“27 desambra–2 janoary. Mosesy 1; Abrahama 3: -Izao no asako sy voninahitro,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)
“27 desambra–2 janoary. Mosesy 1; Abrahama 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022
27 desambra–2 janoary
Mosesy 1; Abrahama 3
“Izao no asako sy voninahitro”
Rehefa mamaky ny zavatra nolazain’ Andriamanitra tamin’i Mosesy sy i Abrahama ianao, dia saintsaino izay zavatra mety holazainy aminao ihany koa.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Ny Baiboly dia manomboka amin’ny teny hoe “tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Fa inona no nisy teo talohan’ io “tamin’ny voalohany” io? Ary nahoana Andriamanitra no nahary izany rehetra izany? Nanazava ireo fanontaniana ireo tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.
Ohatra, nanome antsika fitantarana momba ny fahitana iray izay nahitan’i Abrahama ny fisiantsika amin’ny maha fanahy antsika “talohan’ny nisian’izao tontolo izao” Izy (jereo ny Abrahama 3:22–28). Ny Tompo ihany koa dia nanome antsika dikanteny na fanitsiana nentanim-panahy an’ireo toko enina voalohany ao amin’ny Genesisy, antsoina hoe bokin’i Mosesy—izay tsy manomboka amin’ny hoe “tamin’ny voalohany.” Fa izany kosa dia manomboka amin’ny zavatra niainan’i Mosesy izay manome sahan-kevitra sasantsasany an’ilay tantara fanta-daza momba ny Fahariana. Rehefa miaraka ireo soratra masin’ny andro farany ireo dia toerana tsara hanombohana ny fandalinantsika ny Testamenta Taloha satria izy ireo dia miresaka ireo fanontaniana fototra sasantsasany izay afaka manome sahan-kevitra manodidina ny vakiteny ataontsika: Iza moa Andriamanitra? Iza moa isika? Inona no atao hoe asan’ Andriamanitra, ary inona no anjara toerana sahanintsika ao anatin’izany? Ireo toko manokatra ny Genesisy dia azo jerena ho toy ny valin-tenin’ Andriamanitra ho an’ny fangatahan’i Mosesy hoe: “Mamindrà fo amin’ny mpanomponao Andriamanitra ô, ary lazao ahy ny momba ity tany ity sy ny mponiny ary koa ireo lanitra” (Mosesy 1:36).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra ahy dia manana anjara araka an’ Andriamanitra aho.
Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra hoe: “Maro amin’ny fisafotofotoana iainantsika eto amin’ity fiainana ity no avy amin’ny tsy fahatakarantsika ny hoe iza isika” (“The Reflection in the Water” [takariva amorom-patana ho anʼny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 1 nôv. 2009], ChurchofJesusChrist.org). Fantatry ny Ray an-danitra izany, ary toy izany koa i Satana. Ny hafatr’ Andriamanitra voalohany tamin’i Mosesy dia nahitana ny fahamarinana hoe “zanakalahiko ianao” sy ny hoe “ianao dia natao araka ny endriky ny Zanaka Lahitokako” (Mosesy 1:4, 6). Mifanohitra amin’izay, i Satana dia niantso an’i Mosesy hoe “zanak’olona” fotsiny (Mosesy 1:12). Inona no mety hiova eo amin’ny fiainanao sy ny fanapahan-kevitra raisinao raha toa ka mihevitra ny tenanao amin’ny fomba tian’i Satana hieritreretanao izany ianao, dia ny hoe “zanak’olona”? Voatahy amin’ny fomba ahoana ny fiainanao rehefa mahafantatra fa zanak’ Andriamanitra ianao?
Andininy na andian-teny inona ao amin’ny Mosesy 1 no manome anao fahatakarana ny lanjanao araka an’ Andriamanitra?
Afaka manohitra ny hery mitarika ananan’i Satana aho.
Araka ny asehon’ny Mosesy 1 mazava tsara, ny fiainana zavatra ara-panahy mahery vaika dia tsy manakana ny fakam-panahy tsy hahazo antsika. Raha ny marina dia iray amin’ireo paikadin’i Satana ny maka fanahy antsika hiahiahy ny amin’ireo zavatra niainana ireo na ny zavatra nianarantsika avy amin’izany. Rehefa mamaky ny valin-tenin’i Mosesy tamin’i Satana ao amin’ny andininy 12–26 ianao dia inona no zavatra nianaranao ka manampy anao hijanona ho marina amin’ny fijoroana ho vavolombelona noraisinao? Inona no manampy anao hanohitra ireo fakam-panahy hafa avy amin’i Satana? (jereo ohatra ny andininy 15 sy ny 18).
Miainga amin’ny zavatra nianaranao dia afaka manao drafitra hanoherana fakam-panahy ianao. Ohatra, azonao fenoina ny fehezan-teny hoe: “Rehefa alaim-panahy aho dia .”
Jereo ihany koa ny Matio 4:1–11; Helamàna 5:12; Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 93–96; ChurchofJesusChrist.org.
Ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra dia ny manampy ahy hahazo ny fiainana mandrakizay.
Rehefa avy nahita fahitana ireo zavatra noharian’ Andriamanitra i Mosesy dia nanontany ny Tompo hoe: “Lazao ahy … nahoana no toy izao ireo zavatra ireo” (Mosesy 1:30). Inona no manaitra anao amin’ny valin-tenin’ Andriamanitra ao amin’ny Mosesy 1:31–39?
Niaina fahitana ihany koa i Abrahama, izay voarakitra ao amin’ny Abrahama 3. Inona no hitanao ao amin’ny andininy 22–26 ka afaka hanampy amin’ny famaliana ny fanontanian’i Mosesy?
Hevero ny hanao lisitra ireo fahamarinana hafa nianaran’i Mosesy sy i Abrahama tao amin’ny fahitan’izy ireo: fahamarinana momba an’ Andriamanitra, momba azy ireo ary momba ireo tanjona amin’ireo zavatra noharian’ Andriamanitra. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny tontolo manodidina anao?
Jereo ihany koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Manan-danja Aminy ianao,” Liahona, nôv. 2011, 19–22; Gospel Topics, “Premortality (Fiainana alohan’ny fiainana an-tany),” topics.ChurchofJesusChrist.org.
Moa ve “nofinidy talohan’ny nahaterahan[y]” ireo hafa ankoatra an’i Abrahama?
“Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny fiainana an-tany dia nanendry fanahy maromaro Andriamanitra hanatanteraka iraka manokana mandritra ny fiainany an-tany. Izany no antsoina hoe fanendrena mialoha. … “Mihatra amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana ny fotopampianaran’ny fanendrena mialoha, fa tsy amin’ny Mpamonjy sy ireo mpaminaniny ihany” (Sujets de l’Évangile, “Préordination (Fanendrena mialoha),” topics.ChurchofJesusChrist.org).
Ahoana no nahazoantsika ny bokin’i Mosesy sy i Abrahama?
Ny bokin’i Mosesy no ampahany voalohany amin’ny fandikana nentanim-panahy ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Ny bokin’i Abrahama dia nambara tamin’i Joseph Smith nandritra ny asa nataony tamin’ireo horonan-taratasy egyptiana. Ireo boky ireo, izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy amin’izao fotoana izao, dia manome fampahafantarana betsaka momba an’i Mosesy, sy i Abrahama ary ireo mpaminany hafa izay tsy hita ao amin’ny Testamenta Taloha. Mba hahafantarana misimisy kokoa ny fomba nahazoantsika ireo boky ireo dia jereo ny Traduction de la Bible par Joseph Smith (Sujets de l’histoire de l’Église, ChurchofJesusChrist.org/study/history/topics) sy ny Traduction et historicité du livre d’ Abraham (Sujets de l’Évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Mosesy 1:2–6; Abrahama 3:11–12.Azonao atao ny manasa ny olona ao amin’ny fianakaviana hitady andian-teny ao amin’ilay hira hoe “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3) izay mifandray amin’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ireo soratra masina ireo.
-
Mosesy 1:4, 30–39.Mety hankafizin’ny fianakavianao ve ny hijery ny sasany amin’ireo “asan’ny tanan’[Andriamanitra]”? (andininy 4). Azonareo atao angamba ny mamaky ireo andininy ireo ao anatina valan-javaboary na eo ambanin’ny kintana amin’ny alina. Avy eo dia afaka miresaka momba ny antony naharian’ Andriamanitra izao tontolo izao sy ny fomba andraisantsika anjara amin’ny “[asany sy ny voninahiny]” ianareo (andininy 39).
-
Mosesy 1:18.Inona no torohevitra azontsika zaraina mba hanampiana ny tsirairay hanavaka an’ Andriamanitra sy i Satana? (Jereo koa ny Môrônia 7:12–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–24.)
-
Abrahama 3:24–26.Azonao omena asa mahafinaritra nefa mamporisika hanao ezaka ny mpianakavy, izay ahafahan’izy ireo manaporofo fa afaka manaraka torolalana izy ireo, toy ny fanaovana fiaramanidina taratasy na ny fanarahana fomba fahandro iray. Inona no mampitovy io fiaraha-mientana io amin’ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany araka ny voafaritra ao amin’ireo andininy ireo?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Zanaky ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3.