Testamenta Taloha 2022
3–9 janoary. Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: “Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”


“3–9 janoary. Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5: -Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“3–9 janoary. Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
sarin’ny tany sy ny volana

3–9 janoary

Genesisy 1–2; Mosesy 2–3; Abrahama 4–5

“Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”

Na dia efa namaky ny momba ny Fahariana aza ianao taloha, dia misy zavatra hafa ianarana hatrany avy amin’ny soratra masina. Mivavaha ho an’ny fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahita fahatakarana vaovao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Satria tena tsara tarehy sy be voninahitra ny tontolo manodidina antsika, dia sarotra ny maka sary an-tsaina ny tany fony izy “tsy nisy endrika sady foana,” “foana sy tsy nisy mponina” (Genesisy 1:2; Abrahama 4:2). Ny zavatra iray ampianarin’ny tantaran’ny Fahariana antsika dia ny hoe afaka manao zavatra mahafinaritra avy amin’ny zavatra tsy milamina Andriamanitra. Manampy ny fitadidiana izany rehefa toa mikorontana ny fiainana. Mpahary ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tsy mbola vita ny asa famoronana ataon’Izy ireo amintsika. Afaka manisy hazavana mamiratra amin’ny fotoana mahamaizina ny fiainantsika Izy ireo. Afaka mamorona tany mafy eny afovoan’ny ranomasina misamboaravoaran’ny fiainana Izy ireo. Afaka mibaiko ireo singa Izy ireo, ary raha mankatò ny tenin’Izy ireo tahaka ny nataon’ireo singa isika dia afaka manova antsika ho ilay zavaboary tsara tarehy nanaovana antsika Izy ireo. Tafiditra amin’ny dikan’ny hoe noforonina tahaka ny endrik’ Andriamanitra izany, araka ny tarehiny (jereo ny Genesisy 1:26). Manana ny fahafahana ho tonga tahaka Azy isika: asandratra, be voninahitra, olon’ny lanitra.

Raha hanao topimaso ny bokin’ny Genesisy, dia jereo ny “Genesisy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 1:1–25; Mosesy 2:1–25; Abrahama 4:1–25

Nahary ny tany teo ambanin’ny fitarihan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Ny Loholona D. Todd Christofferson dia nilaza hoe: “Na manao ahoana na manao ahoana ny antsipirian’ny fizotran’ny fahariana dia fantatsika fa tsy tonga an-kisendrasendra izany fa notantanan’ Andriamanitra Ray ary notanterahan’i Jesoa Kristy” (“Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?,” Liahona, mey 2015, 51). Na dia betsaka aza no tsy fantatsika tsara momba ny fomba nahariana izao tontolo izao dia saintsaino ny zavatra ianaranao momba ny Fahariana avy amin’ny zavatra izay nambaran’ Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 1:1–25; Mosesy 2:1–25; ary ny Abrahama 4:1–25. Inona no zavatra tsikaritrao ho mitovitovy ao amin’ireo fitantarana ireo? Inona no zavatra tsikaritrao ho tsy mitovy? Inona no eritreritra tonga ao an-tsainao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo am-pamakinao momba ny Fahariana?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:32–34.

Sary
lamba firakotra maneho dingana samihafa tamin’ny fahariana

Fahariana, nataon’i Joan Hibbert Durtschi

Genesisy 1:27–28; 2:18–25; Mosesy 3:18, 21–25; Abrahama 5:14–19

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra.

“I Adama sy i Eva dia natambatra tamin’ny fanambadiana ho amin’izao fotoana izao sy ho mandrakizay tamin’ny alalan’ny herin’[ny] fisoronana maharitra mandrakizay” (Russell M. Nelson, “Lessons from Eve,” Ensign, Nov. 1987, 87). Nahoana no manan-danja ny mahafantatra io fahamarinana io? Saintsaino izany rehefa mamaky ny Genesisy 1:27–28; 2:18–25; Mosesy 3:18, 21–25; ary ny Abrahama 5:14–19 ianao. Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny fanambadiana ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra ianao, dia vakio ary saintsaino ireo loharano voatanisa etsy ambany. Inona no amporisihan’ireo loharanom-pitaovana ireo hataonao mba hanatsarana ny fanambadianao na hanomanana ny fanambadiana amin’ny hoavy?

Jereo ihany koa ny Matio 19:4–6; 1 korintiana 11:11; Linda K. Burton, “Hiara-hivoatra isika,” Liahona, mey 2015, 29–32; “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org.

Genesisy 2:2–3; Mosesy 3:2–3; Abrahama 5:2–3

Nitahy sy nanamasina ny andro Sabata Andriamanitra.

Nataon’ Andriamanitra ho masina ny andro Sabata, ary angatahiny isika mba hanamasina izany. Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe: “Fotoana an’ Andriamanitra ny Sabata, fotoana masina iray natokana hitsaohana Azy ary handraisana sy hahatsiarovana ireo fampanantenany sady soa no lehibe” (“Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2017, 92). Ahoana no ahafahanao mampiasa io fanambarana io sy ny Genesisy 2:2–3; na ny Mosesy 3:2–3; na ny Abrahama 5:2–3 mba hanazavana amin’olona iray ny antony nifidiananao hanaja ny andro Sabata? Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao noho ny fitandremanao ny androny ho masina?

Jereo ihany koa ny Isaia 58:13–14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13; “Fahafinaretana ny Sabata” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 1:1–25; Mosesy 2:1–25; Abrahama 4:1–25.Ahoana no ahafahanao manao ny fianarana momba ny Fahariana ho zavatra mahafinaritra ho an’ny fianakavianao? Azonao entina any ivelany mitady ireo karazan-javatra izay namboarina nandritra ny vanim-potoana tsirairay amin’ny tantaran’ny Fahariana ny fianakavianao, toy ny kintana, na ny hazo, na biby. Mety ho afaka mampiseho sarin-javatra nohariana tamin’ny vanim-potoana tsirairay nandritra ny Fahariana ihany koa ianao ka manasa ny olona ao amin’ny fianakavianao handahatra ireo sary rehefa avy miaraka mamaky ny iray amin’ireo fitantantarana ny Fahariana. Inona no ampianarin’ireo zavaboary ireo antsika mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Genesisy 1; Mosesy 2; Abrahama 4.Fomba iray iantomorana ny tantaran’ny Fahariana ny fanasana ny fianakavianao hijery hoe impiry ao amin’ny Genesisy 1 na ny Mosesy 2 ireo zavatra izay nataon’ Andriamanitra no nataony hoe “tsara.” Inona no lazain’izany momba ny fomba tokony hitondrantsika ny zava-boarin’ Andriamanitra—ao anatin’izany ny tenantsika? Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba ilazana ireo zava-nitranga ireo ao amin’ny Abrahama 4?

Genesisy 1:26–27; Mosesy 2:26–27; Abrahama 4:26–27.Nahoana no zava-dehibe ny mahalala fa nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fahatsapantsika ny tenantsika sy ny hafa ary Andriamanitra?

Raha manan-janaka kely ianao dia tokony hiaraka hamaky ny Mosesy 2:27 ianareo ary hanao kilalao tsotra: Mampisehoa sary iray izay maneho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, toy ny sary 90 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara (2009), dia angataho ny olona ao amin’ny fianakaviana hifandimby manondro faritra iray amin’ny tenan’ny Ray any An-danitra na ny an’i Jesoa Kristy. Avy eo dia afaka manondro ny faritra mitovy amin’izany amin’ny vatan’izy ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Genesisy 1:28; Mosesy 2:28; Abrahama 4:28.“Ny didin’ Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Afaka manao kilalao an-tsehatra ireo olona ao amin’ny fianakaviana hanehoana ny fomba hanazavana ny finoantsika momba io didy io amin’ireo izay tsy mahalala io fahamarinana io na mino zavatra hafa ankoatra an’io.

Genesisy 1:28; Mosesy 2:28; Abrahama 4:28.Inona no hevitr’izany hoe “manjakà … amin’ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany”? (jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:16–21). Ahoana no ahafahan’ny fianakaviantsika manatanteraka ny andraikitsika hikarakara ny tany?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Tia ahy ny Ray any An-danitra,” Bokin-kiran’ny ankizy, 16.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiharo eo amin’ny fiainantsika ny soratra masina. Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina dia asao ny olona ao amin’ny fianakaviana hampihatra izany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra hoe, ahoana no fampiharana ny Mosesy 3:1–3 amin’ny fitandremantsika ny Sabata isan-kerinandro? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21.)

Sary
i Jesoa Kristy mijoro ao anaty rahona

Ny Fahariana, nataon’i Annie Henrie Nader

Hamoaka printy