Testamenta Taloha 2022
Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky ny Testamenta Taloha


“Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Zavatra tokony hotadidiana: Mamaky ny Testamenta Taloha,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidiana

Mamaky ny Testamenta Taloha

Mitadiava lanjany manokana

Rehefa mihevitra ny fahafahanao mandalina ny Testamenta Taloha amin’ity taona ity ianao, inona no zavatra tsapanao? Mazoto ve? Misalasala ve? Matahotra ve? Tsy mahagaga ireo fihetseham-po rehetra ireo. Ny Testamenta Taloha no iray amin’ireo angon-tsoratra antitra indrindra eto an-tany, ary izay no mahatonga azy ho sady mampientanentana no mampahatahotra. Ireo asa soratra ireo dia avy amina kolontsaina fahiny izay mety ho toa vahiny na indraindray hafahafa na tsy mampahazo aina mihitsy aza ny fahitana azy. Saingy ao amin’ireo asa soratra ireo ihany koa no ahitantsika olona niaina zavatra izay toa mahazatra, ary ekentsika ny lohahevitra ara-pilazantsara izay mijoro ho vavolombelon’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Eny, ny olona tahaka an’i Abrahama, i Saraha, i Ana, ary i Daniela dia azo lazaina fa niaina fiainana tena tsy mitovy amin’ny antsika. Izy ireo koa anefa dia niaina fifaliana tao amin’ny fianakaviany sy fifandirana tao amin’ny fianakaviany, fotoana nisian’ny finoana sy fotoana nisalasalana, ary fahombiazana sy tsy fahombiazana—tahaka ny iainantsika rehetra. Fa mbola zava-dehibe kokoa noho izany, nampihatra finoana, nibebaka, nanao fanekempihavanana, niaina zavatra ara-panahy ary tsy niala mihitsy izy ireo tamin’ny ezaka nataon’izy ireo hankatoavana an’ Andriamanitra.

Raha manontany tena ianao hoe mety ho afaka ny hahita zavatra manana ny lanjany ho an’ny tena manokana ao amin’ny Testamenta Taloha ve ianao sy ny fianakavianao amin’ity taona ity, dia ataovy ao an-tsaina fa nahita ny ankohonan’i Lehia sy i Sarià. Nizara tantara momba an’i Mosesy sy fampianarana avy ao amin’ny Isaia i Nefia rehefa nila fampaherezana na fanitsiana na fomba fijery manokana ireo rahalahiny. Rehefa nilaza i Nefia hoe: “Ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina” (2 Nefia 4:15), dia ireo soratra masina izay efa tafiditra ao amin’ny Testamenta Taloha amin’izao no noresahiny.

Katsaho ny Mpamonjy

Raha manontany tena hoe mety ho afaka ny hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Testamenta Taloha ve ianao sy ny fianakavianao, dia ataovy ao an-tsaina fa ny Mpamonjy mihitsy no manasa antsika hanao izany. Rehefa niteny tamin’ny mpitarika ny Jiosy Izy hoe: “Ny soratra masina … no manambara Ahy” (Jaona 5:39), dia ireo asa soratra antsointsika hoe Testamenta Taloha no noresahiny. Mba hahitana ny fampianarana momba ny Mpamonjy ao anatin’ny zavatra vakinao, dia mety ho mila misaintsaina amim-paharetana sy mikatsaka fitarihana ara-panahy ianao. Indraindray dia toa mivantana be ny firesahana momba Azy, toy ny ao amin’ny fanambaran’i Isaia hoe: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika: … ary ny anarany dia hatao hoe … Andrian’ny fiadanana” (Isaia 9:6). Amina toerana hafa dia aseho amin’ny fomba tsy miharihary kokoa ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny tandindona sy fitovitoviana, ohatra: amin’ny alalan’ny famariparitana biby fanaovana sorona (jereo ny Levitikosy 1:3–4) na ny fitantarana momba an’i Josefa mamela ireo rahalahiny sy mamonjy azy ireo amin’ny mosary.

Raha mikatsaka finoana lehibe kokoa an’ny Mpamonjy ianao eo am-pandalinanao ny Testamenta Taloha, dia hahita izany. Angamba mety ho izay no tanjon’ny fianaranao amin’ity taona ity. Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy anao hahita sy hifantoka amina andininy, sy tantara ary faminaniana izay hitondra anao ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Sary
mpaminany fahiny manoratra

Mpaminanin’ny Testamenta Taloha, Judith A. Mehr

Voatahiry amin’ny fomban’ Andriamanitra

Aza manantena ny Testamenta Taloha hanome tantara feno sy hentitra momba ny olombelona. Tsy izany no zavatra noezahin’ireo mpanoratra sy mpanambatra tany am-boalohany hoforonina. Ny nahaliana kokoa azy ireo dia ny hampianatra zavatra momba an’ Andriamanitra—momba ny drafiny ho an’ireo zanany, momba ny dikan’ny hoe olon’ny fanekempihavanany, ary momba ny fomba hahitana fanavotana rehefa tsy miaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana nataontsika isika. Indraindray dia amin’ny alalan’ny fampifandraisana tranga ara-tantara araka ny nahazoan’izy ireo azy no nanaovany izany—ao anatin’izany ireo tantara avy amin’ny fiainan’ireo mpaminany lehibe. Ohatra iray amin’izany ny Genesisy, tahaka ireo boky toy ny Josoa, Mpitsara ary ny 1 sy 2 Mpanjaka. Fa misy ireo mpanoratra ao amin’ny Testamenta Taloha izay tsy nanana tanjona ny hilaza tantara mihitsy. Ho solon’izany dia nampianatra tamin’ny alalan’ny zava-kanto toy ny tononkalo sy ny literatiora izy ireo. Tafiditra ao amin’io sokajy io ny Salamo sy ny Ohabolana. Avy eo dia misy ireo teny sarobidin’ny mpaminany, miainga amin’ny Isaia ka hatramin’ny Malakia, izay niresaka ny tenin’ Andriamanitra tamin’i Isiraely fahiny—ary, amin’ny alalan’ny fahagagan’ny Baiboly, dia mbola miresaka amintsika ankehitriny.

Moa ve ireo mpaminany, sy pôeta ary mpanambatra boky rehetra ireo nahalala fa hovakin’ny olona maneran-tany ny tenin’izy ireo an’arivon-taona maro atỳ aoriana? Tsy fantatsika izany. Saingy gaga isika fa tena izany mihitsy no mitranga. Firenena maro no nitsangana dia avy eo nianjera, tanàna maro no resy, mpanjaka maro no niaina dia avy eo maty; fa ny Testamenta Taloha dia naharitra noho izy rehetra ireny, nifandimbiasan’ny taranaka nifandimby, nifandimbiasan’ny mpanora-dalàna samihafa, nifandimbiasan’ny dikanteny samihafa. Mazava ho azy fa nisy zavatra very na nasiam-panovana, saingy na izany aza dia betsaka ny voatahiry tamin’ny fomba mahagaga.1

Zavatra vitsy tokony hotadidiana ihany ireo rehefa mamaky ny Testamenta Taloha ianao amin’ity taona ity. Angamba notehirizin’ Andriamanitra ireo asa soratra fahiny ireo satria fantany ianao sy ny zavatra lalovanao. Angamba nanomana hafatra ara-panahy ho anao ao amin’ireo teny ireo Izy, zavatra izay hampanakaiky kokoa anao Azy ary hanorina ny finoanao ny drafiny sy ny Zanany Malalany. Angamba hotarihiny amina andininy iray na hevi-baovao izay hitahy ny olona iray fantatrao ianao—hafatra iray azonao zaraina amina namana iray, na olona iray ao amin’ny fianakaviana, na Olomasina namana anankiray. Tena maro ny zavatra mety hitranga. Tsy mampientanentana ve ny mieritreritra izany?

Ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha

Ao amin’ny ankamaroan’ny dikanteny kristiana ny Testamenta Taloha, dia tsy mitovy amin’ny fomba nandaminana azy tamin’ny fotoana voalohany nanambàrana azy ho tamba-boky iray ny filaharan’ireo boky. Noho izany, raha toa ka mampivondrona ireo boky ho sokajy telo ny Baiboly Hebreo, ny lalàna, ireo mpaminany, ary asa soratra, ny ankamaroan’ny Baiboly kristiana kosa dia mandamina ireo boky amina sokajy efatra: lalàna (Genesisy–Deoteronomia), tantara (Josoa–Estera), bokin-tononkalo (Joba–Tononkiran’i Solomona), ary mpaminany (Isaia–Malakia).

Nahoana no zava-dehibe ireo sokajy ireo? Satria ny fahafantarana ny karazana boky izay halalininao dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba handalinana izany.

Ity misy zavatra atao ao an-tsaina rehefa manomboka mamaky “ny lalàna,” na ireo boky dimy voalohan’ny Testamenta Taloha ianao. Ireo boky ireo, izay raisina ho nosoratan’i Mosesy, dia mety ho efa nandalo teo am-pelan-tanana mpandika boky sy mpanambatra boky rehefa nandeha ny fotoana. Na izany aza, ireo bokin’i Mosesy dia tenin’ Andriamanitra avy amin’ny fanentanam-panahy, na dia hoe iharan’ny tsy fahatanterahan’olombelona—tahaka ny asan’ Andriamanitra rehetra ampitaina amin’ny alalan’ny olona mety maty—aza izy ireo (jereo ny Mosesy 1:41; Fanekem-pinoana 1:8). Manampy eto ny tenin’i Môrônia, izay miresaka momba ny rakitsoratra masin’ny Bokin’i Môrmôna izay natambany: “Raha misy hadisoana, dia hadisoan’ny olona izany; noho izany dia aza maniny ny zavatr’ Andriamanitra” (pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Amin’ny teny hafa, ny bokin-tsoratra masina dia tsy voatery tsy hisy fahadisoan’ olombelona vao atao hoe tenin’ Andriamanitra.

Fanamarihana

  1. Ny Filoha M. Russell Ballard dia nilaza hoe: “Tsy kisendrasendra na fifandrifian-javatra no ananantsika ny Baiboly ankehitriny. Nisy olo-marina notaomin’ny Fanahy hirakitra ireo zavatra masina hitan’izy ireo sy ireo teny nentanim-panahy henony sy nolazainy. Nisy olona hafa feno fanoloran-tena notaomim-panahy hiaro sy hitahiry ireo rakitsoratra ireo” (“The Miracle of the Holy Bible,” Liahona, May 2007, 80).

Hamoaka printy