra nanakatra ny lanitra i Jakoba (Gen. 28:10–22). Nipetraka tao nandritra ny fotoana iray ny tabernakely (Mpits. 20:26–28). Nanao ombikely volamena i Jeroboama hotompoin’ny Fanjakana Avaratra (1 Mpan. 12:26–33).

  14. Gibeona Avy ao ny mponina Hivita no namela-pandrika tamin’i Josoa hanao fifanekena (Jos. 9). Nijanona tsy nihetsika ny masoandro raha nandresy tamin’ny ady i Josoa (Jos. 10:2–13). Toerana vonjy maika ho an’ny tabernakely koa izany (1 Tan. 16:39).

  15. Gaza, Asdoda, Askelona, Ekrona, Gata (ireo tanàna dimin’ny Filistina) Namaky ady matetika tamin’i Isiraely avy teo amin’ireo tanàna ireo ny Filistina.

  16. Betlehema Nalevina tsy lavitra teo i Rahely (Gen. 35:19). Nonina tao i Rota sy i Boaza (Rota 1:1–2; 2:1, 4). Nantsoina hoe ny tanànan’i Davida io tanàna io (Lio. 2:4).

  17. Hebrona Nonina tao i Abrahama (Gen. 13:18), i Isaka, i Jakoba (Gen. 35:27), i Davida (2 Sam. 2:1–4), ary i Absaloma (2 Sam. 15:10). Io no renivohitr’i Joda voalohany teo ambany fanapahan’i Davida Mpanjaka (2 Sam. 2:11). Heverina fa milevina ao Hebrona ao amin’ny lava-baton’i Makpela i Abrahama, i Saraha, i Isaka, i Rebeka, i Jakoba, ary i Lea (Gen. 23:17–20; 49:31, 33).

  18. En-gedia Niafina an’i Saoly i Davida ary nitsimbina ny ain’i Saoly (1 Sam. 23:29–24:22).

  19. Gerara Nisy fotoana nonina tao i Abrahama sy i Isaka (Gen. 20–22; 26).

  20. Beri-seba Nandavaka fantsakana tao i Abrahama ary nanao fanekena tamin’i Abimeleka (Gen. 21:31). Nahita ny Tompo i Isaka (Gen. 26:17, 23–24), ary nonina tao i Jakoba (Gen. 35:10; 46:1).

  21. Sodoma sy Gomora Nifidy ny honina tao Sodoma i Lota (Gen. 13:11–12; 14:12). Noravan’ Andriamanitra noho ny faharatsiana i Sodoma sy i Gomora (Gen. 19:24–26). Nampiasain’i Jesoa ho ohatra amin’ny faharatsiana ireo tanàna roa ireo (Mat. 10:15).

Hamoaka printy