Testamenta Taloha 2022
31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8: “Nahita sitraka teo imason’ny Tompo i Noa”


“31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8: -Nahita sitraka teo imason’ny Tompo i Noa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Noa, ny fianakaviany, ireo biby, ny sambofiara, ary avana iray

Sarin’i Noa nandao ny sambofiara, nataon’i Sam Lawlor

31 janoary–6 febroary

Genesisy 6–11; Mosesy 8

“Nahita sitraka teo imason’ny Tompo i Noa”

Mety hahafinaritra ny ankizy ny mianatra momba ireo biby tao amin’ny sambofiaran’i Noa sy ny Tilikambon’i Babela. Tsarovy anefa fa natao mba hampianarana fahamarinana mandrakizay ireo tantara ireo. Saintsaino ombam-bavaka ireo fahamarinana tian’ Andriamanitra ianaran’ny ankizy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Alohan’ny hanombohanao mampianatra ny ankizy ireo tantara ao amin’ny Genesisy 6–11 sy Mosesy 8, dia omeo fotoana hifampianarana ny zavatra fantany momba an’i Noa sy ny sambofiara na ny Tilikambon’i Babela izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Genesisy 6:14–22; 7–8; Mosesy 8:16–30

Ny fanarahana ny mpaminany dia hitahy ahy sy ny fianakaviako.

Rehefa mianatra ny hanaraka ny mpaminany ny ankizy dia ho voatahy sy harovana amin’ny lafiny ara-panahy izy ireo, toy ny niarovana ny fianakavian’i Noa tsy ho tratry ny Safo-drano.

Asa atao azo tanterahina

  • Tantarao amin’ny teninao manokana ny tantaran’i Noa sy ny sambofiara, jereo ihany koa ny “Araho hatrany ny mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59, andininy 3). Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny ampahany amin’ilay tantara—ohatra, mody mampiasa fitaovana hanamboarana ny sambofiara na mandeha toy ny biby miditra ao anaty sambofiara.

  • Vakio amin’ny ankizy Mosesy 8:19–20, ary asongadino ny zavatra nodidian’ny Tompo hataon’i Noa. Ampio ny ankizy hahatakatra fa mpaminany i Noa ary voavonjy tamin’ny safo-drano ny fianakaviany satria nanaraka azy izy ireo. Anontanio ny ankizy raha fantatr’izy ireo hoe iza no mpaminanintsika ankehitriny. Asehoy ny sariny ary ampio ny ankizy hamerina ny anarany.

  • Mitondrà sary na zavatra iray izay maneho ny fampianaran’ny mpaminany ankehitriny, toy ny soratra masina na ny sarin’ny tempoly iray. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy zavatra iray ary hilaza izay fantany momba izany. Hazavao amin’izy ireo ny zavatra asehon’ilay zavatra. Amporisiho izy ireo hanao ny sarin’izy ireo mankato ny zavatra nampianarin’ny mpaminany. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fanarahana ny mpaminany.

Genesisy 9:15–16

Hitandrina ireo fampanantenany tamintsika Andriamanitra.

Zava-dehibe ny hahafantaran’ny ankizy fa mitazona ny fampanantenany Andriamanitra, indrindra eo am-piomanany hanao fanekempihavanana Aminy rehefa atao batisa izy ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hanao sarina avana. Vakio aminy ny Genesisy 9:15–16, ary angataho izy ireo mba hihaino ny teny hoe hotsarovako, hahatsiarovako. Asao izy ireo hanangana ny avany rehefa maheno ireo teny ireo. Hazavao fa ny avana dia fampahatsiahivana ireo fampanantenana nataon’ Andriamanitra tamintsika.

  • Miresaha amin’ny ankizy momba ny sasany amin’ireo fampanantenan’ Andriamanitra — ohatra, fa afaka miverina any amin’ny Ray any An-danitra isika raha manaraka an’i Jesoa Kristy na haniraka ny Fanahy Masina Andriamanitra hampionona antsika. Mijoroa ho vavolombelona fa mitandrina mandrakariva ireo fampanantenany Andriamanitra.

  • Mampiasà sary hilazana amin’ny ankizy momba ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra, toy ireo sarina ankizy atao batisa, fanasan’ny Tompo, ary tempoly (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 104, 108120).

Genesisy 11:1–9

Ny fomba tokana hahatongavana any an-danitra dia ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Nieritreritra ny vahoakan’i Babela fa afaka ho any an-danitra izy ireo amin’ny alalan’ny fananganana tilikambo fa tsy amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny fanarahana ny Mpamonjy no lalana tokana hiverenana any amin’ny Raintsika any An-danitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao amin’ny teninao manokana ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela. Amporisiho ny ankizy hanampy anao amin’ny alalan’ny fizarana izay fantany momba ilay tantara.

    Sary
    sarin’ny tilikambon’i Babela

    sarin’ny tilikambon’i Babela, nataon’i David Green

  • Avelao ny ankizy hanorina tilikambo amin’ny biriky plastika na zavatra hafa. Avy eo dia asehoy ny ankizy ny sarin’ny Mpamonjy, ary anontanio azy ireo ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra—manorina tilikambo sa manaraka an’i Jesoa Kristy? Asao ny ankizy hilaza ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanarahana ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Genesisy 6:14–22; 7–8; Mosesy 8:16–30

Ny fanarahana ny mpaminany dia hitahy ahy sy ny fianakaviako.

Mihalehibe ao amin’ny tontolo ratsy fanahy ny ankizy, misy hitoviana tamin’ny andron’i Noa. Ny zavatra niainan’i Noa dia afaka manome toky fa afaka mahita fiarovana ara-panahy izy ireo rehefa manaraka ny mpaminany.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hisafidy andinin-tsoratra masina ao amin’ny Genesisy 6:14–22; 7–8 izay azon’izy ireo atao sary. Ampiasao ny sarin’izy ireo mba hampianarana azy ireo ny tantaran’i Noa. Angataho ny ankizy mba hizara izay nianarany avy tamin’ilay tantara.

  • Mampisehoa sarin’i Noa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 7-8), sy ny mpaminany ankehitriny. Ampio ny ankizy hizaha ny Mosesy 8:16, 19–20, 23–24 hahitana ireo zavatra nampianaran’i Noa izay mbola ampianarin’ny mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Ahoana no hitahiana antsika rehefa ankatoavintsika ireo fampianarana ireo?

  • Mizarà zavatra izay nampianarin’ny mpaminany ankehitriny vao haingana. Angataho ny ankizy mba hanoratra zavatra nampianarin’ny mpaminany eo amin’ny sombin-taratasy, ary ampio izy ireo handamina ireo sombin-taratasy ho lasa toy ny sambofiara. Inona no mampitovy ireo fampianarana ireo amin’ny sambofiara namboarin’i Noa?

Genesisy 9:15–17

Mila mitadidy ireo fanekempihavanantsika isika.

Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa hankato ny didiny. Ao amin’ny Genesisy 9:15–17, ny avana dia fantatra amin’ny hoe fampahatsiahivana ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka manome aingam-panahy ny ankizy hikatsaka fomba hitadidiana ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Asehoy ny ankizy ny zavatra anananao izay mampahatsiahy zavatra manan-danja amin’ny fiainanao, toy ny peratra mariazy, sary, na diary. Avelao ny ankizy hizara ohatr`izy ireo manokana. Iaraho mamaky ny Genesisy 9:15- 17 (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 9:21–25 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Inona no tian’ny Ray any An-danitra hoeritreretintsika rehefa mahita avana isika?

  • Ampahatsiahivo ny ankizy ireo fanekempihavanana izay nataon’izy ireo rehefa natao batisa izy ireo ary manavao izany isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo (jereo ny Môsià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Avelao ny ankizy hanao sary na hamorona zavatra hampahatsiahy azy ireo ny fanekempihavanana nataony.

Genesisy 11:1–9

Ny fomba tokana hahatongavana any an-danitra dia ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Raha tsy manandrana manangana tilikambo mba hahatongavana any an-danitra ny olona ankehitriny dia maro no manandrana mitady fiadanana sy fahasambarana amin’ny alalan’ny fanarahana lalana ankoatra izay naorin’i Jesoa Kristy. Ahoana no mety hampiasanao ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela hampianatra io fitsipika io?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany momba ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela (jereo ny Genesisy 11:1–9). Araka ny voalazan’ny Helamàna 6:28, nahoana ny mponina tao Babela no nanangana ilay tilikambo? Nahoana ny fanamboarana io tilikambo io no lalana diso hankanesana any an-danitra? Inona no torohevitra homentsika ny mponin’i Babela?

  • Asao ny ankizy hizaha ny 2 Nefia 31:20–21 sy ny Helamàna 3:28 hahitana ny fomba mety hahatongavana any an-danitra. Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hieritreritra fomba hampianarany ny fianakaviany ireo tantara izay nianarany tao amin’ny Kilonga. Ohatra, afaka mampiasa ny sary nataony izy ireo na ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahazo an-tsaina ny mahazo an’ireo ankizy ampianarinao. Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia diniho manokana ny fanontaniany sy ny heviny ary ny tantara na fitsipika manan-danja amin’izy ireo manokana. Hanampy anao hifantoka amin’ny filan’izy ireo ny fahafantarana ireo zavatra ireo.

Hamoaka printy