Testamenta Taloha 2022
24–30 janoary. Mosesy 7: “Ny Tompo niantso ny vahoakany hoe Ziona”


“24–30 janoary. Mosesy 7: -Ny Tompo niantso ny vahoakany hoe Ziona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“24–30 janoary. Mosesy 7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
olona maro mifandray amin’ny fomba feno fitiavana

Mifankatiava, nataon’i Emma Donaldson Taylor

24–30 janoary

Mosesy 7

“Ny Tompo niantso ny vahoakany hoe Ziona”

Atombohy ny fanomananao amin’ny alalan’ny famakiana ny Mosesy 7. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ity toko ity, ary ireo sosokevitra etsy ambany dia afaka manome anao hevitra momba ny fomba hampianarana izany amin’ireo ankizy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Makà minitra vitsivitsy hamelana ny ankizy hanao famerenana miaraka aminao ny zavatra fantany momba ny mpaminany Enoka—ao anatin’izany ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa. Raha ilaina izany, dia asehoy ny sary avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Mosesy 7:18

Irin’Andriamanitra hifankatia isika.

Ireo andininy ireo dia mamariparitra ny toetry ny vahokan’i Ziona. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanomboka hikolokolo ireo toetra ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Avelao ny ankizy hitantara ilay tantara amin’ny tenin’izy ireo manokana ka hampiasa ny sarin’i Enoka ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Azonao atao koa ny mihira miaraka amin’ny ankizy ny andininy faharoa amin’ny “Araho hatrany ny Mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58-59) mba hamerenana ilay tantara.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra fihetsika mifandray amin’ilay andian-teny hoe “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18). Hazavao fa io andian-teny io dia midika fa nifankatia sy nifampitondra tamin’ny hatsaram-panahy ny vahokan’i Enoka. Asao izy ireo hampiasa ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity hanovozana fomba iray ahafahan’izy ireo maneho fitiavana.

  • Mihirà hira momba ny fifankatiavana, toy ny “Fitia ao an-tokantrano” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 88). Mitondrà sary izay maneho ireo teny manan-danja ao amin’ilay hira hanampiana ny ankizy hianatra ireo tononkira. Asao ny ankizy hizara fomba ahafahany mifaneho fitiavana ao amin ’ny Kilonga sy any an-tranony. Avelao izy ireo hilalao an-tsehatra ny hevitr’izy ireo.

Sary
tovovavy mizara voankazo amin’ny vehivavy zokiolona iray

Tokony hiezaka ny ho “iray fo sy iray saina” isika (Mosesy 7:18).

Mosesy 7:28–33

Miahy momba ny zanany Andriamanitra.

Azonao atao ny manampy ny ankizy hianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia miahy be momba antsika sy ny fihetsitsika.

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay mahafaly ny Ray any An-danitra. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Mosesy 7:28 ary hazavao fa nalahelo ny Ray any An-danitra satria ratsy fanahy ny olona (jereo ny andininy 32–33).

  • Avelao ny ankizy hanao sarina endrika falifaly amin’ny lafiny iray amin’ny taratasy iray sy endrika malahelo amin’ny lafiny iray hafa. Manorata fihetsika tsara sasany, toy ny fanaovana vavaka, ary fihetsika ratsy sasany, toy ny milaza lainga dia angataho ny ankizy mba hanangana ny endrika falifaly na endrika malahelo hampisehoana ny ho fihetseham-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba ny safidy tsirairay.

  • Asao ny ankizy hilalao kilalao ka hanao ireo zavatra azon’izy ireo atao izay mampifaly ny Ray any An-danitra izy ireo ao anatin’izany. Angataho ireo ankizy hafa mba hamantatra ny zavatra ataon’ izy ireo. Zarao amin’ny ankizy tsirairay ny zavatra hitanao nataon’izy ireo ka mahatonga ny Ray any An-danitra ho faly.

Mosesy 7:59–67

Hiverina eto an-tany indray i Jesoa.

Hitan’i Enoka tao amin’ny fahitany ny andro farany, anisan’izany ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hiandrandra ny Fiaviana Fanindroany?

Asa atao azo tanterahina

  • Lazao ny ankizy mba haka sary an-tsaina fa misy vahiny manokana hitsidika azy ireo. Inona no hataon’izy ireo hiomanana amin’ilay fitsidihana? Zarao ny tenin’ny Tompo tamin’i Enoka ao amin’ny Mosesy 7:60: “[Ho avy aho] amin’ny andro farany.” Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika miomana amin’ny fiavian’i Jesoa indray?

  • Mampisehoa sarin’ireo fotoana nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny olona (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.60, 82, 83, ary 84). Inona no ataon’ireo olona ao amin’ny sary? Inona no mety ho tsapan’ny olona rehefa nihaona tamin’i Jesoa izy ireo? Avelao ny ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny fahitana an’i Jesoa rehefa tonga indray Izy.

  • Mihirà hira iray mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46–47), dia anontanio ny ankizy hoe mety ho toy ny ahoana izany hoe tonga indray i Jesoa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Mosesy 7:18–21, 62–63, 68–69

Afaka ny hiray hina toy ny vahoakan’i Ziona isika.

Rehefa mamaky momba an’i Ziona ianao dia eritrereto ireo ohatra momba ny firaisan-kina hitanao. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra hanana firaisan-kina tahaka ny nataon’ny vahoakan’i Enoka?

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hitady teny izay mamaritra ny vahoakan’i Enoka, antsoina koa hoe Ziona, rehefa namaky ny Mosesy 7:18 izy ireo. Soraty toy ny lohateny eo an-tampon’ny tabilao ireo teny ireo ary asao ny ankizy hanoratra, eo ambanin’ny lohateny tsirairay, ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hitoviana bebe kokoa amin’ny vahoakan’i Enoka. Rehefa avy mizara izy ireo dia anontanio ny ankizy hoe ahoana no ahafahan’izy ireo manao ny tranony ho toa an’i Ziona. Mety hahita hevitra sasany ao amin’ny 4 Nefia 1:15–18 izy ireo.

  • Angataho ny ankizy mba hanisa hoe impiry ny teny hoe “Ziona” no mipoitra ao amin’ny Mosesy 7:18–21, 62–63, 68–69. Isaky ny mipoitra ilay teny dia ampio ny ankizy hamantatra izay lazain’ilay andinin-tsoratra masina momba an’i Ziona (jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ziona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no ahafahantsika ho tonga bebe kokoa amin’ilay vahoaka voafariparitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba ireo fomba ahafahan’izy ireo hoe tonga “iray fo sy iray saina” (jereo ny Mosesy 7:18)

Mosesy 7:28–37

Mitomany ho an’ny zanany Andriamanitra.

Ahoana no hanampianao ny ankizy hahita fa miahy momba antsika sy ny fihetsika ataontsika Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Anontanio ny ankizy ny antony mety mahatonga ny Andriamanitra hitomany (jereo ny Mosesy 7:28–31). Asao ny ankizy hizaha ny Mosesy 7:32–33, 37 hahitana valin-teny. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo antsika momba ny fihetseham-pon’ Andriamanitra momba ireo zanany? Ahoana no ahafantarantsika fa tia antsika Andriamanitra? Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra antsika.

  • Atsipazo any amin’ny ankizy iray ny kitapo kely misy tsaramaso na ny baolina iray. Angataho izy mba hamita ilay fehezan-teny hoe “afaka mampifaly an’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny …” ary avy eo hanipy ilay zavatra any amin’ny ankizy iray hafa. Avereno hatrany izany mandrapandraisan’ ireo ankizy tsirairay anjara.

Mosesy 7:60–67

Ho avy indray i Jesoa Kristy amin’ny andro farany.

Rehefa mamaky momba ny Fiaviana Fanindroany ao amin’ny Mosesy 7:60–67 ianao dia eritrereto ny fomba hampianarana izany amin’ny ankizy amin’ny fomba mampifalifaly.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky ny Mosesy 7:60–67, ary ampio ny ankizy hamantatra ireo zavatra lazain’ny Tompo fa hitranga amin’ny andro farany. Anontanio azy ireo hoe iza amin’ireo tranga ireo no andrandrain’izy ireo ary inona no antony.

  • Asao ny ankizy hiresaka momba ny fotoana iray niandrasany olona iray hitsidika na hiverina hody. Inona no tsapan’ireo ankizy? Inona no nataon’izy ireo mba ho vonona? Ahoana no ahafahantsika miomana hahita an’i Jesoa indray?

  • Manehoa sarin’ny Fiaviana Fanindroany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 66). Avelao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo amin’ny Fiaviana Fanindroany, miorina amin’izay novakiany tao amin’ny Mosesy 7:60–67.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ahoana no hahafahanao mamporisika ireo ankizy sy ny fianakaviany hanohy hianatra avy amin’ny Testamenta Taloha any an-trano? Ohatra, ny ankizy dia afaka mizara ny sary nataony sary na nolokoiny tao amin’ny Kilonga ho ampahany amin’ny lesona amin’ny takarivan’ny mpianakavy.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba havitrika. “Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo. Mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe asa atao mahafinaritra fotsiny ireo zavatra ireo. Tena ilaina amin’ny fianarana izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy