“17-23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6: -[Ampianaro] malalaka ny zanakao izany zavatra izany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“17-23 janoary. Genesisy 5; Mosesy 6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
17-23 janoary.
Genesisy 5; Mosesy 6
“[Ampianaro] malalaka ny zanakao izany zavatra izany”
Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Genesisy 5 sy ny Mosesy 6 ianao dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy voarainao. Inona ireo hafatra hitanao fa tena hanan-danja aminao sy ny fianakavianao?
Raketo ireo zavatra tsapanao
Ny ankamaroan’ny ao amin’ny Genesisy 5 dia fitanisana ireo taranaka teo anelanelan’i Adama sy i Eva sy i Noà. Mamaky anarana be dia be isika fa tsy dia mianatra zavatra betsaka momba azy ireo. Avy eo isika dia mamaky momba an’i Enoka, taranaka enina miala eo amin’i Adama, izay soritan’ny ity andalana mahaliana saingy tsy voazava ity hoe: “Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra i Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra” (Genesisy 5:24). Tsy maintsy misy tantara ao ambadik’izany. Saingy tsy misy fanazavana fanampiny akory dia mitohy indray indray ilay fitanisana taranaka.
Soa ihany fa ny Mosesy 6 dia manambara ny antsipirian’ny tantaran’i Enoka, ary tena tantara tsara izany. Mianatra momba ny fanetrentena nananan’i Enoka isika, ny tsy fahatokian-tenany, ny fahafaha-manao hitan’ Andriamanitra tao aminy ary ny asa lehibe nataony tamin’ny naha mpaminanin’ Andriamanitra azy. Mahazo fahalalana mazava kokoa momba ny fianakavian’i Adama sy i Eva ihany koa isika rehefa niroso nankany amin’ireo taranaka nifandimby izany. Mamaky isika fa “nanan-kery fatratra” i Satana saingy namaky ihany koa isika momba ireo ray aman-dreny izay nampianatra ny zanany “ny lalan’ Andriamanitra” sy ny momba ireo “mpitory ny fahamarinana” izay “niteny sy naminany” (Mosesy 6:15, 21, 23). Ny tena sarobidy indrindra dia ny zavatra ianarantsika momba ny fotopampianarana izay nampianarin’ireo ray aman-dreny sy mpitory teny ireo: finoana, fibebahana, batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina (jereo ny Mosesy 6:50–52). Izany fotopampianarana izany, tahaka ny fisoronana izay miaraka aminy, “dia tany am-piandohana [ary] ho any am-piafaran’izao tontolo izao koa” (Mosesy 6:7).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Ny mpaminany dia mpahita.
Rehefa mandalina ny Mosesy 6:26–36 ianao, dia inona no zavatra ianaranao momba ny maso sy ny haizina ary ny fahitana? Tamin’ny andron’i Enoka dia iza no tsy afaka “mahita lavitra”? Inona no antony tsy nahitan’ireo olona ireo ny fahamarinana? Afaka nahitra inona i Enoka? Inona no nanorina ny finoanao fa mpahita ireo mpaminanin’ny andro môderina? (jereo ny andininy 36; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpahita,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
Miantso antsika hanao ny asany Andriamanitra na dia eo aza ny tsy fahaizantsika.
Tsy vaovao izany hoe mahatsapa ho difotry ny zavatra iantsoan’ Andriamanitra antsika izany. Na i Enoka aza dia nahatsapa toy izany rehefa nantsoin’ Andriamanitra ho mpaminany izy. Rehefa mamaky ny Mosesy 6:26–36 ianao dia tadiavo ny antony nahatsapan’i Enoka ho difotra sy ny zavatra nolazain’ny Tompo taminy mba hampaherezana azy. Tadiavo aoo amin’ny andininy 37–47 ny fomba nanohanan’ny Tompo an’i Enoka sy nanomezany hery azy (jereo ihany koa ny Mosesy 7:13). Afaka mampitaha ny zavatra niainan’i Enoka amin’ny an’ireo mpaminany hafa izay nahatsapa ho tsy ampy fahaizana ianao, tahaka an’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 4:10–16), i Jeremia (jereo ny Jeremia 1:4–10), i Nefia (jereo ny 2 Nefia 33:1–4), ary i Môrônia (jereo ny Etera 12:23–29). Inona no tsapanao fa tian’ Andriamanitra hianaranao avy amin’ireo soratra masina ireo momba ny asa nomeny hataonao?
Jereo ihany koa ny Jakôba 4:6–8.
Ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fanomnjena ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Satria manana ny bokin’i Mosesy isika dia fantatsika fa nampianatra hatrany ny zanany ny fomba hahitana famelan-keloka sy fanavotana hatrany am-piandohana Andriamanitra. Ao amin’ny soratra masina dia matetika no antsoina hoe fotopampianaran’i Kristy ireo fampianarana ireo (jereo ny 2 Nefia 31:13–21). Rehefa mandalina ny Mosesy 6:48–68 ianao dia tadiavo izay zavatra tsy maintsy fantatsika sy ataontsika mba ho avotra. Mety ho hitanao hoe manampy ny manoratra ny famintinana ataonao manokana mikasika ny zavatra nampianarin’i Enoka. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ireo fahamarinana ireo dia nampianarina hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva? Inona no tsapanao fa tokony hataonao vokatry ny fandalinana ireo fampianarana ireo?
“[Ampianaro] malalaka ny zanakao izany zavatra izany.”
Nampianarina ireo fahamarinana sarobidin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Adama sy i Eva. Fa ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Mosesy 6:27–28 dia manazava fa tao amin’ireo taranaka talohan’i Enoka dia betsaka ny olona tsy niaina intsony izany fahamarinana izany. Tian’ny Tompo hamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana izay very i Enoka, miaraka amin’ireo didy izay nomena voalohany an’i Adama hoe: “Ampianaro malalaka ny zanakao izany zavatra izany” (Mosesy 6:58). Rehefa mamaky ny Mosesy 6:51–62 ianao dia inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no hitanao fa mety ho tena manan-danja amin’ny taranaka vao misondrotra? Inona no azonao atao mba hanampiana amin’ny fampitana izany fahamarinana izany amin’ny taranaka ho avy?
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Genesisy 5; Mosesy 6:5–25, 46.Ny famakiana momba ny “bokim-pahatsiarovana” izay nohazonin’ny fianakavian’i Adama sy i Eva dia mety hanainga ny fianakavianao hanao ny bokim-pahatsiarovana anareo manokana. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny fianakaviana izay zavatra mety ho tianareo hampidirina ao. Mety ho manana sary, tantara, na tahirin-kevitra avy amin’ny tantaram-pianakavianareo ianareo. Afaka misafidy ny hampiditra zavatra izay miseho ao amin’ny fianakavianareo amin’izao ianareo. Inona no ho hitan’ny taranaka ho avy fa manan-danja? Azonareo ifanakalozana hevitra ihany koa ny fomba ahafahan’ny andian-teny hoe “amin’ny alalan’ny fanahin’ny fitaomana” (Mosesy 6:5) ary ny “ny toromarika efa nomen’ny rantsantanan’ Andriamanitra” (Mosesy 6:46) dia afaka hitari-dalana ny ezaka ataonareo. Hevero ny hitahiry ny fampahafantarana avy ao amin’ny bokim-pahatsiarovanareo ao amin’ny FamilySearch.org.
-
Mosesy 6:53–62.Ahoana no hamaliantsika ny fanontanian’i Adama hita ao amin’ny Mosesy 6:53? Inona avy ireo valinteny hitantsika ao amin’ny andininy 57–62?
-
Mosesy 6:59.Inona no hevitr’izany hoe “[ateraka] indray ho amin’ny fanjakan’ny lanitra”? Inona no azontsika atao mba ho ateraka indray hatrany mandritra ny fiainantsika? Raha mila fanampiana dia jereo ny Almà 5:7–14, 26; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Ateraka indray, Aterak’ Andriamanitra” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; David A. Bednar, “Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo” (Liahona, mey 2016, 59–62).
-
Mosesy 6:61.Inona no ianarantsika momba ny Fanahy Masina avy amin’io andininy io?
-
Mosesy 6:63.Inona avy ny sasany amin’ireo zavatra izay “vavolombelona manambara [an’i Kristy]”? (jereo ihany koa ny 2 Nefia 11:4). Hevero ny hanasa olona ao amin’ny fianakaviana hizara zavatra izay hitan’izy ireo “eny amin’ny lanitra ambony” na “etỳ an-tany” izay manampy azy ireo hianatra momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, amin’ny fomba ahoana ny hazo, na ny vatolampy, na ny masoandro no mampahatsiahy antsika momba ny Mpamonjy? Inona no ampianarin’ny anarana hoe “rano velona” sy “mofon’aina” antsika momba Azy? (Jaona 4:10–14; 6:35).
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy lah. 92.