Testamenta Taloha 2022
17–23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6: “Ampianaro malalaka ny zanakao izany zavatra izany”


“17–23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6: -Ampianaro malalaka ny zanakao izany zavatra izany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“17–23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Adama sy i Eva eo ivelan’ny Saha Edena

Tsara kokoa noho ny paradisa, nataon’i Kendal Ray Johnson

17–23 janoary

Genesisy 5; Mosesy 6

“Ampianaro malalaka ny zanakao izany zavatra izany”

Manomboka ny fiomanana hampianatra ataonao rehefa mandalina ny Genesisy 5 sy Mosesy 6 ianao. Rehefa manao izany ianao dia henoy ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina momba ny zavatra ilain’ny ankizy ianarana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty amin’ny sombin-taratasy iray ireo teny manan-danja sasany izay afaka hanampy ny ankizy hitadidy ny zavatra nianarany tany an-tokantrano tamin’ity herinandro ity na tamin’ny lesona iray an’ny Kilonga teo aloha. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy teny. Rehefa voafidy ny teny iray dia asao ny ankizy rehetra hizara ny zavatra nianarany mifandray amin’io teny io.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Mosesy 6:27, 31–34

Afaka manampy ahy hanao zavatra sarotra Andriamanitra.

Rehefa nantsoina hitory ny filazantsara i Enoka dia nanahy izy fa tsy hahomby. Kanefa nanampy azy hanao zavatra lehibe Andriamanitra.

Asa atao azo tanterahina

  • Angataho ny ankizy mba hizara fotoana iray izay nangatahana azy ireo hanao zavatra sarotra na nampatahotra ho azy ireo. Zarao ny tantaran’ny niantsoana an’i Enoka ho mpaminany izay hita ao amin’ny Mosesy 6:27, 31-34“, ). Antitrantero fa na dia tsy nahatsiaro ho vonona ny ho tonga mpaminany aza i Enoka, dia nampanantena Andriamanitra fa hanampy azy. Ampio ny ankizy hahafantatra ny fomba sasany hanampian’ Andriamanitra antsika rehefa asaina hanao zavatra sarotra isika.

  • Mizarà ohatra vitsivitsy avy ao amin’ny soratra masina rehefa nanampy ny olony hanao zavatra sarotra Andriamanitra—ohatra: Noa nanamboatra ny sambofiara, David niady tamin’i Goliata, i Amona niaro ny ondrin’ny mpanjaka, na i Samoela ilay Lamanita nitory teny. (Ho an’ny sary sy andalan-tsoratra masina dia jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 7, 19, 7881.) Mizarà zavatra iray niainanao ka nanampy anao hanao zavatra sarotra ny Tompo tamin’izany.

Mosesy 6:52

Mampianatra ahy ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra ny filazantsara.

Nampianarin’ Andriamanitra an’i Adama izay tokony hataontsika mba hiverenana any Aminy—manana finoana, mibebaka, atao batisa ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ahoana no hanampianao ny ankizy hianatra bebe kokoa momba ireo zavatra ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Mitadiava na manaova sary maneho ny finoana, ny fibebahana, ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity). Apetraho amin’ny laharana iray mitondra mankany amin’ny sarin’i Jesoa Kristy ireo sary. Vakio amin’ny ankizy ny Mosesy 6:52, ary asao izy ireo hijoro eo akaikin’ny sary marina rehefa maheno ireo teny maneho ilay sary (ao amin’ity andininy ity, ny teny hoe “mino” dia ampiasaina ho an’ny “finoana”).

  • Mihirà hira mampianatra ireo fitsipika ao amin’ny Mosesy 6:52 toy ny “Finoana,” “Ray ô, ampio aho” (andininy 2), “Rehefa atao batisa aho,” ary “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50–51, 52, 53, 56). Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny fanaovana ireo zavatra nampianarina tao amin’ireo hira ireo dia hanampy antsika hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.

Mosesy 6:58

Tian’ny Ray any An-danitra hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny.

Nanomboka tamin’ny andron’i Adama sy i Eva dia nodidiana hampianatra ny zanany ny filazantsara ny ray aman-dreny. Ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy mba hihaino sy hanaraka ny fampianaran’ny ray aman-dreniny?

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Mosesy 6:58 ary ampisehoy ny sarin’ny fianakavian’i Adama sy i Eva avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ampio ny ankizy hamerina ilay andian-teny hoe “ampianaro malalaka amin’ny zanakareo ireo zavatra ireo.” Hazavao fa tian’ Andriamanitra ny ray aman-dreny rehetra hanaraka ny ohatr’i Adama sy i Eva amin’ny fampianarana ny zanany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Anontanio ny ankizy ny zavatra azon’izy ireo atao rehefa mampianatra ny filazantsara ny ray aman-dreniny na ny olon-kafa.

  • Ampio ny ankizy hampifanaraka ny sarin’izy ireo amin’ny ray aman-dreniny na ny sarin’ny zanaka biby amin’ny biby lehibe. Ahoana no anampian’ny ray aman-dreny ny zanany? Inona no ampianariny azy ireo? Angataho ny ankizy mba hanao sary ny fianakaviany indraindray rehefa mampianatra ny ankizy ny ray aman-dreny, toy ny miaraka mamaky ny soratra masina, miara-mivavaka, na miara-misakafo.

    Sary
    fianakaviana mandalina ny soratra masina

    Tokony hampianatra ny filazantsara ny zanany ny ray aman-dreny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Mosesy 6:26–34

Afaka manampy ahy hanao zavatra sarotra Andriamanitra.

Na dia nahatsapa ho tsy mahefa aza i Enoka, dia nanampy azy hanatanteraka ny antsony amin’ny maha-mpaminany azy Andriamanitra. Andriamanitra koa dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hanao zavatra sarotra.

Asa atao azo tanterahina

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Mosesy 6:26–34. Nahoana i Enoka no nahatsapa fa tsy afaka nitory ny filazantsara izy? (jereo ny Mosesy 6:31). Ahoana no nanampian’ Andriamanitra an’i Enoka? (jereo ny Mosesy 6:32–34; 7:13).

  • Asao ny ankizy hilaza ireo zavatra sarotra sasany izay ataon’ny ankizy amin’ny taonan’izy ireo indraindray (toy ny famitana enti-mody ho an’ny sekoly, ny fanehoana hatsaram-panahy amin’ny olona tsy tsara fanahy, na ny milaza ny marina rehefa nanao fahadisoana). Ampio ny ankizy hahita andian-teny ao amin’ny Mosesy 6:32–34 izay afaka manampy azy ireo. Angataho ny ankizy mba hizara momba ny fotoana iray izay nanampian’ Andriamanitra azy ireo hanao zavatra sarotra. Zarao koa ny zavatra niainanao manokana.

Mosesy 6:50–62

Ny finoana, ny fibebahana, ny batisa ary ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manomana ahy hiverina amin’ Andriamanitra.

Nampianatra ny vahoakany ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohany i Adama sy Enoka: finoana, fibebahana, batisa ary fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ihany koa ireo Fanekem-pinoana 1:4). Inona no azonao atao mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo eo amin’ny fiainany?

Asa atao azo tanterahina

  • Asaivo mamaky ny Mosesy 6:52, 57 ny ankizy mba hitadiavana ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara voalaza ao amin’ny fanekem-pinoana fahefatra.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny fanekem-pinoana fahefatra, ary asao ny ankizy hamaky izany. Fafao avy eo ny teny iray na roa, ary asao izy ireo hamaky izany indray, ka hameno ireo teny tsy hita araka ny fitadidiany. Avereno atao io dingana io mandra-pahaizan’ny ankizy ilay fanekem-pinoana.

  • Asao ny ankizy hanoratra lahateny fohy momba ny finoana, fibebahana, batisa, na fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina—zavatra azon’izy ireo zaraina amin’ny fianakaviany. Ny lahateny tsirairay dia mety ahitana soratra masina, zavatra niainana ary fijoroana ho vavolombelona. Ny lahateny dia afaka manazava koa ny fomba hanampian’ny fitsipika antsika hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra.

Mosesy 6:57–58

Tompon’andraikitra ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany.

Atokisan’ Andriamanitra ny ray aman-dreny mba ho mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny fianakavian’izy ireo. Ahoana no ahafahanao manentana ny ankizy mba hanohana ny ray aman-dreniny amin’io andraikitra io?

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Moses 6:58. Inona no didy nomen’ny Ray any An-danitra an’ireo ray aman-dreny ao amin’io andinin-tsoratra masina io? Asehoy ny sarin’i Adama sy i Eva mampianatra ny zanany (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), dia avelao ny ankizy hiresaka momba izay hitany eo amin’ny sary. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ireo fahamarinana manan-danja amin’ny filazantsara izay nianarany avy tamin’ny fianakaviany.

  • Ampio ny ankizy hanoratra karatra kely fisaorana ho an’ny ray aman-dreniny na hanomana fomba tsotra hafa hanehoana ny fankasitrahany ny ray aman-dreniny. Mihirà hira iray momba ny fianakaviana, toy ny “Fitia no ao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 102). Ahoana no ahafahantsika manampy ny ray aman-drenintsika hamorona tontolo feno fitiavana ao an-tokantranontsika?

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ahoana no hanampianao ny ankizy hanohy hianatra any ivelan’ny kilasy? Azonao atao ny mandrisika azy ireo hahatsiaro ny tantaran’i Enoka rehefa miatrika zavatra sarotra amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny pejin’ny asa atao. Eo am-pandokoan’ny ankizy ny pejin’ny asa atao dia manaova famerenana ireo fitsipika avy tao amin’ny lesona. Vakio amin’ny ankizy ireo teny eo amin’ny pejy raha ilaina.

Hamoaka printy